FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • w86 1/8 p. 22-24
  • Nahita tena asa ho amin’ny fiainana rehetra izy ireo

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Nahita tena asa ho amin’ny fiainana rehetra izy ireo
  • Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1986
  • Lohatenikely
  • Mitovitovy Aminy
  • Fiainana ara-piasana sy fandavan-tena
  • Ny asany no fiainany
  • Tiany ny hanan-karena, ary haingana
  • Nitana ny fotoanany rehetra ny varony
  • Nanampy azy hahita an’Andriamanitra ny raharahany
  • Nahita ‘asa ho amin’ny fiainana rehetra’ tsaratsara kokoa izy ireo
  • Manova Olona ny Baiboly
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2011
  • “Afaka Miala Ianao! Izahay efa Niala!”
    Mifohaza!—1998
  • Manova Olona ny Baiboly
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2009
  • Asa inona no hofidiko?
    Mifohaza!—1990
Hijery Hafa
Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1986
w86 1/8 p. 22-24

Nahita tena asa ho amin’ny fiainana rehetra izy ireo

NANGATSIAKA ny alina, namanala ny rano. Zazalahy sy zazavavy roanjato, niakanjo fotsy sy nitana labozia ambony be noho ny lohany no nandroso tao anaty rano izay tafakatra hatreny amin’ny tratrany. Moa ve izany fombafomba fandraisana ao amin’ny fanompoam-pivavahana iray mifono zava-miafina? Sa hatsikana alamin’ny tanora be vosobosotra?

Tsia, sahala amin’ireo namany an’arivony maro, ireny tanora vao niala tany amin’ny “lycée” na ny oniversite ireny dia nanao sorona ho an’izay antsoina hoe fombafomba fidirana ao amin’ny fiainana ara-piasana ao amin’ny orinasa lehibe iray any Japon. Ny firobohana niaraka tao anaty rano namanala dia noheverina fa nanaisotra tamin’ireny ho tonga mpiasa ireny izay rehetra mety ho fironana hahaleotena nety ho namboleny tany an-tsekoly ka hanamafy ny fifikiran’izy ireo amin’ilay orinasa.

Fiainana ara-piasana sy fandavan-tena

“Any Japon, ny asa dia milaza fitambaran’olona, ary ny fitambaran’olona dia milaza asa”, hoy ny nosoratan’i Frank Gibney tao amin’ny bokiny hoe Japon: ilay lehibe dia lehibe manana tongotra tanimanga (anglisy). Milaza izany fa rehefa miditra ao amin’ny orinasa iray ny olona iray, ny fiainany manontolo dia mihodinkodina manodidina an’io. “Raha miasa ao amin’i Mitsubishi izy, dia olon’i Mitsubishi. Ny ankamaroan’ireo sakaizany dia Mitsubishi. Miara-misotro amin’izy ireo izy, miara-manao ‘golf’ na ‘bowling’ (boules) amin’izy ireo ary mamboraka amin’izy ireo ny zava-manahirana azy. Mazava ho azy fa mifaninana amin’izy ireo izy, kanefa ny zavatra rehetra dia mitranga toy ny ao anatin’ny fianakaviana iray izay itadiavan’ny ankizy hifampihoatra, kanefa tsy misy na dia iray aza aminy mieritreritra ny hiala ao an-trano. Ankoatra ireo havany ary angamba mpiara-mianatra taloha vitsivitsy, ny ankamaroan’ny sakaizany, ary matetika ny an’ny fianakaviany, dia anisan’ilay orinasa.”

Ho takalon’ny fandavan-tenan’izy ireo sy ny fahafoizan-tenany, ilay orinasa dia miantoka ho an’ireo mpiasa ao aminy, asa ho amin’ny fiainana rehetra, ka izany dia mahafaoka fampiofanana mitohy, fitarihana amin’ny asa, ny mety hamindrana toerana ary, mazava ho azy, fisondrotana.

Noho ny faniriany hahomby, ny ankamaroan’ny tanora japone dia manaraka an-tsitrapo izany fanao izany ka miditra ao anatin’ilay fandaharana. Ny hafa, na dia tsy mianika ambaratonga kely ao anatin’ny fiantohan-draharaha iray aza, dia miady mba hahombiazana ao amin’ny fiainana ara-piasana hafa iray. Nefa moa ve ny fandaharana toy izany mitondra fahasambarana sy fahafahampo? Moa ve ny asa ho amin’ny fiainana rehetra miaraka amin’ny fahasambarana ho amin’ny fiainana rehetra? Olona tsy mitsahatra ny mihamaro no mahatsikaritra fa afaka manokan-tena ho amin’ny asa mahafinaritra kokoa, mampitombo fahalalana kokoa noho izay natao hanatrarana fisondrotana eo amin’ny asa na hiadiana mba hahazoana harena sy laza.

Ny asany no fiainany

Nivoaka avy tao amin’ny Sekoly ambony ara-barotra tany Keio i Junichi tamin’ny 1961. Tahaka ny ankamaroan’ireo nahazo diplaoma tany amin’ny oniversite, dia niditra tao amin’ny orinasa nalaza iray izy. Raha ny aminy, dia nifidy ny ozinina fanaovana fiarakodia lehibe indrindra tany Japon izay nampiasa olona teo amin’ny 4 700 izy. Nianika tsy tapaka ny ambaratonga kely izy ary, tamin’ny farany, dia tonga tompon’andraikitra tamin’ny sampan-draharaha niasany. Matetika tokoa izy no any am-piasany raha vao maraina ary mijanona any hatramin’ny misasakalina, hany ka azo lazaina hoe tsy nanam-potoana hikarakarana ny vadiny sy ireo zanany dimy izy. Nekeny anefa io toerana io noho ny fieritreretana fa sorona tena nilaina izany mba hiantohana ny ho aviny.

Tamin’ny oktobra 1974, dia fantatr’i Junichi fa niara-nianatra ny Baiboly tamin’ny Vavolombelon’i Jehovah ny vady aman-janany ary nanatrika fivoriana kristiana. Nataony tamin’izay ny azony natao rehetra mba hitaomana azy ireo hitsahatra amin’izany fanaovan-javatra izany, ka vitany mihitsy hatramin’ny fandaozana azy ireo kelikely, kanefa tsy nisy vokany.

Indray andro, ny fianakaviany dia lasa tany amin’ny fivoriana iray raha nody avy tany am-piasana izy. “Vonona ho ahy ny sakafo, ary nisy taratasy niandry ahy, hoy i Junichi. Tao amin’io taratasy io, dia namboraka tamiko ny vady aman-janako fa tsy ho afaka na oviana na oviana hiala amin’ny fahamarinana izy, fa raha ny marina dia mba hahasoa ahy koa izany, ary ho takatro ny antony indray andro any.” Nanaitra aoka izany ny sain’i Junichi ireo teny ireo. “Niteny anakampo aho fa angamba izy ireo tena nahita tokoa ny fahamarinana, ka nitsahatra tsy nanohitra azy ireo aho.

“Tonga nitsidika ahy ireo Vavolombelona mba hamporisika ahy hianatra ny Baiboly. Tamin’izay ny fiainako ara-piasana no nanomboka nanakantsakana ny faniriako. Voatanan’ny asako aoka izany aho ka nieritreritra fa tsy ho afaka hahita fotoana hianarana ny Baiboly mihitsy sy hanatrehana ireo fivoriana. Fantatro koa fa raha nanomboka nianatra aho, dia tokony hitsahatra tsy hampiasa fanao tsy marina sy ny fandraisana anjara amin’ny fanasana takariva maharitra alamin’ny mpiasa ao amin’ilay orinasa matetika. Noho ny fahafantarana fa hanimba ny tombontsoako izany, dia nisalasala ny hianatra aho.”

Noho ireo fampaherezan’ny Vavolombelona anefa, dia nanomboka nianatra i Junichi, ary nandroso haingana izy ka tonga hatramin’ny fanolorana ny fiainany ho an’Andriamanitra sy ny batisa. Marina fa nitana ny asany manontolo andro izy, kanefa nahita izay heveriny ho tena asa ho amin’ny fiainana rehetra. Nanomboka tamin’ny martsa 1978, dia manao isam-bolana ny asan’ny mpitory maharitra mpanampy izy, izany hoe manokana 60 ora isam-bolana ho amin’ny asa fitoriana.

Sambatra ve i Junichi nanaraka izany fomba fiaina vaovao izany? “Izany tokoa, hoy ny avaliny. Miasa be dia be lavitra aho mandritra ny andro mba hahafahana mampiasa ireo takarivako hiasana ho an’ny tombontsoan’ilay Fanjakana miaraka amin’ny fianakaviako. Nanana fotoana maro aho nahafahana nanao fanambarana tamin’ireo mpiara-miasa tamiko sy nianatra ny Baiboly niaraka tamin’ny olon-kafa izay faran’izay voatanan’ny asany sahala amin’ny tenako teo aloha. Natao batisa ny anankiroa tamin’izy ireo, ary ankehitriny aho dia miara-mianatra amin’ny telo hafa. Misaotra an’i Jehovah aho noho ny nananany faharetana aoka izany tamiko.”

Tiany ny hanan-karena, ary haingana

Avy amin’ny fianakaviana iray misy ankizy enina i Takafu ary tsy maty tamin’ny fandatsahana baomba ana habakabaka nihatra tamin’ny tanànan’i Nagoya nandritra ny Ady Lehibe Faharoa. Rehefa vita anefa ny ady, dia tsy nanana afa-tsy ny fitafiana teny an-kodiny intsony izy. Ny faniriany dia ny hanjary hanan-karena haingana. Rehefa feno 15 taona izy, ny dadatoany dia nanosika azy hisoratra anarana tao amin’ny sekoly ho an’ny mpanao ny hazakazaka am-bisikileta ho anton-draharahany. Teo amin’ny faha-22 taonany, dia ‘nahomby’ izy: izy no anankiray tamin’ireo mpihazakazaka am-bisikileta tsara indrindra tao amin’ilay tany ary nandray anjara tamin’ny fifaninanana nanerana an’i Japon izy. Mbola hitany foana ny reniny nanolotra ireo zavatra azony tamin’ny fandresena teo anoloan’ny alitaram-pianakaviana ho fanehoana fankasitrahana. Toa nahatratra ny zava-nokendrena teo amin’ny fiainany i Takafu ary nandeha tsara daholo ny zavatra rehetra ho azy.

Tamin’izany fotoana izany no nisy misionera Vavolombelon’i Jehovah iray tonga tao amin’i Takafu ka nanao resaka nampieritreritra azy aoka izany. Taorian’io fitsidihana io, dia nanakoako tao an-tsainy sy tao am-pony ny teny sahala amin’izao, notononin’i Jesosy: “Fa inona moa no soa ho azon’ny olona, raha mahazo izao tontolo izao, kanefa very ny ainy?” (Matio 16:26). Rehefa nandeha ny fotoana, dia nandroso tamin’ny fahalalana ny Baiboly i Takafu ary takany fa tokony hanao fiovana sasany teo amin’ny fiainany izy.

“Noho izaho nanao ny hazakazaka am-bisikileta ho anton-draharahako, dia fantatro fa nifamatotra akaiky ny hazakazaka am-bisikileta sy ny filokana, hoy ny fitantaran’i Takafu. Tsy mora anefa ny nanao ny fanapahan-kevitra. Nanokana fito taona teo amin’ny fiainako ho amin’ny fanatanjahan-tena aho, ary izay azoko dia toa tena nilaina mba hiadanan’ny fianakaviako. Ny fianarako ny Baiboly anefa dia nampahafantatra ahy fa tsy maintsy nanao fanapahan-kevitra sahala amin’izany i Mosesy sy i Paoly, ary nifidy ny anjara tsara izy ireo. Izany koa no nataoko.” Nilatsaka hanao fihazakazahana hafa i Takafu, dia ny fihazakazahana ho amin’ny fiainana rehetra, ary manohy izany izy mandraka ankehitriny. Manampy ireo kongregasiona hatramin’ny taona vitsivitsy izy amin’ny maha-mpiandraikitra mpitety faritany.

Nitana ny fotoanany rehetra ny varony

Niasa tao amin’ny fivarotana akanjom-behivavy voazaitra i Satoshi. Tompon’ny magazay nalaza efatra izy ka tsy nanan-java-nanahirana ara-bola. Kanefa ny fifampikasohany tamin’izao tontolo izao ara-barotra dia nitarika azy ho amin’ny fanatsoahan-kevitra fa ireo zava-manahirana maneran-tany toy ny fandotoana, ny mosary sy ny ady dia hamarana tsy ho ela ny fahaveloman’ny olombelona. Koa rehefa tonga tao aminy ny Vavolombelona iray mba hanome azy taratasy nivalona iray nanome toky fa tsy hamela izany hisy mihitsy Andriamanitra, dia taitra ny fahalianany.

Nisakana azy anefa ny raharaham-barony. “Noho ny fifaninanana nirehitra, ny fampihenana dia hilaza fatiantoka, hoy izy. Ao amin’ny asanay, dia hita ‘ny lalàn’ny kirihitrala’ (mandresy ny osa ny mahery). Izay tsy miezaka mafy, avy hatrany dia mahita fatiantoka.” Nila roa taona àry i Satoshi mba hanapahan-kevitra, rehefa nanao fiezahana lehibe, hianatra ny Baiboly.

Taorian’ny nahatongavany ho Vavolombelon’i Jehovah, dia nivarotra roa tamin’ireo magazainy izy ary nametraka olona hiandraikitra ny roa hafa. Amin’izao fotoana izao i Satoshi dia tsy miasa afa-tsy indroa na telo andro isam-bolana amin’ny maha-mpanao kaonty sy mpanolo-tsaina, kanefa izao no nambarany: “Manana ivelomana foana aho; ny faniriako dia ny hametraka ny asan’i Jehovah Andriamanitra eo amin’ny toerana voalohany amin’ny fiainako.” Ankehitriny izy dia manao ny tena asany ao amin’ny fanompoana manontolo andro amin’ny fanaovana ny asan’ny mpitory maharitra. Mandroso tsara eo amin’ny ara-panahy izy sy ny fianakaviany.

Nanampy azy hahita an’Andriamanitra ny raharahany

Niasa tao amin’ny magazay momba ny fira-potsy (étains) notanan’ny fianakaviany i Hiroshi. Ny tena tiany anefa dia ny naka sary ny natiora. Tamin’ny farany izy dia nahavita sarim-bibikely tsara tarehy aoka izany ka navoaka tao amin’ny boky sasany ny vitsivitsy taminy. Teo amin’ny faha-29 taonany izy, dia tonga mpaka sary nanao izany ho anton-draharaha.

“Ny fandinihako bibikely dia nampiaiky ahy fa raha nisy Andriamanitra dia tena tsy maintsy ho mahay vazivazy izy, hoy ny fitadidiany. Izany dia nitarika ahy hisalasala ny amin’ny tsangan-kevitra momba ny evaolisiona ary nanomboka nahaliana ahy kely ny Baiboly.”

Indray andron-dririnina, dia nitsidika an’i Hiroshi ny Vavolombelona roa. Noraisiko taminy ny gazety roa nirakitra lahatsoratra momba ny biby, ary nanipy hevitra tamiko izy ireo mba hianatra ny Baiboly miaraka amin’izy ireo, tao an-tranoko, hoy ny fitantaran’i Hiroshi. Niteny anakampo aho fa noho izaho tsy voatery ho any amin’ny fiangonana iray mba hianarana, dia tsy namatotra ahy mihitsy izany. Nanaiky àry aho.” Na dia nahagaga azy aza izay nampianarin’ny Baiboly momba ny Mpamorona, vetivety dia nanaiky ny fahamarinana izy. Nailiny ho any amin’ny toerana faharoa, tany ambadiky ny fitiavany an’Andriamanitra, ny fitiavany ny natiora.

Mamelona ny ankohonany amin’ny fanaovana ny asan’ny mpaka sary mahaleotena izao i Hiroshi. Ny tena asany anefa, dia ny fanompoana manontolo andro.

Nahita ‘asa ho amin’ny fiainana rehetra’ tsaratsara kokoa izy ireo

Maro ny Japone nanova fomba fiaina sy asa indraindray, rehefa tonga tamin’ny fahalalana an’i Jehovah sy ny fikasany izy ireo. Anisan’izy ireny ny mpitsabo, mpanao nify, mpanao maritrano, “programmeurs sy ingénieurs informaticiens”, mpampianatra, mpitsabo biby, mpanety, filohan’ny fiantohan-draharaha, ets.

Taloha izy rehetra ireny dia nanokan-tena tanteraka ho amin’ny asany. Rehefa fantany anefa fa akaiky ny faran’ny fandehan-javatra ankehitriny, dia nanapa-kevitra izy ireny ny hametraka ny raharahany ho eo amin’ny toerana mety ka hanomboka hiasa ho amin’ny fikendrena zavatra tsara lavitra: ny Fanjakan’Andriamanitra sy ireo fitahiana nampanantenaina hoentiny (Matio 6:33). Navelan’izy ireo izay toa asany ho amin’ny fiainana rehetra tamin’ny fotoana sasany ka nilatsaka ho amin’ny asa hafa izy ireo. Nanaraka tena asa ho amin’ny fiainana rehetra izy ireo tamin’ny fahatongavana ho mpitory maharitra miasa ho an’ny Avo Indrindra, dia Jehovah Andriamanitra.

[Sary, pejy 23]

Takafu Yamaguchu, tompon-daka tamin’ny hazakazaka am-bisikileta.

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2026)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2026 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara