‘Malemy fanahy’ sa “bitika”: fandikan-teny inona no hofidina?
AO AMIN’NY I TESALONIANA 2:7, dia izao no lazain’ny apostoly Paoly ny aminy sy ireo namany: “Fa nalemy fanahy teo aminareo izahay, tahaka ny reny mitaiza ny zanany naterany.” Ny fandikan-teny sasany (Ny Baiboly amin’ny teny frantsay mahazatra; Ny Testamenta Vaovao nataon’i A. Decoppet) dia mampiasa ny teny hoe “malemy fanahy” ao amin’io andininy io, fa ny hafa kosa (Liénart, fanontana tamin’ny 1956; Glaire) dia mampiasa ny teny hoe “bitika” na “kely”. Nahoana no misy izany tsy fitoviana izany?
Ireo mpandika teny dia manaraka ny anankiray amin’ireo endriny roa hita tao amin’ireo teny sy soratanana grika. Ny sasany amin’izy ireny (Textus Receptus, Tischendorf, Merk) dia mametraka ny hoe êpioï, izay ny dikany dia hoe “malemy fanahy”, fa ny hafa kosa (Westcott sy Hort, Nestle-Aland) dia mampiseho ny hoe nêpioï, izay ny dikany dia hoe “bitika”.
Ny amin’izany, ny boky misy fanamarihana iray (The New International Dictionary of New Testament Theology, 1975, boky I, pejy faha-282) dia manamarika toy izao: “Misy dikan’ny I Tesaloniana 2:7 anankiroa: a) êpioï (nalemy fanahy teo aminareo izahay); b) nêpioï (bitika). Ny teny eo aloha [ao amin’io andininy io] dia mifarana amin’ny n, ary toa mety ny hiheverana fa naverina indroa noho ny fahadisoana nataon’ny mpanao kopia iray io n io. Afa-tsy izany koa, ny filazana ny hevitry ny dikany faharoa dia mametraka zava-manahirana. Eo amin’ny and. 7b I Tesaloniana 2:7b, dia tsy ny tenany, fa ireo Tesaloniana, no ampitahain’i Paoly amin’ny ‘zaza’; nampitaha ny tenany sy ireo namany, tamin’ny reny mitaiza (trophos).” izy. Ara-drariny àry ny ametrahan’ny andininy maro hoe “malemy fanahy” fa tsy “bitika” ao amin’io soratra io.
Fa nahoana i Paoly no nampiasa ny teny hoe “nalemy fanahy” ao amin’io andininy io? Satria izy sy ireo namany misionera dia tena tia ireo izay nampianariny ary tsy naniry velively hanimba ny fandrosoan’izy ireo ara-panahy (I Tesaloniana 2:8). W. Vine (An Expository Dictionary of New Testament Words, fanontana indray tamin’ny 1962, boky II, pejy faha-145) dia manamarika fa ny teny hoe êpios “dia nampiasain’ireo mpanoratra grika matetika mba hilazalazana ny fihetsiky ny vehivavy mitaiza iray amin’ny zanaka manahirana, ny mpampianatra iray amin’ny mpianatra maditra na ny ray aman-dreny amin’ireo zanany. Ao amin’ny I Tesaloniana 2:7, ilay Apostoly dia mampiasa io teny io mba hilazana ny nataon’izy sy ireo namany misionera tamin’ireo vao niova ho kristiana tany Tesalonika”. Rehefa mampianatra ny Tenin’Andriamanitra ny hafa isika, enga anie isika mba hitadidy ao an-tsaina foana ny fahalemem-panahin’i Paoly sy ireo namany ka hanaraka ny ohatra nomen’izy ireo!