Asa inona no hofidinao?
RAHA mbola tanora ianao ary mbola mianatra any an-tsekoly, dia azo antoka fa mandray soa amin’ireo tombontsoa mifamatotra amin’ny fahatanorana: tokony ho salama ianao ary hanana hery sy tanjaka be dia be. Mivoha eo alohanao tahaka ny lalankely mbola tsy masaka ny fiainana. Hataonao ahoana ny fiainanao ao anatin’ireo taona hanaraka?
Rehefa mieritreritra ny ho avinao ianao, dia tsy isalasalana fa misy fanontaniana tonga ao an-tsainao. Mety ve ny hankanesako any amin’ny oniversite, ny hidirako hanao ny asan’ny mpitsabo, mpisolovava na mpahay siansa? Moa ve aho mamelona nofinofy ny hananika ny ambaratonga ara-tsosialy mandra-pahatongako hanan-karena sy hohajaina? Hanandrana hanao izay hahazoan-daza amin’ny hairaha (arts) ve aho amin’ny fahatongavana ho mpahay teatira na hosodoko? Sa kosa, amin’ny maha-tanora nanolo-tena ho an’i Jehovah Andriamanitra ahy, moa ve aho hifidy ny hanao raharaha ao amin’ny fanompoana manontolo andro, ‘ka hahatsiaro ny Mpanao ahy amin’ny andro fahatanorako’? — Mpitoriteny 12:1.
Ireo gazety sy ireo lahatsoratra amin’ny bokikely misy sary dia matetika no milazalaza ny fiainan’olona fantatra tsara ho mampientana sy feno zava-tsoa. Inona anefa no fantatrao ny amin’ny fiainan’ny mpitory manontolo andro iray? Matroka, manorisory, ve izany? Sa kosa tena mahaliana sy mahavariana izany? Aoka hojerentsika ny zava-nitranga sasany nodiavin’ireo izay tao anatin’ny fanompoana manontolo andro hatramin’ny taona maromaro; angamba izany hanampy anao hanao ny fanapahan-kevitrao.
Nahoana izy ireo no nifidy ny fanompoana manontolo andro
Raha mbola nirehitra ny ady tany Vietnam, dia nanaraka fianarana tao amin’ny oniversite tany Hawaii i Harry mba hahatongavana ho mpampianatra tantara. Niara-nianatra Baiboly tamin’ny Vavolombelon’i Jehovah koa izy. Sahala amin’ny maro tamin’ireo mpiara-nianatra taminy, dia nanaiky ho voatarika tamin’ireo fihetsiketsehana nirehitra fanao teo amin’ny mpianatra tamin’izany fotoana izany izy, nanomboka nanandrana zavatra mahadomelina ary variana tamin’ny LSD indrindra. Indray maraina, rehefa nifoha izy, dia nahita ny efitranony nikorontana nahatsiravina: feno tavoahangin-java-pisotro vaky sy tapa-tsigara ny gorodona; nisy lehilahy sy vehivavy nitsotra tetsy sy teroa. Nanjavozavo fotsiny no nahatsiarovan’i Harry fifandirana tamin’ny polisy ny amin’ny fanendrena hisava sy ny fandrahonana handroaka nataon’ny tompon-tranony. Tamin’izay fotoana izay, dia nanapa-kevitra izy na tokony hitsahatra tsy hianatra Baiboly na tokony handamina ny fiainany. Nanao fanapahan-kevitra feno fahendrena izy tamin’ny fifidianana ity faharoa.
Arakaraka ny nitomboan’ny fahalalany ny Baiboly, dia nihena ny fanirian’i Harry hanohy fianarana tany amin’ny oniversite sy hanao ny fampianarana ho raharaha. Natsahany ny fianarany ambony, nitady asa tapak’andro izy, natao batisa ary tsy ela dia nahafeno ireo fepetra mba hahatongavana ho mpitory maharitra, na mpitory manontolo andro. Araka izany, dia nanomboka raharaha vaovao i Harry, feno zava-tsarotra tsy maintsy setraina sy fisehoan-javatra mahaliana.
Rehefa mpitory maharitra manokana i Harry sy ny vadiny, dia notendrena ho misionera tany amin’ireo nosy kanton’i Belau, any Pasifika andrefana izy ireo, ary mbola manompo any foana. Manao ahoana ny fiainan’ireo misionera ao amin’ireny nosy ireny?
Ny fitoriana eny an-tsambo
Be dia be ny fitoriana an-tsambo sy an-tongotra any amin’ireo nosy any Micronésie. Tsaroan’i Harry sy ny vadiny, Rene, ny voalohany nandehanany nitory an-tsambo teny amin’ny nosy hafa iray. “Nonina tao amin’ny trano iray izahay, tany amin’ny kilaometatra maromaro eo ambony amin’ny renirano miolikolika namakivaky alakonko sy ala iray matevina aoka izany, hany ka nandrary andohalambo maitso teo ambonin’ny lohanay, hoy ny fahatsiarovany. Niala tao an-tranonay izahay ary nidina teo amin’ny renirano sady nijanona mba hitory tamin’ireo olona nonina teny amoron-drano. Indray hariva, taorian’ny fitoriana, rehefa nanomboka ho maizina ny andro, dia niakatra haingana indray teo amin’ny renirano izahay mba hody alohan’ny alina. Tsitapitapitr’izay, dia nikiakiaka i Rene. Zara aho raha nanana fotoana niverenana mba hahatazanana fiporiti-drano sy rambo lavan’ny biby mikisaka iray nilentika tao anaty rano. Voay an-dranomasina izy io, ny karazany lehibe indrindra eo amin’izao tontolo izao. Maivamaivana izahay tonga tsy naninon-tsy naninona tany an-tranonay. Na dia ora fandroanay tao amin’ilay renirano aza izany, rehefa avy nahita an’io voay goavana io izahay dia nieritreritra fa ho azo antoka kokoa ny hamatorana tady amin’ny siny iray sy hanovozan-drano mba hisasana ao an-tsambonay.”
Koa satria vohitra sy trano maro no tsy tongan’ny fiarakodia na ny sambo, ireo misionera dia mandany ora maro andehanana amin’ny lalankely anaty ala voafefin’ny voaniho mba hanatrarana ireo teratany sariaka sy manetry tena. Hoy ny nambaran’i Harry: “Mahita sofina mihaino ny fahamarinana foana izahay. Matetika ireny olona mitokana ireny no miseho ho tia mampiantrano vahiny. Mianika hazo voaniho izy ireny, mioty voany tanora, mikapa ny lohany amin’ny fitaovana maranitra ary manolotra anao fisotro mivoaka mivantana amin’ny ‘fonony’ voalohany. Mampangatsiatsiaka sy fy ary mahasoa ery izany.”
Novalian-tsoa ve ny fiezahana nataon’ireo misionera tamin’ny fitoriana tany Belau? Amin’izao fotoana izao any amin’ireo nosy ireo dia misy kongregasiona iray ahitana kristiana marina 42. Amin’ny ara-keviny, dia 10 isam-bolana no nanao ny fanompoana manontolo andro tamin’ny taona lasa, ary 193 ny isan’ny mpanatrika tamin’ny Fahatsiarovana ny nahafatesan’i Kristy tamin’ny 1985.
Rehefa avy nandany 17 taona tamin’ny asa manontolo andro i Harry, ahoana no eritreriny amin’izao andro izao ny amin’ny fanapahan-keviny hanome tanteraka ny fiainany ho amin’ny asan’i Jehovah? “Raha tsy nahita ny fahamarinana aho, fito ambin’ny folo taona lasa izay, dia ho nandanilany foana ny fotoanako sy ny fiainako hikatsahana ireo zavatra eo amin’izao tontolo izao aho, hoy izy. Tsy ho hitako mihitsy ny fiadanan-tsaina sy ny filaminana hitako tamin’ny fotoana rehetra naha-mpitory maharitra sy misionera ahy, na nandritra ireo taona vitsivitsy naha-mpitovo ahy, na taty aoriana, niaraka tamin’i Rene izay niarahako nandany ireo valo taona farany tamin’ny asa misionera.”
Aoka isika hamporisika hanao ny asa manontolo andro
Tany amin’ny sekoly ambaratonga faharoa i Milton. Nisy namporisika azy hiditra hanao raharaha naha-be fanantenana izay tsy hampanana ahiahy azy amin’ny ara-bola, kanefa ny ohatra nomen’ny anabaviny sy ireo zokiny lahy roa efa nanao ny asan’ny mpitory maharitra dia namporisika azy hanontany tena raha tokony hiditra hanao ny fanompoana manontolo andro koa ny tenany. Ambonin’izany, dia nandre lahateny iray momba ny soa entin’ny asa manontolo andro sy ny fomba anomezan’i Jehovah izay ilain’ireo matoky azy sy manome azy ny toerana voalohany eo amin’ny fiainany izy. Hoy ny fitantaran’i Milton: “Izany dia nanosika ahy hifidy ny hanao ho raharaha ny asa manontolo andro. Noho izany antony izany, talohan’ny hahavitan’ny fianarako ambaratonga faharoa, dia natao batisa aho ary nanomboka an’io asa io.”
Fony Milton nanomboka ny asany, dia latsaka ny folo ny mpitory maharitra tao amin’ny kongregasionany. Inona no nataony tamin’izay? Nangataka tamin’ireo rahalahy tanora aho mba hiaraka tamiko tamin’ny fitoriana, hoy izy. Ny vokany dia ny nanarahan’ny maro tamin’izy ireo ahy taty aoriana tamin’ny asa manontolo andro.”
“Loholona sady mpitory maharitra ny zaodahiko, hoy ny nanampin’i Milton. Iray kongregasiona izahay ary samy niezaka hamporisika ny hafa ho tonga mpitory maharitra. Nanapa-kevitra izahay fa hikarakara ny zatovo aho, ary izy, ny vehivavy mpikarakara tokantrano. Rehefa afaka volana maromaro, dia niisa ho 25 ny minisitra manontolo andro tao amin’ilay kongregasiona. Rehefa tonga ny mpiandraikitra ny fizaran-tany, dia nanasa folo tamin’izy ireny hameno fangatahana hanao ny asan’ny mpitory maharitra manokana sy hifindra any amin’ireo kongregasiona eny akaiky. Nifampiresaka àry izahay fa ho afaka hametra ho zava-kendrena ny hanampy mpitory folo hafa hanao ny asan’ny mpitory maharitra, hisolo an’ireo izay nirahina ho any an-toeran-kafa. Tamin’ny fitsidihan’ny mpiandraikitra ny fizaran-tany nanaraka, dia nisy mpiasa manontolo andro 15 vaovao. 30 izahay izao. Nangatahin’ny mpiandraikitra ny fizaran-tany indray ny folo tamin’izy ireo mba hifindra ho any amin’ny kongregasiona hafa. Ary dia nitady solony indray izahay. Talohan’ny fitsidihan’ny mpiandraikitra ny fizaran-tany nanaraka, dia mpitory 20 amboniny no nameno fangatahana hanao ny asan’ny mpitory maharitra!”
Nahazo ny tanora ny fitiavana ny asan’ny mpitory maharitra. Rehefa tonga ny fotoana hanombohan’izy ireo ny fianarany ambaratonga faharoa, izy rehetra dia saika nanana ho zava-kendrena daholo ny hanomboka ny asa manontolo andro. Ny anabavy iray dia nanapa-kevitra ny ho tonga mpitory maharitra teo amin’ny faha-13 taonany. Hoy izy: “Toa ara-dalàna tanteraka izany.” Tsy nihevitra mafy zavatra hafa noho izany mihitsy izy sy ireo tanora hafa tao amin’ny kongregasiona. Nisy fifanaovam-potoana ho amin’ny fitoriana nalamina taorian’ny fianarana, ary mpitory tanora eo amin’ny enimpolo nianatra tany amin’ny sekoly telo samy hafa no nanohana an’io fandaharana io niaraka tamin’ireo mpitory maharitra. Nampahery tokoa ny nahita nandritra ireo volana tamin’ny lohataona, hatramin’ny mpitory 130 nivory ho amin’ny asa fitoriana niaraka!
Mitondra tombontsoa lehibe kokoa ny asan’ny mpitory maharitra
“Tamin’ny 1974, hoy ny fitantaran’i Milton, dia nasaina aho ho tonga misionera tao amin’ny faritany iray tany amin’ny 6 400 kilaometatra avy eo amiko: ireo nosin’i Belau, eto Micronésie.” Ny fitsapana iray izay sarotra taminy ny nizatra taminy, dia ny fandehanana an-tongotra lavitra namakivaky ny zavamaniry tropikaly sy nandeha an-tsambo.
Indray andro nafana sy mando, rehefa avy nanaraka lalana namovoka nandritra ny ora maro izahay, hoy ny fitadidian’i Milton, “dia trotraka rehefa tonga tao an-tranon’ny fianakaviana iray tsara fandray. Tamin’izay ilay reny dia nilaza tamin’ny zanany lahy mba hidina ny renirano. Niverina izy nitondra “pastèque” lehibe notehiriziny hangatsiatsiaka tao amin’ny renirano ho anay. Nihinana ny antsasany mahery izahay; nampangatsiatsiaka ery ilay izy”!
Rehefa nahavita ny taonany voalohany tamin’ny fanendrena azy ho misionera i Milton, dia tiany ny hanatrarana zava-kendrena telo tao Belau, dia izao: ny handraisan’ireo rahalahy eo an-toerana amin’ny farany ireo andraikitra ao amin’ny kongregasiona, ny hidiran’ireo tanora hanao ny asa manontolo andro sy ny hanorenan’ilay kongregasionany Efitrano Fanjakana ho an’ny tenany. Ary amin’izao fotoana izao, dia manazava izy hoe: “Tao anatin’ireo folo taona lany teto, ireo vavaka nataoko tamin’Andriamanitra mba hahatrarana ireo zava-kendrena telo ireo dia tratra.”
Moa ve i Milton nahatsiaro ho nanao ny fanapahan-kevitra tsara, 14 taona talohan’izay, fony izy nanao ny asa manontolo andro ho anton-draharahany? “Zavatra iray no nianarako tamin’izany taona rehetra tamin’ny asa manontolo andro izany: raha manana finiavana isika, dia hampiasa antsika Jehovah amin’ny fotoana mety, hoy ny navaliny. Tsy tokony hiala mihitsy isika, fa hanohy hanolo-tena an-tsitrapo amin’ny asany. Tsy hanenenanao mihitsy ny hanao ny asan’i Jehovah ho anton-draharahanao amin’ny maha-minisitra manontolo andro.”
Hataonao ahoana ny fiainanao?
Ry tanora, hatokanao ho an’iza ny ho avinao? Ho an’ny tenanao ihany ve sa ho an’i Jehovah manontolo (Romana 14:8)? Hevero ao amin’ny vavaka izao ny zava-kendrena amin’ny asa manontolo andro, raha mbola tanora ianao. Manahafa an’i Jesosy amin’ny fiainana ny sisa amin’ny andro iainanao “araka ny sitrapon’Andriamanitra”. (I Petera 4:2.) Izany dia hiharihary fa fiarovana amin’ireo fanirian-daza, raharaha sy fiarahana amin’ny naman-dratsy eo amin’izao tontolo izao. Fakafakao ny toeranao ka mamera daty iray hanombohana ny asa manontolo andro. Miasà ho amin’io zava-kendrena io. Mivavaha mba hanampian’i Jehovah anao hanatratra izany. — Efesiana 6:18.
Raha mifidy ny hanao ny asan’ny mpitory maharitra ho anton-draharahanao ianao, dia azo antoka fa handray tombontsoa maro tsy eritreretinao akory aza amin’izao andro izao. Hiaina ao anatin’ny fahasambarana ianao, tsy hanana ahiahy sy ao anatin’ny fitiavana. Hahaliana ny fiainanao, hahavariana sy ho ampoky ny soa. Ary ambonin’ny zavatra rehetra, dia hahafaly an’i Jehovah izany. — Ohabolana 27:11.