Tadidinao ve?
Novakinao tamim-pitandremana ve ireo nomerao faramparany amin’ny Ny Tilikambo Fiambenana? Raha izany no izy, dia azo inoana fa hotsaroanao ireto hevitra vitsivitsy voambara eto ambany ireto:
◻ Hatraiza no nampisehoan’i Jesosy ny fitiavany ny olombelona?
Nandao an-tsitrapo ny fonenany tany an-danitra izay nanjakan’ny fiadanana sy ny filaminana izy mba ho tonga hihinana, hatory sy hiaina eo anilan’olona marary sy voaheloka ho faty. Avy eo dia nataony sorona an-tsitrapo ny ain’olombelona tanteraka nananany mba hanomezana avotra hahasoa ny olombelona (Matio 20:28).
◻ Soa inona no raisin’ny kristiana izay mamboly fifehezan-tena?
Mahazo fanajan-tena lehibe kokoa ny kristiana amin’ny fanehoana fifehezan-tena. Manana fiadanana sy fahasambarana mitombo koa izy eo amin’ny fifandraisany amin’ny mpianakaviny sy ny kongregasionany, ary amin’ireo ifaneraserany isan’andro. Ambonin’ny zavatra rehetra, noho ny fifehezan-tena, dia afaka manorina fifandraisana tsara amin’ny Mpamorona azy izy ary fantatra ho kristiana marina.
◻ Inona no antony tokony hanosika antsika haneho fitiavana mampiantrano vahiny?
Na dia mahafinaritra aza ny mandre ny hafa maneho ny fankasitrahany sy ny mahafantatra fa ankasitrahany ny fiezahantsika, dia tiantsika ny haneho fitiavana mampiantrano vahiny alohan’ny zavatra rehetra satria izany fomba tsara dia tsara fanaovan-javatra ary fomba fampisehoana ny fitiavantsika. Ambonin’izany, dia ankasitrahan’i Jehovah izany.
◻ Inona no herin’ilay mitaingina ny soavaly fotsy voalazalaza ao amin’ny Apokalypsy 6:2 eo amintsika?
Jesosy no mitaingina ny soavaly fotsy, ary nanomboka ny fandehanany tany an-danitra izy tamin’ny 1914. Raha nampiseho ny ho herin’ny fiandrianany eo amin’ny olombelona i Jesosy dia nilaza mialoha toy izao: “Ary raha tonga ny Zanak’olona amin’ny voninahiny (...) dia hanavaka azy (ny olona) Izy, tahaka ny mpiandry ondry manavaka ny ondry amin’ny osy.” Atao ankehitriny izany asa fanavahana izany; araka izany, arakaraka ny fihetsikao eo anoloan’ny fitoriana ny hafatra momba ilay Fanjakana, dia, na handray ny fiainana ianao, na hiharan’ny fahafatesana (Matio 25:31-33; 24:14).
◻ Manonòna fomba isan-karazany ampiasain’i Jehovah mba hanatanjahana sy hanohanana ireo mpanompony.
Mampahery sy manohana ireo mpanompony amin’ny alalan’ny fanahiny masina Jehovah (I Petera 4:12-14). Mampahery azy ireny koa izy amin’ny famaliana ny vavaka ataony (Filipiana 4:6, 7). Ny Tenin’Andriamanitra koa dia loharanom-pampaherezana tsy azo atao tsirambina, satria izany manome azy ireo antoka fa tsy misy na inona na inona mitranga aminy ka tsy hitan’Andriamanitra na azony tapahina.
◻ Inona moa ny apokalypsy ambara ao amin’ny Baiboly?
Izany dia ny fandraisana anjara fifantenana ataon’Andriamanitra eo amin’ny raharahan’olombelona. — 15/5, pejy 7.
◻ Inona moa no dikan’ny fitenenana hoe “fiainana ao aminareo” nampiasain’i Jesosy ary voalaza ao amin’ny Jaona 6:53?
Ao amin’ny Jaona toko faha-6 i Jesosy dia mampifanitsy ny “fiainana mandrakizay” amin’ny fananana ny ‘fiainana ao amin’ny tena’, raha lazaina amin’ny teny hafa dia ny mandray amin’ny farany ny fiainana ao amin’ny fahafenoany rehetra. Ireo mpandova ilay Fanjakana izay mahaforona ny “ondry hafa” dia mandray izany fiainana izany amin’ny fananganana azy ireo ho any an-danitra; fa raha ny amin’ny “ondry hafa” dia mandray izany fiainana amin’ny fananganana azy ireo ho any an-danitra; fa raha ny amin’ny “ondry hafa”, izy ireny dia handray izany aorian’ny fahataperan’ny arivo taona hanjakan’i Jesosy Kristy (Apokalypsy 20:4, 5).
◻ Fotopoto-pitsipika inona, izay fianarana ho antsika amin’izao andro izao, no soritana imbetsaka ao amin’ny bokin’i Nehemia?
Izao izany fotopoto-pitsipika izany: “Raha tsy Jehovah no manao ny trano, dia miasa foana ny mpanao azy.” (Salamo 127:1). Amin’izao androntsika izao koa, dia hahita fahombiazana isika amin’izay rehetra ataontsika raha manana ny fitahian’i Jehovah ihany.
◻ Inona no nahatonga an’i Joba ho afaka hisetra fitsapana, ary ahoana no mety hanampian’izany antsika amin’izao andro izao?
Nino mafy i Joba fa tsy mifarana amin’izao fiainana izao akory ny zavatra rehetra (Joba 14:13-15). Amin’izao andro izao, raha inoantsika koa fa hanangana ireo mpanompony mahatoky Jehovah, dia ho afaka hizaka ny fitsapana rehetra isika, na inona izany na inona, mety hampiharin’i Satana amintsika (Hebreo 6:10; 11:6).
◻ Fianarana inona no azon’ny ray aman-dreny tsoahina avy amin’ny vokatry ny fahotan’i Davida sy Batseba?
Namindra fo tamin’i Davida i Jehovah noho ny fanekena momba ilay Fanjakana; navelany ho velona ihany àry izy sy Batseba. Nilaza toy izao anefa ny mpitondra tenin’i Jehovah: “Koa satria tena tsy ampy fanajana an’i Jehovah ianao tamin’io zavatra io, dia ho faty tokoa ny zaza vao naterakao.” (II Samoela 12:14, MN). Izany dia tokony hampahafantatra tsara ny ray aman-dreny fa mety hisy vokany mavesatra eo amin’ny zanany ny fitondrantenan’izy ireo.
◻ Inona avy no fepetra takina mba hahatongavana ho naman’ny Vavolombelon’i Jehovah ekena?
Ilaina ny hanarahana ny fitambaran’ireo fahamarinana araka ny Baiboly, anisan’izany ireo zavatra inoana mampiavaka ny Vavolombelon’i Jehovah.
◻ Inona no tokony hataontsika raha misy hevi-dratsy tonga ao an-tsaintsika indraindray?
Tokony holavintsika ny fiatoana eo amin’ireny hevi-dratsy ireny. Amin’izany dia tokony hanatona an’i Jehovah tsy misy hataka andro ao amin’ny vavaka isika amin’ny ‘fametrahana aminy ny entantsika’. (Salamo 55:22.)