FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • w86 15/7 p. 22-25
  • Famitana mahafaly ny 80 taona fijinjana

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Famitana mahafaly ny 80 taona fijinjana
  • Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1986
  • Lohatenikely
  • Nanomboka namirapiratra tany India ny fahazavan’ny fahamarinana
  • Atao ny fijinjana na dia ao aza ny vato misakana
  • Boky amin’ny fiteny maro
  • Ny vokatry ny 80 taom-pijinjana
  • Asa enin-taona
  • Zava-bita mahafinaritra iray
  • Fisehoan-javatra manokana
Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1986
w86 15/7 p. 22-25

Famitana mahafaly ny 80 taona fijinjana

INDIA! Tany misy fifanoheran-javatra maro karazana eo amin’ny lafiny ara-pahaizana, ara-pivavahana, ara-bakodrazana sy ara-toetr’andro. Tany heverin’ny maro ho tsy manam-paharoa, mifono zava-miafina, izay ny moron-tsirany tsara tarehy mahavariana dia tsy maintsy hahasodoka an’izay rehetra mahita azy.

Manerana an’io toerana ambany kontinanta midadasika io, misy olona 775 tapitrisa mihahohaho, ireo lehilahy sy vehivavy tia an’i Jehovah Andriamanitra dia tafaray daholo tamin’ny eritreritra tamin’ny fisehoan-javatra manokana iray izay nitranga tany Lonavia, tanàna kely tany amin’ny “Ghāts” andrefana ao amin’ny fanjakan’i Mahārāshtra. Ny alahady 20 janoary 1985 no nitrangan’izany.

Nahoana ny eritreritr’izy ireo tamin’io andro io no nitodika tany amin’io tanàna mahafinaritra ao an-tendrombohitra io, any amin’ny zato kilaometatra avy eo Bombay renivohitra? Mba hamaliana an’io fanontaniana io, dia tokony ho fantatra fa hatramin’ny 80 taona izao Jehovah dia manangona any India ireo izay sarobidy aminy, ireo mpanompony. Izany dia mahafaly, tsy ireo Vavolombelon’i Jehovah maherin’ny 7 000 ao amin’io tany io ihany, fa ny fianakaviana manontolon’ireo mpanompon’Andriamanitra miely patrana maneran-tany koa.

Kanefa, mba hahatakarana tsara kokoa ny maha-zava-dehibe an’io fisehoan-javatra manokana io, dia aoka hojerentsika fohy aloha ny fomba nahalatsa-paka mafy ny fahamarinana tany India tao anatin’ireo valopolo taona farany.

Nanomboka namirapiratra tany India ny fahazavan’ny fahamarinana

Tamin’ny 1905, S. Davey, Indiana iray nanaraka fianarana ara-tsiansa, dia nitsidika an’i Etazonia, any Amerika. Fony izy nivahiny tany, dia nanatrika lahateny araka ny Baiboly iray nataon’i C. Russell, izay prezidan’ny Watch Tower Bible and Tract Society tamin’izany fotoana izany izy. Nampiseho fahalianana tamim-pahatsorana ho amin’ny fahamarinana izy, hany ka rehefa tafaverina tany Madras, tanàna niaviany any amin’ny morontsiraka atsinanan’i India, izy, tamin’ny farany dia nahaforona antokom-pianarana ny Baiboly 40 amin’ny fitambarany.

Tany amin’izany fotoana izany ihany koa, ny zazalahy Indiana iray natao hoe A. Joseph dia nanontany tena ny amin’ny fampianarana momba ny Trinite sy ny batisan-jazakely. Anisan’ny Fiangonana anglikana izy io, nefa naharay tamin’ny paositra, anankiray tamin’ny bokin’i Russell mitondra ny lohateny hoe Ny fampihavanana indray eo amin’Andriamanitra sy ny olona. Io boky io dia nahatonga azy ho afaka hahita ny fahamarinana momba ny fahambonian’i Jehovah. Tsy ela ny rainy, ny anankiray tamin’ireo zanak’olo-mpiraitampo taminy sy ny tenany dia nanomboka nampiely ny fahamarinana ao amin’ny Baiboly tany amin’ireo vohitra be voly vary sy voaniho any amin’ny faritra mifanitsy amin’izao andro izao amin’ny fanjakan’i Kerala. Taorian’ny fitsidihana nataon’ny rahalahy Russell tany India tamin’ny 1912, dia tonga mpitory ilay Fanjakana manontolo andro ny rahalahy Joseph. Tamin’ny 1924 izy dia nanao fitetezana irery 5 800 kilaometatra namakivaky an’i India mba hanao lahateny, ka izany dia nahatonga olona maro ho afaka handre firesahana ny amin’ny fahamarinana. Mpitory be zotom-po ny rahalahy Joseph hatreo amin’ny fahafatesany nitranga tamin’ny 1964.

Tamin’ny 1926, J. Rutherford, prezidan’ny Fikambanana Watch Tower faharoa, dia nankany Angletera. Tany izy dia tafahaona tamin’i Edwin Skinner, izay “colporteur” (mpitory manontolo andro), ka nanontany azy hoe: “Ho tianao ve ny ho any India?” Tsy nisalasala na dia kely akory aza ny rahalahy Skinner namaly azy hoe: “Rahoviana no tianao handehanako any?” Ary tsy ampy telo herinandro taty aoriana, dia niainga ho any India niaraka tamin’ny mpiara-manompo taminy izy.

Nandritra ireo 50 taona nanaraka, dia mpikarakara ny sampana i Edwin Skinner. Tamin’ny voalohany izy dia nikarakara ny asa tany India, tany Ceylan, tany Persia, tany Afghanistan sy tany Birmania. Nandeha tamin’ny fiaran-dalamby izy, saika nanerana an’i India. Nifandimby tamin’ilay namany, dia na nitondra ny biraon’ny sampana izy, na nandany hery tamin’ny asa fitetezam-paritany na tamin’ny fitoriana. Taty aoriana izy ireo dia nividy “camping-car” izay nahatonga azy ho afaka hanao fanambarana tao amin’ny faritra tsy nisy lalam-by. Rehefa 91 taona izao ny rahalahy Skinner dia mbola miasa amin-kafanam-po foana ao amin’ny biraon’ny sampana ary mbola mandray anjara amin’ny fomba miavaka ihany amin’ny fitoriana ny vaovao tsara.

Tamin’ny 1947, ireo misionera voalohany nahazo diplaoma avy ao Galaad, Fianarana Baiboly an’ny Fikambanana Watchtower, dia tonga tany India. Richard Cotterill no anaran’ny anankiray taminy. 38 taona izao no naha-misionera an’io rahalahy avy any Grande-Bretagne io, ary mbola marisika foana izy. Tato ho ato dia nolavin’ny fitondram-panjakana ny famelana hiditra ao India, misionera hafa firenena. Na dia izany aza, dia rahalahy sy anabavy efa misionera hatramin’ny 30 taona amin’ny ara-keviny, no manompo amim-pahatokiana ao amin’io tany io.

Etsy andaniny koa, ireo rahalahy indiana dia nanao fandrosoana lehibe teo amin’ny lafiny ara-panahy. Be dia be izao no afaka ny ho mpitory maharitra manokana na mpiandraikitra mpitety faritany. Tamin’ny 1983, ny Fikambanana dia nandamina fianarana roa naharitra folo herinandro tao amin’ny biraon’ny sampana mba hamporisihana ireo mpitory maharitra manokana 46 sy hanomezana azy fampiofanana tsaratsara kokoa ho fitsinjovana ny asa lehibe mbola tsy maintsy tontosaina eo amin’ny fijinjana any India. Noho ireny mpitory maharitra ireny indrindra no nahafahan’ny fitoriana nahatratra faritra mbola tsy nitoriana ny vaovao tsara mihitsy.

Atao ny fijinjana na dia ao aza ny vato misakana

Mitohy any India ny fanangonana ireo mpanompon’i Jehovah na dia ao aza ny zava-tsarotra tsy maintsy resena isan-karazany ao amin’io faritany midadasika io: tanàna lehibe sy be mponina, antokom-bahoaka manontolo tafalentika ao anatin’ny fahantrana mihoapampana sy lovantsofina ara-pivavahana latsa-paka lalina izay mametra ny ataon’ny olona isan’andro manomboka eo amin’ny fahaterahana ka hatreo amin’ny fahafatesana. Amin’ireny indiana an-tapitrisa tapitrisany ireny, ny sasany dia mitady fanafodin’ireo zava-manahirana ny olombelona ary maniry hahazo fahalalana lalina kokoa ny amin’Andriamanitra.

Anisan’izany i Dadu. Fony mbola tanora izy, dia nanontany tena hoe nahoana no misy olona tsy tambo isaina mivavaka amin’ny andriamanitra samy hafa be dia be toy izao. Nanomboka namaky ny Baiboly izy, nefa tsy nisy zavatra firy azony. Nankany amin’ny tempoly hindoa àry izy ary nanomboka ny famakiana soratra masin’ny hindoisma.

“Nampianarina ahy fa Krishna Tompo no lehiben’ny fivavahana rehetra, ka ny tsirairay avy amin’ireo dia asehon’ny vakana iray amin’ny rojo iambozonany, hoy ny fitadidiany. Nanontany tena aho tamin’izay hoe nahoana no nifankahala ireo fivavahana isan-karazany, ka izany dia matetika tokoa no niteraka ady nandatsahan-dra.” Taty aoriana i Dadu dia liana tamin’ny fivavahana miozilimana, ka izany dia nitarika azy hino fa afaka nifandray tamin’ny maromaro tamin’ireo razambeny efa maty izy. Rehefa nanomboka niara-nianatra ny Baiboly tamin’ny Vavolombelon’i Jehovah izy mivady dia nahita ny niandohan’ny fivavahana maro. Fantany koa fa ireo lazaina ho fanahy tsara nifandraisany, raha ny marina dia mpamitaka, demonia. “Velom-pankasitrahana an’i Jehovah Andriamanitra izahay noho ny namelany anay hahazo ny fahalalana nanafaka anay tamin’ny herin’izy ireny”, hoy ny nambaran’i Dadu. Ny tenany sy ny vadiny koa izao dia minisitra manontolo andro.

Fito taona lasa izay, dia nahazo Baiboly sy boky fianarana Baiboly tamin’ny Vavolombelon’i Jehovah ny renim-pianakaviana iray. Na dia nifindra niaraka tamin’ny ankohonany ho any amin’ny faritra iray tsy nisy Vavolombelona mihitsy aza izy, dia nanohy nianatra ny Baiboly irery. Tsy ela izay, rehefa nifandray taminy indray ny Vavolombelon’i Jehovah, dia hoy izy: “Nandritra ireo taona faramparany ireo, dia tsy afaka nanadino ireo fahamarinana hitako tao amin’ny Baiboly aho. Tsy azoko natao ny nanaraka indray ireo fombafomba fanaoko taloha.”

Boky amin’ny fiteny maro

Fiteny lehibe dimy ambin’ny folo no itenenana ary abidia sivy samy hafa no ampiasaina any India. Tena zava-tsarotra ny fizarana ny sakafo ara-panahy amin’izany fiteny rehetra izany. Raha vao tamin’ny 1912, ny rahalahy Russell, dia nampandika bokikely momba ny Baiboly tamin’ny fiteny hindi, goujrati, malayalam, marathe, télou sy tamoul. Taty aoriana dia nanampy an’izany lisitra izany ny fitenin’ny teratany hafa koa. Ny ankamaroan’ireny boky ireny dia natonta pirinty tany an-tany hafa ary nampidirina. Tamin’ny fiandohan’ireo taona enimpolo anefa ny fitondram-panjakana indiana dia nandrara ny fampidirana izay rehetra mety ho boky voatonta amin’ireo fiteny itenenana any India.

Koa satria ny sampana tsy nanana fahafahana hanonta pirinty, dia nanao fanekena tamin’ny fanontam-pirinty ara-barotra ny Fikambanana. Nisy mpitory maharitra nampiofanina mba hanara-maso ny asa fanontam-pirinty natao tao amin’ny faritaniny. Ampiasaina amin’izao fotoana izao ny fanampian’ny fanontam-pirinty 11 any amin’ny toerana samihafa amin’ilay tany mba hamoahana boky momba ny Baiboly amin’ny fiteny 16, anisan’izany ny fanontana 9 ny gazety Ny Tilikambo Fiambenana. Noho ny fandaharana “photo-composition électronique multilingue (MEPS)” namboarin’ny Fikambanana, tsy ho ela ny fandaharana lohavy sy ny fanakambanana boky dia hatao ao amin’ny biraon’ny sampana. Izany dia hahatonga mpitory maharitra maro handany fotoana misimisy kokoa amin’ny asa fijinjana.

Ny vokatry ny 80 taom-pijinjana

I India no mitana ny laharana faharoa maneran-tany raha ny amin’ny isan’ny mponina. Misy asa goavana mbola tokony hatao ao amin’io tany io. Hatramin’izao, dia 6,6 isan-jato amin’ny mponina ao aminy monja no nandre firesahana ny amin’ny vaovao tsara. Niadana kokoa ny fitomboan’ny isan’ny olon’i Jehovah tany India noho ny tany amin’ny ankamaroan’ny tany hafa. Mba hihoarana ny tanjona amin’ny mpitory 1 000 fotsiny, dia nilaina ny 53 taona. Kanefa ireo misionera sy ireo rahalahy teo an-toerana dia nanohy tamim-pikirizana sy faharetana nanao ny sitrapon’ny Rainy (Isaia 60:22). Tamin’ny taona lasa izahay dia nanana fifaliana nanamarika fitomboana isa 10 isan-jato sy tampon’isa vaovao tamin’ny mpitory 7 410 voazarazara ao amin’ny kongregasiona sy antokon’olona mitokana 340.

Noho izany fitomboana tsy tapaka izany, dia niharihary fa nilaina ny hananana toerana lehibe kokoa ho an’ny sampana. Tsy azo natao anefa ny nanitatra ny tany Bombay. Kely dia kely ny tany namidy tao amin’io tanàna io ary lafo vidy izany. Tetsy andaniny koa, dia nahery aoka izany ny fandotoana ka toa hoe nampihena eo amin’ny folo taona ny halavan’ny androm-piainan’ny mponina. Tamin’ny 1978 àry dia novidina ny tany iray tao amin’ny toerana tsara toetr’andro any Lonavia, tanàna voalohany any atsimon’i Bombay ihaonan’ny arabe sy ny lalamby. Any amin’ny 600 metatra io tanàna io ka azo lazaina hoe tsara rivotra.

Asa enin-taona

Alohan’ny zavatra rehetra, dia nilaina ny hanorenana tamboho mahatratra 4,60 metatra ny haavony mba ho fefin’ilay tany sy hitanana ny tany amin’ny fananan’olona manodidina eo antenatenan-kavoana. Rehefa avy eo, dia tsy maintsy nototofana ny hantsana lalina ary nongotana ny bozaka nandrakotra ilay tany, dia bozaka feno bibilava misy poizina toy ny kobra sy ny menarana. Namboarina koa ny trano iva sy ny zavatra naorina nisy hafa mba hahafahana mampiasa izany ho fonenana sy hanorenana vonjimaika eo ireo birao.

Nisy fampiasana mpianto-draharaha maromaro, kanefa rahalahy mahay maro no nanara-maso ireo dingana samy hafa tamin’ny asa, ary maro be hafa no nitondra ny fanampiany tamin’ny lafiny rehetra nihariharian’izany fa azo natao. Indray andro, ohatra, ilay mpianto-draharaha tokony hanao ny lalotra tamin’ny lalankely anaty tanàna dia nanazava fa tsy maintsy miandry enim-bolana izy alohan’ny hanaovana an’io asa io, satria tsy afaka nanamando ny sosony ambany be vato. Nanomboka tamin’io andro io, dia azo natao ny nahita fisehoan-javatra nahatalanjona isan-kariva: ny fianakavian’ny Betela manontolo nitatitra rano tamin’ny siny mba hanondrahana ilay lalankely! Tamin’izany dia azo natao ny namita ny lalotra tamin’ny fotoana nety.

Tsy re tao amin’ny toeram-panorenana na dia indray mandeha monja aza ny fieron’ny “bulldozers”, satria any India, ny zavatra rehetra na saika ny zavatra rehetra dia atao tanana. Nandroso niadana àry ny asa mandra-pahavitan’ny ambany rihana amin’ny trano lehibe indrindra. Tamin’izay no nanjary sarotra dia sarotra ny nahita simenitra. Soa ihany fa ny sampana korean’ny Fikambanana Watch Tower dia nandefa lasaka 10 000 ho anay, ka azo notontosaina tamin’ny fotoana nety ny asa. Tamin’izany, tamin’ny 1984, ny trano tsara tarehy vaovao iray dia azon’ny sampana nampiasaina, ho fiderana an’i Jehovah.

Zava-bita mahafinaritra iray

Ankehitriny ny Fikambanana dia afaka mampiasa zavatra naorina valo eo amin’ny tany tokony ho roa hektara noravahana hazo akondro, manga, aviavy, papay sy hazo mbamin’ny hazo madinika mamony maro be.

Ny trano lehibe indrindra dia misy rihana iray sy efitra ambany tany misy ny garazy sy ny fanasan-damba. Ao ambany rihana, ny fanontam-pirinty dia ahitana milina kely telo, fanapahan-taratasy, famoretana sy fanambarana. Ao koa no misy ny efitranon’ny “ordinateur” (MEPS) sy ny sampan-draharaha momba ny fandefasana entana izay mandefa boky voatonta eo an-toerana any amin’ny tany 56. Ny rihana voalohany dia misy ireo birao, ny fitehirizam-boky sy ireo efitrano fandriana.

Ny Efitrano Fanjakana vaovao dia teo anoloana. Ny lampihazo teo amin’ny zorony iray dia voafefy hazo fisaka “teck” nasiana sary sokitra an-tanana. Afaka mandray olona 250 io efitrano io. Eo akaiky eo dia misy trano nohavaozina misy efitrano fandriana, lakozia sy ny efitra fisakafoan’ny fianakavian’ny Betela izay misy mpikambana 31. Mbola misy tany sisa tavela hanorenana trano hafa raha hita fa ilaina izany amin’ny ho avy.

Fisehoan-javatra manokana

Taorian’ny 80 taona lany nanangonana ireo zava-tsarobidin’i Jehovah àry no nanaovana ny fitokanana ireo trano vaovaon’ny sampana eto India, indray andro nahafinaritra tamin’ny volana janoary.

Nandritra ny fandaharam-pitokanana, dia notantaraina ny amin’ireo 80 taona nitoriana ireo mbamin’ny dingana lehibe indrindra tamin’ireo asa fanorenana. Nasain’i Günter Künz, mpiandraikitra ny zaona nomarihina tao amin’ny lahateniny fitokanana fa maneran-tany ny olon’i Jehovah dia nanamarika fitomboana isa 30 isan-jato tao anatin’ireo dimy taona farany. Nomarihiny tamim-pifaliana anefa fa lehibe kokoa ny fitomboana isa tany India, nitombo 34 isan-jato raha ny marimarina kokoa ary nampahatsiahy izy fa noho ny asa mafy hataon’ireo mpitory dia tsy hitsahatra ny handroso ny asa ao amin’io tany io.

Feno hafanam-po ny mpanatrika rehefa nieritreritra ireo porofon’ny fitahian’i Jehovah. Tany India, ny rahalahy rehetra dia tapa-kevitra ny handany hery amim-pirehetana mba hanampiana olon-kafa maro kokoa ihany hanaiky ny vaovao tsaran’ny Fanjakana.

[Sary, pejy 23]

Edwin Skinner (ny faharoa avy atỳ ankavanana) sy ny “camping-car”-ny.

[Sary, pejy 24]

Ireo trano vaovaon’ny sampana, any atsimon’i Bombay.

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2026)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2026 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara