Indray mitopy maso amin’ny vaovao
Ireo vokatry ny fivavahana
Ny fanaovana ny fivavahana ho varotra dia nampiditra “fandraisana kolikoly, faharatsiam-pitondrantena mbamin’ny karazana tsy fifehezana hafa tao amin’ireo fiangonantsika”, hoy ny nambaran’ny patriarka ao amin’ny Fiangonana metodista any Nigéria. Araka ny filazan’ny gazety iray mivoaka isan’andro ao amin’io tany io, ny Daily Times, dia niaiky io filoha ara-pivavahana io fa ny Fiangonana dia mandray anjara andraikitra amin’ny onjan-keloka bevava mitosaka eo amin’ny vahoaka nizeriana, satria izy “mangataka sy mandray fanomezana avy amin’ny mpanao heloka bevava sy ny mpanao raharaham-panjakana mpandray kolikoly”. Nilaza koa izy fa ny fitondrantena ratsin’ny klerjy sy ireo ondriny dia nanova ny Fiangonana ho “fieren’ny mpanakorontana, ny mpifetsy ary ny olona maloto fitondrantena”.
Femi Abbas, mpanoratra gazety manam-pahaizana manokana amin’ny raharaha silamo, dia nanaporofo koa fifandraisan’ny antony mahatonga sy ny vokany amin’ny fahabetsahan’ny olona ao amin’ireo antoko ara-pivavahana faran’izay anaovam-barotra sy ny fitomboan’ny fanaovana heloka bevava. Tao amin’ireo pejin’ny gazety nizeriana iray, ny National Concord, dia nasainy nomarihina fa ireo mpitondra ao amin’ireny antokon’olona ireny dia maka olona hanaraka azy amin’ny alalan’ny “teny malefaka am-bava, ny hafetsen-dratsy sy ny fahakingan’izy ireo hanoloky ny olona”. Araka ny filazany, izy ireny dia tena manao “saron-tava ao ambadiky ny finoana”.
Tsy mahagaga raha toa ny fivavahana iray ka mamoa voa ratsy karazan’izany rehefa ny zavatra ara-nofo no mitana ny sainy voalohany indrindra. Ny vokatra toy izany dia manaporofo ny fahamarinan’ny faminaniana ao amin’ny Baiboly ilazana fa “any am-parany any” ny olona “ho tia vola (...) manana ny endriky ny toe-panahy araka an’Andriamanitra, nefa nandà ny heriny”. “Tsy ho zakany ny fampianarana tsy misy kilema, fa hangidihidy sofina izy, dia hamory mpampianatra ho azy araka ny filany.” Etsy andaniny tokoa dia zon’ny tena ny hanantena fa ny fivavahana marina dia hihevitra ho zava-dehibe kokoa ny ara-panahy noho ny ara-nofo, ka hanosika amin’izany ny olona hanana fiainana mendri-kaja izay hahatonga azy ireny ho olom-pirenena tsaratsara kokoa sy ho mpanompon’Andriamanitra mahatoky. — II Timoty 3:1-5; 4:3; Matio 6:19-21, 33; 7:16-21.
Ireo fisehoan’ny aretina no tsaboiny, fa tsy ny aretina
“Ireo zazavavy britanika omen-dalana hihinana pilina tsy misy faneken’ny ray aman-dreny”, toy izany no lohatenin’ny lahatsoratra iray tao amin’ny New York Times izay nanambara toy izao: “Tamin’ny 3 noho 2 no namoahan’ny ‘Chambre des lords’ didy fa tsy nanana fahefana feno teo amin’ireo zanany ny ray aman-dreny ary ny lalàna dia tokony hanaraka ny fiovan’ny ataon’ny vahoaka.” Io fanapahan-kevitra io hatramin’izao dia mamela ireo mpitsabo britanika hanome ara-dalàna fanafody tsy mampiteraka ho an’ny zazavavy latsaka ny 16 taona tsy misy fanontaniana ireo ray aman-dreniny. Ny antoko “travailliste”, ny Fikambanana ara-pitsaboana britanika ary fikambanana samihafa momba ny famerana ny isan’ny zaza ateraka dia nanambara fa nanohana an’io fanapahan-kevitra nataon’ny “Chambre haute” amin’ny Parlemanta britanika io.
Ny niaikena fa zava-kendrena tamin’io lalàna io dia ny “hisakanana ny fananana anaka tsy irina sy ny fanalana zaza eo amin’ny zatovovavy”. Kanefa ny fiheverana toy izany an’io zava-manahirana sarotra tsy mitsahatra ny miharatsy io ve tsy toy ny mitsabo ny “fisehoan’aretina” fotsiny? Moa ve tsy mampiharihary zavatra ny hoe amin’izao androntsika izao, ao amin’ny tany iray mirehareha noho ireo lovantsofiny kristiana, ny mpanao lalàna, tohanan’ny fikambanan’ny mpitsabo sy ireo fandaminana ara-tsosialy, dia mamoaka lalàna iray manohana tsy mivantana ny fahalotoam-pitondrantena izay “aretina” eo amin’ny tanora.
Tsy azo lavina fa ny fomba tsara indrindra hanampiana ny zatovovavy tsy hahitana ny “fisehoan’ny aretina”, ny fananana anaka tsy irina sy ny fanalana zaza, dia ny fampianarana azy ireo ny zava-tsarobidy ara-pitondrantena mety hiaro azy amin’ny fahalotoam-pitondrantena. Ny Baiboly anefa dia miharihary fa boky mirakitra zava-tsarobidy toy izany. Asehony koa fa ny adidy hitsabo ilay “aretina” voalazalaza eo ambony dia an’ny ray aman-dreny izay heverina fa tompon’andraikitra amin’ny fitondrantenan’ireo zanany. — Efesiana 5:5; 6:1-4.
Fiainana alohan’ny hahaterahana
“Ny vavahadin-tsain’ny zaza vao hateraka dia manomboka miseho aloha kokoa tsy araka ny iheverantsika azy; fa raha ny amin’ny fandrafetana sy ny fahaizana miavaka ananan’ny atidoha, izany dia manomboka mitombo aloha lavitra tsy araka ny iheverantsika azy.” Izany no nolazain’ireo mpanoratra ilay bokikely hoe Ny fiainana alohan’ny hahaterahana izay navoakan’ny minisitera federalin’ny Tanora sy ny Fianakaviana ary ny Fahasalamana, any Alemaina federaly, tamin’ny 1984. Ny fiainana alohan’ny hahaterahana dia resahiny ho ny fiainana amin’ny “endriny marefo indrindra” ary soritany fa “ireo fifamatorana voalohany mampiray ny zaza iray amin’ireo ray aman-dreniny dia efa atao ao an-kibon-dreniny”. Nambaran’izy ireo fa raha nino taloha ny mpahay siansa maro fa ny zaza ao am-bohoka dia nanaraka fiovaovam-pivoarana miandalana rehefa nitombo avy amin’ny sela iray mba handalo amin’ny ambaratongan’ny hazandrano, avy eo dia ny an’ny biby sady afaka ny ho velona an-tanety no ho velona anaty rano, alohan’ny hahatongavana ho olombelona, dia ailika izao io tsangan-kevitra io, satria “nanao fandrosoana ny siansa”. Ireo mpanoratra an’io boky io dia miaiky fa tsy misy intsony mihitsy olona afaka milaza fa ny fiainana alohan’ny hahaterahana dia tsy fiainan’olombelona manokana. Tsy eo am-pahaterahana akory ny olona iray no manomboka ho olona’.
Izany fahitan-javatra izany dia mifanitsy amin’ny fomba fiheveran’ny Mpamorona ny fiainana ny ankizy vao hateraka, izany hoe ho toy ny zava-manana aina manana ny maha-izy azy. Niteny tamin’ny Mpamorona azy nanana azy ho mpanompo i Davida ka nanambara hoe: “Namolavola [nampialoka, MN] ahy tao an-kibon-dreniko Hianao. Hidera Anao aho; fa mahatahotra sy mahatalanjona ny nanaovana ahy. (...) Ny masonao efa nahita ahy na dia fony tsy mbola ary fady aza aho; voasoratra tao amin’ny bokinao avokoa ny andro voatendry [ny fizarana aminy rehetra, MN].” — Salamo 139:13, 14, 16.