Ny fanambadiana: fanomezana mitondra fifaliana
“Izay nampiraisin’Andriamanitra dia aoka tsy hampisarahin’olona!” — MATIO 19:6.
1. Inona moa no tenin’i Jesosy fantatra tsara ao anatin’ny fivavahana lazaina fa kristiana, nefa inona no fanontaniana azo apetraka momba izany?
FANTATRAO VE ireo teny ireo? Olona an-tapitrisany maro anisan’ny fivavahana lazaina fa kristiana mahaforona tapany lehibe amin’ny mponina maneran-tany no azo inoana fa mahalala izany. Ireo teny ireo tokoa dia notononin’i Jesosy Tompo tamin’ny fifanakalozan-kevitra nifanaovana tamin’ireo Fariseo niseho ho mpivavaka. Mahazatra antsika angamba ireo, nefa inona marina no dikany. Manaiky ny maha-zava-dehibe an’io torohevitra io ve ny olona amin’ny ankapobeny? Aoka hojerentsika.
2-4. a) Raha ny amin’ny fitandremana ny tenin’i Jesosy voatantara ao amin’ny Matio 19:6, manao ahoana ny tarehin-javatra any amin’ny tany maro? b) Fironana inona raha ny marina no asehon’ireo izay tsy miraharaha firy ny torohevitra ao amin’ny Baiboly momba ny faharetan’ny fanambadiana?
2 Any amin’ny tany maro, amin’izao andro izao ny olona dia tsy manaja firy ny fanambadiana ary tsy miahy loatra ny amin’ny hitanana ho iray izay nakamban’Andriamanitra. Azo atao rahateo ny miresaka ny amin’ny fielezan’ny fisaraham-panambadiana manenika ireo tany misesy. Ao amin’izay tsy anomezan’ny lalàna lalana hisara-panambadiana, dia tsy hoe tsara kokoa akory ny tarehin-javatra. Lehilahy sy vehivavy maro be tokoa no mandao ny vadiny mba hiara-miaina amin’olon-kafa. Araka izany àry, dia olona an-tapitrisany maro anisan’ny fivavahana lazaina fa kristiana na tsia no tsy manaraka ny ohatra tsara dia tsara nomen’i Jesosy voasoratra ao amin’ny Matio 19:6. Moa ve satria ratsy io torohevitra io, sa noho izy ireo tsy mihaino an’i Jesosy ary tsy miahy loatra ny amin’izay mety hanoroany hevitra azy ireo amin’io lafiny io?
3 Ny mitranga dia hoe rehefa misakana azy ireny tsy hanana ny fiainana iriny na tsy hanome fahafahampo ny faniriany ny fanambadiana, dia olona maro be no tsy mihevitra izany ho fanekena natao raha mbola velona koa. Ho azy ireny, rehefa misakantsakana azy amin’ny ataony na tsy mamela azy hanao izay tiany ny fanambadiana, dia firaisana vonjimaika ihany. Ny sasany dia toa manary ny vadiny somary toy ny fanaisotra kapaoty na satroka, tsy misy fieritreretana kely akory ny torohevitra omen’i Jesosy an’ireo izay miditra ao amin’ny fanambadiana.
4 Miely aoka izany ny fihetsika tia ny manao tahaka ny olona rehetra, hany ka ireo izay maniry hanaraka ny torohevitry ny Baiboly azo antoka tokoa dia mety ho voatarika ao amin’ny lalana iray izay hampiala azy ireny amin’ny fampianarana tsara dia tsara ao amin’ny Tenin’Andriamanitra. Mahazo torohevitra tsara, am-bava na an-tsoratra isika, kanefa raha tsy arahintsika ny torohevitra ao amin’ny Baiboly, dia mety hahita zava-manahirana ara-panambadiana isika (jereo Salamo 19:7-11). Raha mieritreritra isika fa azo ailika izay rehetra, ao anatin’ny fanambadiana, misakana antsika tsy hanana ny fiainana irintsika, tsy hahazo fahafinaretana sasany na tsy hanome fahafahampo ny faniriana sasany, amin’ny fanaovan-javatra mifanohitra amin’ireo toromarika ao amin’ny Baiboly, dia tandindomin-doza lehibe isika. Eo anoloan’ny anankiray amin’ireo zava-manahirana ny olona lehibe indrindra isika, dia: ny fitiavan-tena. Mandrakariva tokoa ny fitiavan-tena dia fototr’ireo zava-manahirana ara-panambadiana. Nahoana no azo atao ny milaza izany?
Ny anjara raisin’ny fahotana
5. Ahoana moa no amintinan’ny apostoly Paoly ao amin’ny Romana 7:15-20 ny zava-manahirana hitantsika noho isika teraka tao anatin’ny fahotana?
5 Ny lehilahy sy vehivavy, samy taranak’i Adama sy Eva, dia teraka tao anatin’ny fahotana sy ny tsy fahatanterahana. Milaza izany fa noho izy nandova fahotana, dia tsy mahatratra ny zava-kendrena natolotra ny olombelona ka tsy miraharaha ny lalàna be na kely (I Jaona 3:4). Noresahin’i Paoly ny amin’ny enta-mavesatra lehibe napetraky ny fahotana teo an-tsoroky ny olona, satria tsapany fa ny tenany koa dia nanao izay tsy niriny hatao ary tsy nanao izay tokony ho nataony (Romana 7:15-20). Izay rehetra minia mandika ny lalàn’Andriamanitra dia tia tena. Somary tia tena ny olona sasany, fa eo amin’ny hafa kosa dia ny fomba fiainany rehetra no voamariky ny fitiavan-tena izay manjary mahatsiravina.
6, 7. Inona moa no anankiroa amin’ireo zava-manahirana ara-panambadiana ateraky ny fitiavan-tena, ary mitarika antsika hametraka fanontaniana ara-dalàna inona izany?
6 Ao anatin’ny fanambadiana araka ny nanorenan’i Jehovah azy, dia matetika ny fitiavan-tena no fototr’ireo zava-manahirana eo amin’ny mpivady. Ny vehivavy izay manantena ny hanompoan’ny vadiny azy tanteraka, angamba satria nampihanta azy ny reniny na ny rainy, dia tia tena mafy. Toy izany koa, ny lehilahy iray izay maniry hanohy hiaina toy ny mpitovo, ohatra amin’ny fiarahana foana amin’ny “namana” aorian’ny fampakaram-badiny, dia miseho ho tia tena tsotra izao koa. Jereo izay rehetra miteraka tsy fifanarahana eo amin’ny mpivady dia ho tsapanao fa ny fitiavan-tena no fototry ny zava-manahirana maro.
7 Rehefa miezaka ny tena handamina ireo zava-manahirana mitranga ao anatin’ny faritry ny fanambadiana, ahoana no azo andresena ny fironana ho amin’ny fitiavan-tena raikitra ao amin’ny tena? Zavatra mahasoa be dia be no azo atao rehefa mihasimba ny fatoram-panambadiana. Samy tokony ho vonona hanao ny anjarany anefa ny tsirairay avy amin’ny mpivady. Tsy ny anankiray ihany no tokony hiezaka. Aoka hojerentsika ny endriny vitsivitsy amin’io raharaha io.
Ny fahalalahan-tanana ao anatin’ny fanambadiana
8. Amin’ny heviny ahoana moa ny fanambadiana no raharahan’olon-droa?
8 Raharahan’olon-droa ny fanambadiana, ka milaza izany fa tsy misy na dia iray monja aza amin’ny mpivady afaka mihevitra ho ara-dalàna izay rehetra ataon’ny anankiray na mieritreritra fa mandeha tsara ny zavatra rehetra raha vao manome ny anankiray ary mandray ny anankiray. Raha ny marina, dia tsy hisy handray soa avy amin’izany na dia iray aza. Araka izany, dia ilaina ny miahy ny amin’ny ray aman-drenin’ny anankiroa. Tsy tokony havela ho tonga zava-manahirana sarotra io raharaha io ao anatin’ny tokantrano, ohatra, amin’ny fikarakarana ny ray aman-drenin’ny tena na mpianakavy hafa, fa tsy atao toy izany ny an’ny vady. Tsy tokony ho raharahan’ny anankiray amin’ny mpivady fotsiny koa ny fifidianana ireo toerana handaniana ny fotoam-pialan-tsasatra na fialam-boly. Handray anjara amin’ny fahombiazan’ny fanambadiana ny tena amin’ny fanehoana fiheverana ny vadin’ny tena amin’io karazan-draharaha io. Aza manao foana araka izay tianao, fa misehoa kosa hihevitra izay hahasoa ny hafa. — Filipiana 2:4.
Ny taona
9. Inona avy moa no voka-dratsin’ny fanambadiana idirana tsy misy fiheverana?
9 Koa satria maro be amin’ny mpiara-belona amintsika no mieritreritra fa rehefa tsy mandeha ny fanambadiana iray dia azo tapahina amin’ny alalan’ny fisarahana, dia tanora maro no miditra ao amin’ny fanambadiana tsy misy fanahiana. Ny toe-tsaina toy izany dia mety hiteraka faharavan’ny fanambadian-jatovo maro sy fahaterahan-jaza tsy irina. Matetika ireo no mitombo tsy mahalala akory izany hoe manana reny sy ray tia anao lalina sy mikarakara anao.
10. Ahoana no azon’ny Galatiana 5:22, 23 anampiana ireo izay mikasa ny hanambady?
10 Eo amin’ny firy taona vao tokony hikasa ny hanambady? Tsy ho fahendrena ny hamerana fitsipika amin’io lafiny io. Ny Soratra Masina anefa dia manome antsika torohevitra tsara dia tsara ny amin’ny fahamasahana ara-tsaina sy ara-panahy, izay tena ilain’izay rehetra maniry hiditra ao anatin’ny fanambadiana. Vakio Galatiana 5:22, 23 izay itanisana ireo vokatry ny fanahy ary eritrereto tsara ny tsirairay avy aminy. Samy toetra tokony hambolena eo amin’ny fiainana ireo. Ary tsy aorian’ny fampakaram-bady fa ela be aloha no tokony haneho izany ny kristiana iray.
11. Fandinihana manokana inona no azon’izay mikasa hanambady atao?
11 Ohatra, moa ve ianao falifaly, sambatra satria velona sy miasa ho an’ny tombontsoan’ny Fanjakan’i Kristy? Mihavana amin’ireo ifaneraseranao ve ianao ka manamora ny fifandraisana milamina amin’izy ireny? Sa tia ady ianao, mora tezitra sy mampiasa teny mandratra? Moa ve mahari-po ianao, izany hoe mahay mizaka ny fahalemen’ny rahalahinao, ny anabavinao, ny rainao na ny reninao? Mora sosotra ve ianao rehefa tsy manatanteraka avy hatrany ny fanirianao ny hafa? Araka ny hevitrao, miseho ho manana fahamoram-panahy ve ianao eo amin’ny fifandraisanao amin’ny mpiara-belona aminao? Mampiseho fahalemem-panahy sy hatsaram-po amin’izy ireny ve ianao? Sa ianao tia tena, tsy mahay mifehy tena ary malaky mitroatra raha vao misy fihaikana na dia kely aza? Tia amim-pahatsorana ny hafa ve ianao? Vonona ny hanampy azy ireny ve ianao, hanome avy amin’ny tenanao na ny fanananao mba hahasambatra azy ireny? Sa irinao foana ny hafa haneho fitiavana anao amin’ny fizarana foana ny fananany?
12. Amin’ny ahoana moa ny lehilahy iray na ny vehivavy iray efa niofana teo amin’ny fiainana no manana tombontsoa?
12 Azo atao ny manamafy tsy mety hisy fahadisoan-kevitra fa tsy misy mihitsy amintsika manome taratra tanterak’ireo toetra voatonona eo ambony ireo. Kanefa, ny lehilahy na ny vehivavy niofana taona vitsivitsy tamin’ny fiainan’olon-dehibe ka amin’izany dia manana fahafahana hampitombo ireo toetra ara-panahy ireo dia afaka hahomby kokoa amin’ny fanambadiany noho izay tsy hanomboka hamboly ireo vokatry ny fanahy raha tsy rehefa manambady. — Jereo II Petera 1:5-8.
13, 14. a) Raha ny amin’ny fambolena ireo fahatsarana ara-panahy, amin’ny ahoana moa ny fotoana lasa no mahasoa? b) Ahoana no azon’ny ray aman-dreny anampiana ireo zanany?
13 Nahoana no tsy mandini-tena amim-pahamarinana sy mandinika ny zavatra azoazonao sy tianao indrindra? Tsy voamarikao ve fa mankamamy bebe kokoa ny fiainana ianao rehefa mandeha ireo taona? Nitovy amin’ny teo amin’ny faha-5 taona ve ny fomba fanombananao ny zava-tsarobidy teo amin’ny faha-13 taonanao, ary toy ny tamin’ny faha-13 taona ve izany eo amin’ny faha-20 taona. Mitombo sa mihena ny fahalalanao sy ny fahatakaranao ny hevitry ny zavatra eo amin’ny fiainana arakaraka ny ahazoanao fanandraman-javatra rehefa mandeha ireo taona? Rehefa lehibe ianao izao, moa ve sahala amin’ny fony ianao mbola zaza ny karazan-toetra tadiavinao eo amin’ny hafa? Moa ve tsy marina fa matetika tokoa ny zazavavy iray tonga olon-dehibe no nanadino hatramin’ny ela be “ilay” zazalahy teo amin’ny fiainany fony izy 16 na 17 taona? Heveriny ho zava-dehibe lavitra hatramin’izao ireo toetra ara-panahy sy toetra tsara mampiavaka ny lehilahy matotra. Eo amin’ny faha-22 na 23 taonany, dia azo inoana fa ho zava-dehibe kokoa eo imasony noho ny toe-batany ireo toetra ara-panahy, ara-pitondrantena sy ara-piraiketam-pon’ny lehilahy iray. Azo atao koa ny milaza toy izany ny amin’ny zazalahy iray manatona ny taona maha-olon-dehibe. Arakaraka ny itomboany dia mihamatotra koa ny fanantenany sy ny faniriany raha ny amin’izay andrasany amin’ny vehivavy iray. Miova ny fomba fanombany hasarobidin-javatra arakaraka ny taona; hotadiaviny ho vady kokoa ny vehivavy iray mahay mipetraka eo amin’ny toeran’ny hafa sy manana hatsaram-po, izay hahay hikarakara tokantrano sy hitaiza zanaka ka manana ao am-po, faniriana lalina ny hahazo sitraka, alohan’ny zavatra rehetra, amin’ny Mpamorona azy, dia Jehovah, sy hanao ny sitrapony. — Ohabolana 31:10, 26, 27.
14 Tena tokony hekena fa manova ny fomba fanombanan’ny olona ny hasarobidin-javatra ny fotoana. Izay maika ny hanambady raha mbola zatovo àry dia manatona loza maro. Tsy azo atao angamba ny mampiaiky olon-droa mbola tanora dia tanora mba hiandry fotoana kelikely alohan’ny hivadiana. Ny ray aman-dreny anefa dia manana fahafahana hamporisika an’ireo zanany, indrindra fa raha mbola tanora dia tanora izy ireo, hieritreritra tsara ny amin’ny fiainana, ny amin’ny ilàna ho vonona ara-panahy sy ara-piraiketam-po ary ara-tsaina alohan’ny hifamatorana ho amin’ny andro hiainana rehetra amin’ny olon-kafa iray, ary izany dia ho amin’ny soa sy ny ratsy.
15. Koa satria tsy hoe tsy maintsy hahalamina ny zava-manahirana rehetra akory ny fanambadiana aoriana kokoa, inona no torohevitra mety hanampy antsika hitana toe-tsaina tsara?
15 Tsy milaza akory izahay hoe tsy misy zava-manahirana intsony raha efa be taona kokoa vao manambady ny olona iray. Tena mety hisy zava-manahirana, indrindra fa raha tonga mamorona banga eo anelanelan’izy mivady ny fitiavan-tena. Tokony hoheverina izay ilain’ny tsirairay avy amin’ny mpivady ara-tsaina, ara-piraiketam-po sy ara-panahy. Ny kristiana sasany dia nanaiky ho voatanan’ny asany tsy ara-pivavahana ka namela ny asany tao anatin’ny kongregasiona, anisan’izany ny famonjena fivoriana sy ny fandraisana anjara amin’ny fitoriana ary ny asa fanaovana mpianatra. Rehefa avy eo, dia notadiaviny izay hamenoana ny noheveriny fa banga teo amin’ny fiainany tamin’ny fanokanana fotoana be dia be ho amin’ny fialam-boly. Toa mino izy ireny fa raha mbola misy zavatra ataony koa, dia ho voalamina ny zava-manahirana azy na amin’ny fomba ahoana na amin’ny fomba ahoana ary ao anatin’ny fandaharan-javatra vaovao dia hanao izay mety izy ireny mba hifanomezana izay ilainy avy, amin’ny lafiny ara-piraiketam-po sy ara-tsaina ary ara-panahy. Tsy toy izany anefa no izy eo amin’ny fiainana. Nananatra ny lehilahy i Paoly mba hikarakara ny vadiny tahaka ny ataony amin’ny tenany (Efesiana 5:28). Milaza izany fa tokony hiahy ny amin’izay ilain’ny vadiny izy izao, toy ny anomezany isan’andro izay ilain’ny tenany. Azo atao ny milaza toy izany ny amin’ny vehivavy.
Fomba fandinihana mety ny fiainan’olon-droa
16-18. a) Nahoana no ilaina ny hiheverana ny fiainana sy ny fanambadiana amin’ny fomba mety? Inona avy no fampitandremana omena antsika raha ny amin’ny faniriantsika sy izay ilain’ny hafa? b) Nahoana no mety ny hieritreretana izany alohan’ny hanambadiana?
16 Ny fomba fandinihana ny fiainana mety dia manampy hihevitra ny fanambadiana amin’ny fomba mety. Ho takatry ny lehilahy na ny vehivavy mahay mandanjalanja fa noho ny fironana hanota nolovana, dia tokony hanao zavatra foana izy ireo mba handresena ny kileman-toetrany. Mora aoka izany ny tsy hieritreretana mihitsy ny ilain’ny hafa izay tokony haka toerana alohan’ny faniriantsika manokana! Tian’ny ankizy kely ny hanana ny kilalao rehetra ary mandrakariva, raha tsy voataizan’ny ray aman-dreny tsara izy, dia tsy ho tiany ny hizara izany amin’ny ankizy hafa. Rehefa mandeha ireo taona, dia hitatra amin’ny lafiny hafa ny fitiavan-tenany. Araka izany, dia tsapantsika matetika fa tian’ny zatovo sy ny tanora efa lehibe ny hanaovana ny zavatra rehetra araka ny iriny ihany, ary amin’ny fiezahany hanome fahafahampo ny faniriany, dia tsy ahiny firy ny hoe mety ho tafintohina na hijaly ny olon-kafa. Atỳ aoriana, eo amin’ny fiainany amin’ny maha-olon-dehibe, dia irin’ireny olona ireny foana ny hahazo izay tiany, tsy misy fiahiana mihitsy ny amin’izay ilain’ny hafa.
17 Tsy hihafy tanteraka akory ny olona iray mahalala ny antonony fa handamina ny fiainany kosa amin’ny fiheverana koa ny hafa. Hanontany tena izy ny amin’izay ho azony atao mba hanampiana ny mpiara-belona aminy, mba hanomezana avy amin’ny tenany na ny fananany mba hitondrana soa ho azy ireny. Tsy hanantitrantitra izy mba hanaovana voalohany indrindra foana araka ny iriny. Izao no ambaran’ny bokin’ny Ohabolana: “Izay manisy soa olona hohatavezina; ary izay mandena dia mba holemana kosa.” — Ohabolana 11:25.
18 Ny mpitovo iray izay miaina amin’izany fomba izany dia handray soa lehibe avy amin’izany any aoriana, rehefa hanambady. Hihevitra ny vadiny foana izy rehefa hoe hanao fanapahan-kevitra na inona izany na inona. Tsy hihevitra velively ny fanambadiana ho fanandraman-javatra na tarehin-javatra mihelina ny olona toy izany fa hihevitra azy kosa ho zavatra aorina noeritreretin’i Jehovah rehefa nampiray ny olona mpivady voalohany tany Edena izy (Genesisy 2:22-24). Sady hampitombo ny fifikirany amin’izy samy izy sy amin’i Jehovah ny mpivady no hanao fiezahana foana mba hiarovana ny fanambadiany sy mba hifanampiana.
Ho famintinana
19-21. a) Ahoana no mety hahazoantsika antoka fa tsy mihevitra ny fanambadiana ho toy ny fanandraman-javatra fotsiny akory isika? b) Na tanora isika na efa be taona kokoa, inona no tokony hotadidiantsika rehetra ao an-tsaina raha maniry hahita fahasambarana marina ao anatin’ny fanambadiana isika?
19 “Izay nampiraisin’Andriamanitra dia aoka tsy hampisarahin’olona.” Feno heviny ho an’ny kristiana marina io torohevitr’i Jesosy io. Ny fanambadiana tokoa dia tsy fanandraman-javatra fotsiny izay azo avela rehefa misy fahasahiranana. Tsy maintsy miady foana amin’ny nofontsika tsy tanteraka isika, mba hifehezana ny fironan’olombelona ho amin’ny fitiavan-tena ka amin’izany dia hahazo ny fankasitrahan’Andriamanitra (jereo Romana 7:21-25). Mba hahitana fahombiazana amin’ny fanambadiany, dia tokony hianatra handefitra ny mpivady, hifanome izay ilain’ny iray sy hifampihevitra foana. — Efesiana 5:21-23, 28, 33.
20 Na dia tsy misy fitsipika hentitra aza raha ny amin’ny taona azo ikasana ny hanambady, afa-tsy ny fara fahakelezan’ny taona eken’ny lalàn’ilay tany, dia azon’ny tsirairay atao ihany ny mieritreritra ny ilàna hitomboana ara-panahy, araka ny Galatiana 5:22, 23, mba hahatongavana ho vady tsara. Araka ny fandehan’ny fotoana tokoa dia tsy mitovy ny fomba fijery zavatra. Tsy misy tokony ho maimaika ny hanambady àry. Aoka ny tsirairay avy hamboly toetra kristiana aloha mba ho vonona tanteraka hitondra ny ziogan’ny fanambadiana. Aza hadinoina koa fa tsy misy tokony hampisaraka izay nampiraisin’Andriamanitra. — Matio 19:4-6.
21 Amin’ny fiheverana ny fiainana, avy eo dia ny fanambadiana amin’ny fomba mety, dia azo atao ny mahita ny tena fifaliana sy fahasambarana ao anatin’ny faritra nomanin’ny tenan’i Jehovah ho an’ny lehilahy sy ny vehivavy, araka ny asehon’ny fanambadiana voalohany tany Edena (Ohabolana 5:18). Fa inona koa no azo atao eo amin’ny fiainana mba hahavonona hiantsoroka ny anjara asan’ny lehilahy na ny vehivavy manambady? Velabelarina io fanontaniana io ao amin’ny lahatsoratra manaraka izay mivaofy ny amin’ny toetran’ny lehilahy kristiana sy ny vehivavy kristiana.
Ahoana no havalinao an’ireto fanontaniana manaraka ireto?
◻ Fihetsika inona avy eo anoloan’ny fanambadiana no tokony hariana?
◻ Ahoana no azon’ny mpivady andresena ny fironana hanota raikitra ao aminy?
◻ Nahoana moa ny kristiana mbola tanora no tsy tokony ho maimaika ny hanambady?
◻ Amin’ny fomba mety ahoana no anoroana hevitra antsika mba hiheverana ny fanambadiana?
[Sary, pejy 19]
Ny fandinihana manokana sy amim-pahamarinana angamba dia hampiharihary amintsika kileman-toetra tokony hamboarina.