Andro iray nahafinaritra ho an’ireo misionera any Japon
NY ZOMA 17 may 1985 dia andro ara-panahy iray namirapiratra ho an’ireo misionera 76 any Japon. Tsy misy misionera maro be toy izany na aiza na aiza. Efa ho hatramin’ny efapolo taona izao, dia mampiely amim-paharisihana foana ireo fahamarinana ao amin’ny Baiboly izy. Feno hafanam-po noho ny fieritreretana ny ho tafahaona daholo izy ireo, tombontsoa tsy mitranga afa-tsy indray mandeha isan-taona, ka tonga avy any amin’ny tranon’ny misionera folo miely patrana tao amin’ilay tany, ho any amin’ny sampana any Ebna. Ny sasany tonga avy any amin’ny faritra lavitra notsidihin’izy ireny amin’ny maha-mpitety faritany.
Notapahina tamin’ny iray ora antoandro ny fifampiarahabana nafana sy ny resak’izany antokon’olona falifaly izany. Nangataka ny mpanatrika ny mpiandraikitra ny zaona mba hangina. Avy eo, tamin’ny fiantsoana anarana, ny misionera tsirairay avy dia nilaza ny tany niaviany, ny nomeraon’ny kilasiny tao Gileada sy ny fotoana niasany tany an-tany hafa. Endrey ny fampaherezana nahita misionera nanaraka ny fianaran’ny kilasy fahafito izay mbola niasa sy nahatoky foana eo amin’ny 37 taona atỳ aoriana! Rehefa avy nanome fanazavana momba ny namoronana ny Sekolin’i Gileada tamin’ny 1943 ny mpiandraikitra ny zaona dia nidera mafy ireo misionera noho ny nianarany ny fiteny japone, fiteny sarotra tokoa! Avy eo, dia nodinihina ireo raharaha mahakasika ny fomba fanatsarana ny asa fampianarana Baiboly any Japon, ka nisy fifanakalozan-kevitra nafana tamin’izany.
Nisy minisitra za-draharaha nitantara ny fomba nampiasany ilay bokikely hoe “Indro, havaoziko ny zavatra rehetra”, mba hanomezana ho an’ny Japone, fahitana amin’ny ambangovangony ireo fitantarana sy fampianarana ao amin’ny Baiboly. Ny amin’io fifanakalozan-kevitra io, ny misionera iray dia namintina ny fihetseham-pon’ny rehetra tamin’izao teny izao: “Faly aoka izany izahay nahita fa mihevitra tokoa ny asa atao eto ireo rahalahinay ao amin’ny foiben’ny Fikambanana. Ny fahalalana izany fotsiny dia mahatonga anay ho afaka hanohy.” Faly ny misionera rehetra “nandray anjara tamin’io fihaonambe io” ary, araka ny tenin’izy ireo ihany, ‘afaka nilaza izay nilainy mba hanatontosana io fanompoana io izay mamin’ny fony’. Nanampy teny ny misionera iray fa ny mari-piheverana toy izany avy amin’ny fandaminan’i Jehovah dia “nampiharihary fiezahana tamim-pahatsorana mba hahatakarana ny tarehin-javatra tao amin’io tany io”. Izao no nambaran’ny anankiray hafa: “Nankamaminay indrindra ny fanipazan-kevitra hanomana fampisehoana maromaro ho fanafodin’ny zava-manahirana momba ny faritany voatsidika matetika.”
Io fifanakalozan-kevitra velombelona io dia narahin’ny sakafo ara-panahy nampitombo aoka izany ny fahalalan’ireo misionera, nahazoany valin’ny fanontaniana araka ny Baiboly. Nilaza ny sasany fa ‘nampahatsiahy azy ny andron’ny Gileada io fizarana io’. Nanao izao fanamarihana izao ny anankiray hafa: “Taorian’izany aho dia vao mainka tapa-kevitra ny handalina tokoa ny Tenin’Andriamanitra.” Rehefa avy eo, ny rehetra dia nandalo tao amin’ny anankiray tamin’ireo efitrano fihinanana mba handray fanalana hetaheta sy hifankahalala amin’ireo avy any amin’ny faritany lavitra. Nandritra ny takariva, ireo misionera dia nitantara zavatra nahaliana hitany. Ny anankiray tamin’ireny fitantarana zavatra hita ireny dia nahakasika vehivavy tanora iray izay nahatsiaro ho voasintona ho amin’ny fahamarinana satria, nandritra ny fahazazany tany Nagasaki, dia nandinika ny fitondrantena tsaran’ny mpifanila trano taminy, misionera be zotom-po, izy. Amin’izao andro izao, dia tsy izy ihany no ao anatin’ny fahamarinana, fa ny vadiny koa. Ny fitantarana zavatra hita hafa iray koa dia nampiharihary fa natomboka ny fianarana ny Baiboly tsara iray satria ny misionera iray nandondòna tao amin’ilay “varavarana farany” teo am-pifaranan’ny andro iray.
Feno zotom-po sy hafanam-po nitombo ireo misionera ka nody tany an-tranony nahazo hery indray sy safononoky ny fankasitrahana an’i Jehovah noho ny fanampiana nomeny azy ireo manokana noho ny fandaminany feno fitiavana. Ny alahady nanaraka, ny mpiandraikitra ny zaona, A. Schroeder, dia niteny tamin’ny fifandraisana an-telefaonina tamin’ny mpihaino 179959 tafavory tany amin’ny faritra samihafa nanerana an’i Japon. Teo amin’ny fara herin’ny lahateniny, dia nambarany ny famoahana ny fanontana amin’ny teny japone ny Soratra Masina — Fandikan-tenin’izao tontolo izao vaovao — misy fanamarihana (1 792 pejy), fiasana vaovao hahasoa tokoa ireo Vavolombelon’i Jehovah japone 101 429.