Mety hanampy anao ny tena finoana
“MADIVA ho diso lalana ve ireo Fiangonana?” Izany no fanontaniana napetrak’ilay mpanoratra gazety tsy miankina atao hoe Paul Fromm, taorian’ny nanatrehany ny Fivoriambe fahenina nataon’ny Fanakambanam-pinoana natao tamin’ny 1983 tany Vancouver (Kanada). Nahoana izy no nametraka an’io fanontaniana io. Satria, tamin’io fiaraha-midinika io, ny fifanakalozan-kevitra dia saika nihodinkodina fotsiny teo amin’ny foto-dresaka ara-politika. Izao no teny nanampin’i Fromm nanaraka izany: “Ireo Fiangonana protestanta lehibe indrindra dia (...) nanolo ny Filazantsaran’i Jesosy Kristy tamin’ny filazantsaran’ny politika ankavia ara-damaody.”
Matoa miroboka toy izany ao amin’ny politika ny fivavahana, dia tsy isalasalana fa tokony ho hita amin’izany ny fanandramana amim-pamoizampo mamelona fahalianana mihena amin’ireo fivavahana nisy hatramin’ny ela. Ny tatitra avy any amin’ny vazan-tany efatra dia mampiharihary fa tena nihena ny finoana ireo fivavahana voalamina tao anatin’izao taona faramparany izao.
Tsy mahagaga loatra ny mpianatra ny Baiboly anefa izany fisehoan-javatra izany. Nambaran’i Jesosy fa “noho ny haben’ny tsi-fankatoavan-dalàna dia hihamangatsiaka ny fitiavan’ny maro”. (Matio 24:12.) Ankoatra ny vokany hafa avy amin’izany ‘fangatsiahana’ izany, dia azo lazaina hoe vitsy ny olona manome toerana lehibe ho an’ny fivavahana eo amin’ny fiainany, na dia miseho indraindray any am-piangonana aza izy ireny rehefa misy fampakaram-bady na fandevenana. — Jereo Lioka 18:8.
Rehefa tsy mitondra afa-tsy fahadisoam-panantenana anefa ny ankamaroan’ireo fivavahana voalamina, dia nanao izao fanamarihana izao i Jesosy: “Ny hazo tsara rehetra dia mamoa voa tsara; fa ny hazo ratsy rehetra dia mamoa voa ratsy. Ny hazo tsara tsy mety mamoa voa ratsy, ary ny hazo ratsy tsy mety mamoa voa tsara. Ny hazo rehetra izay tsy mamoa voa tsara dia hokapaina ka hatsipy any anaty afo. Ka dia ny voany no hahafantaranareo azy.” (Matio 7:17-20). Voamarikao fa, toy ny isian’ny karazam-panompoam-pivavahana mamokatra “voa ratsy”, dia misy fomba fiaina ara-pivavahana mamokatra “voa tsara”. Izany fomba fiaina izany dia mitondra soa tokoa ho an’izay manana finoana. Inona moa izany finoana izany, ary inona no sasantsasany amin’ny soa avy amin’izany?
Ny fanorenana ny finoana
Araka ny hevitry ny olona an-tapitrisany maro, dia raikitra ao amin’ny olona ny finoana. Araka ny hevitry ny kristiana marina anefa, dia azo sy ambolena ny finoana. Amin’izy ireo, ny hoe manana finoana dia tsy sahala amin’ny lazain’ny diksionera iray hoe “mino mafy zavatra tsy ananana porofo”. Tamin’ny taonjato voalohany, dia nanome izao filazana hevi-teny izao kosa i Paoly mpitory ny filazantsara: “Ny finoana no fahatokiana ny amin’ny zavatra antenaina, fanehoana ny zavatra tsy hita [zavatra tena izy tsy hita anefa, MN ].” (Hebreo 11:1). Milaza izany fa miankina amin’ny zavatra tena izy ny finoantsika.
Ohatra, ny olona iray izay manatona an’Andriamanitra dia “tsy maintsy mino fa misy Izy.” (Hebreo 11:6.) Be dia be no mamazivazy ny amin’ny fiheverana Andriamanitra iray. ‘Nahoana no hino Andriamanitra iray tsy mety ho hitanao?’, hoy ny fanoheran’izy ireny. Kanefa tsy sarotra amin’ireny olona ireny mihitsy ny mino ny onja amin’ny televiziona izay tsy hita maso koa anefa. Miharihary fa azon’izy ireny atao ny mandefa ny televizionany sy mahatsapa izay aterak’ireny onja tsy hita maso ireny. Toy izany koa, eo amin’ny kristiana marina, ny finoana an’Andriamanitra dia tsy fetezana hinohino foana fotsiny na finoana jamba. Raha niresaka ny amin’Andriamanitra i Paoly dia nanazava izao manaraka izao: “Fa ny fombany tsy hita, dia ny heriny mandrakizay sy ny mah’Andriamanitra Azy, dia miseho hatramin’ny nanaovana izao tontolo izao, fa fantatra amin’ny zavatra nataony; ka dia tsy manan-kalahatra ireo.” (Romana 1:20). Na dia tsy hita maso aza Andriamanitra, manodidina antsika, ny zavatra rehetra dia manaporofo amin’ny fomba azo tsapain-tanana ny fisian’ny Tompo-marika lehibe iray, Saina ambony noho ny an’ny olombelona iray, Mpamorona iray manam-pahefana tsy misy fetra.
Kanefa tsy tokony hijanona amin’ny finoana an’Andriamanitra fotsiny ny finoantsika mba tena hahasoa antsika tokoa (Jakoba 2:19). Tokony hino ny Baiboly Masina koa isika, hiaiky fa Tenin’Andriamanitra izy io (Jaona 17:17). Ny tokony ho fototr’io finoana io dia mihoatra noho ny fihetseham-po fotsiny na ny fampiofanana ara-pivavahana hatramin’ny fahazazana. Izany dia tokony hiankina amin’ny fahalalana porofo maro izay, ao amin’ny Baiboly mihitsy, dia manamarina fa tena voasonian’ny tanan’Andriamanitra tokoa izy io. Ny Baiboly dia mamporisika tokoa ny mpamaky azy ‘hanamarina ny zavatra rehetra’. — I Tesaloniana 5:21, MN.
Ahoana no azonao anaovana izany amin’ny Soratra Masina? Ho tianao aloha ny hihevitra ny hoe ny Baiboly dia fitambaran-tsoratra nataon’ny mpanompon’Andriamanitra efapolo samy hafa. Na dia tao anatin’ny vanim-potoana nisy 1 600 taona aza ireny lehilahy ireny no nanoratra ny Baiboly, ny rehetra dia nanaraka foto-kevitra iray ihany, ny amin’ny Fanjakan’Andriamanitra. Tsy nilaza zavatra nifanohitra izy ireo. Moa ve tsy mampiharihary fiandohana avy amin’Andriamanitra izany? Etsy andaniny koa, ny Baiboly dia milazalaza amin’ny fomba tsy misy diso mahagaga, fisehoan-javatra toy ny filaharan’ny fisehoan’ny karazam-piainana teto an-tany, dia filaharana hamarinin’ny siansa amin’izao andro izao (Genesisy toko 1). Mbola mahagaga kokoa ihany fa mitantara zavatra hiseho amin’ny ho avy ny Baiboly! Ny sasany tamin’ireo mpanoratra mihitsy dia niaiky fa tsy azony izay notanany an-tsoratra; fahamarinana anefa izay nosoratan’izy ireny, satria nataony ara-tsindrimandrin’Andriamanitra. — Daniela 12:8; II Petera 1:20, 21.
Kanefa, ny fahitana vokany avy amin’ireo torohevitra ao amin’ny Baiboly no antony lehibe mahatonga olona maro be hino azy. Arakaraka ny handinihanao azy sy hampiharanao azy, ny Baiboly dia hampihatra eo aminao hery lehibe izay hanosika anao hanao soa eo amin’ny fiainanao. Angamba ianao ho voatarika hanao fiovana izay hahavelona eritreritra ireo namanao sy olom-pantatrao. Tsy mahagaga mihitsy raha nilaza i Paoly fa “velona sy mahery ny tenin’Andriamanitra”. (Hebreo 4:12.) Mazava àry fa ny finoana marina dia miorina amin’ny fototra mafy toy ny vatolampy. Amin’izany, ahoana no azonao ambolena an’io finoana io?
Mitomboa ao amin’ny finoana
Mamafy voa ny mpamboly iray rehefa tsara ny vanin-taona sy ny fotoana. Tsy ela dia misy tsimoka manomboka mitsiry. Noho ny fikarakarana mety, dia mitombo izany ka tonga zavamaniry matanjaka sy lehibe, izay hamony sy hamoa. Toy izany koa ny amin’ny finoana. Rehefa tsara ny fon’ny olona iray ka ambolena ao ny voan’ny finoana, izany finoana izany dia tokony hokolokoloina raha tiana ny hitomboany. Inona no sasantsasany amin’ny fomba hahatongavana amin’izany?
Manazava ny Baiboly fa ny finoana no anankiray amin’ireo vokatry ny fanahy sivy (Galatiana 5:22, 23, MN ). Ahoana no mety hahazoana ny fanahin’Andriamanitra? Nanazava toy izao tamin’ireo mpihaino azy i Jesosy: “Raha hianareo, na dia ratsy aza, mahalala hanome zava-tsoa ho an’ny zanakareo, tsy mainka va ny Ray, Izay any an-danitra, no hanome ny Fanahy Masina ho an’izay mangataka aminy.” (Lioka 11:13). Angataho amin’Andriamanitra amin’ny vavaka àry ny fanahiny. Hitombo avy hatrany ny finoanao, ary izany dia satria hanana ny fanahin’Andriamanitra ianao.
Zava-dehibe koa ny hanorenanao fifandraisana akaiky amin’i Jehovah. Izany dia milaza fandinihana tsara ny Teniny sy fiezahana hanaraka izany. Nahatsiaro izany hetaheta ny Tenin’Andriamanitra izany ny mpanao salamo, ka nasehony tamin’izao teny izao izany: “Endrey ny fitiavako ny lalànao! Fisaintsainako mandrakariva izany.” (Salamo 119:97). Rehefa mifikitra marina amin’ny fanarahana ny Tenin’Andriamanitra ianao, dia manomboka mitafy ireo toetry ny Mpamorona. Manomboka mitondra vokatra eo amin’ny fiainanao ny fanahin’Andriamanitra. Tsy voasinton’ny ratsy intsony ianao. Mifanohitra amin’izany, ny fanahin’Andriamanitra sy ny fanirianao hitana fifandraisana tsara amin’Andriamanitra dia manosika anao hiala amin’ny ‘asa ratsin’ny nofo’. — Galatiana 5:16, 19-21; Salamo 15:1, 2.
Arakaraka ny itomboan’ny fankasitrahanao an’Andriamanitra sy ny fahamarinana, dia mahatsiaro ho voatosika bebe kokoa hampita ny finoanao amin’ny hafa ianao. Kanefa satria “tsy ary manana finoana avokoa ny olona rehetra”, amin’ny fampahafantarana ny fahamarinan’Andriamanitra, dia mitolo-batana ho amin’ny fanakianana na ny fanesoana ianao (II Tesaloniana 3:2; II Petera 3:3, 4). Kanefa mahatsapa fitokisana toy izany ianao amin’ny fanorenana ny finoanao, hany ka afaka manambara toy izao sahala amin’i Paoly ianao: “Fa tsy menatra ny filazantsara aho; fa herin’Andriamanitra ho famonjena izay rehetra mino izany, amin’ny Jiosy aloha, dia vao amin’ny jentilisa koa.” (Romana 1:16). Toy inona moa ny fifaliana rehefa mandray tsara izany hafatra izany ny olona iray ka manomboka mitombo ao amin’ny finoana koa! Andriamanitra no mahatonga izany fitomboana izany hety. — I Korintiana 3:5-9.
Ny soa entin’ny finoana
Ahoana anefa no mety hanampian’ny finoana olona iray? Nosoritan’i Jesosy Kristy ny anankiray amin’ireo soa maharitra, ao amin’ny Jaona 3:16: “Fa toy izao no nitiavan’Andriamanitra izao tontolo izao: nomeny ny Zanani-lahy Tokana, mba tsy ho very izay rehetra mino Azy, fa hanana fiainana mandrakizay.” Valisoa kanto noho ny finoana izany. Ny finoana ny fampanantenana nomen’Andriamanitra hoe hanome ny fiainana mandrakizay ho an’ireo mpanompony dia manome anao fijery vaovao ny amin’ny fiainana. Tsy hitanao ho lehibe sy mavesatra toy ny taloha intsony ireo fitsapana sy zava-manahirana isan’andro. Afaka amin’ny filozofia miseho amin’ity foto-kevitra misy mandray ho fitsipika ity isika: “Aoka isika hihinana sy hisotro, fa rahampitso dia ho faty”, dia filozofia manapaka izao tontolo izao misy antsika manaram-po amin’ny fahafinaretana (I Korintiana 15:32). Tsy miteraka tahotra ho anao toy ny taloha intsony na dia ny fahafatesana aza rehefa mamelona finoana tsy azo hozongozonina ny fananganana ny maty ianao. — Hebreo 2:15; Lioka 12:4, 5.
Ny finoana dia manampy hisetra ireo fahasahiranana ara-toe-karena. “Inona no hohaninay?” “Inona no hosotroinay?” Izany dia zava-dehibe ahin’ny olona maro amin’izao andro izao. Nananatra an’ireo mpianany anefa i Jesosy mba hino mafy fa afaka manome izany Andriamanitra. Amin’ny fambolena izany karazam-pinoana izany, dia afaka ‘tsy manahy intsony’ ny amin’ny zavatra toy izany ianao (Matio 6:25-34). Izany finoana izany dia mitsimbina anao amin’ny fanaintainana tsy maintsy entin’ny fikatsahana harena. — I Timoty 6:10.
Fa inona no hatao raha tojo zava-manahirana lehibe ny tena ka mila ny hotarihin-dalana? Mandany an-tapitrisany maro ny olona amin’ny mpitari-dalàna eo amin’ny fampiharana na any amin’ireo mpanolo-tsaina momba ny asa. Mety hahasoa indraindray ny torohevitra toy izany, kanefa noho ny finoany dia hitodika any amin’ny loharanom-panampiana tsara lavitra ny kristiana. Nanantitrantitra toy izao i Jakoba: “Ary raha misy hianareo tsy manam-pahendrena, aoka izy hangataka amin’Andriamanitra, Izay manome malalaka ho an’ny olona rehetra sady tsy mandatsa; ary dia homena azy izany. Nefa aoka hangataka amin’ny finoana izy ka tsy hiahanahana akory; fa izay miahanahana dia toy ny alon-dranomasina entin’ny rivotra ka atopatopany.” (Jakoba 1:5, 6). Ny kristiana maneho finoana dia afaka matoky fa handray soa amin’ny fanampian’Andriamanitra izy. Tsy misalasala hanatona an’Andriamanitra izy, satria, ‘manana fahasahiana sy fanatonana amin’ny fahatokiana noho ny finoana Azy [Kristy].’ — Efesiana 3:12.
Marina fa toa sarotra indraindray na tsy azo arahina mihitsy aza ny fitsipika ara-pitondrantena feran’Andriamanitra ho antsika. Nahazo fampanantenana avy tamin’Andriamanitra, ohatra, Abrahama, fa hiteraka zazalahy izy mivady. Nefa noho ny fahafantarana fa ‘maty’ ny fahafahan’izy ireo miteraka, dia toa zava-poana ny hanandramana hiteraka. Nanazava toy izao anefa i Paoly: “Ary satria tsy mba nalemy finoana izy [Abrahama], dia nihevitra ny tenany izay efa hoatra ny maty (fa efa tokony ho zato taona izy) sy ny fahafatesan’ny kibon’i Saraha, ary tsy niahanahana ny amin’ny teny fikasan’Andriamanitra tamin’ny tsi-finoana izy, fa nampaherezin’ny finoana ka nanome voninahitra an’Andriamanitra ary natoky indrindra fa izay nolazainy dia hainy hatao koa.” (Romana 4:19-21). Inona no valisoan’ny finoana toy izany? Nanana tombontsoa Abrahama niteraka zazalahy izay hampitohy ny taranaka mitarika ho amin’ny Mesia.
Na dia tsy manao izany karazam-pahagagana mivantana izany intsony aza Andriamanitra amin’izao fotoana izao, ny kristiana dia mahatsapa fa raha ‘tsy miahanahana amin’ny tsi-finoana’ izy ireny dia afaka mahomby koa amin’ny fampiharana ireo toromarik’Andriamanitra. Nanantitrantitra toy izao i Jesosy: “Ny zavatra rehetra dia hain’ny mino.” — Marka 9:23.
Arovy ny finoanao
Noho izany, dia zava-dehibe tokoa ny finoana ho an’izay maniry hizaka ny andro sarotra iainantsika. Tokony harovantsika amim-pahasarotam-piaro anefa izany. Raha avelantsika hihena tokoa ny finoantsika, dia mety tsy hanana mpitari-dalana eo amin’ny fiainana isika. Mety ho resin’ny fanahiana sy ny zava-manahirana mitambesatra amin’ny olona rehetra isika. Koa tahaka ireo mpianatr’i Jesosy, dia aoka isika hanohy hangataka finoana lehibe kokoa (Lioka 17:5). Aoka isika hianatra tsy tapaka ny Tenin’Andriamanitra sy hifanerasera amin’ireo izay mitovy finoana amintsika (Romana 10:17). Farany, dia aoka isika handray anjara amim-paharisihana amin’ny asa nankinin’i Jesosy tamin’ny mpianany, dia: ny fitoriana ny “vaovao tsaran’ny fanjakana”. — Matio 24:14, MN.
Ny hoe anantontosana an’io asa io any amin’ny tany 203 dia efa tokony hanamafy orina ny finoantsika, satria izany famantarana fa akaiky ny “farany” nambara. Eo amin’ireo Vavolombelon’i Jehovah mpitory be zotom-po, dia ahitantsika olona maneho ny vokatry ny fanahin’Andriamanitra. Miavaka amin’ny finoany izy ireny, nefa koa amin’ny fitiavany, ny fifaliany, ny fiadanany, ny fahari-pony, ny fahamoram-panahiny, ny hatsaram-pony, ny fahalemem-panahiny sy ny fifehezan-tenany (Galatiana 5:22, 23). Porofo velona ny hasarobidin’ny finoana izy ireny, satria nanatsara ny fiainan’izy ireo, ny fifandraisam-pianakaviany ary indrindra ny fifandraisany tamin’i Jehovah izany.
Noho izany antony izany, ho valin’ny fanontanian’i Jesosy hoe: “Raha avy ny Zanak’olona, moa hahita finoana etỳ ambonin’ny tany va izy?” dia afaka manantitrantitra amim-pitokisana tanteraka isika hoe: ‘Eny, izany tokoa.’ (Lioka 18:8). Enga anie isika mba ho anisan’izay rehetra mampiseho isan’andro isan’andro fa sarobidy tokoa ny finoana velona!
[Sary, pejy 23]
Tsy hita maso ny onja amin’ny televiziona sy ny radiao. Manaporofo ny fisiany anefa ny vokany.
[Sary, pejy 24]
Ny vavaka dia fomba mahery fanatanjahana ny finoan’ny tena.