FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • w86 15/1 p. 21
  • Indray mitopy maso amin’ny vaovao

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Indray mitopy maso amin’ny vaovao
  • Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1986
  • Lohatenikely
  • Mitovitovy Aminy
  • Tsapaina ny Fandikan-tenin’izao tontolo izao vaovao
  • Ny olona no mahatonga ny mosary
  • Ny fandidiana fo sy ny ankizy
  • Fanohanana ny Teny Ara-tsindrimandrin’Andriamanitra Amin’ny Tsy Fivadihana
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1997
  • Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    Fandresen-dahatra Miorina Amin’ny Soratra Masina
  • Ra
    Fandresen-dahatra Miorina Amin’ny Soratra Masina
  • Fitaovana Nampandrosoana ny Fandidiana Fo ny Vavolombelon’i Jehovah
    Mifohaza!—1996
Hijery Hafa
Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1986
w86 15/1 p. 21

Indray mitopy maso amin’ny vaovao

Tsapaina ny Fandikan-tenin’izao tontolo izao vaovao

Fahiny, ny olona izay namaky ny Baiboly dia matetika no niseho ho niahiahy ny fandikan-teny rehetra navoakan’ny finoana iray hafa noho ny azy. Raha nanoratra tao amin’ny revio feno fahalalana iray (Nederlands Theologisch Tijdschrift [Revio holanday momba ny teolojia]) ilay teolojiana atao hoe C. Houtman dia nanantitrantitra fa tsy ara-drariny amin’ny ankapobeny ny fiahiahiana toy izany. Rehefa avy nandinika fandikan-teny sasantsasany izy, dia nihevitra fa mahalana aoka izany no ahitana andinin-teny manome taratry “ny fiheverana ara-pivavahana, ara-politika na ara-tsosialin’ilay mpandika teny”. Raha marina tokoa izany amin’ny ankamaroan’ny toe-javatra, dia misy ihany mpandika teny nanaiky ho voatariky ny fitompoany teny fantatra ara-pivavahana. Ohatra, ny sasany dia nanafoana tanteraka ny anarana manokan’Andriamanitra tsy ho ao amin’ny fandikan-teniny. Ny hafa nandika tamin’ny fomba diso ny teny hoe géénna tamin’ny hoe “afobe”. Kanefa, izay rehetra manova na minia manaisotra tapany amin’ny Soratra masina dia miditra amin’ny lalana iray mampidi-doza. Izao tokoa no lazain’ny boky iray ao amin’ny Baiboly: “Raha misy manaisotra amin’ny teny amin’ny bokin’ity faminaniana ity, dia hesorin’Andriamanitra ny anjarany amin’ny hazon’aina.” — Apokalypsy 22:19.

Tsy nanafoana velively ny anaran’Andriamanitra tsy ho ao amin’ny Baiboly ny Fandikan-tenin’izao tontolo izao vaovao fa nitana azy in-7210. Izany fanapahan-kevitra izany dia mifototra amin’ireo kopian’ny Baiboly amin’ny fiteny tany am-boalohany. Mahaliana fa nilaza i Houtman fa raha ny amin’ny fitompoan-teny fantatry ny mpandika teny, “ny Fandikan-tenin’izao tontolo izao vaovao nataon’ny Vavolombelon’i Jehovah dia nahomby tamin’ny fandinihana mafy natao hamantarana azy”.

Ny olona no mahatonga ny mosary

Hatramin’ny herintaona mahery izao, dia mitana ny toerana ao amin’ny pejy voalohany ao amin’ireo gazety ny fahamainana sy ny mosary atsy Afrika. Tsy vao izao anefa ny mosary no maka ain’olona ao amin’io kontinanta io. Raha nanoratra tao amin’ny The Middle East ilay mpanao fikarohana atao hoe Lloyd Timberlake dia nilaza fa “any Etiopia ny fahamainana dia nanomboka tamin’ny 1981. Folo taona izao no nahavoazan’ny fahamainana an’i Tchad, ary dimy ambin’ny folo taona i Cap-Vert. Miseho, dia mihamaty anefa ny fihetsika aterak’io loza aman’antambo io, noho ny fiheveran’ny filazam-baovao azy ho zava-dehibe fa tsy dia noho ny tena ilain’ny olona”. Araka ny hevitr’i Timberlake, ny mahatonga indrindra ny mosary any Afrika dia tsy ny natiora akory, fa ny olombelona ihany. Nanantitrantitra izy fa “ireo fitondram-panjakana tsy ampy fahendrena sy ny politika mampiseho hadalana raha ny amin’ny fanampiana sy ny fampandrosoana” no mahatonga indrindra ny hantsana mampisaraka ireo olona natao hanao fanapahan-kevitra lehibe, dia mpanao raharaham-panjakana monina an-tanàn-dehibe, amin’ny mponina any ambanivohitra, iharam-pahavoazana.

Efa hatramin’ny ela be ny olona no nahatonga fahoriana ho an’ny tenany. 3 000 taona teo ho eo izay, Solomona mpanjaka, izay nanoratra tapany amin’ny Baiboly, dia efa nanao izay hanamarihana fa “misy andro anapahan’ny olona ny namany ka ampidirany loza aminy”. (Mpitoriteny 8:9.) Noho ny drafitra ataon’ny olombelona tsy mihevitra mihitsy ireo fotopoto-pitsipik’Andriamanitra, indrindra fa ireo ataony mba hanomezana sakafo ampy ho an’ireo iharam-pahavoazana noho ny mosary, dia tsy hahomby izany amin’ny farany noho ny fitiavan-tena sy ny tsy fahalalan’ny olombelona. Lazain’ny Baiboly amin’ny fomba voafintina tsara tokoa ny tsy fitovian’ny fahendren’ny olona sy ny an’Andriamanitra rehefa miteny izy hoe: “Maro ny hevitra ao am-pon’ny olona; fa ny fisainan’i Jehovah no haharitra.” — Ohabolana 19:21.

Ny fandidiana fo sy ny ankizy

Tsy mety hampidiran-dra ny Vavolombelon’i Jehovah noho ny antony ara-pivavahana. ‘Fadio ny ra’, hoy ny fandidian’ny Baiboly (Asan’ny apostoly 15:20). Noho ny toerana tanany miorina amin’io teny ao amin’ny Soratra masina io, moa ve ny Vavolombelona mahita fahasahiranana lehibe amin’ny fitsaboana ireo zanany? Tsia. Jereo, ohatra, ny fanatsoahan-kevitry ny lahatsoratra iray mitondra ny lohateny hoe “Ny fandidiana fo sy ny zanaky ny Vavolombelon’i Jehovah manana aretim-po hatrany an-kibon-dreniny”, lahatsoratra navoaka tao amin’ny revio iray ara-pitsaboana (The Journal of Thoracic and Cardiovascular Surgery tamin’ny jona 1985). Izao no vakintsika: “Azo atao ny manao tsy misy ahiahy tanteraka, fandidiana fo sy ‘dérivations cardiopulmonaires’ amin’ny ankizy tsy misy fampiasana fampidiran-dra.”

Nilaza toy izao koa io lahatsoratra io: “Tao amin’ny Fitsaboana fo any Texas, tao anatin’ny vanim-potoana nisy roapolo taona, hatreo amin’ny jona 1983, dia nisy fandidiana ankizy 110, enimbolana ka hatramin’ny 12 taona nahitana tsy metimety tamin’ny fo hatrany an-kibon-dreniny izay Vavolombelon’i Jehovah ny ray aman-dreniny, tamin’ny fampiasana ‘dérivation cardiopulmonaire’.” Tsy manome filazalazana isa ilay lahatsoratra resahina, kanefa nanambara ireo mpandidy fa nahatsapa hoe “tsy naninona na tsaratsara kokoa aza ireo zanaky ny Vavolombelon’i Jehovah” noho ireo nandray ra.

Aoka homarihintsika amim-pahalianana fa rehefa avy nitanisa ireo zavatra tokony hofadin’ny kristiana, indrindra ny ra, ireo apostoly sy ireo loholona tao amin’ny kongregasiona kristiana dia nanampy teny toy izao: “Raha mahatandrin-tena hifady izany hianareo, dia ho soa. Veloma hianareo.” — Asan’ny apostoly 15:29.

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2026)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2026 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara