Ny fivavahana sy ny politika: fifanarahana haharitra ve?
INDRAY andro ny “tsar” tany Rosia, Vladimir I dia nanapa-kevitra fa tokony ho tonga “kristiana” ny vahoakany mpanompo sampy. Ny tenany koa aza niova tamin’ny 987, rehefa avy nanambady andriambavy tao amin’ny fivavahana ortodoksa grika. Nodidiany àry ny hanaovana batisa miaraka maro ireo olom-peheziny — nanaovana fiezahana lehibe raha nilaina izany. Taty aoriana, ny Eglizy rosiana dia niendaka tsikelikely tamin’ny Eglizy grika ‘reniny’, mba ho tonga fiandraiketan-draharaha ara-panjakana tamin’ny farany. Raha mandà amin’ny fomba ofisialy ny fisian’Andriamanitra amin’izao andro izao ireo mpitondra sovietika, dia mbola misy ihany ny firaisan’ny Eglizy sy ny Fanjakana any Rosia, na dia tsy hoe tsy misy zava-manahirana aza amin’izany.
Taonjato maro taorian’ny nahafatesan’i Vladimir tany Rosia, Henri VIII, mpanjakan’i Angletera, dia nahomby koa tamin’ny fampiraisana akaiky ny Eglizy sy ny Fanjakana, saingy tamin’ny fomba hafa dia hafa. Tamin’ny 1532, dia velom-panahiana aoka izany izy satria ny vadiny, Catherine avy any Aragon, dia tsy nanome azy zazalahy handova ny seza fiandrianana foana. Mba handaminana an’io zava-manahirana io, dia nanambady mangingina an’i Anne Boleyn, sakaiza ratsiny izy; ka tamin’izany rehetra izany dia niray tetika taminy ny arsevekan’i Cartorbéry izay nandidy ny fanafoanana ny fanambadiany voalohany. Tamin’ny 1534, io mpanjaka lozabe nanitsakitsa-bady io dia nanendry tena ho filohan’ny Eglizy tany Angletera, dia anaram-boninahitra notanan’ireo mpanjaka anglisy hatramin’izao andro izao. Tamin’izany ireo fanapahan-kevitra nataon’ny synodan’ny Eglizy no tsy maintsy nankasitrahan’ny Parlemanta, ary ireo eveka, anisan’ny “Chambre des lords” dia mandray anjara amim-paharisihana amin’ny fitondram-panjakana any Grande-Bretagne. Tafaray hatramin’ny 450 taona izao àry ny Fiangonana sy ny Fanjakana any Angletera.
Fikambanana vao haingana kokoa
Tamin’ny 1936, tany Espaina, ny fikomiana tamin’ny fitondram-panjakana repoblikana dia niteraka ady an-trano izay niafara tamin’ny fandraisan’ny jeneraly Franco ny fahefana. Vaka aoka izany ireo solontenan’ny ankavia rehefa nomen’io fahefana nitatra dia nitatra ny klerjy ho valisoa noho ny fanohanany tamin-kafanam-po.
Tamin’ny 1983, rehefa nanao fivoriambe tany Vancouver (Kanada) ny Filan-kevitry ny fanakambanam-pinoan’ireo Fiangonana, Philip Potter, lehiben’ny mpitantsorany, dia nananatra ireo mpandray anjara mba “hijanona ho ara-politika”. Nampanahy mpivavaka maro ny fanohanana ara-bola nataon’io Filan-kevitra io ho an’ireo fihetsiketsehana ara-politika tamim-paharisihana tao amin’ny tany sasany.
Tsy anontaniana intsony àry ny hoe mitsabaka amin’ny politika ve ny fivavahana, satria zava-misy izany. Nefa moa ve tokony hanao toy izany izy? Tsara ve izany sa ratsy? Moa ve ny fandraisan’ireo Fiangonana anjara amin’ny politika manandratra ny fari-piainan’io ara-politika, sa manimba ny fivavahana ny politika? Hanohy ela ny “volan-tanteliny” ve ny fivavahana sy ny politika, sa kosa hanjary haharikivy izany ka hiteraka ady eo amin’ireo mpifankatia?
[Sary, pejy 3]
Ny filohan’ny Eglizy tany Angletera voalohany indrindra.