FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • w85 1/7 p. 10-15
  • Tena hafa noho izao tontolo izao tokoa ve ianao?

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Tena hafa noho izao tontolo izao tokoa ve ianao?
  • Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1985
  • Lohatenikely
  • Mitovitovy Aminy
  • Zotom-po amin’ny fitoriana
  • Fitondrantena hafa
  • Ny fifankatiavana
  • Tsy vato fahatafitohinana
  • Ny Kristiana sy ny Tany Ama-monina Amin’izao Andro Izao
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1993
  • Tsy Momba ny Atsy na ny Aroa ny Kristianina Amin’ny Andro Farany
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2002
  • Vavolombelon’i Jehovah
    Fandresen-dahatra Miorina Amin’ny Soratra Masina
  • “Aoka ho Tsara ny Fitondran-tenanareo eo Amin’ny Jentilisa”
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2002
Hijery Hafa
Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1985
w85 1/7 p. 10-15

Tena hafa noho izao tontolo izao tokoa ve ianao?

“Izao no fivavahana madio sady tsy misy loto eo anatrehan’Andriamanitra Ray: (...) Ny miaro ny tena tsy hisy pentimpentina avy amin’izao tontolo izao.” — JAKOBA 1:27.

1, 2. Iza moa no nilaza fa hiavaka amin’izao tontolo izao ny kristiana? Nahoana moa no tsy mahagaga mihitsy raha hafa noho ny olona rehetra ny Vavolombelon’i Jehovah?

JESOSY no voalohany nilaza fa tsy tokony ho naman’izao tontolo izao ny kristiana (Jaona 15:19). Tao amin’ny vavaka nataony tamin’ny Rainy ny takariva nialoha ny hahafatesany, dia izao no nambarany: “Efa nomeko azy ny teninao; ary halan’izao tontolo izao izy, satria tsy naman’izao tontolo izao, tahaka Ahy tsy naman’izao tontolo izao.” — Jaona 17:14, 16.

2 Ny ankamaroan’ireo fivavahana ao amin’ny finoana lazaina fa kristiana dia tsy mitady izay hanarahana ireo teny ireo. Ny Vavolombelon’i Jehovah kosa dia mahatakatra fa tsy afaka manao zavatra hafa ny kristiana marina: Manana adidy izy ireo ny hihataka amin’izao tontolo izao. Fantany fa Satana no filohan’izao tontolo izao (Jaona 14:30; I Jaona 5:19). Amin’izany, raha anisan’izao tontolo izao, dia tsy maintsy mipetraka eo ambany fitarihan’i Satana. Nandefa izao fampitandremana izao i Jakoba mpianatra: “Koa na iza na iza te-ho sakaizan’izao tontolo izao, dia fahavalon’Andriamanitra izy.” (Jakoba 4:4). Noho izany, dia tena tsy misy mahagaga mihitsy raha hafa noho ny mpiara-belona amintsika isika.

3. Amin’ny ahoana indrindra moa ny Vavolombelon’i Jehovah no hafa noho ireo manodidina azy?

3 Fa amin’ny ahoana ny Vavolombelon’i Jehovah no miavaka amin’ny olon-kafa? Nasehon’i Jesosy fa Andriamanitra dia tsy hampisaraka ara-batana ny kristiana amin’ny tapany sisa amin’ny fitambaran’olona (Jaona 17:15). Amin’izao andro izao, ireo Vavolombelona dia miaina ao anatin’ireo fitambaran’olona eo amin’ny fandehan-javatra ankehitriny; ny ankamaroany dia manambady sy miteraka sahala amin’ny olona rehetra. Izy ireny koa dia tsy maintsy mitady asa, misetra ny fisondrotam-bidin-javatra sy mandoa ny hetrany. Ary anefa dia hafa izy ireny. Tao amin’ny lahatsoratra iray natokana ho azy ireny, dia nanazava ny antony tamin’izao teny izao ny mpanoratra ny fizarana ara-pivavahana ao amin’ny gazety amerikana iray: “Ny tsy itovian’ny Vavolombelona amin’ny ankamaroan’ny mpanaratsy azy, dia angamba satria ny fiainany manontolo, anisan’izany ny fampiasana ny fotoanany sy ny fifidianana ireo namany, dia tapahin’ny zavatra inoany.” Marina ny fahitan’io lehilahy io. Nanolo-tena tsy misy fepetra ho an’Andriamanitra ny Vavolombelon’i Jehovah. Mino amim-pahatsorana ireo fampanantenany voasoratra ao amin’ny Baiboly izy ireo, ary mihevitra ho zava-dehibe tokoa ireo didy nomeny azy ireo tsy misy avakavaka (I Jaona 5:3). Noho izany no tsy itoviany amin’ireo hafa.

4. Nahoana moa no sarotra ny mijanona ho hafa noho izao tontolo izao? Inona no tokony hataontsika rehetra indraindray?

4 Mazava ho azy fa tsy manjary tian’ny olona akory ny tena rehefa tsy mandray ny marik’izao tontolo izao. Tsy toerana mora akory izany. Eo amin’ny fiainana andavanandro, dia faran’izay mahery ny faneren’ny fanarahana ambokony. Maniry avy hatrany tsy hiseho ho hafa loatra noho ireo manodidina azy ny ankamaroan’olona. Noho izany, rehefa sedraina ny fialanalanantsika, dia ilaina ny finoana mafy orina mba tsy hiarahana amin’ny maro fa hanaraka ny didin’i Jehovah (Asan’ny apostoly 5:29; 15:28, 29). Koa ho tsara raha mandini-tena indraindray ny tsirairay mba hahafantarana hoe hatraiza izy no hafa manokana noho izao tontolo izao. — II Korintiana 13:5.

Zotom-po amin’ny fitoriana

5. a) Inona no nolazain’ny olona sasany any ivelany ny amin’ny zotom-po asehon’ny Vavolombelon’i Jehovah amin’ny fitoriana? b) Tonòny ny sasantsasany amin’ireo fotopoto-pitsipika ao amin’ny Baiboly izay manosika ny Vavolombelona haneho zotom-po amin’io asa io.

5 Ohatra, ny Vavolombelon’i Jehovah dia fantatra amin’ny zotom-po asehony eo amin’ny asa fitoriana. Mampiavaka azy amin’ny olona amin’ny ankapobeny izany. Miteraka fiderana eo amin’ny sasany izany ary fahasosorana eo amin’ny hafa. Ireo misionera tao amin’ny fandaminana mpitory ny filazantsara iray dia nitantara fa naneran-tany izy dia nifanehatra tamin’ny Vavolombelona narisika sy be zotom-po. Izao no azo novakina tao amin’ny anankiray tamin’ireo bokiny: “Anontanio elaela saika ny misionera rehetra ny amin’ny toe-piainana manjaka ao amin’izay misy azy ireo, na aiza na aiza eo amin’izao tontolo izao, dia tsy maintsy handre firesahana ny amin’ny Vavolombelon’i Jehovah ianao.” Nahoana ny Vavolombelona no mitory ny vaovao tsara amim-pahadodonana toy izany? Satria anisan’ny sitrapon’Andriamanitra io asa io ary mahaforona marika famantarana ny kristiana marina (Matio 28:19, 20; Efesiana 6:14, 15; Apokalypsy 22:17). Amin’ny fitoriany, ny Vavolombelona dia mampiseho ampahibemaso ny tsy fivadihany amin’ny Fanjakan’Andriamanitra sy ny faniriany hanampy ny mpiara-belona aminy hivavaka amin’i Jehovah. — Isaia 2:2-4; Matio 24:14.

6. Inona avy no fanontaniana tokony hapetratsika amin’ny tenantsika mba hamakafakana ny fihetseham-pontsika eo anoloan’ny fitoriana ny vaovao tsara?

6 Ary ianao, manao ahoana ny fiheveranao ny hasarobidin’ny fitoriana? Eo amin’izao tontolo izao, ny ankamaroan’olona dia mihevitra fa zava-dehibe kokoa ny hameloman-tena, na ny hialana voly aza, noho ny fanarahana fivavahana iray (II Timoty 3:4; I Jaona 2:16). Nanoratra ho an’i Timoty toy izao anefa i Paoly: “Tandremo ny tenanao sy ny fampianaranao, ka mahareta amin’izany; fa raha manao izany hianao, dia hamonjy ny tenanao sy izay mihaino anao.” (I Timoty 4:16). Miray hevitra amin’izany ve ianao? Mifanaraka amin’ny fampitandreman’ny apostoly Petera, ‘moa ve ianao tsy manadino na oviana na oviana ny fahatongavan’ny andron’i Jehovah’? (II Petera 3:12, MN.) Raha izany no izy, dia fantatrao fa asa mahadodona ny fitoriana ny vaovao tsaran’ny Fanjakana. Izany dia mety hitarika anao hanao fanapahan-kevitra izay hahasanganehana ireo tsy Vavolombelona.

7. Raha ny amin’izay mahakasika ny fitoriana, dingana inona no nataon’ny maro? Nahoana?

7 Tamin’izany, John, mpampianatra ganeana iray izay nandatsaka am-po ny Soratra masina, dia nametra-pialana mba hahafahana mandany fotoana misimisy kokoa hampahafantarana ilay Fanjakana amin’ny mpiara-belona aminy. Brian, tanora Anglisy iray izay tokony hiditra tany amin’ny oniversite, dia namela izany mba hahatongavana ho mpitory manontolo andro. Eva, zazavavy Amerikana iray, dia nandao sekoly lehibe iray rehefa afaka enimbolana vitsivitsy noho izany antony izany ihany koa. Moa ve ireny kristiana ireny mpanaraka foto-pisainana, tanora tsy manan-tsaina? Raha ny marina, izay rehetra mino ny fampianaran’ny Baiboly dia hanaiky fa mampiseho fahendrena tanteraka ny safidin’izy ireo. Tsy manimba ny ho aviny izy ireny fa nandray anjara tamin’ny fanaovana izay hahazoana antoka ny amin’izany, satria, raha raisina indray ny fitenenana nampiasain’i Paoly, ny asa nanokanany tena dia milaza famonjena ‘ho an’ny tenany sy ho an’ireo izay mihaino azy’. — I Timoty 4:16.

Fitondrantena hafa

8. Amin’ny ahoana moa ny fotopoto-pitsipika ambara ao amin’ny Hebreo 1:9 no mampiavaka ny Vavolombelon’i Jehovah amin’ny mpiara-belona aminy?

8 Misy lafiny hafa iray koa tsy itovian’ny kristiana amin’izao tontolo izao. Izao tokoa no vakintsika: “Tianao ny fahamarinana, fa halanao ny heloka.” (Hebreo 1:9). Araka ny asehon’ny teny manodidina, ireo teny ireo dia miantefa amin’i Jesosy Kristy, nefa miaiky ny Vavolombelon’i Jehovah fa izany dia milazalaza fitsipika ara-pitondrantena azo ekena ho an’ny kristiana rehetra (I Petera 2:21). Marina tokoa fa tokony ho tiantsika rehetra izay marina eo imason’Andriamanitra ary ho halantsika izay mifanohitra amin’ny lalàny.

9. a) Manonòna karazan-tsy firaharahan-dalàna sasany. b) Nahoana moa ny fihetsiky ny kongregasiona kristiana iray eo anoloan’ny tsy firaharahana lalàna no tsy maintsy ho hafa noho ny an’izao tontolo izao?

9 Ny apostoly Paoly dia nitanisa karazan-tsy firaharahana lalàna sasany tamin’ny filazana hoe: “Fa ny mpijangajanga sy ny mpanompo sampy sy ny mpaka vadin’olona sy ny sodomita sy ny mpangalatra sy ny mpierina sy ny mpimamo sy ny mpanaratsy ary ny mpanao an-keriny dia tsy mba handova ny fanjakan’Andriamanitra.” (I Korintiana 6:9, 10). Ankehitriny izao tontolo izao dia faran’izay moramorainy, indrindra fa amin’izay rehetra mahakasika ny fitsipika ara-pitondrantena momba ny lahy sy ny vavy. Tsy misy antony tokony hiadian-kevitra ny amin’ireo fotopoto-pitsipika ao amin’ny Baiboly anefa. Asehon’ny Soratra masina fa ny kristiana rehetra izay lavo amin’ny fahalotoam-pitondrantena dia tokony hampiana amim-pitiavana mba hiova fitondrantena (Galatiana 6:1; Jakoba 5:19, 20). Raha tsy mety mihatsara anefa izy, dia voatery hanalavitra azy ireo olo-mahatoky. — I Korintiana 5:9-13.

10. Nahoana moa ny Vavolombelon’i Jehovah no tokony hitandrin-tena tanteraka amin’ny fanaovan-javatra mampiseho tsy firaharahana lalàna?

10 Misy mihevitra izany fomba fanaovan-javatra izany ho mampiseho halozana na firehetana tsy amin’ny antony. Aleony ny fihetsika malalaka kokoa eo amin’izao tontolo izao ankehitriny. Izany ve no fihetseham-ponao? Sa takatrao kosa fa ny fandaharana toy izany dia tsy mampiseho velively tsy fitiavana an’ilay nanota, fa fisehoan’ny fankahalana ny zavatra nataony tamin’ny tsy firaharahana lalàna kosa? Tsapanao ve fa mba hijanonana ho kristiana, ny kongregasiona dia manana adidy hanao toy izany? Izao no nosoratan’i Jakoba mpianatra: “Izao no heverin’Andriamanitra Ray ho fivavahana madio sy marina: (...) Ny mitandrin-tena amin’izay rehetra mety ho pentimpentina ateraky ny fitaoman-dratsin’izao tontolo izao.” (Jakoba 1:27, Bible en français courant). Amin’izany, ahoana no hahafahan’ny antokon’olona iray hilaza fa mitana ny fivavahana marina izy raha manaiky ho voaloton’ny fahotana lehibe?

11. Inona moa no tokony ho herin’ireo fotopoto-pitsipika ao amin’ny Soratra masina eo amin’ny tenin’ny kristiana?

11 Lasa lavitra kokoa ihany anefa ny fankahalana ny ratsy tokony hanetsika ireo mpianatr’i Kristy. Izao no ambaran’ny Baiboly: “Fa ny fijangajangana sy ny fahalotoana rehetra, na ny fieremana, dia aza avela hotononina eo aminareo akory aza, fa tsy mahamendrika ny olona masina izany, na fahavetavetana, na resaka fahadalana, na voso-dratsy.” (Efesiana 5:3, 4). Noho izany, ny kristiana marina dia fantatr’ireo izay mifanerasera aminy ho olona tsy mampiasa fiteny maloto, tsy voatarika hanao vazivazy ratsy ary tsy mahita fahafinaretana amin’ny fampahatsiahivana fanao maloto. Mihamahalana anefa ny saina sy teny madio amin’izao androntsika izao.

12. Nahoana moa ny Vavolombelon’i Jehovah no miavaka amin’izao tontolo izao amin’ny fifidianana ny fialam-boliny?

12 Miavaka amin’ny mpiara-belona aminy ny Vavolombelon’i Jehovah na dia eo amin’ny lafin’ny fialam-boly aza. Noho ny fahafantarana fa ‘izao tontolo izao dia mipetraka eo amin’ilay ratsy avokoa’, dia nianatra ny ho maodimaody izy ireo raha ny amin’ny fialam-boly atolony azy (I Jaona 5:19). Laviny amin’ny fomba hentitra ny lalao iarahana, revio, lalao “vidéo”, sarimihetsika, mozika sy fandaharana ao amin’ny televiziona izay mampisongadina ny fanompoana demonia, ny sary maloto na ny herisetra feno habibiana. Fadìny koa izay rehetra mety ho fampisehoana mampiely hevitra maloto na mampiseho fileferana loatra tsy ho azon’ny kristiana iray arahina (I Korintiana 15:33). Izay rehetra mihevitra ny Baiboly ho zava-dehibe dia tsy hitady ny fialam-boliny amin’ny zavatra izay tsy tokony hotononina akory eo amin’ireo mpianatr’i Kristy.

13. Moa ve fanehoana fahateren-tsaina ny hifehezan-tena eo amin’ny fifidianana ny fialam-boly? Nahoana?

13 Tena miray hevitra amin’izany ve ianao? Sa hitanao ho tery saina sy henjan-doatra ny Vavolombelon’i Jehovah satria manaraka izany fotopoto-pitsipika izany? Raha izany no izy, dia eritrereto kely: Rehefa esorina tsy ho ao amin’ny magazay fivarotana zava-pihinana ny zavatra iray satria hita fa mampidi-doza izany, dia tsy mihevitra izany ho famelezana ny fahafahany hisafidy ireo mpihinana. Velom-pankasitrahana kosa aza izy ireo satria atao izay tsy hahavoapoizina azy ireo. Mitovitovy amin’izany, ny Vavolombelon’i Jehovah dia tsy mitaraina noho ny fampitodihana ny sainy ho amin’ny fanimban’ny ankamaroan’ny fialam-boly eo amin’izao tontolo izao ankehitriny. Faly kosa aza izy ireo voaro toy izany amin’io karazana fanapoizinana ara-pitondrantena io.

Ny fifankatiavana

14. Araka ny filazan’i Jesosy, toetra inona moa no mampiavaka ny fitambaran’olona kristiana amin’izao tontolo izao manodidina azy?

14 Ity misy hevitra hafa iray hahatonga antsika ho afaka hanombana ny hantsana mampisaraka ny kristiana amin’izao tontolo izao. Ny omalin’ny hahafatesany, dia izao no nolazain’i Jesosy tamin’ireo izay nanaraka azy: “Izany no hahafantaran’ny olona rehetra fa mpianatro hianareo, raha mifankatia.” (Jaona 13:35). Nahoana io fitiavana io no ho famantarana ho an’ny olona eny ivelany? Satria raha lazaina amin’ny ankapobeny, ny tarehin-javatra eo amin’izao tontolo izao ankehitriny dia mifanitsy indrindra amin’ity filazalazana ara-paminaniana nataon’i Paoly ity: “Ny olona ho tia tena, ho tia vola (...), tsy manam-pitiavana.” (II Timoty 3:2, 3). Eo anoloan’izany, dia tsy ho takona afenina ny fikambanana iraisam-pirenena iray misy lehilahy sy vehivavy mifankatia. Tena misy tokoa anefa izany firahalahiana izany eo amin’ny Vavolombelon’i Jehovah. — I Petera 2:17.

15. Ampahatsiahivo ny tarehin-javatra sasany azon’ny Vavolombelon’i Jehovah ifanehoana fitiavana.

15 Miharihary indrindra ny fitiavana ao amin’ireo fivoriambe ataon’ny Vavolombelon’i Jehovah. Amin’ireny fotoana ireny tokoa izany dia matetika miteraka fanamarihana tsara avy amin’ny olona eny ivelany. Afa-tsy izany koa, rehefa mitranga ny loza aman’antambo lehibe, dia ireo Vavolombelona no anisan’ny voalohany mankany amin’ireo toerana mba hitondra famonjena ho an’ireo rahalahiny. Eo anivon’ny kongregasiona, izy ireo dia mifaneho fitiavana sy fiheverana. Na dia rehefa mifandona aza ny toetran’izy ireo, dia miezaka izy ‘hifandefitra sy hifamela heloka’. — Kolosiana 3:12-14.

Tsy vato fahatafitohinana

16. a) Tamin’ny taonjato voalohany, tarehin-javatra inona voalazalazan’i Paoly no nanome ho an’ny kristiana fahafahana tsara dia tsara hampiseho hoe hatraiza ny fifankatiavan’izy ireo? b) Fotopoto-pitsipika amin’ny ankapobeny inona no notsoahin’i Paoly avy amin’izany?

16 Mahatonga azy ho hafa amin’ny lafiny hafa iray koa ny fitiavan’ny Vavolombelona. Amin’izao andro izao, dia maro no miaro amim-pahasarotam-piaro ny zony. Nasehon’ny apostoly Paoly anefa fa tokony ho hafa dia hafa noho izany ny amin’ny kristiana. “Koa dia aoka isika hiezaka hitady ny momba ny fiadanana sy ny momba ny fifampandrosoana”, hoy izy. (Romana 14:19). Araka ny fanazavan’ny teny manodidina, dia hita fa nanisy fitenenana ny amin’ny zava-manahirana momba ny sakafo i Paoly. Tsy mba sahala amin’ny Jiosy teo ambanin’ny lalàn’i Mosesy tokoa ny kristiana fa nanana fahafahana hihinana ny zavatra rehetra, raha mahalala onony. Na dia izany aza, ireo izay nihevitra sakafo sasany ho maloto hatramin’ny fahazazany dia sanganehana indraindray rehefa mahita ireo rahalahiny mankafy izany. Moa ve anefa ireo nanantitrantitra ny amin’ny zony hihinana izay tiany? Azo antoka fa tsy izany, raha narahiny fara faharatsiny izao torohevitr’i Paoly izao: “Fa tsara ny tsy mihinana hena, na misotro divay, na manao izay hahatafintohina ny rahalahinao.” (Romana 14:21). Hitanao ve hoe amin’ny lafiny hafa inona io torohevitra feno fitiavana io no mety hitari-dalana anao?

17, 18. a) Ahoana no iharan’ny fotopoto-pitsipika voambara ao amin’ny Romana 14:21 amin’ny fisotro misy alikaola? b) Ahoana no azo ampiharana azy amin’ny raharaha momba ny fitafiana? d) Araka ny hevitrao, amin’ny lafiny hafa inona avy moa io fotopoto-pitsipika io no hanampy antsika haneho fifankatiavana?

17 Ohatra, manome lalana ny kristiana hampiasa zavatra misy alikaola amim-pahalalana onony ny Baiboly (I Timoty 3:8; 5:23). Misy anefa manana fitompoan-teny fantatra hanohitra ny fisotro misy alikaola, fa ny hafa kosa tsy zatra misotro izany na tsy mahazaka azy. Koa raha tafaraka amin’ny olona karazan’izany ianao, moa ve ianao hanandrana hanery azy na hanao izay hampahamenatra azy mba “hanarahany” anao? Moa ve tsy ho tsaratsara kokoa ny tsy hisotroan’ny tenanao mba tsy hahasakodiavatra azy?

18 Aoka horesahintsika izao ny amin’ny raharaha hafa iray: ny fisehoana ivelany. Marina fa ny Baiboly dia tsy milazalaza ny amin’ny fitafian’ny kristiana. Mianina amin’ny filazana izy fa tokony ho maotina sy voakarakara tsara izany (I Timoty 2:9). Ankehitriny anefa, any amin’ny ankamaroan’ny tany, ny “fitambaran’olona tsara” dia manana fitsipika raha ny amin’ny fomba fitafy. Amin’ny ankapobeny, dia ekena ny fahamaroan-karazana sasany, nefa rehefa manivaka loatra dia heverina ho mampiseho tsy fiheverana afa-tsy ny tena, tsy fahalalana henatra na fisehoana ho hafahafa. Tsy tokony hanadino izany ny kristiana, lehilahy sy vehivavy. Moa àry ve ianao vonona ny hampihena ny fahafahanao eo amin’ny fifidianana ny fitafianao noho ny vaovao tsara sy mba tsy hahatafintohina ireo rahalahinao?

19-21. a) Nahoana moa ny Vavolombelon’i Jehovah no miezaka ho hafa hatrany noho izao tontolo izao? b) Amin’ny lafiny inona koa moa isika no tokony hitandrina mba tsy hitovy amin’izao tontolo izao?

19 Rehefa nilaza i Jesosy fa tsy ho “naman’izao tontolo izao” ny kristiana, dia fantany izay noresahiny (Jaona 17:16). Amin’ny fitoriana ny vaovao tsara, amin’ny fandavana ny ratsy, amin’ny fifanehoana fitiavana sy fiheverana, ny Vavolombelon’i Jehovah dia mampiseho fa hafa izy ireny. Izany fihetsika izany dia mitondra ho azy ireo soa maro. Ankoatra ny zavatra hafa, izany dia mahatonga azy ireo ho voatsimbina amin’ny ankamaroan’ny zava-manahirana mitambesatra amin’izao tontolo izao ankehitriny.

20 Heverinao ho sarobidy tokoa ve izany tsy fitoviana izany, ary manao izay ilaina mba hiarovana azy ve ianao? Tadidio fa raha mihena ny fiavahan’ny Vavolombelon’i Jehovah amin’ny mpiara-belona aminy, dia tsy maintsy hitovy kokoa amin’izao tontolo izao manana an’i Satana ho andriamanitra izy (II Korintiana 4:4). Tsy ho fantatra mazava intsony ho ny vahoaka ‘masin’i’ Jehovah izy ireo, ka amin’izany dia tsy ho azon’izy ireo atao ny ‘hiaro tena tsy hisy pentimpentina avy amin’izao tontolo izao’. Noho izany, dia tsy hitana intsony ny “fivavahana madio sady tsy misy loto eo anatrehan’Andriamanitra” izy. (Jakoba 1:27; I Petera 1:14-16.) Raha sendra ka mahatsapa faniriana ny hitovy bebe kokoa amin’izao tontolo izao ianao indraindray, dia eritrereto indray ny fampitandremana voasoratra ao amin’ny Jakoba 4:4.

21 Nanambara toetra hafa iray mampiavaka ny fitambaran’olona ankehitriny ny apostoly Paoly tamin’ny filazana fa ny olona “ho tia vola”. (II Timoty 3:1, 2.) Marina tokoa fa ankehitriny ny fandriky ny fitiavana tombony dia mahery aoka izany, hany ka mahaforona fitaomana lehibe eo amin’ny fiainan’ny olona maro. Miavaka koa ve ny kristiana amin’io lafiny io? Azo atao ve ny mbola ho velona ihany eto amin’izao tontolo izao ankehitriny raha tsy “tia vola”? Hivaofy an’io foto-kevitra io isika ao amin’ny lahatsoratra manaraka.

Tadidinao ve?

◻ Nahoana moa no ara-dalàna ny tsy hitovian’ny kristiana iray amin’izao tontolo izao?

◻ Inona moa no teny ao amin’ny Baiboly manampy ny Vavolombelon’i Jehovah hitana fihetsika tsara eo anoloan’ny fitoriana?

◻ Amin’ny lafiny inona avy moa ny fampiharana ny Hebreo 1:9 no manosika ny Vavolombelon’i Jehovah ho hafa noho izao tontolo izao?

◻ Inona no tokony ho vokatry ny fotopoto-pitsipika velabelarina ao amin’ny Romana 14:21 eo amin’ny fitondrantenantsika?

[Sary, pejy 13]

Nianatra ny ho maodimaody raha ny amin’ny fialam-boly atolotr’izao tontolo izao ankehitriny azy ny Vavolombelon’i Jehovah.

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2026)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2026 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara