Miavaka amin’ny fanaovany ny marina koa izy ireo
Rehefa hitany ny filazana azy ho nandika lalàna teo amin’ny “pare-brise” amin’ny fiarakodiany, dia ory ny fony. Tafakatra ho 25 dôlara [2 000 ariary mahery] ny sazy. Nampalahelo azy mafy izany tsy rariny izany. Tsy nisy mihitsy filazana nandrara tsy hijanona teo amin’io toerana io. Ny ratsy indrindra, dia satria lavitra an’ilay tanàna ny fonenany ka tsy afaka hiverina any izy mba hampiseho ny fiarovan-tenany. Koa naka sarin’ireo toerana vitsivitsy izy mba hanaporofoana fa tsy nisy fandrarana tsy hijanona teo. Koa satria Vavolombelon’i Jehovah ny tenany, dia hangataka Vavolombelona hafa izy hisolo tena azy ao amin’ny fitsarana.
Toy izao no fitantaran’io namana io izay nitranga ny marainan’ny fisehoana teo amin’ny fitsarana:
“Rehefa miseho eo anatrehan’ny mpitsara ianao, dia tokony holazainao ny anaranao sy ny adiresinao. Aorian’izany, araka ny mahazatra, dia asaina mianiana ianao. Nefa talohan’ny nahafahako nanao izany, ilay mpanoratra ny momba ny fitsarana, lehilahy efa zokiolona, dia nangataka ahy mba hamerina ny anaran’ny arabe nisy ahy. Rehefa reny ny hoe ‘124 Columbia Heights’ dia hita ho fantany ny adiresin’ny foibe iraisam-pirenen’ny Fikambanana Watch Tower [ny fikambanana ampiasain’ny Vavolombelon’i Jehovah]. Nitraka nijery ny prezidà izy ka nihiaka hoe: ‘Aza manahy, andriamatoa mpitsara. Olona tsara ireo. Tsy mandainga mihitsy izy ireo, na oviana na oviana, tsy mety hisy izany! Tsy mamela azy hanao izany ny fivavahany, ary manaraka izany an-tsakany sy an-davany izy ireo. Tao amin’izy ireo, dia tsy mbola nahita lehilahy iray, na vehivavy iray akory aza nandainga aho. Marina mihoatra noho izay rehetra azonao saintsainina izy ireo. Isaky ny mety ho afaka tamin’ny sazy tamin’ny filazana lainga izy ireo, dia tsy nanao izany.’
“Avy eo dia nitodika tany amiko izy mba hilaza tamiko hoe: ‘Fantatro fa tsy hitantara lainga aminay ianao, satria raha izany dia mahalala olona iray hivadika ao am-pasany ianao!’ ‘Iza izany?’, hoy aho nanontany azy. ‘Ilay mpitsara, andraso kely! Rutherford mpitsara [prezidàn’ny Fikambanana Watch Tower taloha]! hoy ny navaliny. Izaho no mpitondra ny taratasiny, 47 taona lasa izay. Fantatro ny Vavolombelon’i Jehovah fony izy mbola kely dia kely! Ary minoa ahy, ilay mpitsara, izany ka lehilahy!’
“Taorian’izany fahatapahan-dresaka izany, ilay prezidà dia tsy nisahirana nampianiana ahy akory. Nangataka ahy izy mba hanao ny fiarovan-tenako, ka nataoko izany. Ny didim-pitsarana ve? ‘Tsy meloka.’ ”
Ny Vavolombelon’i Jehovah dia ‘maniry ny hitondra tena amim-pahamarinana amin’ny zavatra rehetra’. (Hebreo 13:18.) Ny fanaovany ny marina no anankiray amin’ireo toetoetra maro mampiavaka azy amin’izao tontolo izao.