FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • w85 1/5 p. 19-24
  • Fotoana tena tokony hiheverana ny “Famantarana” izao

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Fotoana tena tokony hiheverana ny “Famantarana” izao
  • Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1985
  • Lohatenikely
  • Mitovitovy Aminy
  • Ny fanavahana ny “ondry” sy ny “osy”
  • Ny valisoan’ireo izay mihevitra ny “famantarana”
  • Inona ny Hoavy ho An’ny Ondry sy ny Osy?
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1995
  • Fitaran’ny Asa Mandritra ny Fanatrehan’i Kristy
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1993
  • Rehefa ho tonga ao amin’ny herin’ny Fanjakany i Kristy
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1990
  • Hitsara ny Ondry sy ny Osy i Kristy Mpanjaka
    I Jesosy no Lalana sy Fahamarinana ary Fiainana
Hijery Hafa
Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1985
w85 1/5 p. 19-24

Fotoana tena tokony hiheverana ny “Famantarana” izao

“Koa amin’izany miambena hianareo, fa tsy fantatrareo, na ny andro na ny ora.’’ — MATIO 25:13.

1. Nahoana moa no tsy ho fahendrena ny hanaovana tahaka ireo virijina adala izay soritan’i Jesosy ho antsika ao amin’ny fanoharany ny toetoetrany?

EO an-katoky ny taona volamena izay miandry ny olombelona navotana, dia tena ho tsy fahampiam-pahendrena ny hanaovan-javatra tahaka ny nataon’ireo virijina dimy adala izay nosoritan’i Jesosy tao amin’ny fanoharany ny toetoetrany. Diso aoriana loatra ireo vao nifoha, ary tsy afaka niditra tao amin’ny “fanjakan’ny lanitra”. Tsy namirapiratra tahaka ny loharanom-pahazavana izy ireo tamin’ny fotoana tokony ho naha-toy izany azy (Matio 25:1-12). Rehefa ho voatory “amin’ny tany onenana manontolo ho vavolombelona” “ity vaovao tsaran’ny fanjakana ity”, ka haneno ny oran’ny “farany”, ireo izay ho nanaraka ny ohatra nomen’izy ireo dia tsy hanana fanantenana intsony ny handray anjara amin’io tombontsoam-panompoana io izay tsy hiseho intsony mihitsy. — Matio 24:14, MN.

2, 3. a) Tamin’ny fananarana inona moa no namaranan’i Jesosy ny fanoharana ny amin’ny virijina folo? b) Nahoana moa io fananarana io no tena amin’ny ilàna azy amin’izao andro izao? Tokony hitahiry inona àry ireo izay mahaforona ny kilasin’ny ‘virijina hendry’?

2 Noho izany antony izany no namaranan’i Jesosy ny fanoharany tamin’izao fananarana izao: “Koa amin’izany miambena hianareo, fa tsy fantatrareo na ny andro na ny ora.” — Matio 25:1-13.

3 Tonga amin’ny ilàna azy indrindra ireo tenin’i Jesosy Kristy Mpampakatra ireo amin’izao andro izao, indrindra fa satria efa 71 taona izao no nisian’ny “fifaranan’ny fandehan-javatra”. Na dia amin’izao ora efa lasa dia lasa amin’ny Tantara izao aza, ireo izay mahaforona ny sisa amin’ny kilasin’ny ‘virijina hendry’ dia mbola tsy mahalala foana ny andro sy ny ora hanidiana “ny varavarana”, ka amin’izay dia ho diso aoriana loatra ny hahazoana ny zo hanjaka any an-danitra eo anilan’ny Mpampakatra izay nifofo azy ho vady. Amin’izany, dia adidin’izay rehetra maniry ho sahala amin’ireo virijina hendry ny mitahiry “solika” ara-panahy, mba hampamirapiratana ny fahazavan’izy ireo amin’ny fitoriana “ity vaovao tsaran’ny fanjakana ity” “ho vavolombelona amin’ny firenena rehetra” mandra-pahatongan’ny “farany”. — Matio 24:14, MN; Marka 13:10; Apokalypsy 14:6, 7.

Ny fanavahana ny “ondry” sy ny “osy”

4. Araka ny fitantaran’i Matio, inona moa ny fanoharana farany nataon’i Jesosy izay tokony ho tanteraka ao anatin’ny faritry ny “famantarana” ny ‘fanatrehany’?

4 Nefa alohan’ny hahatongavan’ny “fifaranan’ny fandehan-javatra” amin’ny “farany”, dia misy asa fanavahana tsy maintsy atao ao anatin’ny faritry ny “famantarana” mampiseho fa miaina amin’ny “andro farany” isika izao. (Daniela 12:4.) Io asa io dia ho fahatanterahan’ny fanoharana ny amin’ny ondry sy ny osy mamarana ny fitantaran’i Matio, dia ilay faminaniana lehibe notononin’i Jesosy ny amin’ny “famantarana” ny ‘fanatrehany’ tsy hita maso sy “ny fifaranan’ny fandehan-javatra”.

5. Tamin’ny fotoana toy inona ny “ondry” no tokony havahana amin’ny “osy”?

5 Mariho ny fomba nampidiran’i Jesosy an’io fanoharana voatantara ao amin’ny Matio 25:31-46 io: “Ary raha tonga ny Zanak’olona amin’ny voninahiny, arahin’ny anjely rehetra, dia hipetraka eo ambonin’ny seza fiandrianan’ny voninahiny Izy; ary ny firenena rehetra hangonina eo anatrehany, dia hanavaka azy Izy, tahaka ny mpiandry ondry manavaka ny ondry amin’ny osy. Ary hametraka ny ondry eo amin’ny ankavanany Izy, fa ny osy eo amin’ny ankaviany.” Inona no hitranga hanaraka izany? Manohy ny teniny toy izao i Jesosy:

6. Inona no lazain’ilay Mpanjaka sady Mpiandry amin’ireo eo ankavanany?

6 “Ary amin’izany ny Mpanjaka dia hilaza amin’izay eo amin’ny ankavanany hoe: Avia hianareo izay notahin’ny Raiko, mandovà ny fanjakana izay voavoatra ho anareo hatrizay nanorenana izao tontolo izao; fa noana Aho, dia nomenareo hanina; nangetaheta Aho dia nampisotroinareo; nivahiny Aho, dia nampiantranoinareo; tsy nanan-kitafy Aho, dia notafianareo; narary Aho, dia notsaboinareo; tao an-tranomaizina Aho, dia novangianareo.

7. Inona avy no fanontaniana apetraky ny “ondry”? Ahoana no amalian’ny Mpanjaka azy ireo?

7 “Ary dia hamaly Azy ny marina ka hanao hoe: Tompoko, oviana no hitanay noana Hianao ka nomenay hanina, na nangetaheta ka nampisotroinay? Ary oviana no hitanay nivahiny Hianao ka nampiantranoinay, na tsy nanan-kitafy ka notafianay? Ary oviana no hitanay narary Hianao, na tao an-trano-maizina, ka novangianay? Dia hamaly ny Mpanjaka ka hanao aminy hoe: Lazaiko aminareo marina tokoa: Araka izay efa nataonareo tamin’ny anankiray amin’ireto rahalahiko kely indrindra ireto no nataonareo tamiko.”

8. a) Inona no tsy nataon’ny “osy”? b) Mifanohitra amin’ny “ondry”, aiza no andefasan’ny Mpanjaka azy?

8 Tsy mba sahala amin’ny “ondry”, ny “osy” dia tsy dodona ny hihevitra ny “famantarana”. Izany no antony amakiantsika toy izao: “Ary dia hilaza indray amin’izay eo amin’ny ankaviany kosa Izy hoe: Mialà amiko, hianareo, izay voaozona, ho any amin’ny afo maharitra mandrakizay, izay voavoatra ho an’ny devoly sy ny anjeliny; fa noana Aho, fa tsy mba nomenareo hanina; nangetaheta Aho, fa tsy mba nampisotroinareo: nivahiny Aho, fa tsy mba nampiantranoinareo; tsy nanan-kitafy Aho, fa tsy mba notafianareo; narary sy tao an-trano-maizina Aho, fa tsy mba novangianareo. Ary dia hamaly kosa ireo hoe: Tompoko, oviana no hitanay noana Hianao, na nangetaheta, na nivahiny, na tsy nanan-kitafy, na narary, na tao an-trano-maizina, ka tsy mba nanompo Anao izahay? Fa hamaly azy Izy ka hanao hoe: Lazaiko aminareo marina tokoa: Araka izay tsy nataonareo tamin’ny anankiray amin’ireto kely indrindra ireto no tsy mba nataonareo tamiko. Ary ireo dia hiala ho any amin’ny fampijaliana [fanafoanana, MN ] mandrakizay; fa ny marina ho any amin’ny fiainana mandrakizay.”

9. Raha manao inona ianao no afaka mifaly noho ny fahatanterahan’ny fanoharana momba ny ondry sy ny osy amin’izao andro izao?

9 Tsy isalasalana fa ianao dia nandray anjara tamin’ny fomba iray na tamin’ny fomba hafa tamin’ny fahatanterahan’io sary ara-paminaniana io. Amin’izany, voamarikao ve ny asa tsara nampahatsiahivin’i Jesosy? Raha ny amin’izay mahakasika anao, moa ve ianao manao toy izany amin’ireo ‘rahalahin’i Kristy’? Sambatra ianao raha mitondra tena toy ny “ondry” eo amin’ny toeran’izy ireo!

10. Inona no fanavahana nataon’i Jesosy tamin’ny ‘rahalahiny’ tetsy andaniny, ary tamin’ny “ondry” sy ny “osy”, tetsy ankilany? Andinin-teny hafa inona ao amin’ny Baiboly no manamafy izany fanavahana izany?

10 Jesosy dia nanorina fanavahana teo amin’ireo ‘rahalahiny’ ara-panahy sy ireo hiharihary fa ho “ondry” na ho “osy” amin’ny fotoana hahatanterahan’io fanoharana io. Ireo “rahalahiny”dia olombelona izay nanaraka ny ohatra nomeny tamin’ny fanoloran-tena tsy misy fepetra ho an’Andriamanitra. Sahala amin’ny nataon’i Jesosy, izy ireny dia nampiseho ampahibemaso fa nanao izany fanapahan-kevitra izany izy rehefa natao batisa tamin’ny fandrobohana. Afa-tsy izany koa, Jehovah, Rain’i Jesosy Kristy Mpanjaka, dia tonga Rain’izy ireo any an-danitra tamin’ny fiterahana azy ireo tamin’ny fanahiny masina, ka nanao azy ireo tamin’izany ho “rahalahy” ara-panahin’ny Zanany. Izany dia manome azy ireo zo hanana toerana ao amin’ny Fanjakan’ny lanitra eo anilan’ilay Zokiny, dia Jesosy Kristy, izay “Mpanjakan’ny mpanjaka sy Tompon’ny tompo”. (Apokalypsy 19:16.) Izao koa no voasoratra ny amin’izy io: “Fa iray no nihavian’izy roroa, na Izay manamasina, na izay hamasinina; koa izany no tsy mahamenatra Azy hanao ireo hoe ‘rahalahy’ ka manao hoe: ‘Hitory ny anaranao amin’ny rahalahiko Aho; eo amin’ny fiangonana [kongregasiona, MN ] no hiderako Anao.’ ” (Hebreo 2:11, 12). Io andinin-teny io dia manonona ny Salamo 22:22 ary mampihatra azy amin’ilay Zanak’Andriamanitra nomem-boninahitra, dia Jesosy Kristy.

11. Mbola misy “rahalahy” ara-panahin’i Jesosy be dia be ve eto an-tany? Mahaforona inona izy ireo mitambatra?

11 Eto an-tany dia mbola misy sisa amin’ireo ‘rahalahin’i’ Jesosy Kristy, Mpanjaka efa nandray fiandrianana, ara-panahy. Amin’ny fitambarany, ny ‘kongregasionan’izy ireo’ dia mahaforona “ny mpanompo mahatoky sy malina” noresahin’i Jesosy tamin’izao teny izao tao amin’ny faminaniany ny amin’ny “fifaranan’ny fandehan-javatra”: “Iza moa no mpanompo mahatoky sy manan-tsaina, izay notendren’ny tompony hifehy ny mpanompony mba hanome azy hanina amin’ny fotoana? Sambatra izany mpanompo izany, raha avy ny tompony ka hahita azy manao izany. Lazaiko aminareo marina tokoa: Hotendreny ho mpanapaka ny fananany rehetra izy.” — Matio 24:45-47.

12. a) Nanomboka tamin’ny 1919, nanjary nalaza ny amin’ny asa inona indrindra moa “ny mpanompo”? b) Notendrena hitandrina ny ‘fananana’ inona moa izy? d) Mahaforona tapany lehibe amin’inona moa ankehitriny ny “mpanompo” sy ny asany?

12 Mamaly ny fanontaniana napetrak’i Jesosy ny amin’ny atao hoe “mpanompo” ny Tantara. Ny “kongregasiona” mandray anjara toy izany, ankehitriny dia voaforon’ireo “rahalahy” nomen’Andriamanitra an’i Kristy ka mbola eto an-tany. Izy io dia fantatra ho kilasin’ny ‘virijina hendry’. Nanomboka tamin’ny 1919, io “mpanompo” io dia nihanalaza tamin’ny fanolorana, mbola ‘amin’ny fotoana, ihany, sakafo ara-panahy mampahatanjaka sy nalaina avy ao amin’ny Baiboly, ho an’ireo “mpanompony” ao an-tranon’ny Tompo. Noho izany antony izany, ilay Tompo tsy hita mason’izany mpanompo mendrika itokisana izany dia nanendry azy “ho mpanapaka ny fananany rehetra” ara-panahy. Notendreny indrindra izy mba hitory “ity vaovao tsaran’ny fanjakana ity” amin’ny tany manontolo izay ampiharany ny fahefany ankehitriny. Hatramin’izao, io fanambarana ny amin’ny Fanjakan’Andriamanitra io dia tsy nitsahatra ny nitatra. Noho izany, “ny mpanompo mahatoky sy manan-tsaina” sy ny asany dia mahaforona tapany tena lehibe amin’ny “famantarana” izay mampiseho amintsika hoe aiza ho aiza isika izao eo amin’ny fandehan’ny fotoana.

13. Hatramin’ny oviana moa “ny firenena rehetra” no nangonina eo anatrehan’ny Mpanjaka? Oviana moa “ny mpanompo” no nanomboka nanangona ny “ondry” ho eo ankavanany?

13 Amin’ireo kristiana mahaforona an’izany “mpanompo” izany àry ny “marina” asehon’ny “ondry” no manao soa. Raha ny marina, ny “ondry” sy ny “osy” ara-panoharana dia mampiseho ny olona avy amin’ny firenena rehetra izay mandray ny fanambarana ny amin’ilay Fanjakana. Tamin’izany, “ny firenena rehetra” ahitana “ondry” sy “osy” mifanelanelana, dia nangonina teo anoloan’ilay Mpanjaka izay nandray fiandrianana tamin’ny 1914, tamin’ny fahataperan’ny andron’ny Jentilisa. Raha ny amin’ny fanangonana voambara, dia nisy marika fiaingana niavaka napetraka tamin’ny 1935. Tamin’izany andro izany, ny Fikambanana Watch Tower, fiasana ampiasain’ny kilasin’ny “mpanompo”, dia nanana sampana 49 nampiasainy maneran-tany. Tamin’io taona io, ny sain’ny “mpanompo” dia notarihina indrindra ho amin’ireo ondry izay tokony hangonina eo ankavanan’i Jesosy Kristy, ilay Mpanjaka nandray fiandrianana, ho amin’ny fanantenana ny ho eto an-tany. Ireny olona avy amin’ny firenena rehetra ireny dia hakambana akaiky kokoa ihany amin’ny kilasin’ny “mpanompo”.

14. Araka ny fanazavan’ny Jaona 10:16, ahoana no nanjary niheverana ny “ondry”? Sampana firy no ampiasain’ny Fikambanana Watch Tower amin’izao fotoana izao mba hanampiana an’ireny “ondry” ireny?

14 Tsy nety intsony ny niantsoana ireny “marina” azo ampitahaina amin’ny “ondry” ireny amin’ny filazan-toetra amin’ny ankapobeny hoe “olon’ny fankasitrahana”. (Lioka 2:14, Fillion.) Tsy nety intsony ny niheverana azy ireo ho toy ny kilasin’olona tsy voalamina sy miely patrana any amin’ny firenena rehetra, azo lazaina hoe toy ny ondry very. Nampanantena tokoa Jesosy fa hakambany amin’ny sisa amin’ny kilasin’ny “mpanompo” ireo ‘ondriny hafa’, hany ka ny rehetra dia tsy hahaforona afa-tsy ‘andiany iray ihany’ intsony. (Jaona 10:16.) Ny fanangonana ireny “ondry hafa” ireny hatramin’izay dia mahaforona tapany vaovao miavaka amin’ny “famantarana” “ny fifaranan’ny fandehan-javatra”. Aoka homarihintsika aloha fa amin’izao fotoana izao ny Fikambanana Watch Tower dia mampiasa sampana 95 mba hanampiana ireny “ondry” ireny.

Ny valisoan’ireo izay mihevitra ny “famantarana”

15. Mba ‘handovana ny fanjakana’, inona avy moa no fepetra tsy maintsy fenoin’ny “ondry”?

15 Araka ny fanoharan’i Jesosy, ireo izay maniry ho fantatra fa “ondry” na “marina” mandritra “ny fifaranan’ny fandehan-javatra” dia tokony hahafeno fepetra sasany. Tsy maintsy ekeny ireo ‘rahalahy’ ara-panahin’i Kristy izay mahaforona “ny mpanompo mahatoky sy manan-tsaina”. Ilainy koa ny manao soa amin’ireo anisan’io kilasy io, ohatra, amin’ny fitsidihana azy rehefa any am-ponja tsy ara-drariny izy ireny. Amin’izany ihany ho hitahy azy ireny ny Ray any an-danitra ka handefa ho azy ireo izao fanasana izao Jesosy Kristy: “Mandovà ny fanjakana izay voavoatra ho anareo hatrizay nanorenana izao tontolo izao.” — Matio 25:34.

16. Amin’ny filazana amin’ny “ondry” hoe: “Mandovà ny fanjakana”, manasa azy ireny hiditra aiza ny Mpanjaka? Aorian’ny ady inona no hitranga izany?

16 Koa satria ireny “ondry” ireny tsy anisan’ireo “rahalahy” ara-panahin’ny Mpanjaka, io mpanjaka io dia tsy miantso azy ireny hiara-hanjaka aminy eo amin’ny seza fiandrianana any an-danitra mandritra ny vanim-potoana manokana arivo taona. Amin’ny teny hoe “mandovà ny fanjakana”, izy ireo kosa dia hampidiriny ao amin’ny fotoana miavak’ilay Fanjakana izay hisokatra rehefa ho avy nofoanany ny fanjakana ratsy rehetra eo amin’izao tontolo izao ankehitriny amin’ny “adin’ilay andro lehiben’Andriamanitra Tsitoha”, amin’ny Hara-Magedona (Apokalypsy 16:13-16). “Ondry” maro velona ankehitriny no tsy ho faty amin’io ady lehibe indrindra io mba hiditra ao amin’ny Arivo taona nefa tsy voatery hahita fahafatesana.

17. Inona no lazain’ny Mpanjaka amin’ny “ondry”? Ahoana no nahazoany zavatra hampandovaina azy ireo?

17 Jesosy mpanjaka dia miteny amin’ireo ‘ondriny’ toy ny ray iray hiteny amin’ireo zanany amin’ny fotoana hanomezana azy ireo ny lovany. Tamin’ny fanaovana sorona ny ain’olombelona tanteraka nananany ho an’ny taranak’olombelona amin’ny fitambarany, dia nafoin’ny tenany izay rehetra mety ho fanantenana ny hiaina ao amin’ny Paradisa an-tany (Lioka 23:39-43). Tamin’io lafiny io Jesosy, “Adama farany”, dia tsy sahala amin’i “Adama voalohany” izay, rehefa nanota, dia nanaisotra an’io Paradisa io ihany tsy ho azon’ny taranany. Rehefa tafatsangana tamin’ny maty àry Jesosy Kristy, “Ray mandrakizay” ho an’ny taranak’olombelona navotana, dia nanan-javatra hampandovaina an’ireo ‘ondriny’. (I Korintiana 15:45; Isaia 9:6, 7, MN.) Naorina tamin’i “Adama voalohan-dahy” ny fianakavian’olombelona tamin’ny fanantenana ny hahita ny Paradisa. Nefa, raha tokony haorina indray ilay paradisa very, dia amin’ny alalan’ilay Fanjakana nankinin’Andriamanitra tamin’ilay “Adama farany”, dia Jesosy Kristy.

18. Amin’ny heviny ahoana moa ny “fanjakana” no “voavoatra [ho an’ny ondry] hatrizay nanorenana izao tontolo izao”?

18 Tsy niteraka Adama sy Eva raha tsy rehefa voaroaka tsy ho ao amin’ilay paradisa voalohany. Ny zanany lahiaivo, Abela marina, dia novonoin’i Kaina lahimatoan’izy ireo, hany ka naka ny toerany i Seta, fahatelo. Tamin’ny nahaterahan’io taranaka io no naorina ny ‘izao tontolo izaon’ny’ olombelona. Talohan’izay anefa, rehefa noroahina tsy ho ao amin’ny paradisa ireo mpanorina an’io “izao tontolo izao” io, dia nomen’i Jehovah ny fampanantenana nampiseho famindrampo ny amin’ny “taranaka” iray izay handratra na hanorotoro ny lohan’ny menarana ara-panoharana, dia Satana. Araka ny fikasana noforoniny noho ny fahalalany ny ho avy, izany dia ho “taranaka” hanana fiandrianana, ka nanambara ny hisehoan’ny Fanjakana iray (Genesisy 3:15). Rehefa hosakanana tsy ho afaka hanimba intsony Satana, ilay “menarana ela”, sy ny taranany, dia hiditra ao amin’ny faritr’io Fanjakana io eto an-tany ny olombelona navotana, eo ambany fanapahan’ilay Taranaka mpandresy any an-danitra izay hanorotoro ny menarana sy ny taranany. Amin’izany fomba izany ny “fanjakana” lovan’ny “ondry” avy amin’i Jesosy Kristy, Rainy mandrakizay, no ampahafantarina ho faritry ny fiandrianana izay “voavoatra [ho azy ireo] hatrizay nanorenana izao tontolo izao”.

19. Inona no ho fanorenan’ny fandehan-javatra vaovao izay haorina eto an-tany aorian’ny Hara-Magedona?

19 Koa satria ny “osy” hofoanana na haringana amin’ny Hara-Magedona, ireo “ondry” ho tafita velona dia hahaforona fanorenana tsara dia tsara ho an’ny fandehan-javatra haorina aorian’ny Hara-Magedona izay hanova ny tany ho paradisa. Ny amin’izany, dia izao no teny nanampin’i Jesosy: “Ary ireo ho any amin’ny fahafoanana mandrakizay, fa ny marina ho any amin’ny fiainana mandrakizay.” — Matio 25:46.

20. Ahoana no azontsika analavirana ny fahadisoan-kevitra ny amin’ny hevitry ny lafiny maro amin’ilay “famantarana”?

20 Nanomboka tamin’ny 1914, taona nahataperan’ny andron’ny Jentilisa sy nanombohan’ny “fifaranan’ny fandehan-javatra”, ny “ondry” sy ny “osy” dia fantatra amin’ny fomba filazany ny hevitry ny “famantarana” ny ‘fanatrehan’i Jesosy’. Koa satria isika tsy azo lavina fa miaina amin’ny vanim-potoam-pitsarana, dia zava-dehibe indrindra ny hanontaniantsika tena hoe: Mampiseho inona ho antsika ny “famantarana”? Raha mitoky amin’ny fitsaran’ny tenantsika ihany isika, dia mety ho diso hevitra ny amin’ny lafiny maro isika. Koa ho tsara ny hametrahantsika amin’ny tenantsika izao fanontaniana mbola mety kokoa ihany izao: Araka ny hevitr’i Jesosy, fianarana inona no tokony hotsoahintsika avy amin’io “famantarana” misy zavatra maro loha io? Raha inoana ny faminanian’i Kristy, io “famantarana” io dia milaza fa hanjavona tsy ho ela ny fandehan-javatra ankehitriny ao amin’ny “fahoriana lehibe” iray handrava kokoa noho ny safodrano naneran-tany tamin’ny andron’i Noa. — Matio 24:21.

21. a) Na dia ao aza ny fahatsinjovana ny “fahoriana lehibe”, inona avy no antony tokony hifaliantsika? b) Inona no fahatsinjovan-javatra atolotra ny “ondry?

21 Manana antony tsara tokony hifaliana anefa ianao. Ny fisian’ny “famantarana” tokoa dia mampiseho koa fa hanomboka tsy ho ela ny fanjakana arivo taonan’i Kristy, aorian’ny fanafoanana ny fandehan-javatra eto an-tany tarihin’i Satana (Lioka 21:28). Izany dia mamoha ho anao ny fahatsinjovana mahatalanjona ny ho tafita velona amin’io “fahoriana lehibe” io noho ny fiarovan’Andriamanitra, mba hahitana fandehan-javatra vaovao hanjakan’ny rariny mandrakizay. Eny, atolotra anao ny fahafahana tsy ho faty mihitsy, hiaina mandrakizay ao amin’ny paradisa an-tany, eo ambany fitahiana sy fanapahan’i Jehovah eo amin’izao rehetra izao.

22. a) Raha mihevitra ny “famantarana” isika, inona no hataontsika tsy misy hataka andro? b) Amin’ny ahoana ny fahatanterahan’ny “famantarana” no ho nanamarina an’i Jesosy Kristy?

22 Na anankiray amin’ireo “rahalahy” ara-panahin’i Kristy isika na anankiray amin’ireo “marina” tondroina ho “ondry” ao amin’ilay fanoharana, dia tena fotoana tokony hiheverantsika ny “famantarana” izao. Mety indrindra ny hanaovantsika fiezahana lehibe mba hanatanterahana an’izao faminaniana izao izay tapany iray lehibe aminy: “Hotorina amin’ny tany onenana manontolo ity vaovao tsaran’ny fanjakana ity, ho vavolombelona amin’ny firenena rehetra”. Raha manao toy izany isika, dia tsy hisy na inona na inona hatahorantsika rehefa ho tonga ny “farany”. Ho safononoka kosa aza ny fifaliantsika amin’io andro io. Ho fantatry ny rehetra amin’izay fa Jesosy Kristy, ilay nilazalaza mialoha ny “famantarana” misy zavatra maro loha momba “ny fifaranan’ny fandehan-javatra”, dia mpaminany mendrika inoana. — Matio 24:3 ka hatramin’ny 25:46.

Anjaranao ny mamaly ...

◻ Amin’ny fotoana toy inona ny olona no tokony havahana toy ny ondry sy ny osy?

◻ Raha manao inona ianao no afaka mifaly noho ny fahatanterahan’ny fanoharana ny amin’ny ondry sy ny osy?

◻ Iza moa ireo ‘rahalahin’i Kristy’? Iza no mahaforona “ny mpanompo mahatoky sy manan-tsaina”?

◻ Mba ‘handovana ny fanjakana”, fepetra inona avy no tokony hofenoin’ny “ondry”?

◻ Inona no hataontsika tsy misy hataka andro raha heverintsika ny “famantarana” ny ‘fanatrehan’i Jesosy’?

[Teny notsongaina, pejy 23]

Aza mangataka andro amin’ny fiheverana ny “famantarana” ny ‘fanatrehan’i Kristy’. Mety hahatonga anao ho afaka ny hiaina mandrakizay ao amin’ny Paradisa izany.

[Sary, pejy 20]

Tahaka ny anavahan’ny mpiandry ny ondry amin’ny osy no anavahan’i Jesosy ny olona. Anankiray amin’ireo ‘ondriny’ ve ianao?

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2026)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2026 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara