Hara-Magedona hafa noho ireo hevitra voaray
Miandry anao eo amin’ny elanelan-tany vitsivitsy avy eo Haïfa ny tanjon’ny dia lavitra ataonao. Eo ambanin’ny masoandro mivaivain’i Moyen-Orient, dia mizotra ho any atsimo-atsinanana ianao eo ambony familian’ny fiarakodianao, manara-morona ny tany miolikolik’i Kisona hatrany amin’ny faritra maha tery ny lohasahany. Avy eo ianao dia miakatra ny hadilanana tery mampisaraka ny tendrombohitra mitomandavana mahafinaritr’i Karmela sy ny tendrombohitr’i Galilia. Tsitapitapitr’izay, dia miha malalaka ny lalan-kely ary mivelatra eo amin’ny toerana midadasika iray: ny tany lemak’i Esdrelona. Mbola mandeha any atsimon’io tany lemak’io ihany ianao raha mahatazana tendrombohitra iray toa lempona tsy toy ny fahita ny tampony. Tonga amin’izay ianao. Io tokoa ny tendrombohitra na havoana kelin’i Megido, izay nanome ny anarany hoe Hara-Magedona.
NY TENY hoe “Hara-magedona” dia voafonon’ny zava-miafina sy hevitra voaray maro. Nisy hevi-dravina maro be naroso mba hilazana izay tena heviny marina. Na ahoana na ahoana dia ekena fa io fiteny ara-baiboly io dia midika ara-bakiteny hoe “tendrombohitr’i Megido”a. Ahitana azy ao amin’ny Apokalypsy 16:16, izay anoratana hoe: “Ary nangoniny ho any amin’ny tany atao amin’ny teny hebreo hoe Hara-Magedona ireny.”
Fa iza anefa no angonina ao Hara-Magedona, ary ho amin’ny fiafarana inona? Ny Apokalypsy 16:14 no manome antsika ny valiny: Izany dia “ireo mpanjakan’ny tany onenana manontolo” izay milahatra “ho amin’ny adin’ilay andro lehiben’Andriamanitra Tsitoha”.
Izany dia miteraka fanontaniana maro be hafa. Hiady amin’iza ireo “mpanjaka” ireo? Nahoana? Aiza no hisy ny toeram-piadiana? Hiankina amin’ireo fitaovam-piadiany noklehera ve ireo firenena? Mety hisy fiokoana ve io ady io? Raha lazaina amin’ny teny indraim-bava, inona marina no atao hoe Hara-Magedona?
Toerana iray tena misy ve?
Tsy mety ho toerana lazaina ara-bakiteny Hara-magedona, satria tsy misy na dia tendrombohitra iray aza mitondra io anarana io. Havoana kely iray monja no mbola mampiseho famantarana ny toerana nisy an’i Megido fahizay. Kanefa, ny tena hevitry ny teny hoe Hara-Magedona dia mifamatotra ara-tantara amin’ireo ady niseho teny amin’ny manodidina io tanàna io.
Ny faritanin’i Megido tokoa dia toerana nalaza fisehoan’ireo ady maro anisan’ny nahery vaika indrindra sy fanapahan-javatra indrindra teo amin’ny tantaran’i Moyen-Orient. Nanomboka hatreo amin’ny arivo taona faharoa talohan’ny fanisan-taona iraisana, fotoana nitondran’ny farao Thoutmès III fandresena namirapiratra an’ireo hery ara-tafika palestiniana sy syriana, ka hatramin’ny 1918, fotoana nampiharan’ny andriana tompo-menakely Allenby, manamboninahitra ambony indrindra amin’ny tafika britanika, faharesena nahamay ny Tiorka tao.
Ny mbola zava-dehibe kokoa ihany aza eo imason’ireo izay mianatra ny Baiboly, dia i Megido no porofon’ny ady nandresen’ny Isiraelita, notarihin’i Baraka mpitsara, tamin’ny fomba namirapiratra ny tafika kananita maherin’i Jabina mpanjaka teo ambany fahefan’ny jeneraly Sisera. Tamin’izany fisehoan-javatra izany, dia ny tenan’i Jehovah mihitsy no nisalovana mba hanome fandresena manakoako ny Isiraely. — Mpitsara 4:7, 12-16, 23; 5:19-21.
Hatramin’izay, ny teny hoe Hara-Magedona dia manomboka mampahatsiahy ao an-tsaintsika ny hevitra ny amin’ny ady fanapahan-javatra iray miafara amin’ny fandresena sy azo lavina.
Ady iraisam-pirenena ve?
Ny adi-hevitra miandoha avy amin’ny adin’i Hara-magedona dia efa miseho ao anatin’ny filazam-baovao rehetra. Ironan’ny sain’izao tontolo izao tokoa izy io. Kanefa, na dia miady ny fahefana tampony eo amin’izao rehetra izao aza ankehitriny ny herim-panjakana roa lehibe indrindra mpifandrafy, dia tsy ho ady lehibe hampifanohitra ireo antoko ireo akory Hara-Magedona. Marina aloha fa nirotsaka ho amin’ny fifaninanana fitaovam-piadiana be vidy indrindra sy tsy voafehy indrindra teo amin’ny tantarany izao tontolo izao, ka izany dia nahatonga mpanoratra iray ny gazety India Today hanao izao fanamarihana izao: “Izany rehetra izany dia hitarika amin-kalozana ny planetantsika ho amin’i Hara-Magedona, — ny ady lehibe indrindra hifanaovan’ireo firenena.” Kanefa, ny Apokalypsy 16:14 dia mampiseho fa ho eo amin’ny toby iray ihany “ireo mpanjakan’ny tany onenana manontolo mandritra “ny adin’ilay andro lehiben’Andriamanitra Tsitoha”.
Araka izay hita rehetra teo aloha, dia miharihary fa tsy ady araka ny nofo akory “Hara-Magedona”. Adin’Andriamanitra kosa izy io. Ao Hara-magedona, ny firenena rehetra dia hampiseho manda tehezana iray tafaray hifanandrina amin’ireo ‘tafiky ny lanitra’ tarihin’i Jesosy Kristy, “Mpanjakan’ny mpanjaka sy Tompon’ny tompo”. Raha ny marina, dia ity farany irery ihany no mahazo alalana hitondra izao tontolo izao, satria Andriamanitra “dia nampanaiky ny zavatra rehetra ho eo ambanin’ny tongony”. — Apokalypsy 19:14, 16; Efesiana 1:22.
Fandringanana noklehera ve?
Olona maro be no mihevitra ny fahatsinjovana ady noklehera faran’izay maharaiki-tahotra loatra raha dinihina. Tamin’ny 1983, ny fianarana iray niarahan’ny mpanao siansa 40 nanao dia nampiseho fa ny ady noklehera iray atao amin’ny ankapobeny dia handripaka indray miaraka ny ampahatelo na ny antsasaky ny mponina eo amin’izao tontolo izao. Tsy izany ihany fa, raha inoana ny tatitra navoaka tamin’io fianarana io tao amin’ny gazety Science (anglisy), dia tsy ho faniry velively ny anjaran’ireo ho tafita velona. Toy izao no novakina tao: “Ny ady noklehera mitatra rehetra ifanaovan’ireo herim-panjakana lehibe dia hiteraka marina tokoa eo amin’ny sehatry ny planeta fiovam-piainana faran’izay lalina hitarika ny fahaverezan’ny ampahany lehibe amin’ny karazan-java-maniry sy biby. Ao anatin’izany hevi-dravina izany, ny fanombatombanana ny fahafoanan’ny Homosapiens dia tsy tokony hesorina.”
Moa ve Jehovah, ilay Andriamanitra Tsitoha hamela ny loza aman’antambo toy izany hiseho? Tsy izany velively. Araka ny nolazain’ny tenany mihitsy, dia “tsy ho tany tsy misy endrika tsy akory no namoronany azy”. “Nataony honenana” izy io. (Isaia 45:18.) Lavitra ny hamela ny planetantsika ho main’ny afon’ny ataoma, ao Hara-Magedona Andriamanitra dia ‘hanimba izay manimba ny tany’. — Apokalypsy 11:18.
Ady maharitra ifanaovan’ny tsara sy ny ratsy ve?
Misy mpitondra fivavahana sasany mihevitra an’i Hara-Magedona ho ady maharitra ifanaovan’ireo herin’ny tsara sy ny ratsy. Miseho isan’andro any ho any eo amin’izao tontolo izao “Hara-Magedona” hoy ny fanantitranteran’ny mpivaofy tenin’ny Baiboly anankiray. Kanefa ahoana no hetezan’izany raha mampanantena ny Baiboly fa “Hara-Magedona” dia hahatonga loza tampoka eo amin’ny firenena sy ny olona ratsy fanahy rehetra? Ao amin’ny saha fiadian’i Hara-Magedona, Jesosy Kristy, ilay Mpanjaka voahosotr’Andriamanitra, dia ‘hanorotoro azy ireny amin’ny tehim-by sy hanamontsamontsana azy toy ny famaky vilany tany’. — Salamo 2:9; jereo koa Ohabolana 2:21, 22; Apokalypsy 19:11-21.
Firodanana ara-toe-karena ve?
Ireo fitondram-panjakana matanjaka indrindra amin’izao fandehan-javatra ankehitriny izao dia manahy fa ny fitsaharan’ny fandrotsaham-bola avy any amin’ireo tany amin’izao tontolo izao fahatelo dia hahatonga fianjeran’ny toe-draharaha iraisam-pirenena ao amin’izay nantsoin’ny gazety Business Life hoe “Hara-Magedona ara-toe-karena”. Ny firodanan’ny fikambanana ara-toe-karem-panjakana eo amin’ny sehatry ny planeta dia tsy misy isalasalana fa hisy vokany mahatsiravina, kanefa tsy izany akory no Hara-Magedona. Ny “Hara-Magedona” lazain’ny Baiboly tokoa dia tarehin-javatra maneran-tany milaza ady fa tsy fahasahiranana ara-toe-karena. Ankoatr’izany, ny mpaminany Jeremia dia manome izao filazalazana fampahatsiahivana izao: “Fa Jehovah manana ady amin’ny firenena; mifandahatra amin’ny nofo rehetra Izy, ka ny ratsy fanahy dia atolony ho an’ny sabatra.” — Jeremia 25:31.
Ady ao Moyen-Orient ve?
“Na ho ela na ho haingana, dia hipoaka ao Moyen-Orient ny fikorontanana lehibe indrindra”, hoy ny fanizingizin’i Billy Graham, mpitoriteny anankiray malaza hatraiza hatraiza. Ny amin’izany hevitra izany, ny fiheverany dia mifanaraka amin’ny an’ny ankamaroan’ireo namany. Ambonin’izany, Graham dia mino fa azo atao ny mampihemotra an’i Hara-Magedona. “Heveriko fa eo an-dalana sahady ho amin’i Hara-Magedona izao tontolo izao, hoy ny filazany, ka raha tsy misy fifohazana ara-panahy sy fitodihana amin’Andriamanitra dia hiantraika ao izy ato anatin’ny folo taona.”
Kanefa ny faritanin’i Megido dia lavitra ny halalaka mba hahalany ‘ny mpanjaka rehetra amin’ny tany sy ny miaramilany’. (Apokalypsy 19:19.) Moa ve tsy ampy izany hanilihana ny fampianarana fototra ilazana fa Hara-Magedona dia ho ady maneran-tany nohakelezina, voafaritra ao amin’ny tany lemak’i Megido? Na ahoana na ahoana, ny mpaminany Jeremia dia mampahafantatra antsika fa “Hara-Magedona” dia hitatra hatrany “amin’ny faran’ny tany”, ary izay ho voavono ao dia “hiampatrampatra hatramin’ny faran’ny tany anankiray ka hatramin’ny farany koa”. — Jeremia 25:32, 33.
Fanampin’izany, rehefa heverina fa Hara-Magedona dia “ny adin’ilay andro lehiben’Andriamanitra Tsitoha”, dia tsy misy mihitsy olona hahay hilaza ny fiaviany. Tsy misy azon’ny olombelona atao mba hanemorana amin’izany ny fahatongavany. Efa ‘nametra fotoan’andro’ ho an’ny fiandohan’io ady io Jehovah. “Tsy ho diso izy.” — Apokalypsy 16:14; 11:18; Habakoka 2:3.
Antony ananana fanantenana
Tsy manana antony na dia iray monja aza tokony hatahorana an’i Hara-Magedona ny olona tia ny fahamarinana. Mety hahaforona antony ananana fanantenana mihitsy aza io ady io ho azy ireny. Izao tokoa no ambaran’ny Baiboly: “Ary nahita ny lanitra voasokatra aho, ka, indro, nisy soavaly fotsy; ary Izay mitaingina azy dia atao hoe Mahatoky sy Marina, ary amin’ny fahamarinana no itsarany sy iadiany.” (Apokalypsy 19:11). Marina tokoa, fa ny adin’i Hara-Magedona dia hanadio ny tany amin’ny faharatsiana rehetra sy hanokatra ny lalana ho amin’ny fanorenana indray ny rariny. — Isaia 11:4, 5.
Efa hatramin’ny taonjato iray mahery izay, ny feon’ny Vavolombelon’i Jehovah dia re mba hanambara ny fandresena hoentin’Andriamanitra eo amin’ireo mpitondra ratsy fanahy sy mpampahory eo amin’izao fandehan-javatra ankehitriny izao. Hatramin’ny 1925 sahady, tamin’ny fomba manokana be lavitra, ny Vavolombelona dia nahatakatra tsara izay atao hoe adin’i Hara-Magedona, ary tapa-kevitra mandrakariva izy ireny hampandre izany amin’ireo namany. Maniry ny hanampy ny mpiarabelona aminy izy ireny mba ho tonga anisan’izay ho tafita velona ao Hara-Magedona fa tsy izay haringany. Izany no antony italahoany izay rehetra maniry tsara hihaino azy hanisy fiheverana ity faminaniana ity misy ifandraisana amin’ny andron’i Jehovah, “lehibe sady mahatahotra”: “Ary na zovy na zovy no hiantso ny anaran’i Jehovah, dia hovonjena.” — Joela 2:31, 32.
Kanefa, tsy isalasalana fa misy sasany hametraka fanontaniana karazan’izao: Na dia ady hita hatraiza hatraiza aza “Hara-Magedona”, moa ve izy io hanomboka ao Moyen-Orientỳ Ahoana no amelan’ny Andriamanitra fitiavana iray ny ady toy izany hitranga? Hiafara amin’ny tena fiadanana ve Hara-Magedona? Raha maniry hahafantatra izany ianao, dia aza diso ny nomeraon’Ny Tilikambo Fiambenana telo hanaraka.
[Fanamarihana ambany pejy]
a Ireo mpianatra fiteny hebreo, Kittel, McClintock sy strong dia manana fisalasalana amin’ny hevitry ny anarana hoe “Megido”. Na dia izany aza, dia omen’izy ireo ho hevitra azo atao ho an’io teny io ny hoe “famoriana” na “toeran’ny andiany”.
[Efajoro, pejy 6]
Hara-Magedona — Inona izany?
IZANY AKORY TSY...
◆ toerana iray tena misy
◆ ady iraisam-pirenena
◆ fandringanana noklehera
◆ ady ifanaovan’ny tsara sy ny ratsy
◆ firodanana ara-toe-karena
◆ ady ao Moyen-Orient
FA...
◆ tarehin-javatra maneran-tany hanoheran’ny firenena rehetra amin’ny tany an’i Jesosy Kristy, Zanak’Andriamanitra, sy ny tafik’anjeliny amin’ny “adin’ilay andro lehiben’Andriamanitra Tsitoha”.
[Sary, pejy 7]
Ao Hara-Magedona, Jesosy Kristy, ilay Mpanjaka voatendrin’Andriamanitra, dia ‘hanorotoro ny firenena rehetra amin’ny tehimby ary hanamontsamontsana azy toy ny famaky vilany tany’. — Salamo 2:9.