Hara-Magedona Nahoana no resahin’ny olona maro ny amin’izany
“HARA-MAGEDONA” — Inona no hevitr’io anarana notsoahina avy tamin’ny Soratra masina io? Amin’ny janoary sy febroary 1985, Ny Tilikambo Fiambenana dia manokana ireo pejiny voalohany ho an’ny fitohitohizan-dahatsoratra mivaofy io foto-kevitra io. Antenainay fa hahita fampaherezana ianao amin’ireo fanazavana ara-baiboly aseho ao anatiny.
“Niankina tamin’ireo mpaminaninareo ao amin’ny Testamenta Taloha sy tamin’ireo famantarana mpanambara an’i Hara-Magedona aho, ka tonga manontany tena raha tsy isika no ilay taranaka hahita ny fahatanterahan’izany rehetra izany.” — Ronald Reagan, prezidan’i Etazonia, tamin’ny 18 oktobra 1983.
“Tsy azo heverina ho toy ny fanoharana ara-baiboly tsotsotra fotsiny intsony ny Apokalypsy. Manjary mety hitranga tanteraka izy. Tsy mbola nisy mihitsy fotoana teo aloha nilantsika hisafidy amin’ny fomba maika dia maika toy izao eo anoloan’ny loza aman’antambo na ny fahatafitana velona.” — Javier Perez de Cuellar, sekretera jeneralin’ny Firenena mikambana, tamin’ny 8 jona 1982.
ANY amin’ny tany maro eo amin’izao tontolo izao, ny teny hoe “Hara-Magedona” dia toa manjary fomba fiteny. Raha ny marina, io fiteny mandrahona mafy io dia miha-miverimberina matetika kokoa hatrany ihany eo am-bavan’ireo mpitondra fiangonana, ireo lehilahy ara-politika, ireo mpitondra fanjakana, ireo miaramila, ireo mpanao siansa ary mpandinika ny toe-karena koa aza. Izy io fara fahakeliny, dia anisan’ireo lohatenin’ny boky 15 navoakan’ireo trano famoaham-boky amerikana tamin’ny 1983. Natao foto-kevitry ny boky maro hafa koa izy, ka ny sasantsasany tamin’izany dia an’arivo tapitrisany maro no indray namidy.
Mety ho toa hafahafa ihany raha nahazo ny lazany toy izany teo amin’ny vahoaka io teny io amin’izao fotoana misy antsika izao. Araka ireo antontan-taratasy fanamarinana misy eto aminay amin’izao andro anio izao tokoa, dia toa ny Baiboly no voalohany nampiasa azy io (izany aza dia nataony indray mandeha monja, ao amin’ny Apokalypsy 16:16). Kanefa, tsy nahatafavoaka izany irery ny klerjy. Araka ny fivoarana miandalana mitovitovy fiasa amin’ny an’ny tenintsika hoe Apokalypsy, tany am-piandohan’ny taonjato faha 18 (XVIII) io fiteny io dia efa nampiasain’izao tontolo izao miteny anglisy sahady amin’ny heviny tsy ara-pivavahana. Na dia izany aza dia efa tany amin’ny fiandohan’ny taonjato faha 19 (XIX) izy vao tonga nitovy hevitra tamin’ny hoe “fandringanana” na “ady farany”, amin’ny teny anglisy.
Nanomboka hatreo, ny teny hoe Hara-magedona dia tafiditra teo amin’ny voambolan’ny karazan’olona samihafa, ny tsirairay avy samy nanome azy heviny samy hafa. Araka izany, tamin’ny 1912, Roosevelt, prezidan’i Etazonia, dia nanome azy heviny ara-politika. Nandritra ny fampielezan-kevitra nataony mba ho voafidy indray ao amin’ny fitondrana an’i Etazonia, dia izao no nambarany: “Eo an-katok’i Hara-Magedona isika ary miady ho an’ny Tompo, amin’ny fo feno fahatanjahana sy ny maso matsilo.” Ka izany dia, aoka holazaina ihany koa, tsy nahasakana azy tsy hamoy ny fifidianana.
Amin’izao androntsika izao, dia tsy inona fa ny tahotra manodidina no mitarika olona maro hiresaka an’i Hara-Magedona. Tahotra ny fifamelezana noklehera amin’ny ankapobeny, ary ny “fangirifiriana” haharitra haterany, ny ady lehibe iray any Moyen-Orient na ny firodanan’ny rafitra ara-toe-karenan’izao tontolo izao tampoka. Koa tsy mahagaga àry raha tononina eny rehetra eny ny teny hoe Hara-magedona, sady mipoitra any amin’ireo faritra tsy ampoizina indrindra. Porofon’izany ireto ohatra anankiroa ireto:
◆ “Hara-Magedona ao Kichijoji.” Izany no lohatenin’ny sarimihetsika japone iray mirefy 2500 m. Sary nomen’aina izy io izay nahitana olona mampiseho ny tsara sy ny ratsy nanaram-po tamin’ny ady iray tsy nisy indrafo.
◆ “Famantarana vaovao an’i Hara-Magedona” ho an’ny olona minomino foana. Toy izany no nilazalazan’ny Frankfurter Neue Presse dieny mialoha ny fisehoan’ny kintana manan-drambon’i Halley indray, ampoizina hitranga amin’ny 1986.
Kanefa, tsy misy na dia iray aza amin’ireo fampiasana ny teny hoe Hara-Magedona ireo mifanaraka amin’ny tena heviny marina. Misy feo hafa re anefa ankehitriny mba hanambara an’i Hara-Magedona. Manjary miha mafimafy kokoa hatrany ihany tokoa izy io, satria olona maherin’ny roa tapitrisa sy sasany no manohana azy. Efa renao ve izy izany? Raha mihevitra azy io ianao, dia ho hitanao izay tena atao hoe Hara-Magedona, hafa noho ireo hevitra voaray.