Fanompoana mandaitra mba hanaovana mpianatra misimisy kokoa
“Izy no nanome ny sasany ho (...) evanjelista, ary ny sasany ho mpiandry sy mpampianatra, ho fanatanterahana ny olona masina, ho amin’ny asan’ny fanompoana”. — EFESIANA 4:11, 12.
1. Nanao ahoana ny fihetseham-pon’i Jesosy teo anoloan’ny olona?
TSY mpitoka-monina akory Jesosy Kristy. Nitodika tanteraka tany amin’ny olona ny fanompoany, araka ny porofoin’ny fitantarana ao amin’ny Filazantsara efatra izay saika mampiseho an’i Jesosy amintsika foana mihevitra ny olombelona. Tamin’ny dia nataony, dia tsapany ny tena toe-piainan’izy ireo ary nahatsapa fangoraham-po lalina azy ireo izy. Raha minisitra kristiana ianao, moa ve ianao mangoraka ny olona hitanao? — Matio 9:35, 36.
2. Ahoana no anahafan’ny Vavolombelon’i Jehovah an’i Jesosy?
2 Amin’izao andro izao koa dia mahakasika ny olona ny fanompoana kristiana. Noho ny fahatsapana izany, eo amin’ny fanatanterahana ny asany ho an’Andriamanitra, dia manatona ny olona amim-pahaiza-mandanjalanja ny Vavolombelon’i Jehovah. Hatraiza hatraiza maneran-tany, dia azo atao ny mahita azy ireny eo am-piresahana amin’ny mpiara-belona aminy eny amin’ny arabe, eny am-baravaran’ny trano, any amin’ireo foibe ara-barotra be mpandalo, eny am-piandrasana aotobisy na “métro”, any amin’ireo gara, ozinina, birao sy faritany fanaovan-draharaha. Na aiza na aiza mety hahitana olona, dia ao ny Vavolombelona ary manao ny asan’ny evanjelista. Fa nahoana? Satria ny teny hoe “evanjily” dia avy amin’ny teny grika hoe éuaggélion izay ny dikany dia hoe “vaovao tsara”. Toy ny nataon’i Kristy, ny vavolombelona kristian’i Jehovah tsirairay avy dia tokony ho minisitry ny vaovao tsara”, ho mpitory ny filazantsara. Noho izany, dia tokony hihevitra ny olombelona koa izy ireny. — II Timoty 4:5; Efesiana 4:11, 12.
3. Inona no fanao mandaitra indrindra mba hanaovana ny fanompoana kristiana?
3 Fa amin’ny fomba ahoana no hanaovana an’io asa fitoriana ny filazantsara io mba hahatonga azy hisy vokany? Amin’ny alalan’ny radiao sy ny televiziona ve, toy ny ataon’ny fivavahana maro? Araka ny hevitrao, moa ve ny radiao na ny televiziona afaka manome anao miaraka amin’izay ny valin’ny fanontaniana apetrakao amin’ny tenanao? Mazava ho azy fa tsy izany. Amin’ny heviny iray, izany dia fomba fampitana hevitra tsy mikendry olona iray. Ny fanompoana mandaitra indrindra àry amin’izao andro izao dia mbola ilay nataon’i Jesosy sy ny mpianany ihany izay nahatonga azy ireo ho afaka hanana fifampikasohana mivantana amin’izay rehetra nitady ny fahamarinana. Mazava ho azy fa mitaky fotoana sy fiezahana izany, araka ny asehon’i Paoly amin’izao fanazavana tsotra dia tsotra izao: “Izaho namboly, Apolosy nandena, fa Andriamanitra no nampitombo. Ka dia tsinontsinona izay mamboly, na izay mandena, fa Andriamanitra Izay mampitombo no izy.” — I Korintiana 3:5-7.
4. Inona moa ireo karazana asa telo amin’ny fanompoana misy vokany?
4 Ireo teny ireo dia mahatonga ho afaka hahafantatra fa ny fanompoana kristiana dia misy lafin’asa telo natao hambolena, hikolokoloana sy hijinjana. Amin’ny fomba ahoana? Ilaina aloha ny hanombohana hanatsatoka, ka izany dia mifanitsy amin’ny fandraisan’ny olona iray voalohany ny vaovao tsaran’ny Fanjakana. Rehefa avy eo dia ilaina ny mamboly, izany hoe mikolokolo na manondraka izay natsatoka. Amin’ny fomba ahoana no hanaovana izany? Amin’ny alalan’ny resaka hafa izay hahatonga ho afaka hamaly ireo fanontanian’ilay olona sy hanilika ny fisalasalany. Matetika tokoa izany no miafara amin’ny fianarana tsy tapaka ny Baiboly ka amin’izany ny fahamarinana ao amin’ny Baiboly dia hamaka lalina ao an-tsaina sy ao am-pon’ilay olona. Amin’izany no isian’ny fitomboana noho ny fitahian’Andriamanitra. Amin’ny farany izany dia hiteraka mpianatr’i Jesosy Kristy vaovao marisika, minisitra vaovao. Fa ahoana no mety hahitantsika rehetra izay minisitra izany fahasambarana izany, izany fitahiana izany, dia: ny ‘fijinjana’ mpianatra?
5. Inona no hanampy antsika ho minisitra mahavokatra?
5 Araka ny nasehon’ny lahatsoratra teo aloha, Jesosy dia nanome ho an’ny mpianany toromarika azo ampiharina momba ny fomba hanatanterahana ny fanompoan’izy ireo. Fa raha ny amin’i Paoly, dia noresahiny ny amin’ny ‘fanaony ao amin’i Kristy’. (I Korintiana 4:17.) Ny fitohitohizana kongregasiona tany Azia Minora sy tany Grisia izay nandraisany anjara ny famoronana azy, dia porofo miteny ho azy ny amin’ny fahombiazany. Efa nijery sasantsasany tamin’ireo fanaony (sy ny an’i Jesosy) isika, nefa moa ve tsy misy hafa ho azontsika ampiasaina amin’ny fomba mandaitra amin’izao andro izao?
Ny fanorenana sy ny hafatra
6. Tokony hiorina amin’inona ny fanompoantsika?
6 Tokony hiorina amin’inona ny hafatra kristiana? Amin’ny fahendrena sy ny filozofian’olombelona ve? Mamaly mazava dia mazava toy izao ao amin’ny taratasiny ho an’i Timoty i Paoly: “Fa hianao kosa dia mahareta amin’izay zavatra nianaranao sy nampinoana anao, satria (...) hatry ny fony vao zaza hianao dia efa nahalala ny Soratra Masina, izay mampahahendry anao ho amin’ny famonjena amin’ny finoana izay ao amin’i Kristy Jesosy. Izay soratra rehetra nomen’ny tsindrimandrin’Andriamanitra dia mahasoa koa ho fampianarana”. Mazava àry fa ny Baiboly Tenin’Andriamanitra dia tokony ho vato fanorenan’ny fanompoantsika. — II Timoty 3:14-17.
7, 8. Inona no ohatra navelan’i Jesosy sy Paoly ho antsika raha ny amin’ny fampiasana ny Soratra masina?
7 Ohatra faka tahaka i Jesosy amin’io lafiny io: naka teny avy ao amin’ny Soratra masina foana izy. Nanao toy izany koa i Paoly. Ohatra, moa ve izy nampianatra ny filozofia grika tany Tesalonika? Tsia, satria izao no vakintsika: “Ary Paoly dia niditra tao araka ny fanaony; ary Sabata telo no niadiany hevitra avy amin’ny Soratra Masina tamin’ny olona tao. Dia nanambara izy ka naneho marimarina [ka nanazava sy nanaporofo tamin’ny alalan’ny teny nalaina, MN] fa tsy maintsy nijaly sy nitsangana tamin’ny maty Kristy.” — Asan’ny apostoly 17:1-3.
8 Inona no naterak’izany? “Ny sasany tamin’ireo dia nino.” Mifanaraka amin’ny fomba nampiasain’i Paoly, ny fitoriantsika àry dia tokony hiorina amin’ny Tenin’Andriamanitra. Noho izany antony izany no anipazana hevitra amintsika mba hampiasa foto-kevitra araka ny Baiboly toy izao na izao eo amin’ny resaka ataontsika amin’ny fanompoana. Amin’izany fomba izany, ny fahamarinana ao amin’ny Tenin’Andriamanitra dia mety hahatohina ny fon’ireo izay mahatsapa fa mila ny zavatra ara-panahy. — Asa. 17:4.
9, 10. a) Inona no tokony ho foto-kevitry ny fitoriantsika? b) Manomeza ohatra notsoahina avy amin’ny fanompoan’i Paoly?
9 Misy fanontaniana hafa iray koa anefa ity: Inona no hafatra tokony hotorintsika? Inona no foto-kevitry ny fanompoan’i Kristy? Fantatr’i Jesosy tanteraka ny asa nanirahana azy, satria hoy izy: “Tsy maintsy mitory ny teny soa mahafaly ny [vaovao tsara, MN] ny amin’ny fanjakan’Andriamanitra any amin’ny tanàna hafa koa Aho, satria izany no nanirahana Ahy.” Ary koa, ny amin’ireo andro faran’ny fandehan-javatra ankehitriny, dia izao no nambarany: “Ary hotorina amin’izao tontolo izao ity filazantsaran’ny [vaovao tsaran’ny, MN] fanjakana ity ho vavolombelona amin’ny firenena rehetra, dia vao ho tonga ny farany.” — Lioka 4:43; Matio 24:14.
10 Nosoritan’i Paoly io foto-kevitra io ihany koa tamin’ny fitoriany. Ohatra, raha niteny tamin’ny Jiosy tafavory tao amin’ny synagoga iray izy dia “niteny tamin’ny fahasahiana, dia niady hevitra telo volana ka nampanaiky ny amin’ny fanjakan’Andriamanitra”. Ny “fanjakan’Andriamanitra” àry no tokony ho foto-kevitry ny fanompoana kristiana. — Asa. 19:8; 28:23, 31.
Mamely ve ianao sa misintona?
11. Ahoana matetika tokoa no fandraisan’ny olona ny Vavolombelona iray, ary ahoana no azontsika itondrana fanafodin’izany tarehin-javatra izany (Asa 17:17, 18)?
11 Amin’izao androntsika izao toy ny tamin’ny taonjato voalohany, dia misaratsaraka ny olona noho ny fivavahany, ny firazanany sy ny fireneny (Asa. 2:7-11). Manana fitompoan-teny fantatra ara-pivavahana ny ankamaroan’ny olona. Rehefa miteny amin’izy ireo ny Vavolombelon’i Jehovah iray, dia matetika tokoa izy ireny no mahatsiaro tena fa asiana ka avy hatrany dia manomboka miaro tena. Inona no azontsika atao ho fanafodin’izany tarehin-javatra izany? Amin’ny fanehoana fahamoram-panahy sy fahaiza-mandanjalanja ary fahaiza-mampifanara-javatra.
12, 13. Ahoana no nitenenan’i Paoly tamin’ireo Ateniana mpanompo sampy? Ahoana no fandraisan’ireo izany?
12 Jereo ny fomba nidiran’i Paoly tamin’izany karazan-tarehin-javatra izany tany Atena, toerana avo fanaovana fanompoan-tsampy. Rehefa hitany ireo sampy maro dia maro tao amin’io tanàna io, dia sosotra izy aloha. Nefa, tao amin’ny Areopago, rehefa nitsangana mba hiteny izy, avy hatrany ve dia nokianiny ny fanompoam-pivavahan’ny Ateniana feno fanompoan-tsampy? Toy izao no nanombohany: “Ry lehilahy Ateniana, hitako fa amin’ny zavatra rehetra dia fatra-pivavaka amin’ny andriamanitrareo indrindra hianareo. Fa raha nandeha aho ka nandinika izay zavatra ivavahanareo, dia nahita alitara anankiray misy izao soratra izao: Ho an’izay Andriamanitra tsy fantatra. Koa izay ivavahanareo, kanefa tsy fantatrareo, dia izany no toriko aminareo”. — Asa. 17:16-23.
13 Moa ve i Paoly nampiala ny mpihaino azy tamin’ireo teny fampidiran-dresaka ireo? Tsy izany velively. Niteny tamin’izy ireny tamim-pahaiza-mandanjalanja izy, ka nanalavitra izay rehetra nety ho fihetsika jadona. Tsy nanameloka azy ireny izy na dia zava-poana araka ny fiheveran’Andriamanitra aza ny fanompoam-pivavahany. Teo izy mba hitory ny hafatra momba ilay Fanjakana fa tsy hamely an’ireny olona ireny. Tsapany ny fihetseham-pon’izy ireo lalina ara-pivavahana, ka nampiasainy izany mba ho fototry ny hamelabelarana ny foto-kevitry ny fitoriany: ilay Andriamanitra marina sy ny solontenany, Jesosy Kristy tafatsangana tamin’ny maty. Inona no vokatr’izany fanatonana feno fahaiza-mandanjalanja izany? Raha marina fa naniratsira ny sasany, “ny sasany kosa nanao hoe: Mbola hihaino anao indray izahay ny amin’izany zavatra izany.” Fanasana hanao fiverenana mitsidika izany! — Asa. 17:22-32.
14. Ahoana no azontsika anahafana an’i Paoly eo amin’ny fanompoantsika?
14 Ahoana no azontsika anarahana izany fomba izany amin’izao andro izao? Voalohany indrindra, dia tokony ho mailaka isika ny hanamarika izay rehetra mety ho marika amantarana ny toetoetr’ilay olona iresahantsika amin’ny ara-pivavahana: ohatra, zavatra ara-pivavahana iray eny aminy na mihantona eo am-baravarana na ao an-dalantsara. Amin’izany, sahala amin’i Paoly, no matetika tokoa mety hahazoantsika an-tsaina ny amin’ny zavatra inoan’ilay olona ara-pivavahana, ka izany dia hanampy antsika hifidy fampidiran-dresaka mampiseho fisakaizana izay hanaitra ny fahalianany nefa tsy hiteraka fiadian-kevitra. Aoka tsy hohadinointsika fa matoa mitsidika ny olona isika, dia mba hiresahana voalohany indrindra aminy ny amin’ny Fanjakan’Andriamanitra fa tsy hiditra avy hatrany amin’ny adihevitra momba ny foto-pampianarana. Irintsika ny hahazo an’ilay olona fa tsy handresy azy. — Jereo II Timoty 2:23-26.
15. Inona no fantatsika koa amin’ny fanompoan’i Jesosy (Lioka 10:38-42)?
15 Inona koa no azontsika ianarana amin’ny ohatra nomen’i Kristy? Rehefa mijery ny fanompoany isika, dia voatery miaiky fa sady niaiky ny fahamarinan’ny heviny i Jesosy no tsotra. Tsy sakodiavatra izy na toy inona na toy inona tarehin-javatra, fa niresaka ny amin’ny Fanjakan’Andriamanitra tamin’ny fotoana rehetra na mety na tsia. Azony natao ny nitory tamim-pifankazarana tao amin’ny tokantrano iray na nitsangana teo anatrehan’ny vahoaka be sy nanao lahateny tsy nisy fitadidiana an-tsoratra na Baiboly, na fanamafisam-peo. Nampiseho hafanana tamin’ny olona izy, hany ka tsy nahatsiaro ho sakodiavatra ny sarababembahoaka raha nanatona azy. Niresaka tamin’izy ireo araka ny fomba fiteniny izy, dia izay mahakasika ny saha, ny vokatra, ny fanaratoana sy ny harato. Na dia lalina tokoa aza ireny fanoharana ireny, dia azon’izy ireo. Maneho toetra toy izany ve isika eo amin’ny fanompoana? — Matio 4:18-25; 13:1-33; Lioka 5:1-3.
Ny fomba hanohinana ny fon’ny olona
16. Nahoana moa isika no tokony ho mpampianatra mahay?
16 Amin’ny ankapobeny dia ilaina ny fotoana sy ny fianarana lalina ny Baiboly mba hampiaiky ny olona iray ny amin’ny hafatra momba ny Fanjakan’Andriamanitra. Noho izany antony izany no anolorantsika an’izay rehetra maniry handinika ireo fampanantenana nomen’Andriamanitra tamin’ny alalan’i Kristy, fianarana tsy tapaka ny Baiboly ao an-tokantranony maimaimpoana sy tsy misy mahavoatery azy. Ny fianarana toy izany, ao anatin’ny vanim-potoana sasany, dia mahatonga ho afaka hijery foto-kevitra sy fanontaniana be dia be. Milaza àry izany fa tokony ho mpampianatra mahay isika. Fa ahoana marina tokoa moa izany hoe mampianatra? — I Timoty 4:16.
17. Inona moa no anankiray amin’ireo fomba nampiasain’i Jesosy mba hanohinana ny fon’ny olona?
17 Eo amin’i Jesosy ihany indray koa no hahazoantsika ny valiny. Ahoana no fomba nampianarany? Vakio ireo andininy manaraka ka jereo ny fomba tsotra dia tsotra nampiasainy mba hampianarana: Lioka 6:9, 32-34, 39-42. Inona izany? Nametraka fanontaniana nahatonga hieritreritra izy. Noho ny fikendrena inona? Mba hanampiana an’ireo mpihaino azy hanjohy hevitra sy handini-tena amin’ny fahazavan’ny fampianarany. Noho izany fanontaniana izany, dia nanohina ny fon’izy ireo tamim-pahaiza-mandanjalanja izy. Anjaran’izy ireo rehefa avy eo ny mampiseho raha iriny amim-pahatsorana ny ho tonga mpianany na raha nihaino azy noho ny antony manosika tsy dia lalina izy ireo. — Matio 13:10-17; Marka 8:34-38.
18. a) Nahoana moa ny Vavolombelon’i Jehovah no mampiasa matetika ireo fanontaniana ao amin’ny boky fianarany ny Baiboly? b) Inona moa no fomba tsy tokony hampiasaina loatra mba hampianarana olona?
18 Saika ao amin’ny boky fianarana ny Baiboly rehetra ampiasain’ny Vavolombelon’i Jehovah, dia misy fanontaniana mifanitsy amin’ireo fehintsoratra. Mahasoa tokoa izy ireny amin’ny fampianarana, satria azo atao ny mitarika ireo olona mianatra ny Baiboly hilaza hevitra amin’ny fomba fiteniny manokana ka hahatsapa amin’izany na azony na tsia ny foto-kevitra. Aoka homarihintsika anefa fa raha nametraka fanontaniana matetika tokoa tamin’ireo mpihaino azy i Jesosy, izany dia tsy nataony lalao mihitsy ka hoe nomeny ny teny voalohany amin’ny fehezanteny iray na ny vaninteny voalohany amin’ny teny iray mba hanaovana ankamantatra ny valiny. Efa nampiasa izany fanao izany tamin’ny mpianatra Baiboly sasany ve ianao? Nahoana izany no tsy fomba tsara tokony hampiasaina tsy tapaka? Satria ny fahalalana ny amin’Andriamanitra sy Kristy izay mitarika ho amin’ny famonjena dia tokony ho azo amin’ny alalan’ny fiheverana sy ny fandrindran-kevitra fa tsy amin’ny alalan’ny ankamantatra. — Jaona 17:3; I Jaona 5:20.
Mpianatr’iza?
19, 20. Fampitandremana inona no ilaina? Nahoana?
19 Rehefa tonga eo amin’io ambaratonga amin’ny famakafakana io isika, dia hita fa ilaina ny fampitandremana iray. Raha mitory sy mampianatra amin’ny fomba mandaitra ao amin’ny faritany mahavokatra iray isika, amin’ny farany dia hamokatra mpianatra isika. Ho mpianatr’iza anefa izy ireo? Tokony hieritreritra ve isika fa “ondrintsika” izy ireny? Havelantsika ve izy ireny hanindrahindra antsika na handoka foana antsika amin’ny maha-minisitra? Mariho ny fihetsik’i Paoly sy Barnabasy rehefa nitady hitondra azy ireo toy ny andriamanitra ny mponina tao Lystra. Nihiaka toy izao izy ireo: “Raondriana [ry lehilahy, MN], ahoana no anaovanareo izao? Olona tahaka anareo ihany izahay ary mitory ny filazantsara aminareo, mba hialanareo amin’izao zava-poana izao hanatona an’Andriamanitra velona”. — Asa 14:14, 15.
20 Tsy nitady izay hampisongadina ny tenany i Paoly sy Barnabasy. Na dia rehefa nanoro hevitra an’ireo kristiana aza i Paoly mba hanahaka azy toy ny nanahafan’ny tenany an’i Kristy, dia tsy niriny ny hahatongavan’ireo ho mpianany. Tokony hanome voninahitra foana an’Andriamanitra fa tsy ny olona ny fanompoana ataontsika. — I Korintiana 3:6, 7; 11:1.
21. Nahoana moa ny mpianatra vaovao no mba tonga minisitra koa?
21 Rehefa mandeha ny fotoana, dia mba tonga minisitra koa ireo mpianatra vaovao. Amin’ny fomba ahoana? Inona no mitranga rehefa maharay vaovao tsara dia tsara isika? Afaka mitana izany ho antsika irery ve isika? Irintsika mafy ny hampita izany amin’ny hafa. Izany no nampahafantarin’i Jesosy tamin’ny filazana hoe: “Ny olona tsara fanahy dia mamoaka ny tsara avy amin’ny rakitra tsaran’ny fony; (...) fa amin’ny haben’ny ao am-pony no itenenan’ny vavany.” Toy izany ny amin’ny vaovao tsaran’ny Fanjakana. Ho tian’ny mpianatra manana fo voatohina ny mba hampianatra olon-kafa indray kosa sy handray anjara amin’ny fanompoana, tsy tapaka sy an-tsitrapo. Hanaraka ny fanolorany ny tenany ho an’Andriamanitra sy ny batisany. Amin’izany no mihalava foana ny fitohitohizana minisitra, araka ny fotopoto-pitsipika voarakitra ao amin’izao torohevitra nomen’i Paoly ho an’i Timoty manaraka izao: “Ary izay zavatra efa renao tamiko (...) dia atolory ny olona mahatoky, izay hahay mampianatra ny sasany kosa.” — Lioka 6:45; II Timoty 2:2.
22. a) Nahoana moa Jehovah no nametraka fandamina-mpampianatra sy mpitory ny filazantsara? b) Asa hafa inona koa moa no tsy maintsy hotontosaina any aoriana?
22 Amin’izao taonjato faharoapolo izao Jehovah dia manana maneran-tany fandamina-mpampianatra, mpitory ny filazantsara sy minisitra tsara ofana indrindra. Maherin’ny 2 600 000 no miasa amin’ny fanaovana fanambarana farany tsy maintsy hialoha ny fandravana ny fandehan-javatra ratsy ankehitriny. Nefa io fandaminana tsy mitsahatra ny mitatra io dia miomana hisetra zava-tsarotra mbola lehibe kokoa ihany: ny fampianarana olona an-davitrisany (an’arivo tapitrisany) maro izay ho velona indray noho ny fananganana ny maty. Vonona ny hanandrana izany tombontsoa mahafinaritra izany ve ianao? Efa mahavokatra dieny izao ve ny fanompoanao. Aoka isika hivavaka mba hamirapiratan’ny fahazavantsika ho voninahitr’Andriamanitra raha mbola manompo amin’ny maha-minisitra mahita vokatra ho azy isika. — Matio 5:16; Jaona 5:28, 29.
Izay nianaranao
◻ Inona no fomba mandaitra mba hitoriana ny vaovao tsara?
◻ Tokony hiorina amin’inona moa ny fampianarantsika?
◻ Toetra inona avy no ilaina mba hanosehana ny olona hihaino antsika?
◻ Tamin’ny fomba ahoana no nanohinan’i Jesosy ny fon’ny mpihaino azy? Hafatra inona no tokony hampitaina?
◻ Inona no fampitandremana mahasoa raha mampianatra olona isika?
[Sary, pejy 22]
Mitory ny Vavolombelon’i Jehovah na aiza na aiza misy olona.
[Sary, pejy 24]
Rehefa mitory isika, dia aoka hodinihintsika izay rehetra mety hanome fanazavana antsika ny amin’ny fivavahan’ilay mponina.