FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • w85 1/2 p. 8-13
  • Ny fahaiza-manorina amin’ny fitaovana tsy mety may

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Ny fahaiza-manorina amin’ny fitaovana tsy mety may
  • Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1985
  • Lohatenikely
  • Mitovitovy Aminy
  • Iza no mpanorina?
  • Mametraha fototra tsara
  • Fitaovana tsy mety may
  • Hahatohitra ny afo ve izy ireo?
  • Hahatanty Afo ve ny Asanao?
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1998
  • Aoka isika hanorina toetra kristiana ao amin’ireo zanatsika
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1991
  • Fanampiana ny Olona Hanatona An’i Jehovah
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1999
  • Fototra
    Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 1
Hijery Hafa
Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1985
w85 1/2 p. 8-13

Ny fahaiza-manorina amin’ny fitaovana tsy mety may

“Ny sasany hampiasa volamena, na volafotsy, na vatosoa mba hanorenana eo amin’izany fototra izany; ny hafa hampiasa hazo, na bozaka, na mololo.” — I KORINTIANA 3:12, Bible en français courant.

1, 2. a) Moa ve misy loza mahatsiravina kokoa noho ny mahita ny tranon’ny tena manjavona ao anatin’ny haintrano? b) Fahadisoam-panantenana inona sahala amin’izany no tsapan’ny kristiana indraindray eo amin’ny fanompoany?

TSY misy mihitsy olona mahita fahafinaretana amin’ny fijerena haintrano manova ho lavenona ny fonenana kanto iray, indrindra fa raha ny tenany mihitsy no nanorina izany. Mampalahelo tokoa ny mahita ny fotoana sy ny fiezahan’ny tena lasa setroka toy izany. Tsinontsinona anefa izany loza izany raha oharina amin’ny alahelo mahazo ny reny na ny ray kristiana izay miala amin’ny fahamarinana ny zanany lahy na ny zanany vavy noho ny fanintonan’izao tontolo izao. Tsy misy firy ny fanaintainana mahatsiravina kokoa noho ny fahitana ny zanaky ny tena lasa any amin’ny fahasimbana ara-panahy.

2 Ny fihetseham-po mandrotidrotika ny fon’ny ray aman-dreny toy izany dia mitovitovy amin’ny fahadisoam-panantenana angamba efa tsapanao tao anatin’ny faritry ny fanompoana kristiana nataonao. Aoka hatao hoe nanomboka niara-nianatra ny Baiboly tamin’olona ianao. Nandany volana maro, na taona maro mihitsy aza nanampiana azy hahita ny fahamarinana. Indro anefa fa tsitapitapitr’izay dia nihaosa ara-panahy izy ka latsaka tao amin’ny tsy fanaovana na inona na inona, ary angamba aza niverina any amin’ny fanaony ratsy taloha. Fahadisoam-panantenana re izany!

3. Ao anatin’ny tarehin-javatra toy izany, inona avy no fanontaniana apetraka avy hatrany amin’ny tena? Miankina amin’inona ny valin’ireo fanontaniana ireo?

3 Mampalahelo fa zavatra mety mitranga izany. Amin’izany, dia mety ny manontany tena hoe: Nahoana no mitranga ny loza toy izany? Inona no azo atao mba hisakanana azy? Na dia mety ho voakasika aza ny toe-pon’ilay olona resahina, izany dia miankina amin’ny ampahany amin’ny valiny homenao an’ity fanontaniana hafa iray ity: Rehefa mampianatra ny mpiara-belona aminao ianao, moa ve ianao manorina eo amin’ny fototra mafy sy amin’ny fitaovana tsy mety may? Inona no tiantsika holazaina amin’izany? Ahoana no hatao mba hanorenana amin’izany fomba izany? Raha mahazo fahalalana mazava an’io foto-kevitra io isika dia ho mora lavitra amintsika ny hanampy ireo izay taomintsika ho tsara, izany hoe ireo zanatsika sy ireo olona miara-mianatra ny Baiboly amintsika, hiorina mafy ao amin’ny fahamarinana.

Iza no mpanorina?

4. Ao amin’ny I Korintiana 3:10, 11, ampitahain’i Paoly amin’iza moa ny minisitra kristiana? Ahoana no teny ilazany izany?

4 Ho hitantsika ny valiny ao amin’ny I Korintiana toko faha-3, izay ampitahan’i Paoly ny mpitory kristiana tsirairay avy amin’ny mpanorina iray. Izao no vakintsika: “Araka ny fahasoavan’Andriamanitra nomena ahy, tahaka ny fanaon’ny mpità-marika mahay no nanaovako ny fanorenana, ary ny hafa mandrafitra eo amboniny; nefa aoka ny olona rehetra hitandrina izay arafiny eo amboniny. Fa tsy misy mahay manao fanorenana hafa afa-tsy izay natao, dia Jesosy Kristy.” — I Korintiana 3 Andininy faha-10, 11.

5. a) Araka ny teny manodidina, ny amin’ny karazam-panorenana inona moa no resahin’i Paoly? b) Amin’ny heviny ahoana moa no azo atao ny milaza fa “manorina” olona ny minisitra kristiana?

5 Ny amin’ny karazam-panorenana inona no resahin’i Paoly? Izao no ambarany ao amin’ny teny manodidina: “Trano arafitr’Andriamanitra hianareo”, ary koa: “Tempolin’Andriamanitra hianareo.” (I Korintiana 3:9, 16). Izany àry dia asa fanorenana ara-panoharana mahakasika olombelona. “Manorina” olona ny fanompoana kristiana amin’ny heviny hoe miezaka izy mba hampitombo ao amin’ny olona tsara fikasa, toetra kristiana, raha lazaina amin’ny teny indraim-bava, dia hanao azy ho mpianatra. — Matio 28:19, 20.

6, 7. a) Ny amin’ny andraikitr’iza indrindra moa no anintonan’i Paoly ny saintsika ao amin’ny I Korintiana 3:9-15? b) Amin’ny ahoana anefa ny asa resahina no iombonana? d) Inona no ho fantatsika amin’ny fandinihana lalina kokoa an’io andinin-teny ao amin’ny Soratra masina io?

6 Tokony hotsoahina avy amin’izany ve fa ny mpampianatra kristiana ihany no tompon’andraikitra amin’ny fandrosoan’izay ampianariny? Tsy izany velively. Voalohany indrindra, dia aoka tsy hohadinointsika fa “mpiara-miasa amin’Andriamanitra” isika. Ambonin’izany, na dia manintona ny saintsika indrindra aza i Paoly ao amin’ny I Korintiana 3:9-15 ho amin’ny andraikitr’izay manorina na mampianatra, ny fanorenana resahiny, raha ny marina, dia asa iombonana andraisan’ny tenan’ilay mpianatra mihitsy anjara. Ho azo atao ny hampitaha izany amin’ny fiomanan’ny miaramila iray ho amin’ny ady. Misy hafa mampiofana sy manome fitaovana azy, nefa rehefa ho tonga eo amin’ny saha fiadiana izy dia ny tenany no tokony hiady amin’ny fampiharana izay nianarany. Rehefa dinihina tokoa, dia ny fiainany no voakasika! Toy izany koa, ny mpampianatra tsara dia hiezaka hanorina ao amin’ny kristiana mendrika izany anarana izany, mpianatra afaka ny hahatohitra ireo fanerena sy ireo fakam-panahy eo amin’ny fandehan-javatra ankehitriny. Manana ny anjara andraikiny koa anefa ilay mpianatra. Adidiny ny mampihatra eo amin’ny fiainany ny fahalalana azony. — Matio 7:24-27; Filipiana 2:12, 13.

7 Na dia izany aza, dia misy andraikitra mavesatra mitambesatra eo an-tsorok’ilay mampianatra. Amin’ny fijerena ny tohin’ny fanazavana nomen’i Paoly, dia ho hitantsika fa zava-dehibe tokoa ny hampianarana ny Tenin’Andriamanitra amin’ny fomba mandaitra, mba hampitomboana ao amin’ny mpiara-belona amintsika, fankasitrahana lalina ny Raintsika any an-danitra.

Mametraha fototra tsara

8. Ao amin’io asa fanorenana ara-panoharana io, inona moa no fanorenana?

8 Alohan’ny hampiakarana ny rindrin’ny trano iray, dia ilaina ny handatsahana ny fototra aminy. Amin’ny fanorenana mpianatra, inona izany? Omen’i Paoly antsika ny valiny amin’ny filazana hoe: “Fa tsy misy mahay manao fanorenana hafa afa-tsy izay natao, dia Jesosy Kristy.” (I Korintiana 3:11). Araka izany, dia Jesosy no mahaforona ny fanorenana izay eo amboniny no tokony hanorenantsika. — Jereo Efesiana 2:20-22 sy I Petera 2:4-6.

9. a) Rehefa mampianatra isika, ahoana no azontsika anaovana an’i Kristy ho fanorenana? b) Nahoana moa no zava-dehibe ny hahafantaran’izay miara-mianatra ny Baiboly amintsika ny fahamarinana rehetra ny amin’i Jesosy?

9 Fa ahoana no hametrahana an’i Kristy ho fanorenana rehefa mampianatra ny mpiara-belona amintsika isika? Voalohany indrindra, dia tokony hampianarintsika ny fahamarinana ny amin’i Jesosy izy ireny ka hampiantsika handamina ny fiainany hifanaraka amin’izany fahamarinana izany. Mba hanaovana izany, dia ilaintsika, ankoatra ny zavatra hafa, ny hamporisihana haneho finoana azy, hanaiky azy ho Mpanampy azy ireo ary ho ilay tamin’ny alalany no nandoavan’i Jehovah ny avotra (Matio 20:28; I Jaona 2:1, 2). Tsy izay ihany anefa. Jesosy Kristy koa no loha na filoha notendren’ny kongregasiona kristiana (Kolosiana 1:18). Mpanjakan’ny tany ara-dalàna koa izy, ary amin’ny maha-izany azy no hamitany tsy ho ela ny fandreseny ao Hara-magedona (Apokalypsy 6:1, 2). Miharihary amin’izany fa ny fanaovana an’i Kristy ho fanorenana dia milaza fampianarana ny fahamarinana rehetra ny aminy sy fanampiana ny mpiara-belona amintsika hahatakatra ny anjara raisiny eo amin’ny fanatanterahana ny fikasan’Andriamanitra. Nahoana no zava-dehibe tokoa izany? Noho izao antony izao: Raha toa izay miara-mianatra ny Baiboly amintsika ka mametraka ny finoany amin’i Jesosy, Mpanjaka voatendrin’Andriamanitra, dia tsy hanaiky ho kivy mora foana izy ireo noho ny toe-piainana manjaka eo amin’izao tontolo izao na ny zava-manahirana eo amin’ny fiainana andavanandro. — Isaia 28:16; I Petera 2:6-8.

10. a) Araka ny Efesiana 3:16-19, inona koa moa no tokony hatao mba hanaovana an’i Kristy ho fanorenana? b) Inona no tokony hataontsika mba ‘hitoeran’i Kristy ao am-pontsika’?

10 Tokony handeha lavidavitra kokoa ihany anefa isika mba hanaovana an’i Jesosy Kristy ho fanorenana. Tokony hanatratra zava-kendrena sahala amin’ny an’ny apostoly Paoly isika. Raha niteny tamin’ny kristiana tany Efesosy i Paoly dia nanazava tamin’izao teny izao ny antony nivavahany tamin’Andriamanitra ho azy ireo: “Mba homeny anareo”, hoy izy tamin’ireo, ny “hitoeran’i Kristy ao am-ponareo amin’ny finoana, ka hamaka sy hiorina mafy amin’ny fitiavana hianareo, mba hahaizanareo mbamin’ny olona masina rehetra ny hahafantatra tsara izay sakany sy lavany ary hahavony sy halaliny, ary hahalala ny fitiavan’i Kristy, izay mihoatra noho ny fahalalana, mba hamenoana anareo ho amin’ny fahafenoan’Andriamanitra rehetra.” (Efesiana 3:16-19). Ho nomarihinao fa mba ‘hiorenana mafy’, dia ilaina ny ‘hitoeran’i Kristy ao am-pon’ny tena’. ‘Mitoetra ao am-pontsika’ anefa Kristy rehefa avelantsika ny ohatra omeny sy ny fampianarany hanan-kery eo amin’ny fihetseham-pontsika sy ny ataontsika.

11, 12. a) Ahoana no azontsika anampiana ny mpiara-belona amintsika ‘hanana an’i Kristy hitoetra ao am-pony’? Ambonin’ny fianarana izay lazain’ny Baiboly ny amin’i Jesosy, inona no tokony hataontsika?

11 Ahoana no azontsika anampiana ireo ampianarintsika hanana toy izany an’i Kristy ‘hitoetra ao am-pony’? Tena ilaina ny hampitana amin’izy ireo ny fahalalana, satria ilain’izy ireo ny “hahafantatra tsara izay sakany sy lavany ary hahavony sy halaliny” amin’ny Teny marin’Andriamanitra, indrindra fa izay rehetra ampianariny antsika ny amin’ny fiainana sy ny fampianaran’i Jesosy Kristy. Irintsika izy ireny ho feno ny sain’i Kristy”, hanjary hahafantatra azy tsara ho persona velona sy manana fihetseham-po (I Korintiana 2:16). Tsy maintsy hahatohina ny fon’izy ireo izany.

12 Ho voamarikao koa anefa fa i Paoly dia niresaka ny hoe “hahalala [endriky ny matoanteny grika hoe ginôskô]”, hahalala [“amin’ny fampiharana, amin’ny fanandramana”] ny fitiavan’i Kristy, izay mihoatra noho ny fahalalana”. Marina fa azontsika atao ny mahalala amin’ny fetra sasany “ny fitiavan’i Kristy” amin’ny fianarana izay ahariharin’ny Baiboly amintsika ny amin’ny fomba fiainany sy ny fifandraisany tamin’ireo niara-belona taminy. Amin’ny fanahafana ny toetrany anefa no tena hahafahantsika hahazo an-tsaina marina ny amin’ny fihetseham-pony. Amin’ny fanaovana toy izany no hianarantsika amin’ny fanandramana, “ny fitiavan’i Kristy, izay mihoatra noho ny fahalalana”.

13, 14. a) Ahoana no azontsika anampiana ireo izay miara-mianatra ny Baiboly amintsika haneho toetra sahala amin’ny an’i Jesosy? b) Nahoana moa ireo olona tsara fikasa izay miezaka hanahaka an’i Jesosy no ho mora hampifamatotra fifandraisana tsara kokoa amin’i Jehovah? d) Ankoatra ny fanorenana, inona moa no tokony hoeritreretintsika?

13 Noho izany, rehefa mametraka fanorenana ianao, dia atodiho ny saina ho amin’ireo toetran’i Jesosy: ny fitiavany (Jaona 15:13, 14), ny hafanam-pony sy ny fironany hiantra (Matio 11:28-30), ny fanetren-tenany (Jaona 13:1-15) sy ny fangoraham-pony (Marka 6:30-34), na dia vitsivitsy monja aza no tononina. Avy eo dia amporisiho ny mpianatrao hampiseho toetra toy izany koa eo amin’ny fomba fiainany. Izany dia ho fototra tsara ho azo anorenana fahatsaran-toetra lehibe hafa. Rehefa mandinika fitantarana ao amin’ny Baiboly mahakasika an’i Jesosy Kristy ianareo, dia hahasoa anao indraindray ny hiatoana mba hametraka fanontaniana sahala amin’izao: ‘Naneho toetra inona i Jesosy tao anatin’io tarehin-javatra io? Ahoana no azonao anehoana bebe kokoa an’io toetra io eo amin’ny fiainanao?’ Hazavao amin’ny mpianatrao fa raha mitafy ny toetran’i Jesosy izy, izany dia hanampy azy hampifamatotra fifandraisana mafy sy akaiky amin’i Jehovah. Nahoana? Satria Jesosy nanome taratra tanteraky ny toetran’ny Rainy, hany ka rehefa miezaka ny hanahaka azy isika, dia ny tenan’i Jehovah mihitsy no tahafintsika. — Jaona 14:9.

14 Tsy azo lavina fa zava-dehibe tokoa ny hametrahana fanorenana tsara. Nefa moa ve ampy izany? Namaly toy izao i Paoly: “Nefa aoka ny olona rehetra hitandrina izay arafiny eo amboniny.” Ahoana àry ny amin’ny fitaovana ampiasaintsika eo amin’ny rafitra ambony, dia ny tapany amin’ny trano hipetraka eo amin’ny fanorenana?

Fitaovana tsy mety may

15, 16. a) Ao amin’ny I Korintiana 3:12, inona no fifanoherana nasehon’i Paoly araka ny tena azo inoana? b) Eo amin’ny fampiharana, inona no fanontaniana mipetraka?

15 Izany dia mitarika antsika ho amin’ny I Korintiana 3:12, izay itanisan’ilay apostoly fitaovana fanorenana maromaro. Izao no nosoratany: “Ary raha misy mandrafitra volamena, na volafotsy, na vato tsara, na hazo, na bozaka, na mololo...” Foto-javatra tena tsy mitovy tokoa! Moa ve i Paoly mamporisika antsika hampiasa izany fitaovana rehetra izany rehefa mampandroso ireo miara-mianatra ny Baiboly amintsika isika? Toa tsy izany. Jereo tokoa ny fomba andikan’ny fandikan-teny hafa an’io andinin-teny io: “Ny sasany hampiasa volamena, na volafotsy, na vatosoa mba hanorenana eo amin’izany fototra izany; ny hafa hampiasa hazo, na bozaka, na mololo.” (Bible en français courant). “Nefa ny zavatra rehetra dia miankina amin’ny fitaovana ampiasaina amin’izay arafitra eo amboniny: raha misy manorina eo ambony fototra amin’ny volamena, ny volafotsy, ny vatosoa na raha mampiasa hazo, bozaka na feta miharo mololo izy...” (Parole Vivante). Araka ny tena azo inoana, eo Paoly dia mampifanohitra karazam-panorenana roa, raha lazaina ara-panoharana: etsy andaniny dia lapa marevaka voaravaka volamena, volafotsy sy vatosoa, etsy ankilany dia trano bongo vita amin’ny hazo fisaka na amin’ny tolana hazo manohana rindrina vita amin’ny feta miharo bozaka maina.

16 Raha ny amin’izay mahakasika ny fampiharana an’io fanoharana io, dia izao no fanontaniana mipetraka: Rehefa mampianatra olona ianao, moa ve ianao manorina “lapa” sa “trano bongo”? Matoa misy tanora sy vaovao sasany miala amin’ny fahamarinana, dia angamba izy rehetra tsy naorina tamin’ny ‘fitaovana’ mitovy karazana. Fa amin’ny ahoana no ahitana tsy fitoviana? Ny tarehin-javatra nisy fahiny teo anivon’ny kongregasiona tany Korinto dia manazava tsara tokoa izay mampiavaka ny fitaovana tsy mety may amin’ny fitaovana mety mirehitra.

17, 18. a) Inona no zava-manahirana lehibe nisy taloha tao amin’ny kongregasiona tany Korinto? Ahoana no nandaminan’i Paoly indray ny zavatra? b) Inona no anankiray amin’ireo anton-javatra lehibe indrindra amantarana na manorina amin’ny “volamena” isika na amin’ny “bozaka”?

17 Nanao ny anjarany i Paoly tamin’ny fametrahana fanorenana tsara. Ny kristiana maromaro tany Korinto anefa dia toa nanorina teo amboniny tamin’ny fitaovana tsy dia mafy toy ny “hazo sy bozaka ary mololo’, raha lazaina amin’ny teny hafa dia zavatra marefo (I Korintiana 3:12). Noho izany antony izany dia nihevitra izy fa nanana adidy hanoratra tamin’izy ireny toy izao: “Misy fifampiandaniana eo aminareo. Izao anefa no anaovako izany: Hianareo samy manao hoe: Izaho an’i Paoly, na: Izaho an’i Apolosy, na: Izaho an’i Kefasy, na: Izaho an’i Kristy. Voazarazara va Kristy?” (I Korintiana 1:11-13). Araka izany àry, dia nisy antoko niforona tao amin’ny kongregasiona. Nahoana? Satria ireo mpikambana ao aminy nihevitra ho zava-dehibe loatra ny olona sasany. Koa nananatra azy ireny ilay apostoly tamin’ny filazana hoe: “Koa inona moa Apolosy, ary inona moa Paoly? Mpanompo ihany izay nahatonga anareo ho mpino ireo (...). Izaho namboly, Apolosy nandena, fa Andriamanitra no nampitombo.” — I Korintiana 3:5-7.

18 Raha fintinina, ny zava-nanahirana dia ny nitiavan’ny mpikambana sasany tao amin’ny kongregasionan’i Korinto loatra hanaraka olona mba hitanana fifandraisana mafy sy akaiky tamin’i Jehovah. Izany indrindra no anankiray tamin’ireo anton-javatra lehibe indrindra amantarana na “volamena” no ampiasaintsika na “bozaka”, na “lapa” na “trano bongo” no aorintsika.

19. a) Ahoana no mety hahatonga ny mpampianatra iray hanintona tsy nahy ny saina ho amin’ny tenany na ho amin’olon-kafa? b) Raha tiantsika ny hanorina amin’ny ‘volamena sy ny volafotsy ary ny vatosoa’, inona no tokony hiezahantsika hatao?

19 Afaka manatsoaka fianarana sarobidy avy amin’izany tarehin-javatra izany isika. Tsy isalasalana fa hilaza toy izao ny sasany: ‘Tsy namporisika na iza na iza hanaraka olona mihitsy aho.’ Mety ho latsaka mora foana ao amin’izany fahazaran-dratsy izany anefa isika sady tsy hahatsapa izany akory. Ohatra, rehefa mametraka fanontaniana amintsika ny olona iray miara-mianatra Baiboly amintsika, moa ve isika mirona matetika amin’ny famaliana azy hoe: ‘Nanazava izao na izany ny rahalahy (na rahavavy) Ranona’? Raha izany no izy, moa ve isika nety ho nanosika azy tsy nahy hanome laza tafahoatra ny lehilahy na ny vehivavy tsy tanteraka iray? Raha toa ao anatin’ny toe-javatra toy izany koa ka manambara isika hoe: ‘Tsy dia azoko antoka, nefa araka ny hevitro...’ moa ve isika, noho ny tsy fitandremana, tsy hanintona loatra ny saina amin’ny tenantsika? Tadidio fa tsy ela ny mpianatra iray dia manindrahindra ny mpampianatra azy (jereo Asan’ny apostoly 10:25, 26 sy Apokalypsy 19:10). Koa raha tiantsika ny hanorina “lapa”, dia tokony hitandrina isika mba tsy hanao ny olona tsara fikasa ho mpianatry ny olona toy izao na izao. Mety kosa aza ny hanampiantsika azy ireny hampifamatotra fifandraisana akaiky amin’i Jehovah. Amin’izany dia tokony hanorina amin’ny ‘volamena sy ny volafotsy ary ny vatosoa’ isika. Fa mampiseho inona izany fitaovana izany?

20. Mampiseho inona ‘ny volamena sy ny volafotsy ary ny vatosoa’? (Ohabolana 3:13-15.)

20 Amin’ny fampifanatonana andinin-teny ao amin’ny Baiboly toy ny Salamo 19:7-11, Ohabolana 2:1-6 sy I Petera 1:6, 7, dia tsapa fa ny volamena sy ny volafotsy ary ny vatosoa indraindray dia mampiseho toetra tsara toy ny finoana matanjaka, fahendrena mampiseho fitiavam-pivavahana, fahazavan-tsaina, fahatokiana, fankasitrahana an’i Jehovah sy fitiavana ny lalàny. Tena ilaina ireo toetra tsara ireo ho an’izay maniry hitana fifandraisana akaiky sy tsy azo ravana amin’Andriamanitra. Ireo no mahaforona ny trano arafitra, ny toetra andramantsika aorina ao amin’ireo izay ampianarintsika. Mampiasa izany karazam-pitaovana izany ve ianao?

Hahatohitra ny afo ve izy ireo?

21. a) Nahoana moa no zava-dehibe ny hanorenana toetra mafy orina eo amin’ireo izay ampianarintsika? b) Inona moa ny “afo”?

21 Nahoana no zava-dehibe tokoa ny hanorenana ireo toetra mafy orina ireo ao amin’ireo izay ampianarintsika ny Baiboly? Mampiseho izany amin’izao teny izao ny apostoly Paoly: “Dia haseho avokoa ny asan’ny olona rehetra; fa ny andro no hampiseho azy, satria haseho amin’afo izany andro izany, ka dia hozahan-toetra, amin’ny afo ny asan’ny olona rehetra.” (I Korintiana 3:13). Araka izany, ny “afo” dia ‘hizahan-toetra’ na hampiharihariana hoe tamin’ny fomba ahoana no nanorenantsika. Raha ny marina, inona moa io afo io? Fanenjehana mahery vaika ve izany? Hita fa tsy izany, satria ny asan’ny “olona rehetra” dia tokony handalo amin’io fitsapana io, nefa ny kristiana rehetra dia tsy enjehina ara-batana akory. Noho izany, ny “afo” resahina dia mampiseho kosa ny fitaomana sy ny fakam-panahy rehetra mety handrava ny fahasalamana ara-panahin’ny mpianatra iray.

22. Tonony ny sasantsasany amin’ireo fitsapana azo ampitahaina amin’ny afo mety hosetrain’ny kristiana.

22 Indraindray izany “afo” izany dia miseho amin’ny raharaha ny amin’ny fialanalanana. Hisy fanandramana hanery kristiana handray anjara amin’ny raharaha ara-politika, amin’ny fandrahonana ny hampiditra azy an-tranomaizina, ohatra (Jaona 15:19). Izany koa dia mety hifono endriny mamitaka kokoa, toy ny fakam-panahy hijery sarimihetsika na zavatra alefa ao amin’ny televiziona mampisongadina ny lahy sy ny vavy sy ny herisetra. Amin’ny tanora, izany dia hiseho koa amin’ny fitaomana hijangajanga, ny fanasana hampiasa zavatra mahadomelina na ny fitarihana handray anjara amin’ny fialam-boly mampietry eo amin’izao tontolo izao ankehitriny. Afa-tsy izany koa, ny faniriana araka ny natiora ny horaisin’ny hafa dia mety ho tonga ampy hery eo amin’izy ireo mba hitarihana azy handevozin’ny fanarahana ambokony. — I Jaona 2:16.

23. a) Raha ny amin’ny fihetsika eo anoloan’ny fitsapana, inona avy no fanontaniana mipetraka? Miankina amin’inona ny valin’ireo fanontaniana ireo? b) Ny amin’inona no horesahintsika ao amin’ny lahatsoratra manaraka?

23 Ny ankamaroan’ny kristiana marina dia niaritra tamim-pandresena izany fitsapana azo ampitahaina amin’ny afo izany. Mampalahelo anefa fa tsy afaka milaza toy izany ny rehetra. Koa zava-dehibe ny hanontaniantsika tena hoe: Rehefa mba hisetra “afo” koa ireo nampianarintsika, ahoana no ho fihetsiny? Hiorina mafy ve izy, sahala amin’ny lapa marevaka voaravaka volamena sy volafotsy ary vatosoa tsy mety mirehitra? Sa kosa avy hatrany izy ireny dia ho levona sahala amin’ny trano bongo vita amin’ny hazo sy ny bozaka ary ny mololo? Marina fa miankina be dia be amin’izy ireny izany. Nefa, isika izay nampianatra azy ireny, ny tenantsika dia mitondra andraikitra mavesatra, satria ny ho anjaran’izy ireny dia mifamatotra amin’ny fomba nanorenantsika azy. Noho izany antony izany, dia mbola mitoetra ihany izao fanontaniana manaraka izao: Ahoana no hanorenana toetra mafy orina ao amin’ireo izay ampianarintsika ny Baiboly? Hiresaka bebe kokoa ny amin’izany isika ao amin’ny lahatsoratra manaraka.

Raha tokony hanazava izany ianao...

◻ Amin’ny heviny ahoana moa isika no hoe mandray anjara amin’ny asa fanorenana rehefa mampianatra?

◻ Ahoana no hanaovana an’i Kristy ho “fanorenana”?

◻ Inona no fianarana azontsika tsoahina avy amin’ny tarehin-javatra nisy taloha tao amin’ny kongregasiona tany Korinto?

◻ Mampiseho inona moa ny “afo”? Ahoana no anasoritan’izany ny maha-zava-dehibe ny hanorenana toetra mafy orina eo amin’ireo izay ampianarintsika?

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2026)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2026 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara