FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • w85 1/2 p. 5-7
  • Ampio hanatona an’Andriamanitra ireo zanakareo

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Ampio hanatona an’Andriamanitra ireo zanakareo
  • Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1985
  • Lohatenikely
  • Mitovitovy Aminy
  • “Hatry ny fony vao zaza”
  • Manokàna toerana ho an’Andriamanitra eo amin’ny fiainany
  • Lova Sarobidy ny Zanatsika
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2005
  • Tezao mba ho tia an’i Jehovah ny zanakao
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1983
  • Manorena Fianakaviana Matanjaka Ara-panahy
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2001
  • Ny ankizy — “lova avy amin’i Jehovah”
    Vaovao Tsara Hahatonga Anao ho Sambatra
Hijery Hafa
Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1985
w85 1/2 p. 5-7

Ampio hanatona an’Andriamanitra ireo zanakareo

TENY latsaky ny arivo dia ampy ho an’ireo mpanoratra ny Baiboly mba hilazalazana ireo telopolo taona voalohany tamin’ny fiainan’olombelona nananan’i Jesosy. Nefa kosa, nila ampolony maro be tamin’izany izy ireo mba hitantarana ireo telo taona sy tapany nanaraka. Tsy ny fahaterahana, ny fahazazana ary ny fahatanoran’i Jesosy tokoa no fototry ny Filazantsara manokana fa ny fanompoany. Kanefa, ireo fanamarihana vitsivitsy atolotry ny Soratra masina antsika momba ny fiandohan’ny fivahiniany tetỳ an-tany dia mampiseho miharihary fa afaka ny ho eo akaikin’Andriamanitra koa na dia ny tanora aza.

Ohatra, ao amin’ny toko faha-2 amin’ny Filazantsaran’i Lioka dia 12 taona i Jesosy. Tao amin’ny tempoly izy, “nipetraka teo afovoan’ny mpampianatra” ny lalàn’Andriamanitra. Indraindray dia ‘nihaino azy ireo sady nanontany’ izy, indraindray nandresy lahatra azy ‘tamin’ny fahalalany sy ny famaliny’ [valin-teniny]. (Lioka 2:46, 47.) Fanampin’izany, dia ianarantsika fa ambonin’ny fitomboany ara-batana, izy koa dia nitombo tamin’ny fahendrena sy ny fahalalana. — Lioka 2:40, 52.

Ahoana no anazavana izany fironana ara-panahy izany? Niverina tany amin’ny ray aman-dreniny fara faharatsiny ny ampahany tamin’ny fahamendrehana. Noho izy ireo anisan’ny firenena jiosy, dia natao hanaraka ireo torohevitra nomen’i Jehovah mikasika ny fitaizana ny ankizy izy. Araka izany, i Mosesy mpaminaniny dia niteny hoe: “Ary aoka ho ao am-ponao izao teny andidiako anao anio izao. Dia ampianaro tsara ny zanakao izany, ary resaho, na mipetraka ao an-tranonao hianao, na mandeha any an-dàlana, na mandry, na mifoha.” (Deoteronomia 6:6, 7). Tsy maintsy niahy tokoa ny hanankina ny Zanany tamin’ny fianakaviana iray hampihatra ireo fitarihan-dalana ireo Andriamanitra. Amin’izao andro izao koa, dia mety raha mitondra fiahiana mitovy amin’izany ho an’ireo zanany koa ny ray aman-dreny. Raha ny aminao, moa ve ianao manampy ny zanakao hahafantatra an’i Jehovah? Miezaka hampitombo ao amin’izy ireny ny faniriana hanompo azy ve ianao?

“Hatry ny fony vao zaza”

Ny fanabeazana ara-panahy dia tsy raharaha azo hangatahan’andro mandra-paha-lehiben’ny ankizy. Tsara homarihina anefa fa matoa i Timoty tonga kristiana niavaka rehefa lehibe, dia noho izy nampianarina ny Soratra masina “hatry ny fony vao zaza”. (II Timoty 3:15.) Mifanaraka tsara amin’io ohatra io, dia nisy reny kristiana hita nangataka tamin’ny feo avo ny fitahian’i Jehovah talohan’ny hanomezana ronono ny zanany kely. Koa tsy mahagaga àry raha toa ka mahay miteny haingana hoe “amena” ireo ankizy mbola kely nahazo izany fampianarana izany, eo amin’ny fifaranan’ny vavaka! Dingana voalohany mety hamporisika azy hamboly fankasitrahana ny fanomezana ara-panahy sy ara-nofo rehetra azony avy amin’ny Mpamorona izany.

Manazava tsara ny vokatra azo avy amin’ny fanabeazana tsara ny ohatra ny amin’i Michael sy Sephorah (fito sy valo taona). Indray andro, rehefa nandeha hanao dia lavitra niaraka tamin’ireo ray aman-dreniny izy ireo dia ny tenany mihitsy no nanapa-kevitra voalohany hangataka tamin’i Jehovah hitantana sy hiaro azy. Rehefa tonga tany amin’izay naleha izy ireo, dia tsy nanadino ny nisaotra azy noho ny namelany azy ireo ho tonga soa aman-tsara.

Nitsangatsangana tany anaty saha malalaka anankiray niaraka tamin’ireo ray aman-dreniny i Christian sy Eric (telo sy enin-taona). Very izy ireo, araka izay mpitranga indraindray. Tamin’ny fotoana toy inona ireo ray aman-dreniny no nahita azy ireo indray? Tamin’ny fotoana nivavahan’ireto voatavo tsy mifandraka indrindra tamin’i Jehovah mba hanampy azy!

Misy fomba maro be hanabeazana tsara ny ankizy raha mbola kely izy. Nandritra ny fivoriana kristiana lehibe iray natao tany Belgique, i Gino, telo taona, dia niakatra teny ambony lampihazo, ary napetraka teo ambony seza bory lehibe iray. Nangatahin’ilay mpandaha-teny izy hitanisa amin’ny mpanatrika ny anaran’ireo boky 66 ao amin’ny Baiboly. Afaka hanao toy izany ve ianao? I Gino kosa, nahavita izany tsy nisy fahasahiranana. Taty aoriana izy dia nanohy nandroso teo ambany fitarihan’ny ray aman-dreniny. Ankehitriny izy dia mitsidika ireo kongregasionan’ny Vavolombelon’i Jehovah amin’ny maha-mpiandraikitra ny fizaran-tany. Mazava ho azy fa tsy manana fahaiza-mandray zavatra mitovy amin’izany avokoa akory ny ankizy rehetra, nefa kosa, io zava-nitranga niainana io dia manaporofo ny maha-zava-dehibe ny hanomezana azy ireny fanabeazana tsara.

Mety ihany koa ny hanampiana ny tanora hahafantatra tsara ireo fampianaran’ny Baiboly. Tao amin’ny sekoly fitaizan-jaza anankiray an’ny andrian-dehibe tany Luxembourg, i Kai, efa-taona, dia nanda tsy hivavaka niaraka tamin’ireo namana keliny. Rehefa nanontaniana ny antony izy, dia namaly hoe: “Izahay tsy mba mino ny andriamanitra telo zoronareo!” Marina tokoa, fa tsy marina avokoa angamba ny fandraisan’i Kai ny hevitra ny amin’ny Triniten’ny katolika. Amin’ny lafiny sasany anefa dia nanana fahalalana ampy tamin’izany izy mba hahatakarana fa tsy tokony hivavaka amin’ny andriamanitra toy izany izy. — Marka 12:29.

Manokàna toerana ho an’Andriamanitra eo amin’ny fiainany

Mety hanana zava-manahirana ny tanora. Tsaratsara kokoa raha aborany amin’ny ray aman-dreniny izany, toy izay hazoniny ho azy irery. Na dia izany aza, dia tsara raha mamporisika azy ireny koa izy ireo mba ‘hametraka amin’i Jehovah ny entany’. (Salamo 55:22.) Azon’izy ireo atao ny mampiseho fa tsy handa ny fangatahana ataony Jehovah, amin’ny fampahatsiahivana azy ireto tenin’i Jesosy Kristy zanany ireto: “Avelao ny zaza hanatona ahy, ary aza rarana.” (Marka 10:14). Fanampin’izany dia zava-dehibe ny hampianarana azy hivavaka amin’i Jehovah amin’ny alalan’i Jesosy Kristy. — Jaona 14:6.

Rehefa mianatra hanana fitokisana ny fanohanan’i Jehovah ny ankizy ka mahatsapa amin’izany ny vokany; dia matetika izany no manatanjaka ny finoany amin’ny fomba manaitra. Jacquy, tanora zazalahy iray, miasa ankehitriny ao amin’ny anankiray amin’ireo sampan’ny Fikambanana Watch Tower, dia mitantara amintsika izay nitranga taminy fony izy 14 taona. “Tamin’io taona io, hoy izy, ny fivoriamben’ny fizaran-taninay dia nifanitsy tamin’ny andro tsy fiasana nialoha ireo fanadinana hataoko farany. Ny zava-nanahirana dia ny tsy nanondroan’ilay profesoranay anay ireo taranja hanaovana famerenana raha tsy ny zoma. Rehefa avy niresaka ilay raharaha tamin’ny ray aman-dreniko aho, dia nanapa-kevitra izahay fa tsy hanapaka ny fivoriambe aho, na dia tsy nanana afa-tsy fotoana kely dia kely aza hatokana ho an’ny famerenako [Hebreo 10:24, 25]. Na dia izany aza, dia nivavaka tamin’i Jehovah aho hanampy ahy hiomana tsara araka izay azo atao.

“Tonga ilay alatsinainy maraina nampitaintaina. Nanahy mafy avokoa ny mpianatra rehetra, satria vao voalohany izao no tsy maintsy ho fanontaniana am-bava izany. Nitalaho tamin’i Jehovah indray aho hiaraka tamiko. Inona no nitranga? Tamin’io andro io, dia izaho no nahazo ny isa tsara indrindra tao an-dakilasy. Ny anankiray tamin’ireo profesora nahaforona ny mpitsara aza dia nametraka fanontaniana fanampiny tamiko, mba ‘hahalalana hoe hatraiza no fetran’ny fahaizako’, ary dia nahay namaly azy aho.”

Inona no lesona azon’i Jacquy notsoahina avy tamin’ny vahaolana nahasambatra iny? “Noho izaho nahatsapa ny fanampian’i Jehovah, izany dia namporisika ahy hanatona azy. Nianatra ny tsy hanahy na inona na inona aho, fa hitodika any aminy kosa mba hanambara aminy ny fivavahana rehetra mbamin’ny fifonana.” — Filipiana 4:6, 7.

Eny, zava-dehibe ny hanampiantsika ny zanatsika “hahafantatra” an’Andriamanitra sy hanokana toerana ho azy eo amin’ny fiainan’izy ireny isan’andro. Rehefa ho tsapany fa miaraka aminy Jehovah amin’ny asa aman-draharahany rehetra, moa ve tsy ho mora kokoa aminy ny manohy hanompo azy amim-pahatokiana toy izay hianina fotsiny amin’ny famakiana na fihainoana lesona momba azy? Mazava ho azy fa tsy raharaha mora akory ny mitaiza azy ireny amin’izany fomba izany. Kanefa, tsy hohadinoin’ny ankizy vetivety ny herim-po sy tsy fanaovana vazivazy nampitan’ny ray aman-dreniny taminy ny harenany ara-panahy, dia ny fahalalana an’i Jehovah. Etsy ankilan’izany koa Andriamanitra dia tsy hanadino mihitsy ny fahatokiana sy ny fiezahan’ireo ray sy reny manao toy izany (Hebreo 6:10-12). Raha manan-janaka àry isika, dia aoka hanampy azy ireny hahazo ny valisoa atolotry ny Raintsika any an-danitra ho an’ireo izay mahafantatra azy sy fantany: dia “ny fiainana mandrakizay”. — Jaona 17:3.

[Efajoro, pejy 7]

Teny mamelombelona ny fo

Ho an’ny rainy izay nanontany azy hoe: “Mivavaka amin’i Jehovah ve ianao?” I Debora, valo taona, dia namaly hoe: “Eny, imbetsaka.” “Oviana izany?” “Rehefa irery aho.” “Nahoana àry?” “Mba hahazoana antoka fa tsy hisy olona hanelingelina ahy!”

Hoy ny renin’i Laurent, enin-taona: “Tianao ve raha tsy vonoiko ny jiro ao amin’ny efi-tranonao anio alina?” (Natahotra aizina i Laurent, ary notoroana hevitra mba hivavaka amin’i Jehovah handraisany fanampiana.) “Tsia, hoy i Laurent, tsy matahotra intsony aho izao fa momba ahy Jehovah.”

Hoy ny zazavavy kely iray enin-taona tao amin’ny vavaka nataony: “Misaotra, Jehovah ô, noho ny fanantenana fitsanganana amin’ny maty. Tena hevitra tsara tokoa izany!” Indray mandeha koa: “Fantatrao, Jehovah ô, fa ho be zavatra hatao ianao eto amin’ny taninay rehefa ho ao amin’ny Paradisa izahay, satria avy foana ny orana atỳ.”

Nivavaka toy izao i Udo, telo taona: “Raha sitrakao, Jehovah Andriamanitra ô, ataovy izay hamakian’ny dadako ny Baiboly, mba tsy ho ringana izy ao Hara-Magedona!” Nivoha ny varavaran’ny efi-tranony tamin’izay, ary ren-drainy izy. Nandresy ireo fisalasalany faramparany ireo teny ireo. Ankehitriny izy dia manompo an’i Jehovah amim-pahatokiana.

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2026)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2026 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara