Ny fitomboan’ny tsy firaharahana lalàna — famantarana mialoha ny faran’izao tontolo izao ve?
“INONA no ho famantarana ny fanatrehanao sy ny fifaranan’ny fandehan-javatra?”
Ho valin’io fanontaniana io, Jesosy dia vao avy nilazalaza ny vanim-potoana voamariky ny ady iraisam-pirenena, ny mosary sy ny horohorontany. Tamin’izay izy no nanampy teny toy izao: “Koa satria hitombo ny tsy firaharahana lalàna, dia hihamangatsiaka ny fitiavan’ny maro. Fa izay ho niaritra hatramin’ny farany no hovonjena.” — Matio 24:3, 7-13, MN.
Izany fitomboan’ny “tsy firaharahana lalàna” izany dia hahaforona fisehoan-javatra handrahona indrindra. Ny teny grika nadika toy izany tokoa dia manondro ny fanivaivana ny lalàna navoakan’Andriamanitra sy nampahafantarina ny olona. Izany dia mampahatsiahy indrindra ny fihetsiky ny olona izay tsy manokana ny fiainany ho an’Andriamanitra, fa ho an’ny tenany. Aoka holazaina kely aloha fa Jesosy akory tsy nilaza hoe hipoitra izany tsy firaharahana lalàna izany fa “hitombo”, raha lazaina amin’ny teny hafa dia hiely sy hihamaro. Hanaitra aoka izany ny fitomboany, hany ka hiharan’ny akony ny “maro”, izany hoe ny ankamaroan’ny olona izay milaza ho manaraka ny kristianisma. Eny, ny fitiavany an’Andriamanitra sy ny lalàny ary ny namany dia hihamangatsiaka sahala amin’ny fisotro mafana avela hotsofin’ny rivotra mamanala.
Ny zavatra rehetra dia mahatonga hino fa ny taonjato faha-20 dia nanapoaka, indrindra fa tamin’ny Ady Lehibe Voalohany, fitomboan’ny tsy firaharahana lalàna lehibe kokoa noho izay rehetra hitan’ny olombelona hatramin’ny andro nanononan’i Jesosy an’io faminaniana io. Raha tena izany tokoa no hita, dia tokony hotsoahina avy amin’izany fa isika dia miaina amin’ny “andro farany”, na ny vanim-potoana farany mihitsy aza a min’ny “fifaranan’ny fandehan-javatra”. (II Timoty 3:1; Matio 24:3, MN.) Rehefa dinihina, moa ve ianao tsy dodona ny hahita ny fandehan-javatra ratsy ankehitriny izay nameno ny tany tamin’ny herisetra, ny filalaovan-dratsy sy ny tsy rariny, hanjavona mba hanome toerana ho an’ny fitambaran’olona fehezin’ny fitiavana, “tany vaovao” hanjakan’ny fahamarinana? — II Petera 3:13.
‘Tsy haingana loatra toy izany, hoy angamba ny mpamaky sasany fatra-pitia tantara. Moa ve tsy ny taonjato faha-20 no mandroso indrindra amin’ny rehetra? Moa ve tsy tokony ho tiana kokoa ny toe-piainana manjaka amin’izao andro izao noho ny herisetra sy ny faharatsiam-pitondrantena tsy nanjary taloha?”
Izao tontolo izao taloha
“Tsy misy mihitsy afaka mahatsapa fa voaro amin’ny loza mandrahona ny tenany sy ny fananany raha mitsangantsangana eny amin’ny arabe izy rehefa milatsaka ny alina; tsy misy olona afaka mihevi-tena ho tsy manana ahiahy mihitsy na dia ao am-pandriany aza.” Nitaraina toy izany tamin’ny 1785 ny lefitry ny solontenan’ny fanjakana amin’ny fitsarana ambony any Londres. Tamin’izany fotoana izany, dia olona be dia be no naneho tamin’izany fomba izany ny horohoro nateraky ny heloka bevava ho azy.
Fa nanao ahoana marina tokoa moa ny halehiben’ny heloka bevava? Tsy misy olona hahay hanombana izany marina, indrindra fa noho ny banga amin’ny taratasy filazan-draharaha ara-pitsarana. Afa-tsy izany koa, noho ny tsy fahafantarana hentitra na mendrika inoana ny amin’ny mponina, dia tsy manana fomba azo ekena mihitsy isika mba hanarahana ny fiovaovan’ny ara-kevin’ny isan’ny heloka bevava hatramin’izany fotoana izany. Ny famantarana sasany anefa dia mamela hieritreritra fa azo lazaina hoe nilamina ireo taonjato lasa. “Tsy mbola nisy mihitsy teo amin’ny tantaran’i Massachusetts, hoy ny nambaran’ny mpanao raharaha ambony ao amin’ny fitsarana ao amin’io fanjakana io tamin’ny 1859, fotoana nampilamina toy ny amin’izao andro izao ny fiainana sy ny fahafahana ary ny fananan’ny olom-pirenena.”
Kanefa tao anatin’ireo 150 taona nialoha ny 1914, dia nisy fitohitohizam-piovana tsy nampoizina nanokatra ny lalana ho amin’ny tsy firaharahana lalàna tsy nanam-paharoa izay niseho tao anatin’izao taonjato faha-20 izao.
Ny fiovan-dehibe teo amin’ny fanaovan-taozavatra
“Ny fiovana tanteraka indrindra teo amin’ny tantaran’olombelona rehetra.” Toy izany no nilazalazan’ny mpampianatra tantara roa, M. Klein sy H. Kantor, tao amin’ny bokiny hoe Voagadran’ny fandrosoana (anglisy) ny fiovan-dehibe teo amin’ny fanaovan-taozavatra izay nampisafotofoto an’i Etazonia teo anelanelan’ny 1850 sy 1920. Ny fampiasana zavatra vao noforonina toy ny milina mandeha amin’ny etona sy ny fanamboarana zavatra maro indray miaraka dia nanomboka niely tao amin’ny fanaovan-taozavatra britanika. Toy ny tena onja, izany fiovan-dehibe izany dia nahazo an’i Eoropa sy Etazonia ka nifaoka fomba fiaina iray manontolo.
Nanampy teny toy izao i Klein sy Kantor momba ny fotoana talohan’ny fiovan-dehibe ara-panaovan-taozavatra: “Oharina amin’ny androntsika, ny fiainana dia tsy isalasalana fa voalamina kokoa sy tsy nihilangilana kokoa. Mbola nihevitra ho zava-dehibe ny fivavahana ny olona ary nandamina ny fandaharan-javatra noheveriny ho sarobidy sy ny fahavelomany nanodidina ny zavatra ninoany.”
Tamin’izany fotoana izany, dia niasa ho an’ny tenany ny ankamaroan’olona ary nirehareha noho ny asany. Raha nanao asa iray izy, dia tsy hoe mba hahazoana vola fotsiny. Mazava ho azy fa nisy mpangalatra sy mpamono olona koa; fa raha ny amin’ny zavatra ninoana nahery, izany dia voaloton’ny fanaovana ody ratsy sy ny finoanoampoana. Teo anivon’ireo firenena nolazaina fa kristiana anefa, ny ankamaroan’ny olom-pirenena dia nanaja ireo lalàn’Andriamanitra.
Teo anelanelan’ny 1880 sy 1913, ny famokarana ara-panaovan-taozavatra dia nitombo avy telo heny haingana kokoa noho ny isan’ny mponina maneran-tany, tamin’ny fandroso tsy tratrany intsony mihitsy hatramin’izay. Noho izany, dia nihamaro ny isan’ny mpiasa nahita ny karamany nitombo; hatramin’izao izy ireny dia afaka nahazo zavatra vita vaovao. Mampalahelo anefa fa olona be dia be, sodokan’ny fanantenana hiala amin’ny fahantrana ho amin’ny harena, no nanao ho sampy ny fahombiazana ara-tsosialy.
Araka ny lazain’ny Baiboly anefa, “izay ta-hanan-karena dia latsaka amin’ny fakam-panahy sy ny fandrika (...) koa ny sasany izay fatra-pitady izany dia efa voavily niala tamin’ny finoana”.(I Timoty 6:9, 10.) Izany indrindra no nitranga tamin’ny maro. Nanao ny asany ho zavatra nitana ny sainy lehibe indrindra ny olona. Noho izy tsy maintsy nizatra niasa 60 ora isan-kerinandro, dia tsy maintsy nijaly noho izany ny ankohonany. Rehefa nanatevin-daharana ny vahoaka miasa ny vehivavy maro, dia tsy voarakaraka intsony ireo zanany ka matetika no nanjary nania. Nohamaizinin’ny fanahiana hahazo fivelomana ny olona maro be ka nanilika ny fivavahana ho any aoriana indrindra.
Nitory toy izao ilay filozofa alemana nalaza atao hoe Nietzche: “Tokony ho tonga izay maha-ianao anao ianao.” Hita tokoa fa ny fitiavan-tena sy ny fitiavan-karena fatratra dia nitarika ady ara-tsosialy nahery vaika. Ohatra, nandritra ny enimbolana voalohany amin’ny 1916, dia niisa ho 1 093 ny fitokonana sy ny fiarahan’ny mpampiasa manakatona ny trano fiasana rehefa rahonan’ny fitokonana any Etazonia. Amin’ny raharaham-barotra dia fahita ny fifaninanana tsy azo sakanana indrindra. Be dia be no nanahaka ilay mpivarotra voalazalaza tamin’izao teny izao tao amin’ny tantara noforonina iray tamin’ny 1905: “Izay no matanjaka indrindra, ary amin’ny asanay dia mifampihinana ny amboadia.” Tsy azo lavina fa nanomboka niha-nangatsiaka mafy saika hatraiza hatraiza ny fitiavana ny namana.
Ny tanàna mitombo haingana
Nikatsaka fahalalana, voninahitra, fisetran-java-tsarotra, fialam-boly, fahafahana manokana, nefa vola alohan’ny zavatra rehetra ny vahoaka ka nirohotra nankany amin’ny tanàn-dehibe. Tamin’ny 1815, dia latsaka ny 2 isan-jato tamin’ny Eoropeana rehetra no nonina tany amin’ny tanàna nihoatra ny 100 000 ny isan’ny mponina. Tamin’ny 1910, dia nihoatra ny avy fito heny ny ampahany; tratrany tamin’izay ny 15 isan-jaton’ny mponina, nefa avy roa heny fotsiny ny isan’ny mponina teo anelanelan’izany. Any Etazonia, ny isan’ny olona monina any amin’ireo tanàna misy mponina mihoatra ny 8 000, ilay 131 000 tamin’ny 1790 dia tafakatra ho 18 tapitrisa mahery tamin’ny 1890, izany hoe 3 ka hatramin’ny 29 isan-jaton’ny fitambaran’ny olom-pirenena.
Tany amin’ny tany be fanaovan-taozavatra rehetra, dia nitombo haingana tsy nisy toy izany ny isan’ny tanàna. “Haingana lavitra sy nitatra lavitra tsy mbola nisy toy izany mihitsy teo amin’ny vanim-potoana rehetra amin’ny tantaran’izao tontolo izao ny fifindrana ho any an-tanàn-dehibe tato anatin’izao 150 taona faramparany izao.” Izany no nambaran’i Kingsley Davis, manam-pahaizana manokana momba ny zava-manahirana ny amin’ny tanàn-dehibe. — Izahay no manipika.
Ny ankamaroan’ireo nandao ny toeram-piompiana sy fambolena mba hiorim-ponenana any an-tanàn-dehibe dia tanora mpitovo. Ao amin’ny fahamaizinan’ny tanàn-dehibe nanjakan’ny fileferana lehibe indrindra, tsitapitapitr’izay izy ireo dia nahatsiaro ho afaka tamin’ny fanerena ara-tsosialy nitana azy ireo fony izy mbola nonina tany amin’ny vohiny. “Tsy ho mora ny hahita zazalahy iray na zazavavy iray maherin’ny fito ambin’ny folo taona ka madio”, hoy ny nosoratan’ny mpandinika mahira-tsaina iray momba ny kilasin’ny mpiasa mponina an-tanàn-dehibe. Teo am-piandohan’ny taonjato faha-20, dia izao no teny nanampin’io lehilahy io: “Ny fahalotoam-pitondrantena izay vokatr’ireny efitrano fandihizana ireny indrindra, dia nitombo nihoampampana teo amin’ny tanora amin’izao andro izao. Toa ara-dalàna sy mety izany ankehitriny.
Araka izany, dia olona maro no nampiseho ny tsy firaharahany ireo lalàn’Andriamanitra ara-pitondrantena. Izao tokoa no ambaran’ny Baiboly: “Fa izao no sitrapon’Andriamanitra, dia ny (...) hifadianareo ny fijangajangana (...) Koa izay mandà, dia tsy olona no laviny, fa Andriamanitra”. (I Tesaloniana 4:3, 8). Nefa, mba hanaporofoana ny tanjany, ny zatovo Eoropeana sasany dia nirehareha ho nandry tamin’ny vehivavy janga. Nireharehany aza ny nahazoana aretin-dratsy tamin’ny fifampikasohana tamin’izy ireny. Araka ny fandinihana navoaka tamin’ny 1914, any amin’ny tany iray any Eoropa, dia eo amin’ny iray amin’ny dimy ny lehilahy voan’ny tety.
“Ny tanàn-dehibe dia tokony ho toeran’ny fahalotoam-pitondrantena.” Izany no nolazain’ilay mpanoratra tantara atao hoe Adna Weber tamin’ny 1899. Nasehony tokoa fa tany amin’ny tanàna maro any Eoropa, ny ara-kevin’ny zazasary dia avy roa heny tsy toy ny any ambanivohitra. Tany Angletera, tamin’izany fotoana izany, ny ara-kevin’ny fanaovana heloka bevava dia teo anelanelan’ny avy roa heny sy avy efatra heny tao an-tanàn-dehibe tsy toy ny tany ambanivohitra.
Tsy ny fiovan-dehibe ara-panaovan-taozavatra sy ny fitaran’ny tanàn-dehibe ihany anefa no hany anton-javatra miteraka ny onjan-tsy firaharahana lalàna mitosaka amin’izao taonjato faha-20 iainantsika izao. Ny fisehoan-javatra iray hafa mampiavaka ny androntsika tokoa dia tokony hisy akony lehibe koa.
Ny Ady Lehibe
Ny fikorontanan’ny ankapoben’olona izay nipoaka tamin’ny 1914 dia nolazalazaina ho “ny ady nandatsahan-dra be indrindra sy nandrava indrindra nety ho hitan’ny olombelona”, fara faharatsiny hatreo. Ary anefa lehiben’ny mpanao an’izany fandringanana tsy hay lazaina izany izay nampiharihary tsy firaharahan-dalàna ankarihary indrindra dia ireo firenena “kristiana” indrindra. Ny amin’ny zavatra ratsy indrindra tamin’ny ady, ny taratasy manarabiraby iray nivoaka tao amin’ny gazety iray tamin’ny 1914 dia nilaza izao fanoherana izao: “Tokony hiady amin’ny maha-kristiana ny vahoaka, na fara faharatsiny amin’ny maha-lehilahy mihaja.”
Io ady io dia nitarika ny olona hihevitra ny hery sy ny herisetra ho toy ny fiarovana azo ekena. “Rehefa avela ireo fitsipiky ny fandrosoana, rehefa manjary adidy ny famonoana olona, mariky ny herim-po sy ny fahasahiana lehibe, hoy ny nosoratan’ilay mpitondra ara-pivavahana atao hoe Charles Parsons tamin’ny 1917, dia toa mila ho tafahoatra ny firesahana ny amin’ny heloka bevava amin’ny hevitry ny teny mahazatra.” Tsy misy mahagaga mihitsy raha nandinika i D. Archer sy R. Gartner mpanao fikarohana fa ao amin’ny ankamaroan’ny firenena nandray anjara tamin’ny ady lehibe voalohany dia misy “fitomboana hita maso” amin’ny fitambaran’ny famonoana olona “aorian’ny ady”. Araka izany, dia nihoatra ny 52 isan-jato ny isan’ny heloka bevava tany Italia ary 98 isan-jato tany Alemaina noho ny talohan’ny ady. Io ady niraisam-pirenena io anefa dia nametra karazan-tsy firaharahana lalàna hafa iray koa.
‘Halan’i Jehovah ny fisaoram-bady’. Eo imasony, ireo izay manilika ny vadiny mba hanambadiana fanindroany amin’ny tsy firaharahana ny Soratra Masina dia meloka ho manoa fahotana lehibe (Malakia 2:16). Taorian’ny Ady Lehibe Voalohany anefa, dia natrehina ny fitomboana mihoa-pampana teo amin’ny isan’ny fisaraham-panambadiana. Ohatra, tany Angletera sy tany amin’ny tanin’ny Galles, dia 516 isan-taona tamin’ny ara-keviny ny isan’ny fisaraham-panambadiana tao anatin’ny antsasa-taonjato izay nifarana tamin’ny 1911. Nefa kosa, tamin’ny 1919, raha vao vita ny ady, dia 5 184 ny isany, izany hoe avy folo heny mahery noho ny ara-keviny isan-taona nisaina tao anatin’ireo dimampolo taona teo aloha.
Nitarika fiantsoana lehilahy 65 tapitrisa hanao raharaha miaramila ny ady. Tamin’izy ireny, dia be dia be no tafasaraka tamin’ny fianakaviany mandritra ny taona maromaro. Raha inoana ny filazan’i G. Rowntree sy N. Carrier, mpanoratra tantara, “Ireo fanerena tsy nanam-paharoa sy ny fampisarahan’ny ady tamin’ny 1914-1918 an-tery dia tsy vitan’ny hoe niteraka fitomboan’ny isan’ny fisaraham-panambadiana, fa tamin’ny fomba namitaka aoka izany koa, dia “nampihena ny faninian’ny vahoaka (...). Ny fihetsika malalaka kokoa izay anankiray amin’ireo voka-dratsin’ny ady dia toa nitohy”. Marina tokoa fa izany fileferana izany izay teraka tamin’io fotoana io, dia naharitra hatramin’izao.
Araka izany, tamin’ny fialana haingana avy any ambanivohitra izay nampihandrona ny mponin’ireo firenena lazaina fa “kristiana” ho any an-tàna-dehibe sy noho ny ohatra herisetra navelan’ny Ady Lehibe Voalohany, dia tafatambatra daholo ny toe-javatra rehetra mba hanamora fitomboan’ny tsy firaharahana lalàna mbola tsy hitan’izao tontolo izao mihitsy. Nefa araka ny hita, inona no vokany hatramin’ny 1914? Moa ve ny fitiavan’ny “maro”, ny ankamaroan’ny kristiana anarana, tena nihamangatsiaka tokoa?
Ny fisondrotan’ny tsy firaharahana lalàna amin’izao androntsika izao
Tamin’ny 1945, dia Amerikana be dia be no ankona nandre fa nahatratra 1 566 000 ny isan’ny fandikan-dalàna nambara tamin’ny polisy. Rehefa afaka 35 taona taty aoriana anefa, io tarehi-marika nitombo tsy nitsahatra io dia 13 295 000. Izany dia nampiseho fitomboana 750 isan-jato, nefa nandritra io vanim-potoana io ihany, dia tsy nitombo afa-tsy eo amin’ny 60 isan-jato ny isan’ny mponina. Mifanitsy amin’izany, ny isan’ny fisavihana dia nitombo maherin’ny 600 isan-jato tao amin’io tany io, ary ny an’ny fitambaran’ny heloka natao tamin-kerisetra, dia efa ho 900 isan-jato. Hevero ange: Tamin’ny 1981, dia fianakaviana iray amin’ny telo no niharam-pahavoazana noho ny fandikan-dalàna! Afa-tsy izany koa, dia tsy mampiavaka an’i Etazonia fotsiny akory izany toe-javatra izany, tsy izany velively. “Ny miharihary rehefa manao fandinihana ny heloka bevava amin’ny ambaratonga maneran-tany ny tena, hoy ny nosoratan’ny manam-pahaizana momba ny heloka bevava iray atao hoe Leon Radzinowicz ao amin’ny bokiny hoe Ny fitomboan’ny fanaovana heloka bevava (anglisy), dia ny fielezany sy ny fitarany hatraiza hatraiza. Mihavitsy dia vitsy ny toe-javatra sasany mbola maningana, ary indray andro any izany dia tena mety ho safotry ny fisondrotana tsy ankijanona.”
Mitombo ve izany tarehi-marika rehetra izany satria fotsiny ny olona mandefa fitarainana tsy tapaka kokoa? Mba hamaliana an’io fanontaniana io, ny antokon’olona iray notarihin’i Herbert Jacob, avy ao amin’ny foibe fikarohana ara-polisy ho an’ny raharahan’ny tanàn-dehibe ao amin’ny Oniversite Northwestern, dia nandinika tahirin-kevitra momba ny fanisana heloka bevava, ny fandaniana sy ny fomba famotopotorana ataon’ny polisy, ary koa fanazavana hafa maro momba ny tanàn-dehibe 396 any Etazonia sy ny vanim-potoana mitatra teo amin’ny 1948 ka hatreo amin’ny 1978. Tao anatin’ny fanadinadinana nekena hataon’ny anankiray tamin’ireo masoivohonay, dia nanantitrantitra toy izao Atoa Jacob: “Nitombo hatraiza hatraiza manerana an’i Etazonia ny fitambaran’ny fandikan-dalàna. Izany fisehoan-javatra izany dia tsy isalasalana fa misy avy amin’ny hoe mampahafantatra matetika kokoa ny fandikan-dalàna ny polisy sy ny sivily. Tsy ampy hanazavana ny fitomboana isa hita anefa izany.”
“Ny mahagaga, hoy Atoa Jacob nanohy ny teniny, dia ny hoe, ao amin’ny karazan-tanàna rehetra, ny any avaratra toy ny any atsimo, mitatra na mihakely, misy olom-bitsy na maro kokoa, dia mitovy ny fomba fitomboan’ny heloka bevava amin’ny ankapobeny. Fironam-pirenena izany.” Afaka misakana izany fandehan’ny zavatra mandrahona izany ve ny polisy? Mamaly toy izao Herbert Jacob: “Niseho ho tsy nanan-kery ny polisy mandrakariva, satria izy nanatrika hery ara-tsosialy maromaro nihoatra azy.”
Mazava ho azy fa tsy ny heloka bevava ihany akory no famantarana ny fitomboan’ny tsy firaharahana lalàna. Hevero tokoa ny tsy fanajana asehon’ny ankamaroan’olona amin’ireo lalàn’Andriamanitra. Araka izany, ny isan’ny zazasary dia mitombo tsy misy toy izany. Any Etazonia, ny ara-kevin’ny vehivavy tsy manambady niteraka tamin’ny 1940 dia 7,1 amin’ny arivo; tamin’ny 1979 izany dia tafakatra ho 27,8 isaky ny arivo. Fa raha ny amin’ny isan’ny fisaraham-panambadiana, ilay 83 000 tamin’ny 1910 dia tafakatra ho 1 182 000 tamin’ny 1980, ka izany dia mampiseho fitomboana 1 300 isan-jato. Tany amin’ny 1910, isan-taona dia iray amin’ny fanambadiana iraika ambin’ny folo ny fisaraham-panambadiana voamarina tany Etazonia, nefa amin’izao fotoana izao dia iray isaky ny fanambadiana roa no tononina. Tarehi-marika azo ampitahaina amin’izany koa no voarainay avy any amin’ny faritra maneran-tany.
Eritrereto koa ny fanaovan-javatra maharikoriko tao anatin’ny taonjato iainantsika. Moa ve ny tantara mba efa nilaza zavatra mahatsiravina sahala amin’ny fandringanana voalamina tsara nampiharina tamin’ny Jiosy enina tapitrisa tany amin’ny toby fitanana nazia tao anatin’ny Ady Lehibe Faharoa? Moa ve ny olombelona mba efa nahita fandripahana olona sahala amin’io ady io izay nahafaty olona 55 tapitrisa? Mbola tadidinao ve ny filazam-baovao izay, tamin’ny 1979, dia nanombana ho 2 tapitrisa ny isan’ny Kambodziana novonoina. Farany, moa ve misy taranaka hafa izay namorona sy nampiasa fiadiana ampy hery mba hanafoanana indray mandeha monja olona 144 000, tahaka ny baomba ataomika nalatsaka tany Hiroshima, any Japon?
Noho ny tsy fahampian’ny toerana, dia tsy afaka manolotra fanambarana hafa ny amin’ny tsy firaharahana ireo lalàn’Andriamanitra miseho amin’izao fotoana izao izahay. Nefa, izay nasehonay hatreo dia mampiseho miharihary fa nanomboka tamin’ny 1914 dia atrehina ny fiakaran’ny faharatsiana tsy mbola nisy toy izany teo amin’ny Tantara. Tsy azo lavina fa amin’ireo olona izay mirehareha ho mpianatr’i Jesosy, dia nihanangatsiaka “ny fitiavan’ny maro” an’Andriamanitra sy ny namana, araka ny nanambaran’i Jesosy azy.
Fa raha ny aminao, dia aza avela hamabo ny fonao izany faharatsiana mitombo izany. Velomy kosa ny hafanan’ny fitiavanao an’Andriamanitra sy ny lalàny, dia ho azonao atao ny higoka fifaliana ho voavonjy sy ho tafiditra ao amin’ny “tany vaovao” nampanantenaina izay tsy hisian’ny tsy firaharahana lalàna hamaka intsony mihitsy. — II Petera 3:13; Matio 24:12, 13.
[Sary, pejy 6]
(Jereo ny gazety)
Nitombo 1 000 isan-jato mahery ny tontalin’ny isan’ny fitarainana noho ny fandikan-dalàna lehibe tany Etazonia teo anelanelan’ny 1935 sy 1980, nefa tao anatin’izany fotoana izany ihany, dia tsy nitombo afa-tsy teo amin’ny 78 isan-jato ny isan’ny mponina.
1935 1 138 000
1950 2 220 000
1965 2 780 000
1980 13 295 000
[Sary nahazoan-dalana]
Loharanom-panazavana: Taratasy momba ny heloka amin’ny ankapobeny an’ny F.B.I. Ireo tarehi-marika dia mifanitsy amin’ny tontalin’ny isan’ny famonoana olona, fisavihana, fanaovana an-keriny, vaky trano, halatra tsotra sy amim-pahakingana sy fangalarana fiarakodia lazaina amin’ny polisy. Koa satria tsy feno ny isa tamin’ny 1935 sy 1950, dia nahitsy izany mba hampiseho ny fitambaran’ny isan’ny mponina.
[Sary, pejy 5]
NY FIOVAN-DEHIBE TEO AMIN’NY FANAOVAN-TAOZAVATRA
NY ADY LEHIBE VOALOHANY
NY TANÀNA MITOMBO HAINGANA
Ireo fisehoan-javatra vaovao mampiavaka ny androntsika ireo dia nanamora ny fitomboan’ny tsy firaharahana lalàna lehibe indrindra tamin’izay rehetra hitan’ny olombelona.