‘Nahatonga ny fanambadianay ho sambatra kokoa izy ireo’
TOY izany ny filazana nataon’ny lehilahy iray avy any Louisiane antsoina hoe Glenn. “Rehefa nifankahalala tamin’i Glenn aho, hoy ny nosoratan’ny Vavolombelon’i Jehovah iray, dia niasa tao ambany kamiao keliny izy. Na dia izany aza dia nivoaka izy ary nihaino ahy tamim-pitandremana; manaraka izany dia nanaiky tsy tamim-pisalasalana ny hanao famandrihana amin’ny gazety Rèveillez-vous! sy Ny Tilikambo Fiambenana izy. Tao anatin’ny herinandro maromaro, dia nanandrana ny hihaona taminy indray izahay, kanefa tsy nisy olona mihitsy tao an-trano. Tamin’ny farany dia tafahaona taminay ny vadiny ka nilaza taminay hoe: “Eny, nolazainy tsara tamiko tokoa fa nanao famandrihana tamin’ireo gazety ireo izy. Nahatalanjona ahy tokoa izany satria araka ny mahazatra dia tsy mbola nanao famandrihana na tamin’inona na tamin’inona mihitsy izy. Taorian’izany dia nanomboka naharay azy izahay ary hitanay fa nahaliana aoka izany izy ireo. Miara-mamaky azy izahay ny hariva. Rehefa hadiva ho tapitra ilay famandrihana dia mahazo matoky ianareo fa hanao famandrihana indray izahay.’
“Nifanao fotoana mba hiverenana izahay rehefa samy ho ao an-trano ilay lehilahy sy ny vadiny; tamin’ny andro sy ny ora nifanekena dia niandry anay izy ireo. Nanomboka niara-nianatra ny Baiboly taminy izahay. Koa tamin’izany no nanaovan’i Glenn izao fanamarihana izao: ‘Tena misy heviny marina tokoa ireo gazety ireo. Efa nahatonga ny fanambadianay ho sambatra kokoa sahady izy ireo. Isaky ny mody hisakafo aho dia manontany an’i Becky raha nisy nomerao vaovao tonga.’”
Ianao koa, azonao atao ny handray ao an-tranonao ireo gazety roa miorina amin’ny Baiboly ireo. Mba hanaovana izany, dia avereno amin’ny anankiray amin’ny adiresy voalaza ao amin’ny pejy faharoa amin’ity gazety ity ny tapakila famaliana eto ambany.
Aza fady mba anaovy famandrihana herintaona amin’ny “Ny Tilikambo Fiambenana sy amin’ny Rèveillez-vous! Aho. Indro alefako ny vola 3 500 FMG (fiaramanidina) (vidiny mety hiova).