FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • w83 1/10 p. 16
  • Indray mitopy maso amin’ny vaovao

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Indray mitopy maso amin’ny vaovao
  • Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1983
  • Lohatenikely
  • Mitovitovy Aminy
  • Mihevitra an’ireo niharam-pahavoazana ny fitsarana
  • Siansa sa angano?
  • Ireo mpitory ny filazantsara amin’izao andro izao
  • Ny rariny ho an’ny firenena rehetra, tsy ho ela intsony
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1989
  • Ny fitoriana ny filazantsara — ny toerany ao anatin’ny fanompoam-pivavahana marina
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1983
  • Moa ve ianao karazan’olona fidin’Andriamanitra?
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1983
  • Ny Vavolombelon’i Jehovah — Tena Mpitory ny Filazantsara
    Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—1998
Hijery Hafa
Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1983
w83 1/10 p. 16

Indray mitopy maso amin’ny vaovao

Mihevitra an’ireo niharam-pahavoazana ny fitsarana

“Ny anankiray amin’ny tsy ampy indrindra amin’ny lalànantsika momba ny heloka dia eo amin’ny fanonerana ny fatiantoky ny niharam-pahavoazana, hoy ny nambaran’i Michael Beal mpitsara miasa any Caroline Avaratra, any Etazonia. Araka ny fantatr’izay efa niharan’ny vaky trano, ny filana ady, ny halatra na fahadisoana hafa loatra, dia tsy vitan’ny hoe tsy mahita indray mihitsy izay nafoiny izy, fa izy koa, amin’ny hetrany, no tsy maintsy mandoa ny famelomana ireo mpanao ratsy raha any am-ponja izy ireny. Izany no antsoina amin’izao andro izao hoe ‘lalàna momba ny heloka’.

Araka ny New York Times anefa, ny fandaharana iray nokendrena hanarenana izany toe-javatra izany dia andramana any Caroline Avaratra amin’izao fotoana izao. Any tokoa, dia tsy hidiana any an-tranomaizina na any amin’ny trano fanarenana ny tanora maditra fa alefa kosa hiasa ny asabotsy sy ny andro tsy fiasana any amin’ny toeram-piompiana sy fambolena ka any dia ampiasainy ny heriny hiasana tany sy hikapana hazo. Ny antsasaky ny karamany mahery dia arotsaka ho an’ny niharam-pahavoazana, fa ny tapany kely kosa dia atokana ao amin’ny fitehirizana ho fitsinjovana ny ho avy, ka azony alaina rehefa ho voaonitra tanteraka ny an’ilay niharam-pahavoazana. Tamin’ny taona voalohany, dia nampiharina tamin’ny zazalahy 34, 10 ka hatramin’ny 15 taona io fandaharana io. Afa-tsy ny anankiray monja izay nandositra, izy rehetra dia nahaloa tanteraka ny trosany. Hihevitra ny niharam-pahavoazana ve ny fitsarana rehefa ela ny ela?

Izany fandaharana izany anefa dia tena anisan’ny Lalàna nomen’Andriamanitra ho an’ny firenen’Isiraely. Rehefa nisy halatra na fanimbana fananan’olona. Ny Lalàna dia nandidy ny hivarotana ho andevo an’ilay nania raha tsy afaka namerina tamin’ilay niharam-pahavoazana ny vola tokony haloany izy. Araka izany, dia nahazo onitra ny mpitaraina ary ilay mpandika lalàna dia niasa mba hamelomana ny tenany (Eksodosy 22:1-6). Ireny lalàna ireny dia nahitana taratry ny fahamarinana sy ny fahendrena tanteraka ananan’i Jehovah, “Mpitsara”, “Mpanome lalàna sady ‘Mpanjaka’ tsara indrindra. — Isaia 33:22.

Siansa sa angano?

Tato anatin’ny taona vitsivitsy izao, dia atrehina ny fahataitairana mahagaga amin’izay rehetra mahakasika ny fiainana any ivelan’ny tany. Azo antoka fa ny mahatonga indrindra izany lamaody izany dia ny fandehanana ho eny amin’ny habakabaka, nefa koa ny siansa miharo angano sy ny fahaizana sarimihetsika. Ny fahombiazana roa lehibe indrindra teo amin’ny tantaran’ny sarimihetsika tokoa (Ny Adin’ireo kintana sy E.T. any ivelan’ny tany) dia samy natokana ho amin’izany foto-kevitra izany. Mifanitsy amin’izany, dia misy fandaharana ara-tsiansa andaniam-bola be foronina amim-pitandremana lehibe noho ny fanantenana hahita ny fiainana, ny irina indrindra dia ny fiainan’olona manan-tsaina, any amin’ny habakabaka anelanelan’ny kintana. Noho izany dia mihasarotra kokoa ihany amin ny olona maro be, indrindra fa ny tanora, ny mahafantatra hoe mijanona aiza ny siansa ary manomboka aiza ny angano. Ny fisian’ny any ivelan’ny tany sy ny mety hahafahan’ny olombelona hifandray amin’izy ireny sy hiharan’ny heriny dia nahazo toerana mafy tao an-tsain’ny olona.

Momba izany fisehoan-javatra izany, dia izao no nosoratan’i Jack Catran, mpahay siansa miasa ao amin’ny fahaizana momba ny eny amin’ny habakabaka tao amin’ny lahatsoratra iray tao amin’ny revio Newsweek mitondra ny lohateny hoe “E. A. Enough Already [Ampy izay]”: “Ny mpanoratra sy ny mpanao sarimihetsika dia manana zo hanao raharaha ahazoan-tombony avy amin’izay rehetra mety ho foto-kevitra ara-tsiansa, nefa aoka amin’izany hantsointsika amin’ny anarany ny asany: siansa miharo angano izany fa tsy siansa. Ary aoka holazaintsika araka ny tena izy ny zava-kendreny: fanambakana sy fivarotana fa tsy fanabeazana.” Marina tokoa àry fa rehefa manoro hevitra antsika ny Baiboly mba hanavaka ny zavatra tena misy “amin’izay atao hoe fahalalana, kanjo tsy izy”, dia tena manoro antsika tokoa ny lalam-pahendrena. — I Timoty 6:20.

Ireo mpitory ny filazantsara amin’izao andro izao

Tamin’ny desambra lasa, ny Fiaraha-midinika tao amin’ny firenena nataon’ireo eveka katolika amerikana (N.C.C.B.) dia nandany ny amin’ny handevenana fandaharana iray natao harahina ao anatin’ny dimy taona nokendrena hampandrosoana ny fitoriana ny filazantsara ary nanapa-kevitra tamin’izany koa fa hanafoana ny komity voatendry hikarakara izany. “Tsy nitana ny toerana voalohany teo amin’ny firenena intsony ho an’ny fiaraha-midinika nataon’ireo eveka ny fampielezana ny ‘vaovao tsara’, hoy ny nambaran’ny gazety National Catholic Reporter. Avela hotarihin’ny eo an-toerana sy araka ny kisendrasendra izany hatramin’izao.”

Fa nahoana ny N.C.C.B. no niala tamin’ny fiezahany hitory ny filazantsara? “Ny ankamaroan’ny katolika dia tsy mbola vonona ny hanaiky fa ny fiantsoana hitory ny filazantsara dia anankiray amin’ireo foto-javatra mahaforona ny finoany”, hoy ny avalin’io gazety io ihany. Hoy ny teny nanampiny: “Tsy tena heverina ho ny hany asa voalohany tokony hiankinan’ny asan’ny Eglizy hafa rehefa ny fitoriana ny filazantsara.”

Endrey ny fifanoheran’izany amin’ny fitiavana fitoriana ny filazantsara nanetsika ireo kristiana tamin’ny taonjato voalohany! Tamin’izany fotoana izany, na dia ireo fahavalony aza dia tsy afaka ny tsy hihiaka hoe: “Indro, efa nofenoinareo ny fampianaranareo Jerosalema.” Asa. 5:28). Tsy namela an’io asa io ho “araka ny kisendrasendra” ny apostoly Paoly fa nanambara toy izao: “Zavatra ilaina hiantsorohako izany. Eny, lozako raha tsy nanambara ny Evanjily aho.” — I Korintiana 9:16, fandikan-teny katolikan’i Jerosalema.

Amin’izao andro izao, ho famaliana ny antso nalefan’i Jesosy ao amin’ny Matio 24:14 sy 28:19, 20, ny Vavolombelon’i Jehovah dia tena nanao tokoa ny fitoriana ny vaovao tsaran’ny Fanjakan’Andriamanitra ho “ny hany asa voalohany” eo amin’ny fiainany. Izy ireo dia mahaforona fandaminana iraisam-pirenena voatokana ho amin’ny fitoriana ny filazantsara.

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2026)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2026 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara