Ny fitoriana ny filazantsara — ny toerany ao anatin’ny fanompoam-pivavahana marina
“Mba tsy hiorenan’ny finoanareo amin’ny fahendren’ny olona, fa amin’ny herin’Andriamanitra ihany.” —1 Korintiana 2:5
1. a) Asa inona moa no ahafantarana ny Vavolombelon’i Jehovah maneran-tany? (b) Inona no maha-zava-dehibe izany?
NY VAVOLOMBELON’I JEHOVAH dia fantatra maneran-tany ho mpitory ny filazantsara, izany hoe mpitondra hafatra vaovao tsara. Ny sosiology anglisy iray, J. Beckford, dia nanao izao fanazavana izao tao amin’ny Social Compass tamin’ny janoary 1977: “Ny Vavolombelona dia anisan’ireo mpitory ny filazantsara (...) be zotom-po indrindra eo amin’izao tontolo izao ankehitriny.” Hoy koa ny nanampiny: “Izany dia antony miharihary, na dia odian-tsy hita matetika aza, mahatonga ny fitomboana azon’ny fihetsiketsehan’ny Watchtower.” Nefa moa ve ankasitrahan’i Jehovah ny fitoriana ilay Fanjakana sy ny asa fanaovana mpianatra. Eny no avalin’ny tantara tamin’ny lasa sy ankehitriny. Ny fitoriana ny filazantsara, ny fitoriana ny vaovao tsaran’ny Fanjakan’Andriamanitra, dia fototry ny kristianisma. Izany koa dia marika mampiavaka ny vahoakan’Andriamanitra, amin’izao andro izao toy ny taloha.
2. Inona no tanterahin’ny fitoriana ilay Fanjakana?
2 Inona no tontosain’ny fitoriana ilay Fanjakana? Voalohany indrindra, izany dia manome fahafahana ny kristiana iray haneho amin’ny fomba hita maso ny fitiavany sy ny fankasitrahany an’Andriamanitra Tsitoha sy ny olona noforoniny (Matio 22:37-39). Afa-tsy izany koa, ary ity no zavatra lehibe indrindra, io asa fitoriana ny filazantsara io dia mahatonga ho afaka hampahafantatra amin’ny olona hafa ny fahendrena tsy manam-paharoa sy ny hery mahatalanjon’i Jehovah. — Asa. 1:8; 4:33; Efesiana 3:10.
Manohana ny fitoriana ny filazantsara Jehovah
3. a) Nahoana no azo atao ny miresaka an’i Jehovah ho toy ny Mpitory ny Filazantsara? b) Iza no foiben’ny vaovao tsara ary inona no asa nanirahana azy?
3 Jehovah no Mpitory ny filazantsara voalohany, ny voalohany nitondra vaovao tsara. Vaovao tsara tokoa ny faminaniana voalohany satria nanambara ny fanafahana ny olombelona tsy tanteraka noho ny “taranaka” nampanantenaina iray (Genesisy 3:15). Taty aoriana dia nampiasa an’Isaia mpaminany ho mpitondra teny Andriamanitra ka nampiharihary fa ny Mesia, Jesosy Kristy, ilay anisan’io “taranaka” io lehibe indrindra, dia ‘hanambara vaovao tsara amin’ny manetry tena’. (Isaia 61:1.) Tafiditra tao amin’ny fikasan’i Jehovah àry ny hoe mpitory ny vaovao tsara, mpitory ny filazantsara Kristy.
4, 5. Ahoana moa no niasan’ny anjely tamin’ny naha-mpitory ny filazantsara?
4 Jehovah dia nanankina tamin’ny zavaboary hafa ny fanirahana hanambara vaovao tsara. Araka izany, ireo anjely, zavaboary ara-panahy mahery, dia nandray anjara tamin’io asa ankasitrahan’Andriamanitra io. Tsara homarihina fa, na amin’ny teny hebreo na amin’ny teny grika, ny teny hoe “anjely” dia adika ara-bakiteny hoe “mpitondra hafatra” ary ny teny hoe “mpitory ny filazantsara” dia avy amin’ny teny grika roa izay ny dikany dia hoe “tsara” sy “anjely” (na “mpitondra hafatra”). Ohatra, ny anjelin’Andriamanitra dia “nanambara nialoha ny vaovao tsara tamin’i Abrahama” (Galatiana 3:8, MN; Genesisy 22:15-18), dia ny hoe, ny taranak’i Abrahama no hipoiran’ny “taranaka” nampanantenaina izay tsy maintsy hitahiana ny firenena rehetra amin’ny tany (Genesisy 12:2, 3). Rehefa afaka taonjato roapolo taty aoriana, ny anjely Gabriela, tamin’ny naha-mpitory ny filazantsara, dia nanambara tamin’i Zakaria ny hahaterahan’i Jaona Mpanao batisa, tamin’ny filazana hoe: “Nirahina hiteny aminao aho ka hilaza aminao izany teny mahafaly izany.” Jaona Mpanao batisa dia nanomana ny lalana ho an’ilay anisan’ny ‘taranak’i’ Abrahama lehibe indrindra, dia Jesosy Kristy. — Lioka 1:19.
5 Mbola nanao ny asan’ny mpitory ny filazantsara ihany i Gabriela ka niseho nanaraka izany tamin’i Maria mba hitondra ho azy ny vaovao mahafaly ny amin’ny hahaterahan’i Jesosy (Lioka 1:26-38). Volana vitsivitsy taty aoriana, dia talanjona ireo mpiandry ondry nandre anjely mpitory ny filazantsara nanambara tamin’izy ireo hoe: “Aza matahotra, fa, indro, milaza teny soa mahafaly aminareo aho, dia fifaliana lehibe izay ho an’ny olona rehetra.” Avy eo dia nisy zavaboary ara-panahy maro be niaraka tamin’ilay anjely mba hanamafy izany vaovao tsara izany (Lioka 2:8-14). Taorian’ny nahaterahan’ny Zanany, Andriamanitra dia nanome matetika, tamin’ny alalan’ireo anjely mba hanamafy izany vaovao tsara izany (Lioka 2:8-14). Taorian’ny nahaterahan’ny Zanany, Andriamanitra dia nanome matetika, tamin’ny alalan’ireo anjely, porofo mahatalanjona ny amin’ny nanohanany ny fitoriana ny filazantsara. Nanome izany izy nandritra ny fotoana rehetra nisian’ny tantaran’ny kongregasiona kristiana tamin’ny taonjato voalohany. Araka izany, ny anjely iray dia nanafaka ireo apostoly nigadra ka nanome azy ireo izao baiko izao: “Mitoria [manohiza miteny, MN] amin’ny vahoaka.” (Asa. 5:20). Nitari-dalana ny kristiana ireo anjely mba hahitany olona nankafy ny vaovao tsara ary nanampy an’ireo mpanompon’Andriamanitra izy ireny (Asa. 8:26; 10:3; 12:7-11). Fa raha ny amin’i apostoly Jaona izay, ara-tsindrimandrin’Andriamanitra dia nilazalaza ny zavatra tsy maintsy hiseho “amin’ny andron’ny Tompo”, dia hitan tamin’ny fahitana ny ‘anjely iray nanidina teo afovoan’ny lanitra, nanana filazantsara mandrakizay hotorina’. Raha ny marina, io anjely io dia nanara-maso ny fampielezana maneran-tany ny hafatra ny amin’ilay Fanjakana ataon’ireo mpanompon’i Jehovah eto an-tany. — Apokalypsy 1:10; 14:6.
Ny baikon’i Kristy: Mitoria ny filazantsara!
6. a) Inona moa no fototra napetrak’i Jesosy mba hanaovana ny fitoriana ny vaovao tsara? b) Inona no nataony mba hahazoana antoka fa hitohy aorian’ny fahafatesany ny asa fitoriana ny filazantsara?
6 Nahoana ny kongregasiona voalohany no nanao fanambarana tamim-pahasahiana sy faherezana toy izany? Satria Kristy, Mpanorina azy, dia nampiasa ny fahendrena sy ny herin’Andriamanitra mba hananganana teo ambonin’ny tenany, fandaminana matanjaka misy mpitory ny filazantsara, ary izany dia amin’ny fomba roa. Voalohany, ny tenany mihitsy dia nanatontosa ny asa nanirahana azy, dia ny “hitory teny soa mahafaly amin’ny mpandefitra”. (Isaia 61:1.) Faharoa manaraka izany, dia nampianariny manokana ireo namany akaiky kokoa roa ambin’ny folo, ka natorony ny fomba fitory, avy eo dia nampiofana mpianatra hafa 70 izy. Tamin’izany izy dia namorona fototra matanjaka amin’ny mpitory izay hanohy ny asa fitoriana ny filazantsara aorian’ny fahafatesany.—Matio 10:5-42; Lioka 10:1-16.
7. Raha ny amin’ny fitoriana ny vaovao tsara, amin’ny ahoana moa ny fahendren’Andriamanitra no hafa noho ny an’ny olona?
7 Nitory ilay Fanjakana tamin-jotom-po i Jesosy. Nandany hery be dia be izy mba hitoriana ny filazantsara tamin’ny olona, satria fantany fa izy ireny dia nila ny nandre ny vaovao tsaran’ny Fanjakan’Andriamanitra — dia ilay fitondram-panjakana vaovao any an-danitra izay hanorina fiadanana mandrakizay eto an-tany sy hanafoana izay rehetra miteraka fahoriana. Noho izany antony izany, rehefa avy nitety tanàna sy vohitra nitory ny filazantsara izy ka nahatsapa ny toe-piainana ara-panahin’ny vahoaka nampangoraka, dia niteny toy izao tamin’ny mpianany: “Be ny vokatra, fa ny mpiasa no vitsy; koa amin’izany mangataha amin’ny Tompon’ny vokatra mba hampandehanany mpiasa hamory ny vokatra.” (Matio 9:37, 38). Tsy nangataka andro i Jesosy fa nanomboka niasa nifanaraka tamin’io hataka io. Ny anankiray tamin’ireo toromarika voalohandohany nomeny an’ireo apostoliny dia izao: “Ary raha mandeha hianareo, dia mitoria hoe: Efa mby akaiky ny fanjakan’ny lanitra.” Ny filamatra nasainy narahina dia ny hoe: Mitoria. Mba hanamaivanana ny olombelona ory, ny fahendren’olombelona dia nety ho nibaiko ny hanorenana fandaharana ara-tsosialy biraokratika na hanorina filan-kevitra revolisionera miafinafina. Kristy anefa dia naneho ny fahendren’Andriamanitra tamin’ny filazana fotsiny hoe: “Mitoria.” — Matio 10:7.
8. Nanao ahoana moa ny fihetsik’i Jesosy rehefa niverina avy an amin’ny diany nitory ireo mpianany, ary nahoana?
8 Rehefa avy nanome ireo toromarika ireo i Jesosy dia niteny tamin’ny mpianatra hafa ary naniraka azy ireo koa mba hitory ny filazantsara. Rehefa niverina ireny mpitory ireny ka nitantara ny vokatra tsara dia tsara azo, dia nipararetram-pifaliana i Jesosy ka nilaza hoe: “Midera anao Aho, Raiko ô, Tompon’ny lanitra sy ny tany, fa efa nafeninao tamin’ny hendry sy ny manan-tsaina izany ka nasehonao tamin’ny zaza madinika.” (Lioka 10:21). Izany “zaza madinika”izany, raha ny marina, dia olon-dehibe, ireo mpianatr’i Kristy, ary ny fitoriana ny filazantsara no fomba hampiharihariany ny fahamarinan’Andriamanitra amin’ny hafa. Tsy ny filozofia àry na ny herin’olombelona no manorina mafy ny tena kristianisma, fa ny fahendrena sy ny herin’Andriamanitra manjary miharihary amin’ny fitoriana ilay Fanjakana.
Nitory ny filazantsara daholo ny mpianatra rehetra
9. Manomeza ohatra mampiseho fa tamin’ireo mpanoratra tantara, dia ny fitoriana ilay Fanjakana no fototry ny kristianisma tamin’ny voalohany.
9 Koa satria ny fitoriana ny vaovao tsaran’ny Fanjakana no fototry ny kristianisma, ny kristiana voalohany rehetra dia tokony ho evanjelisitra. Tena izany tokoa no izy, araka ny porofoin’ny tantara. Mariho izay lazain’ny boky fakan-teny sasantsasany momba ireo kristiana tamin’ny taonjato voalohany:
“Tamin’izany andro izany, ny kristiana rehetra dia ‘misionera’.” — History of Western Civilization.
“Ny asa misionera voalohany dia mampiseho fa teo am-piandohana izany dia tsy voafetra ho an’ny apostoly ihany. Mifanohitra amin’izany kosa, ny fikambanana kristiana manontolo dia voakasika miaraka.” — New Catholic Encyclopedia.
“Ny faniriana hanao fanambarana ny amin’ny finoan’ny tena (...) dia marika mampiavaka antenaina ho hita eo amin’ny kristiana rehetra.” — Encyclopedia Americana.
10. a) Oviana moa ny kongregasiona kristiana no tonga fandaminan’ny mpitory ny filazantsara? b) Inona moa no fahaizana mahagaga nomen’Andriamanitra an’ireo kristiana voalohany, ary noho ny fikendrena inona?
10 Raha vao tamin’ny nanorenana azy tamin’ny taona 33, ny kongregasiona kristiana dia fandaminan’ny mpitory ny filazantsara. Ireo mpikambana voalohany tao aminy, olona 120 teo ho eo, dia tonga mpitory ilay Fanjakana tsy nisy hataka andro. Ny filazana ara-tantara nomen’ny tsindrimandrin’Andriamanitra dia milaza amintsika fa “samy feno ny Fanahy Masina izy rehetra, ka niteny tamin’ny fiteny maro samy hafa, araka ny nampitenenan’ny Fanahy Masina azy”. Mariho fa izy rehetra fa tsy ny sasantsasany ihany no nanomboka niresaka ny “asa lehibe ataon’Andriamanitra”. (Asa. 2:4, 11.) Ny porofo fa ireny mpivavaka nandray tsara ireny dia nandray soa tamin’ny hery sy ny fahendren’Andriamanitra, dia ny nahazoany fahefana mahagaga hanao fanambarana amin’ny fiteny tsy mbola nianarany mihitsy. Izany dia fahagagana nanorina ny kongregasiona kristiana teo amin’ny fototra, dia ny fitoriana ny vaovao tsara.
11. Ahoana moa no nampisehoan’i Petera fa ny kristiana rehetra dia tokony ho mpitory?
11 Taty aoriana kely, tamin’io andro io ihany, dia nampiharin’i Petera tamin’ny kongregasiona kristiana vao naorina ny faminanian’i Joela, tamin’ny filazana hoe: “ ’Ary amin’ny andro farany, hoy Andriamanitra, no handatsahako ny Fanahiko amin’ny nofo rehetra; ary ny zanakalahinareo sy ny zanakavavinareo haminany, ary ny lahi-antitrareo hanonofy; ary ny mpanompoko, na lahy na vavy, dia handatsahako ny Fanahiko amin’izany andro izany, ka dia haminany izy.’” (Asa. 2:17, 18; Joela 3:1, 2). Ny kristiana rehetra tsy misy avakavaka dia tokony ho mpitory ny filazantsara. Hisy lehilahy, vehivavy sy tanora koa aza haminany sy hitory amin-jotom-po, hanambara sy hampiely ny hafatr’Andriamanitra, dia ny vaovao tsara.
Ny hoe mitory ny filazantsara, dia mampiomana koa
12. Nahoana moa ny hafatra momba ny Fanjakan’Andriamanitra no tsy vaovao tsara ho an’ny olona rehetra?
12 Ny hafatra momba ny Fanjakan’Andriamanitra dia tsy vaovao tsara akory ho an’ny olona rehetra, satria izany mampiomana koa ny olona ny amin’ny fandravana ho avy. Raha tokony hisy heriny mahasoa sy maharitra ny vaovao tsara, dia tokony hanjavona ny fandehan-javatra ratsy ankehitriny sy ireo izay manohana azy (Ohabolana 21:18). Ireo mpivavaka tso-po amin’i Jehovah dia tsy ho afaka hanova ny tany ho paradisa raha mbola misy soritry ny faharatsiana koa hanohy hanamatroka ny hasoany. Jehovah, izay manohana ny fitoriana ny vaovao tsara, dia tsy mandidy fotsiny mba “hitory taona ankasitrahan’i Jehovah” fa mba hanambara koa “andro famalian’Andriamanitsika”. (Isaia 61:2.) Toy izany koa, ny hafatry ny anankiray amin’ireo anjely resahina ao amin’ny Apokalypsy dia mahafaoka izao teny izao:”Matahora an’Andriamanitra, ka omeo voninahitra Izy; fa tonga ny andro fitsarany.” — Apokalypsy 14:7.
13. a) Nanao ahoana ny fihetsik’ireo kristiana voalohany teo anoloan’ny fitoriana ny filazantsara? b) Asehoy, amin’ny alalan’ny teny ao amin’ny Baiboly fa ireo kristiana voalohany dia nahatsapa ny ilàna maika dia maika ny fitoriana.
13 Noho ny fahatsapany fa ilaina maika dia maika izany, ireo kristiana tamin’ny taonjato voalohany dia nampiely ny vaovao tsara haingana araka izay azo atao. Izany koa dia anankiray amin’ireo toetra nampiavaka ny kristiana voalohany. Nanao izao famoaboasan-kevitra izao ny Encyclopédie britannique: “Ho an’ny kristiana, ny fiandrasana ny fotoan’ny farany dia tsy natao na oviana na oviana haniriana fotsiny amim-pahadodonana nefa tsy misy fanaovana na inona na inona, ny fahatongavan’ny Fanjakan’Andriamanitra.” Mifanohitra lavitra amin’izany, izy io dia “niseho kosa tamin’ny fitomboan’ny fiezahana hanomana izao tontolo izao ho amin’ny fiverenan’i Kristy sy ilay Fanjakana ho avy”. Ireo kongregasiona dia namporisihina tsy tapaka ny amin’ny fahantomoran’ny farany sy ny amin’ny hilan’izy ireo ho vonona. Takatr’ireo apostoly fa ny kristiana dia tsy maintsy tokony hitory haingana raha tiana ny hahalalan’ny olona rehetra ny vaovao tsara alohan’ny hahatongavan’ny andro famalian’i Jehovah. Izany no antony nielezan’ny kristianisma haingana dia haingana. — Romana 10:13, 14; I Tesaloniana 5:2,6; II Petera 3:11-14.
14, 15. Tamin’ny ahoana moa ny fihetsiketsehana fitoriana ny filazantsara no nisy heriny teo amin’ny fandehan’ny Tantara?
14 Na dia nosaronana sy novana aza ny hafatra momba ilay Fanjakana taorian’ny taonjato voalohany, ny fiandrasana ny farany dia mbola hery lehibe ihany. Araka izany, araka ny voalazan’ny mpanoratra tantara sasany, ny fizahan-tany nataon’i Christophe Colomb tamin’ny taonjato faha-15 dia toa hoe nisy avy amin’ny finoana fa tokony hampahafantarina tsy ho ela tany India ny vaovao tsara, talohan’ny fiverenan’i Kristy. Ny hevitra sahala amin’izany no niandohan’ny fihetsiketsehan’ny mponina taty aoriana: ny fialan’ny olona fatra-pitandrina izay noheveriny ho lalàn’Andriamanitra avy tany an-tanindrazany tamin’ny taonjato faha-17, ny fialana an-tanindrazan’ny batista sy ny “Quakeres” ary ny metodista tany Amerika tamin’ny taonjato faha-18, avy eo dia ny an’ny Alemana tany Rosia sy tany Palestina tamin’ny taonjato faha-18 sy faha-19.
15 Amin’izany, azo atao ve ny milaza fa ny fitoriana ny filazantsara natombok’i Jesosy Kristy dia nisy vokany lehibe sy maharitra? Mamaly toy izao ny Tantara: Eny. Na dia tsy notontosaina foana araka ny toromarik’i Kristy aza ny fitoriana ny filazantsara, dia lehibe ihany ny heriny teo amin’izao tontolo izao. Manamarina toy izao ny lahatsorany ny amin’ny “Kristianisma” ny Encyclopédie britannique: “Raha oharina amin’ny anton-javatra hafa rehetra, dia ny kristianisma no hery ara-panahy nisy vokany lehibe indrindra teo amin’ny tantaran’ny olombelona sy ny nanova lalina indrindra ny fandehan’izany tantara izany.”
Ny fitoriana ny filazantsara amin’izao andro izao
16. a) Inona moa no fanatsoahan-kevitra azo atao ny amin’ireo kristiana tamin’ny taonjato voalohany? b) Inona no fanontaniana ho azo apetraka momba ny fitoriana amin’izao androntsika izao?
16 Ny fandinihana filazana ara-tantara avy amin’Andriamanitra na tsy ara-pivavahana dia miafara amin’ny fanatsoahan-kevitra tokana ihany: ny kristiana rehetra tamin’ny taonjato voalohany dia mpitory ny filazantsara. Mba haha-kristiana sy hijanonana toy izany, dia nilaina ny hitoriana tsy tapaka. Nefa moa ve ny fitoriana amin’izao andro izao tsy tonga karazam-panompoam-pivavahana ambany sy tsy mahafinaritra? Izany angamba no heverin’ny olona, nefa tsy izany no fiheveran’Andriamanitra. — Ohabolana 16:25; Jeremia 8:9.
17. Ahoana moa no nanomezan’ny Vavolombelon’i Jehovah indray ny fitoriana ny filazantsara ho marika mampiavaka azy?
17 Ny tantaran’ny Vavolombelon’i Jehovah amin’ny andro ankehitriny dia mampiseho fa izy ireny dia nanome indray ho an’ny hafatra, dia ny vaovao tsaran’ny Fanjakana, ny fahazavany sy ny fahamarinany. Manaraka ny baikon’i Kristy izy ireo ka mandray anjara amin-jotom-po amin’ny fitoriana ny filazantsara mitatra indrindra hatramin’izay. Tokony hatao ny fanambarana maneran-tany alohan’ny faran’ny fandehan-javatra ankehitriny (Matio 24:14). Izany no zavatra nimasoan’ny Vavolombelon’i Jehovah indrindra tao anatin’izao zato taona faramparany izao. Ny nomerao voalohany (amin’ny teny anglisy) tamin’ny Ny Tilikambo Fiambenana (nantsoina tamin’izany hoe Zion’s Watch Tower and Herald of Christ’s Presence) dia nilazalaza toy izao ny zava-kendreny:
“Ity no nomerao voalohany amin’ny boky voalohany amin’ny ‘Zion’s Watch Tower’. Tsy hoe tsy ilaina angamba ny hilazalazana ny amin’ny zava-kendreny. Ny hoe miaina ‘amin’ny andro farany’ isika’ (...) ary irintsika hahatsapa tanteraka izany toe-javatra izany ny ‘mpianakavin’ny finoana’.” — Jolay 1879.
Taty aoriana, ny Vavolombelon’i Jehovah, antokon’olona mpitory ny filazantsara, dia niforona ho fikambanana. Ny zava-kendreny dia voalazalaza toy izao ao amin’ny fizarana faharoa amin’ny fitsipika itondrana azy:
“Ny zava-kendrena amin’ny fanorenana ny fikambanana dia ny fampielezana ireo fahamarinana ao amin’ny Baiboly amin’ny fiteny samihafa amin’ny famoahana boky, bokikely, gazety sy soratra ara-pivavahana hafa, ary amin’ny fomba hafa rehetra anomezan’ny lalàna fahefana.”
Moa ve ireo fiasana ireo nahatonga ho afaka hanatratra an’io zava-kendrena voambara io? Mamaly hoe eny ny Tantara.
18. Tamin’ny ahoana moa ny asa fitoriana ny filazantsara notontosain’ny Vavolombelon’i Jehovah no nitana ny sain’izao tontolo izao?
18 Ny fitoriana ny filazantsara tontosain’ny Vavolombelon’i Jehovah dia nitana ny sain’izao tontolo izao. Izany dia notononina tamin’ny alalan’ny filazam-baovao, ny fitsarana lehibe indrindra ary ny boky ara-tantara. Raha 6 000 no indray nivoaka tamin’ny nomeraony voalohany nivoaka isam-bolana, tamin’ny fiteny iray monja, Ny Tilikambo Fiambenana izay ity nomeraony ity dia 10 050 000 no indray mivoaka, amin’ny fiteny 102, dia tonga ny gazety ara-pivavahana fatra-piely indrindra maneran-tany. Nanomboka tamin’ny faran’ny taon-jato fahasivy ambin’ny folo, rehefa nisy fanokanana isan-taona ora an’arivony vitsivitsy nitoriana ny filazantsara, ny asa fitoriana dia nitatra tamin’ny fomba mahagaga. Tamin’ny 1982, ny Vavolombelon’i Jehovah dia nandany 384 tapitrisa ora tamin’ny fitoriana sy nizara zavatra vita an-tsoratra 286 tapitrisa. Afa-tsy izany, dia tokantrano maherin’ny iray tapitrisa sy sasany no mahazo fampianarana ny Baiboly maimaim-poana any amin’ny tany sy faritany 205. Izany rehetra izany dia notanterahin’ny mpitory ny filazantsara azo lazaina hoe vitsy: 2 477 608 tamin’ny 1982.
19. a) Iza moa no lazain’ny Vavolombelon’i Jehovah fa fototry ny fahombiazana amin’ny asany fitoriana ny filazantsara? b) Raha mpitory ny filazantsara ianao inona no tokony hataonao araka ny Matio 10:7?
19 Moa ve ny Vavolombelon’i Jehovah mihevitra izany vokatra mahagaga izany ho avy amin’ny fahaizany ara-tsaina manokana na ny herin’ny tenany? Tsia, ny voninahitra rehetra dia an’ilay Andriamanitsika hendry sy Tsitoha, dia Jehovah, ilay Mpitory ny filazantsara lehibe indrindra. Inona àry no hataonao? Raha ekenao ny toerana tanan’ny fitoriana ny filazantsara ao amin’ny fanompoam-pivavahana marina ary raha irinao amim-pahatsorana ny hahazo sitraka amin’i Jehovah, dia mitoria ny filazantsara tsy tapaka isan-kerinandro isan-kerinandro na, raha raisina ny tenin’i Jesosy, “MITORIA”. — Matio 19:7.
Afaka mamaly ve ianao?
□ Ahoana no nanohanan’i Jehovah ny fitoriana ny vaovao tsara?
□ Inona no anjara noraisin’ireo anjely tamin’ny fitoriana ny vaovao tsara?
□ Variana tamin’ny asa inona moa i Jesosy Kristy?
□ Nahoana moa no azo atao ny milaza fa mba hahatongavana ho tena kristiana dia ilaina ny hitoriana ny filazantsara?
□ Inona moa no fanantenana velona hatrany teo amin’ireo mpianatr’i Kristy?