FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • w83 15/9 p. 4-6
  • Eo am-pitadiavana ilay anarana nanjavona

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Eo am-pitadiavana ilay anarana nanjavona
  • Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1983
  • Lohatenikely
  • Mitovitovy Aminy
  • Nampiasaina ve io anarana io fahiny?
  • Moa ve ny Baibolinao mitondra ny mariky ny lovantsofina jiosy?
  • Inona ireo antony omeny?
  • Ny anaran’Andriamanitra sy ireo mpandika tenin’ny Baiboly
    Ny Anaran’Andriamanitra Izay Haharitra Mandrakizay
  • Jehovah
    Fandresen-dahatra Miorina Amin’ny Soratra Masina
  • Nahoana no Misy Tsy Mahalala Tsara An’Andriamanitra?
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2010
  • Iza ilay anarana?
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1965
Hijery Hafa
Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1983
w83 15/9 p. 4-6

Eo am-pitadiavana ilay anarana nanjavona

REHEFA nanomboka nanoratra ny tantaran’ny taranak’olombelona efa ho 3 500 taona lasa izay i Mosesy, ilay mpitarika ny firenen’Isiraely, dia nanao izany tsotra izao tamin’ny fitenin-drazany, ny teny hebreo. Hitantsika indray ny asa fitantarany ankehitriny ao amin’ny dimy voalohany amin’ireo boky 39 mahaforona ny Soratra hebreo, fantatra kokoa amin’ny anarana hoe Testamenta Taloha. Ao amin’io fitambaram-boky rehetra io dia miverina eo amin’ny im-7 000 ny anaran’Andriamanitra manokana. Nefa inona moa izy io raha ny marina?

Masina loatra io anarana io ka nanome didy manokana ho an’ny Isiraelita ny Mpamorona ny amin’ny fampiasana azy. Nanambara izy hoe: “Tsy hanonona foana ny anaran’i Iave [heb. יהוה], Andriamanitra ianao”(Eksodosy 20:7, Osty), na: “Tsy handray mihitsy ny anaran’i Jehovah Andriamanitrao tsy amin’ny antony ianao”(Crampon 1905). Fantatrao ve io anarana hoe “Iave”na “Jehovah” io, sa vaovao aminao izy io?

Aoka isika hiverina amin’io didy io. Moa ve Andriamanitra nandrara tsotra fotsiny ireo Jiosy tsy hampiasa na hanonona ny anarany? Tsy izany mihitsy. Tsy azon’izy ireo natao fotsiny ny nanao izany tamin’ny fomba ratsy.

Nahoana raha mamaky io andalan-teny araka ny Baiboly io (Eksodosy 20:7) ao amin’ny Baibolinao manokana? Mety ho gaga ianao. Marina tokoa fa na dia eo aza ny fahasamihafana kely, dia toy izao no hita ao amin’ny fandikan-teny maro: “Tsy hanonona tsy an-drariny ny anaran’ny TOMPO Andriamanitrao ianao.” (Fandikan-teny eokomenikan’ny Baiboly, 1977). Na koa: “Tsy hiantso mihitsy ny anaran’ny Mandrakizay Andriamanitrao ho fanohanana lainga ianao”. — Baibolin’ny Rabbinat frantsay (1906).

Tsy nahamarika zavatra hafahafa ve ianao? Nisy mihitsy. Ao amin’ny fandikan-tenin’ny Baiboly maro dia nesorina ny anaran’Andriamanitra. Hevero kely: ny anarana lehibe indrindra eo amin’izao rehetra izao dia nofoanana tao amin’ireo Baiboly an-tapitrisany maro, tao amin’ireo fandikan-teny sasany fatra-piely indrindra eo anivon’ny fivavahana lazaina fa kristiana sy ny jodaisma. Toa manonofy ny tena!

Moa ve vokatry ny fahadisoan-kevitra tsotra izany sa fanandramana nikendry tamin-kiry ny hanambany an’i Jehovah Tompom-piandrianana? Raha tsy maintsy tazonina ilay hevitra farany dia fandrebirebena faran’izay lehibe mahakasika ny fifandraisanao amin’ny Mpamorona izany.

Nampiasaina ve io anarana io fahiny?

Ny anaran’Andriamanitra dia nampiasaina hatramin’ny fiandohan’ny tantaran’olombelona. Ahoana no ahazoantsika manamafy izany? Ny fitantarana ao amin’ny Baiboly dia manambara hoe: “Ary Adama nahalala an’i Eva vadiny; dia nanan-anaka Eva ka niteraka an’i Kaina, ary hoy izy: Efa nahazo zazalahy tamin’i Jehovah aho. Ho hitanao eto ambany ny faran’io soratra hebreo io miaraka amin’ny dikany ara-bakiteny amin’ny teny Malagasy eny anelanelany (arak any The NIV Interlinear Hebrew-English Old Testament):

יקָנִיתִ וַתּאֹמֶר קַיִן אֶת־

Niteraka-aho ary-izy-nilaza Kaina ***

וַתֹּסֶף יְ הוָה ‏׃ אֶת־ אִישׁ

ary-izy-nanohy (2) Iave niaraka lehilahy

Ny fandikan-teny eny anelanelan’ny andalan-tsoratra hebreo-anglisy dia mamoaka tsara ny anarana mampiavaka an’Andriamanitra amin’ny endriny hoe “Iave” (amin’ny teny anglisy “Yaweh”). — Genesisy 4:1.

Inona no azontsika tsoahina avy amin’izany? Fa ireo mponina voalohany tetỳ an-tany dia nahafantatra tsara ny anarana manokan’ny Mpamorona azy. Io anarana io dia nampiharina hatrany tamin’ilay hany Andriamanitra marina nandritra ny fanoratana manontolo ny Soratra hebreo, izay naharitra nihoatra ny arivo taona. Amin’izany dia mipetraka ity fanontaniana manaraka ity: Oviana ary tamin’ny fomba ahoana no nanombohana nanafenana ny anaran’Andriamanitra hoe “Jehovah”na “Iave”?

Moa ve ny Baibolinao mitondra ny mariky ny lovantsofina jiosy?

Tsy mora ny mamaritra ny daty izay namelana ny fampiasana ny anaran’Andriamanitra. Ny filazana sasany anefa dia mampiseho fa talohan’ny taona 70 ireo Jiosy mpanaraka lovantsofina dia nanaiky finoanoampoana izay nampitsahatra azy ireo tsy hampiasa io anarana io. Na dia nampiasaina hatramin’ny taonjato maro aza izy io, ireo manamboninahitry ny jodaisma dia toa namoaka didy fa hatramin’izao dia masina loatra izy io ka tsy azo tononina, ary ny hany fomba hisorohana ny fanaranam-po loatra dia ny fandrarana tsotra fotsiny izao ny fampiasana azy. Fandrindran-kevitra hafahafa raha ny marina! Raha alefa lavitra kokoa ny fanjohian-kevitra, dia tokony ho afaka handrara ihany koa ny fanambadiana izy ireo mba mody hoe ho fisorohana ny fanitsakitsaham-bady!

Nefa nanan-kery teo amin’ireo mpandika ny Baiboly teo anivon’ny fivavahana lazaina fa kristiana ve io lovantsofina jiosy io? Nanome voninahitra ny anaran’Andriamanitra ve izy ireo sa nanohy nampaharitra ny fahadisoan’ireo Jiosy tamin’ny fanafoanana azy koa? Mety ho misy tsiininy ve ny Baibolinao amin’io lafiny io? Ampy ny mijery ny fandikan-teny ankehitriny vitsivitsy mba hamantarana ny valin’ireo fanontaniana ireo.

Izao ohatra, no vakina ao amin’ny fampisehoana ny Bible en francais courant (1983, Fikambanan’ny Baiboly eran’izao rehetra izao): “Raha ny momba ny anaran’ireo andriamanitra narahina amin’ny ankapobeny ny fomba fanao (...). Fa raha ny amin’ny anarana saro-pantarina manokan’ny Andriamanitry ny Isiraely, YHWH, ny fandikan-teny dia naniry hanaja ny fomba fanaon’ny jodaisma (...) izay milaza fa io anarana io dia tsy tokony hotononina fa hosoloana amin’ny mitovitovy aminy toy ny hoe Ny Tompo.” (Izahay no manipika).

Misy mpandika teny frantsay hafa ihany koa toa miaro tena amin’ny fialan-tsiny ao ambadiky ny lovantsofina jiosy mba hampanjavonana ny anarana manokan’Andriamanitra. Araka izany, ny Fandikan-teny eokomenikan’ny Baiboly (1977) dia manolotra izao fanazavana manaraka izao ao amin’ny fanamarihana ambany pejy: “Ny Jiosy dia naka fahazarana tsy hanonona io anarana io intsony (mba tsy hankaharana ny hanononana azy amin’ny fomba diso, jereo [Eksodosy] 20:7) fa hilazana kosa hoe Ny Tompo (matetika indrindra) na hanoloana azy amin’ny fitenenana hafa (...). Rehefa manome ny anarana manokana hoe Iave na ny anankiray amin’ireo anarana solony ny soratra hebreo, izy ireny dia adika amin’ny hoe Ny TOMPO (...).” Etsy ankilan’izany, ny fandikan-tenin’i Segond nohavaozina (1978) dia mampiseho ao amin’ny diksioneran’ny teny sarotra, eo amin’ny fampidirana hoe MANDRAKIZAY (NY), ity fanamarihana ity: “Io anaram-boninahitra io dia mandika ilay teny hebreo izay adika araka ireo fandikan-teny amin’ny hoe: Ny Tompo, Iave, na hoe Jehovah mihitsy aza. Hatramin’ny fotoana elaela (...), io anarana io dia tsy notononina intsony...”

Tsy misy aloky ny fisalasalana fa ny lovantsofina jiosy dia nandray anjara tamin’ny tsy fahalalana izay, nanerana izao tontolo izao, dia nandrakotra ny anarana lehibe indrindra eo amin’izao rehetra izao. Ary mpandika tenin’ny fivavahana lazaina fa kristiana maro no nanaraka izany an-tsitrapo. Fa nahoana? Inona no antony tsy anirian’izy ireo ny hahitanao ny anaran’i Jehovah na Iave ao amin’ny Baibolinao?

Inona ireo antony omeny?

David Clines, lehiben’ny mpandahateny ao amin’ny fizarana fianarana Baiboly ao amin’ny oniversite anglisy any Sheffield, dia manoro antsika tamin’ny tsy fahalalana izany, ireo antony miafina. Tao amin’ny revio Theology dia nanoratra izy hoe: “Ny tsy fisian’ny teny hoe Iave ao amin’ny fieritreretana kristiana dia nanana ho vokatra voalohany, ny firehana hanakambana ny zavatra rehetra amin’i Kristy, amin’ny fanaovana azy ho fampisehoana tokana ny maha-andriamanitra.” Avy eo, rehefa avy nanonona indrindra io fanohanana ny teniny ny sasany amin’ireo hira litorjika izay maneho io fironana io ny profesora Clines dia nanampy hoe: “Hitantsika indray amin’ny fampiharana izay handrarana tena an-ditra amin’ny hevitra, dia ny fampiraisana mifantoka amin’ny persona faharoa amin’ny trinite.” Nanao famaranana toy izao izy: “Amin’ny fampiharana, ny hevitra momba ny trinite dia mirona ho amin’ny fanomezana toerana ampovoany ho an’ny tena sy ny asan’i Kristy. Hatramin’izay, amin’ny teolojia toy ny amin’ny litorjia, ny anjaran’ny Ray [Jehovah] sy ny an’n y Fanahy dia mandrakariva eo ambany fahefan’ny Zanaka.”

Niafara tamin’ny inona izany rehetra izany? Teo imason’ny Jiosy, Jehovah Mpanjaka Tompo dia nanjary fiheveran’ny saina tsy manana anarana tsy an-drariny, “Fisiana tsy azo lazaina”. Ao an-tsain’ny protestanta maro, izy dia nikambana tao amin’i Kristy ka nahataka ho amin’ny toerana faharoa ao amin’ireo fitambaran’andriamaniny telo. Ary farany, ao amin’ny litorjia katolika, Jehovah dia tsy hoe nososohana an’i Jesosy Kristy fotsiny fa an’i Maria, renin’i Jesosy, koa. Ahoana izany? Satria araka ny hevitra momba ny trinite, Maria koa dia heverina ho toy ny “Renin’Andriamanitra”. Izany koa dia nandray anjara tamin’ny fanilihana an’i Jehovah tsy ho eo am-pon’ny katolika antonontonony.

Nefa aminao, iza moa Jehovah? Hanao izay ilaina ve ianao mba hahafantarana azy akaiky? Ny fanapahan-kevitra horaisinao manokana momba io raharaha io dia mahatafiditra ny ho avinao, satria Jehovah nanambara hoe: “Ary hohamasiniko ny anarako lehibe izay efa nolotoinareo tany amin’ny jentilisa, ka dia ho fantany fa Izaho no Jehovah, hoy Jehovah Tompo, rehefa miseho ho masina eo imasony Aho amin’ny ataoko aminareo.” — Ezekiela 36:23.

Soa ihany fa ho an’ny olombelona, Jehovah dia nanangana, amin’izao taonjatontsika faha-20 izao, ny Vavolombelony izay manambara amim-pahasahiana ny anarany sy ny fikasany. Raha maniry hahafantatra ilay Andriamanitra marina ianao, dia mifandraisa amin’ny Vavolombelon’i Jehovah eo amin’ny tanàna misy anao na amin’ny mpampanonta ity gazety ity. Maimaimpoana ary tsy misy fihazonana na kely akory aza, dia ho faly izy ireo hanampy anao hahafantatra an’i Jehovah Raintsika any an-danitra.— Isaia 42:10; Matio 6:9.

[Teny notsongaina, pejy 5]

Miverimberina eo amin’ny im-7000 eo ny anarana manokan’Andriamanitra ao amin’ny Soratra Masina hebreo. Hitanao tao amin’ny Baibolinao ve izy io?

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2026)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2026 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara