Mety ho kilalaon’ny fandrebirebena ve ianao?
Koa satria manana anarana i Jesosy, nahoana ny Rainy no tsy hanana?
ANKEHITRINY, manerana izao tontolo izao, ny fivavahana dia namela olona misalasala an-tapitrisany maro dia maro. Kanefa ireo tsy mpino dia angamba ho gaga tokoa hahafantatra fa ny tenan’Andriamanitra mihitsy dia tsy faly amin’ny ankamaroan’ireo antokom-pivavahana. Anisan’ireo zavatra maro anakianany azy ireo dia ao any anankiray amin’ny fandrebirebena faran’izay manala baraka teo amin’ny Tantara, nataon’ireo fivavahana izay milaza tena indrindra fa kristiana. Io fitaka io dia mahakasika ny amin’ny fanambarana fototra: ny maha-izy an’Andriamanitra.
Ireo mpino ao amin’ny Fiangonan’ny fivavahana lazaina fa kristiana tokoa dia matetika kokoa no mahafantatra ny Mpamorona amin’ny fanononana anarana milaza toetra toy ny hoe “Andriamanitra”, “Tompo”, “Ny Tsitoha”, “Ny Mandrakizay”, etsetsa. Milaza ve izany fa tsy manana anarana manokana ny Avo Indrindra? Talohan’ny nanafahany ireo Isiraelita andevo tany Egypta, io Andriamanitra manan-kery hahefa ny zavatra rehetra io dia nanambara ny fikasany: Niriny ‘hambara any amin’ny tany rehetra ny anarany’. (Eksodosy 9:16.) Miharihary fa manana anankiray izy. Ary ilay Andriamanitra izay tamin’ny fanatrehany fotsiny dia nampiseho fahitana nanaitra tamin’ny fampihovitrovitana ny tendrombohitra Sinay (izay aseho eo amin’ny fonon’ny gazety) rehefa nampita ireo Didy folo tamin’ny vahoakany tamin’ny alalan’i Mosesy mpaminany dia niharihary fa tsy nanafina ny anarany. Tamin’izay toe-javatra izay tokoa dia nahazo izao fameperana manaraka izao indrindra ireo Isiraelita: “Aza manonona foana ny anaran’i Jehovah Andriamanitrao.” (Eksodosy 19:16 ka hatramin’ny 20:18). Mety ho avy amin’ny andriamanitra iray tsy manana anarana ve ny didy toy izany?
Ireo izay milaza tena fa kristiana dia tokony hahafantatra ny anaran’Andriamanitra. Marina fa tsy mifady ny fampiasana ny anaran’ny Zanak’Andriamanitra izy ireo. Mifanohitra amin’izany anefa fa tsy manonona afa-tsy mahalana tokoa ny anarana manokan’ny Rainy izy ireo, mba tsy hilazana hoe tsy manao izany mihitsy. Kanefa fony tetỳ an-tany Jesosy Kristy, dia ny tenany mihitsy no nivavaka tamin’ny Rainy tamin’ireto teny ireto: “Nampahafantariko azy [ny mpianatra] ny anaranao ary mbola hampahafantariko ihany.” — Jaona 17:26.
Raha heverina izay voalaza teo aloha, dia miharihary mazava fa tena manana anarana marina tokoa Andriamanitra. Ny Rainay izay any an-danitra, ilay vavaka modely nampianarin’i Jesosy, dia eo ka mba hanampy antsika amin’io hevitra io. Tsy izany ihany fa Jesosy mihitsy no nampianatra an’ireo mpianany hangataka amin’ny alalan’io vavaka io mba “hohamasinina” na hohajaina fatratra toy ny masina ny anaran’ilay Ray any an-danitra (Matio 6:9). Raha izany no izy, nahoana izy io no tsy ampiasaina ao amin’ireo Fiangonan’ny fivavahana lazaina fa kristiana? Ankoatr’izany, nahoana io anarana io no tsy manan-toerana ao amin’ireo fandikan-tenin’ny Baiboly maro ankehitriny?
[Sary, pejy 3]
NY TSITOHA
NY MANDRAKIZAY
ANDRIAMANITRA
NY TOMPO
RAY