Ireo nosy izay nanombohan’ny zavatra rehetra tamin’ny dian’ny mpivady vao
Enimpolo taona mahery nitoriana ilay Fanjakana tany amin’ny nosy “Sous-le-Vent”
TOY ny vakana vatosoa maitso, ny nosy Sous-le-Vent (na Leeward Islands) mampanofinofy dia mahaforona ny sisiny andrefana amin’ny ranomasin’i Karahiba. Tamin’ny 1920 i W. Brown sy ny vadiny, mpivady vao, dia nankany Montserrat mba hanambara ny vaovao tsaran’ny Fanjakana tany. Tao anatin’ny taona dia nanao fanambarana koa ho an’ny mponina tao amin’ny nosy Dominique, La Barbade sy Grenade, izy ireo.
Ny amin’ny asan’izy ireo tany amin’ireo nosy ireo, dia izao no nambaran’i W. Brown: “Izany dia volan-tantely nahafinaritra lany tamin’ny fanompoana an’i Jehovah an’i Jehovah.” Rehefa afaka roa taona taty aoriana, dia nanoratra izao andalan-tsoratra manaraka izao ho an’ny Fikambanana Watch Tower izy: “Noho ny fanampian’i Jehovah, dia nanao fanambarana tao amin’ny tapany lehibe amin’i Karahiba aho; afaka nanao mpianatra tao amin’ny maro tamin’ireo nosy ireo aho. Moa ve aho tokony hitsidika azy ireny indray?” Ho valiny, dia nangatahina izy mba ho any Sierra Leone, any Afrika andrefana, niaraka tamin’ny vadiny sy ny zanany iray.
Mitohy ny asa fanaovana mpianatra
Amin’izao andro izao, eo amin’ny enimpolo taona aty aorian’ny nahatongavan’ny fianakaviana Brown, dia Vavolombelon’i Jehovah maherin’ny 700 no mitory amim-paharisihana ny “vaovao tsara” any amin’ireo nosy Sous-le-Vent. Ambon’izany, dia olona maro no mbola mankafy ny hafatra ao amin’ny Baiboly.
Aoka horaisintsika ny ohatra ny amin’ity vehivavy be taona monina any Dominique, nosy be tendrombohitra. Tamin’ny fianarany Baiboly, dia nodinihina ny Salamo 143:1, 10. Izao no vakintsika ao: “Jehovah ô, henoy ny fivavako (...). Ampianaro hanao ny sitraponao aho; fa Hianao no Andriamanitro”. Tamin’izay fotoana izay, dia nanganohano ny masony ka nirotsaka ny ranomasony; hoy ny fanazavany: “Taona maro izay no nangatahako tamin’Andriamanitra mba hanirahany olona ho afaka hanampy ahy hahalala azy. Fantatro izao fa vao novaliana ny vavako.”
Noho ny famporisihan’ny mpiandraikitra mpitety faritany, ny tanora telo dia tapa-kevitra ny ho any amin’ny faritra iray lavitra kokoa ny nosy Dominique mba hampiely any ny “vaovao tsara”. Nahitana fahombiazana ny fiezahan’izy ireo. Fotoana fohy taorian’ny nahatongavan’izy ireo, dia nitarika fampianarana ny Baiboly 16 izy ireo. Indray andro, raha nijanona tao an-tranony ny anankiray tamin’izy ireo satria narary, dia nisy mpianatra ny Baiboly liam-pahalalana nankany an-tranon’ireo mpitory noho ny fanantenana hahita olona izay hampianatra azy ireo ny Soratra Masina.
Tany amin’ny vohitra mitokana iray any anaty ala tropikaly mando any Dominique, ny vehivavy katolika iray dia nandray ny boky Ny fahamarinana izay mitarika ho amin’ny fiainana mandrakizay, natolotry ny Vavolombelon’i Jehovah azy. Nandritra ny herintaona mahery, dia napetrany teo amin’ny latabatra an-doha fandriany izany; namaky tapany taminy teo am-pandriany izy indraindray. Indray andro, dia niato tamin’ity fehezanteny ity izy: “Anaka, arovy ny tenanareo amin’ny sampy.” (I Jaona 5:21). Nisy heriny lalina teo aminy io andininy ao amin’ny Soratra Masina io, hany ka nampidininy avy eo amin’ny fitoerany ny sarin’ny “olo-masina” tiany indrindra, avy ao an-joron-trano, ka nodinihiny tamin’ny antsipiriany araka ny fanazavan’izay vao novakiny. Nandritra ny taona maro izy dia nivavaka teo anoloan’io sampy tsy foiny io. Tsy navelany hihazakazaka tao an-trano ny zanany sao manelingelina azy io. Tamin’io andro io anefa, dia hitany tao an-damosin’ilay tsangambato ny lavaka ratsy iray nataon’ny totozy tendàna dantelina sy sokay. Teo imason’ireo zanany talanjona, dia nentiny nankany an-jaridaina ilay tsangambato ka nariany tany anaty fako tamin’ny fanamontsamontsanana azy.
Rehefa vitany ny fianarana ny boky Fahamarinana noho ny fanampian’ny fianakaviana iray, Vavolombelona, izay niverina tao amin’ilay nosy, dia niara-natao batisa io vehivavy io sy ny zanany lahy ary ny zanany vavy. Taty aoriana, tao amin’io vohitra io ihany, ny fianakaviana iray misy olona enina dia nanomboka nianatra ny Baiboly; amin’izao fotoana izao dia mpanompon’i Jehovah vita batisa daholo izy mianakavy. Hatramin’ny fotoana elaela, dia olona 14 no mivory tsy tapaka ao amin’ilay toerana mba hianatra ny Soratra Masina sy hiresaka amin’ny namany ny amin’ny fahamarinana izay mitarika ho amin’ny fiainana mandrakizay.
Ny fifindra-monina sy ny asa fanaovana fanambarana
Koa satria olona be dia be no tonga mandany fotoana vitsivitsy any amin’ireo nosy Sous-le-Vent, na amin’ny maha-mpizaha tany, na mba hiasa any, dia tsy mahita foana ny vokatry ny fiezahany ireo Vavolombelon’i Jehovah. Porofon’izany ity taratasy ity, voaray tsy ela izay tao amin’ny sampan’ny Fikambanana Watch Tower ho an’ireo nosy Sous-le-Vent, izay ny foibeny dia any Antigua:
“Manoratra ho anareo aho mba hanandrana hifandray amin’ny rahavavy iray niara-nianatra Baiboly tamiko tamin’ny 1970. Tsy tsaroako ny anarany. Tamin’izany aho dia nikiry nifikitra tamin’ny fivavahako ary nampanahirana azy loatra. Rehefa nandao an’i Antigua aho mba hiverina aty Mississipi (Etazonia), dia niha-tsy afa-po hatrany tamin’ny fivavahako sy ireo fanovana maro karazana nampiharina taminy. Tamin’izay dia nisy Vavolombelon’i Jehovah roa tonga tao am-baravarako, ary nianatra ny Baiboly indray aho. Amin’izao andro izao, dia enina izahay mianakavy no vita batisa, ary ireo zanakay roa kely indrindra, valo sy folo taona, dia tia ny fahamarinana koa. Tiako ny hilaza amin’io rahavavy tsara fanahy io fa tena malahelo tokoa aho noho ny nitondrako azy tamin’ny fomba ratsy toy izany, satria voatery milaza aho fa tamin’izany fotoana izany dia tsy nieritreritra ny teny nolazaiko aho. Na ahoana na ahoana, dia tsy very maina foana akory ny fiezahany.”
Mampitombo Jehovah
Teo anoloan’ny fitomboan’ny isan’ny mpitory ilay Fanjakana, ny Vavolombelon’i Jehovah dia niezaka mba hahita toerana fivoriana mety hatao Efitrano Fanjakana. Tamin’ny 1977, ny efitrano tsara tarehy iray mahalany toerana 500, ny anankiray amin’ireo lehibe indrindra misy any amin’ireo nosy, dia vita tany Antigua. Faly ireo kongregasiona efatra tao amin’ilay nosy afaka nampiasa izany ho amin’ireo fivoriambeny sy ireo fivoriana manokana. Tao amin’ny vohitra maromaro amin’ireo nosy Sous-le-Vent, ny Vavolombelona dia nanome tany hanorenana efitrano, nandray anjara tamin’ny asa fihadian-tany ary nanohana ara-bola tamin’ny fanorenana.
Hatramin’ny andro nanontanian’i W. Brown tena raha fahendrena ny hitetezana indray ireo nosy Sous-le-Vent, ny Vavolombelon’i Jehovah dia nandany ora an’arivony maro nanambarana ny vaovao tsara. Ary ny zavatra rehetra dia mampiseho fa ilaina foana ny hitsidihana azy ireny indray. Nisy olona maro nankafy tamim-pahatsorana ny fahamarinana tokoa tamin’ireo mpanatrika 1 905 tonga tamin’ny 1982 tamin’ny Fahatsiarovana ny nahafatesan’i Jesosy Kristy. Maro amin’ireny olona ireny no mandray anjara tsy tapaka ao an-tokantranony amin’ny fianarana Baiboly tarihin’ny Vavolombelon’i Jehovah iray. Noho io asa io sy ny lafiny hafa rehetra amin’ny fitoriana ilay Fanjakana, ireo nosy ireo dia mbola mandre foana izao hafatra mameno hafaliana izao: “Tonga mpanjaka ny tenan’i Jehovah!”—Salamo 97:1, MN.
[Sarintany/Sary, pejy 28]
(Jereo ny gazety vita boky)
Nosy “Sous-le-Vent”
Oseana Atlantika
Ranomasin’i Karahiba