FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • w83 1/9 p. 27
  • Indray mitopy maso amin’ny vaovao

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Indray mitopy maso amin’ny vaovao
  • Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1983
  • Lohatenikely
  • Mitovitovy Aminy
  • Fahatsinjovana ho avy vaovao eo amin’ny fifaninanana manao fitaovam-piadiana
  • Ny fahavalon’ny fahasalamam-bahoaka lehibe indrindra
  • Ny vola sy ny fikarohana ara-tafika
  • Iza no Afaka Mitondra Fandriampahalemana Maharitra?
    Mifohaza!—1996
  • Ilay Zanabolana Voatr’olombelona Iraisam-pirenena — Laboratoara Mihodinkodina
    Mifohaza!—1999
Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1983
w83 1/9 p. 27

Indray mitopy maso amin’ny vaovao

Fahatsinjovana ho avy vaovao eo amin’ny fifaninanana manao fitaovam-piadiana

Ny tafika ana habakabaka amerikana izao dia manana fizarana momba ny habakabaka. Milaza izany fa ireo mpandamina ara-tafika manaraka planina dia mihevitra ny “cosmos” ho toy ny mety ho saha fiadiana vaovao. Na dia efa hatramin’ny ela be aza no misy fampiasana zanabolana fandinihana, amin’izao andro izao dia eo am-pamoronana fitaovana karazany hafa tanteraka. “Izany dia fitaovam-piadiana manana ny maha-izy azy fa tsy fiasana fanampiny fotsiny amin’ireo ady ara-tafika an-tanety, hoy ny novakina tao amin’ny revio Scientific America. Izany dia mampiseho ny mety hisian’ny fahatsinjovana ho avy vaovao amin’ny fifaninanana manoa fitaovam-piadiana [...]. Arak any minisitera [amerikana] momba ny Fiarovam-pirenena, amin’izao andro izao I U.R.S.S. dia toa hoe afaka mitarika zanabolana fitsofohana hatramin’ny iray kilaometatra latsaka avy eo amin’ny zanabolana kendrena iray ka avy eo dia manapoaka tafondro.”

Ny amin’ny fandaharana amerikana momba ny fitaovam-piadiana ana habakabaka, dia izao no nambaran’ilay revio voalaza eo ambony: “Misy fiasana hanao fitaovam-piadiana famelezana zanabolana sy fiadiana hevitreverina hampiasana “laser” mahery dia mahery sy fehezana sombin-javatra bitika mba hametrahana izany eny amin’ny lalana alehan’ireo planeta manodidina ny masoandro [...]. Ny fomba fiarovana mandaitra indrindra dia ny karazana ady ana habakabaka mahatsiravina indrindra koa; izany dia ho ny fipoahana noklehera eny amin’ny habakabaka.”

Tao amin’ny faminaniany momba ny faran’ny fandehan-javatra ankehitrin, dia nanambara Jesosy Kristy fa na dia ny lanitra koa aza dia hohozongozonina. Ny olona tokoa dia nanafika ny lanitra sy ny habakabaka eny anelanelan’ny kintana. Notapahiny ny fifandanjana araka ny natiora. Rehefa mahita ny fifaninanana manao fitaovam-piadiana mitatra eo amin’izao rehetra izao ny olona mieritreritra dia vao mainka mahatsapa ny halehiben’ireto tenin’i Jesosy manaraka ireto: “Ny herin’ny lanitra hohozongozonina.” — Matio 24:29; Lioka 21:25, 26.

Ny fahavalon’ny fahasalamam-bahoaka lehibe indrindra

C. Everett Koop, filohan’ny Sampan-draharaha federaly amerikana momba ny fahasalamam-bahoaka dia nanizingizina vao haingana fa ny herisetra amin’ny endriny maro karazana no fahavalon’ny fahasalamam-bahoaka lehibe indrindra. Toa tsy misy olona mahafantatra hoe nahoana ny herisetra no mitombo hatrany, hoy ny fanazavany. Tany New York dia tratra ny isa be indrindra tamin’ny famonoana olona 1 826 tamin’ny 1981, ka izany dia mampiseho fitomboana 63 isan-jato hatramin’ny 1970. Araka ny filazan’ny tompon’andraikitra iray ao amin’ny polisy any New York, ny anankiray amin’ny antony lehibe indrindra mahatonga izany fitomboana isa izany dia avy amin’ny famonoana olona atao noho ny haitraitra, ny fahasosorana na famoizam-po, ka matetika tokoa no tanora no manao izany. “Mahita tanora roa ambin’ny folo, telo ambin’ny folo, efatra ambin’ny folo na dimy ambin’ny folo taona nahavita heloka feno halozana sy mahavàka indrindra izahay”, hoy ny nambarany.

Koa zavatra mitana ny saina maneran-tany ny herisetra amin’izao fotoana izao, dia tena miaina amin’ny andro sahala amin’ny an’ny Noa, talohan’ny safodrano, tokoa isika. Tamin’izany fotoana izany, hoy ny lazain’ny Baiboly amintsika, dia “heni-doza ny tany”. (Genesisy 6:11-13.) Jesosy tokoa dia nampitaha ny andron’i Noa tamin’ny an’ny faran’ny fandehan-javatra ratsy ankehitriny tamin’izao teny izao: “Fa tahaka ny andron’i Noa, dia ho tahaka izany koa ny fihavian’ny Zanak’olona.” (Matio 24:37). Ao amin’io faminaniana io ihany koa, eo amin’ny andininy faha-12, dia nambarany koa “ny haben’ny tsi-fankatoavan-dalàna”. Izany fitomboan’ny tsy firaharahana lalàna sy ny herisetra mampivarahontsana izany dia mampiharihary tokoa fa madiva hifarana izao fandehan-javatra izao.

Ny vola sy ny fikarohana ara-tafika

Ny papa Jean-Paul II dia namotsipotsitra vao haingana ny fihetsika mahatafintohina asehon’ireny “mpahay siansa ireny izay miasa ho an’ny fandringanana amin’ny fanatsarana fitaovam-piadiana”. Raha ny marina anefa, inona no anjara raisin’ireo sekoly katolika lehibe amin’io zavatra mahatafintohina io? Teo am-pifaranan’ny fandinihana iray natao momba izany, ny National Catholic Reporter dia namoaka tao amin’ny pejy voalohany, lahatsoratra iray mitondra ny lohateny hoe “Mitombo ny fikarohana ara-tafika ao amin’ny ankamaroan’ireo sekoly katolika lehibe”. Izao no novakina tao: “Ireo tompon’andraikitra ao amin’ny oniversite dia matetika no tsy misahirana manao fandinihana ny fieritreretana toy izany ny amin’ny fanekena ataony amin’ny tafika sy ny fikarohana ara-tafika. [...] NCR dia tsy nahita afa-tsy fianarana katolika iray, ny Oniversite Santa Clara, izay mandinika tsara ny fitarihana ny fikarohana ataony hifanaraka amin’ny hevitry ny Eglizy katolika ankehitriny raha ny amin’ny ady sy ny fandriampahalemana.” Nanao izao fanamarihana izao ny prezidan’ny Oniversite Santa Clara: “Ny fianarana rehetra izay mampiofana injeniera dia tsy maintsy hanao fisafidianana”, indrindra fa satria “vetivety dia atolotra ny vola be dia be lavitra amin’ny fikarohana ara-tafika”.

Hita àry fa manintona kokoa noho ny feon’ireo filohan’ny klerjy ny vola. Ary na dia nitsangana hanohitra an-karihary ny ady noklehera aza ny eveka sasany, ireo mpanao raharaha ambony ao amin’ny Eglizy dia tsy mbola nilaza fandavana ihany rehefa hoe hanohana an’ireo fireneny avy tamin’ny ady rehetra nataony tao anatin’ireo taona. Eo anoloan’izany fihetsika roa isalasalana izany, dia fianarana katolika be dia be no tsy isalsalana fa mahatsiaro ho mahazo lalana handray anjara amin’ny fikarohana ara-tafika nefa tsy enjehin’ny fieritreretana loatra.

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2026)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2026 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara