FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • w83 1/8 p. 9-12
  • Nahazo torohevitra avy amin’ny loholona iray i Timoty

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Nahazo torohevitra avy amin’ny loholona iray i Timoty
  • Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1983
  • Lohatenikely
  • Mitovitovy Aminy
  • Ny fifandraisan’i Paoly sy Timoty
  • “Mahareta amin’izay zavatra nianaranao”
  • “Tano ny mariky ny teny tsy misy kilema”
  • ‘Mitondrà tsara’
  • “Aoka ho tonga fianarana ho an’ny mino hianao”
  • Timoty — ‘Tena Zanaka Amin’ny Finoana’
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1999
  • Inona no Hanampy Antsika Hizara Tsara ny Teny Fahamarinana?
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2003
  • “Zanako Malalako sy Mendri-pitokisana ao Amin’ny Tompo”
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2015
  • Boky ao Amin’ny Baiboly Faha-54 — 1 Timoty
    “Ny Soratra Rehetra dia Ara-tsindrimandrin’Andriamanitra Sady Mahasoa”
Hijery Hafa
Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1983
w83 1/8 p. 9-12

Nahazo torohevitra avy amin’ny loholona iray i Timoty

TAONA maromaro lasa izay, ireo loholona tao amin’ny kongregasionan’ny Vavolombelon’i Jehovah anankiray dia naharay ireo andalan-tsoratra vitsivitsy ireto avy amin’ny kristiana hafa iray: “Nanampy ahy be dia be ianareo, ary tiako ny hilaza aminareo ny fankasitrahako noho izay rehetra nataonareo ho ahy. Ankehitriny dia izaho no lehilahy sambatra indrindra eo amin’izao tontolo izao. Ny fitiavanareo sy ny fanampianareo no nahafahako ho tonga sahala amin’izao. Misaotra inarivo.”

Mazava ho azy fa io taratasy io dia nahafaly ireo loholona nanoratana azy. Eny, ireo loholona mahatoky dia nandray soa foana tamin’ny fitiavana sy fanajan’ireo rahalahiny sy anabaviny kristiana. Ankoatr’izany, ireo zokiny indrindra amin’izy ireo dia matetika manome ho an’ireo tanora kokoa sy tsy manana fanandraman-javatra kokoa noho izy ireo, torohevitra tsara ny amin’ny fomba hahazoana izany fitiavana sy fanajana izany. Izany indrindra no nataon’ny apostoly Paoly tao amin’ny taratasiny roa nalefany ho an’i Timoty, loholona izay tanora kokoa noho izy.

Tamin’ny fomba ahoana no namatoran’i Paoly sy Timoty ny fifandraisana voamariky ny fitiavana nampiray azy ireo? Inona no lesona azontsika tsoahina avy amin’ireo torohevitr’i Paoly?

Ny fifandraisan’i Paoly sy Timoty

Araka ny tokony ho izy dia tany amin’ny 47-48 tany no nahafantaran’i Timoty an’i Paoly, rehefa nandeha tany Lystra izy nandritra ny dia misionerany voalohany. Tamin’izany fotoana izany dia mbola zatovo i Timoty. Nandritra ny fandalovan’ilay apostoly, Timoty, Eonika reniny sy Loisa renibeny dia tonga kristiana. Mifanohitra amin’izany kosa, ny rain’i Timoty dia Grika tsy mpino. Angamba noho izany antony izany rahateo no niahian’i Paoly manokana indrindra an’i Timoty. Ho setrin’izany dia nanao fandrosoana tsara tokoa i Timoty ary nahazo finoana “tsy mihatsaravelatsihy”. (I Timoty 1:5.) Tokony ho roa taona taty aoriana, rehefa niverina tany Lystra i Paoly tamin’ny dia misionerany faharoa dia nifidy an’i Timoty izy ho mpiara-dia aminy.

Dimy ambin’ny folo taona no lasa hatramin’ny nifaneraseran’i Timoty akaiky tamin’i Paoly. Raha niandraikitra ny asan’ny loholona i Timoty tao amin’ny kongregasionan’i Efesosy dia naharay ny taratasin’ilay apostoly voalohany. Nanoratra ho azy io rehefa nafahana avy tao amin’ny tranomaizin’ny romana tamin’ny taona 61, nefa talohan’ny fanagadrana azy faharoa, tamin’ny 64. Fa raha ny amin’ny taratasiny faharoa, izany dia azo inoana fa nosoratan’i Paoly tamin’ny taona 65, taloha kelin’ny nahafatesany. — II Timoty 4:6-8.

Raha naneho ny fitiavany rehetra an’i Timoty i Paoly dia niantso azy hoe “tena zanako amin’ny finoana” ary “zanako malala” koa aza. Ao amin’io teny io, rehefa nanoro hevitra amin’ny maha-ray azy an’i Timoty i Paoly mba ‘hisotro divay kely noho ny vavafony sy ny fahosaosany matetika’, dia tsy toa hoe tsy mendrika akory ny torohevitra. Toy izany koa, rehefa fantany fa nananontanona ny fahafatesany, dia ara-dalàna tokoa raha nihiaka toy izao i Paoly: “Mazotoa hankaty amiko faingana hianao.” Ny fiahian’i Paoly manokana an’i Timoty dia miharihary indrindra ao amin’ny taratasiny faharoa izay iverimberenan’ny mpisolo anarana sy mpamaritra hoe “ianao”, ny “anao”, in-25 isan-jato matetika kokoa noho ny ao amin’ilay voalohany. Miharihary fa io loholona efa zokinjokiny amin’ny taona io dia nanana firaiketam-po mafy tamin’ilay namany tanora ary niahy ny amin’ny fahasambarany manokana. — I Timoty 1:2; 5:23; II Timoty 1:2; 4:9.

Ankoatr’izany, zavatra mbola lehibe kokoa ihany, i Paoly dia naniry hahita an’i Timoty hanompo araka izay farany tsara ho an’ny tombontsoan’ny kongregasiona kristiana. Amin’ny fahalalana ny fetran’ny hery ara-batana sy ara-tsain’i Timoty ary noho ny fahafantarana azy, araka ny taonany, ho mbola mety ho voan’ny “filan’ny tanora fanahy”, Paoly dia nanome azy ity torohevitra manaraka ity: “Tandremo ny tenanao sy ny fampianaranao, ka mahareta amin’izany; fa raha manao izany hianao, dia hamonjy ny tenanao sy izay mihaino anao.” (II Timoty 2:22; I Timoty 4:16). Nanao ahoana moa ny fankasitrahana tsy maintsy ho tsapan’i Timoty tamin’ny fandraisana torohevitr’Andriamanitra tamin’ny alalan’ny loholona iray be taona kokoa sy nanana fanandraman-javatra kokoa noho izy! Torak’izany koa ankehitriny, ireo loholona somary tanora dia faly nahazo fanampiana sy fitarihana mitovy amin’izany. Nefa mahakasika ny inona marina moa ireo torohevitra nasehon’i Paoly an’i Timoty?

“Mahareta amin’izay zavatra nianaranao”

Na loholona ny tena na tsia, dia ilaina ny miantehitra tanteraka amin’Andriamanitra mba haharetana amim-pahatokiana eo amin’ny lalan’ny kristianisma. Tsy azo atao mihitsy ny mitoky loatra amin’ny hery na ny fahaizan’ny tanora, na manao tsirambina ny hasarobidin’ny vavaka. Araka izany, ity torohevitr’i Paoly manaraka ity dia tamin’ny nilana azy: ‘[Manohiza] mivavaka (manandra-tànana masina, tsy amin’ny fahatezerana na amin’ny fifandirana’. (I Timoty 2:8). Marina tokoa fa rehefa mivory izy ireo mba handamina ireo zava-manahirana ao amin’ny kongregasiona, dia zava-dehibe ny hangatahan’ireo loholona an’Andriamanitra mba hitarika azy ireo. Raha mampiseho amin’izany ny fahatokiany an’i Jehovah izy ireo, dia hisoroka ireo fifandirana tsy misy farany sy izay mety ho fihetsika maneho fahatezerana.

Raha maniry haharitra ireo kristiana dia tokony hitoetra ho tafaray tanteraka amin’ny kongregasiona ary hiahy fatratra izay hahasoa azy. Tamin’ny fikendrena izany no nanasan’i Paoly azy ireny hivavaka “ho an’ny mpanjaka mbamin’izay rehetra manana fahefana”. Mazava ho azy tanteraka fa takatr’i Timoty tsara fa tsy ny hoe hangataka amin’Andriamanitra mba hitahy ireny olona mpanao politika ireny akory izany, toy ny ataon’ny klerjy amin’izao andro izao. Tsia, ireo kristiana koa dia tokony hivavaka amin’Andriamanitra mba hanosika ireo manam-pahefana eo amin’ny fitondram-panjakan’izao tontolo izao mba hamela azy ireo ‘hiaina miadana sy mandry fahizay’ ary hitory ny hafatr’ilay Fanjakana “amin’ny toe-panahy araka an’Andriamanitra sy ny fahamaotinana rehetra.” — I Timoty 2:1, 2.

Ny apostoly Paoly dia nahafantatra fa amin’ny fiheverana ny fitondrantenan’ireo olo-mahatoky hafa, Timoty dia ho afaka tsara kokoa ‘haharitra amin’ny zavatra nianarany’. Izany no antony nanoratany hoe: “Hianao (...) dia efa nanaraka tsara ny fampianarako, ny fitondrantenako, ny fisainako, ny finoako, ny fandeferako, ny fitiavako, ny faharetako, ny nanenjehana ahy, ny fahoriana izay nanjo ahy”. (II Timoty 3:14, 10, 11). Loholona an’arivony maro izay be taona ankehitriny no niseho ihany koa ho ohatra, sahala amin’i Paoly, indrindra tamin’ireo fomba fampianarany. — I Korintiana 4:17.

“Tano ny mariky ny teny tsy misy kilema”

“Izay soratra rehetra nomen’ny tsindrimandrin’Andriamanitra dia mahasoa koa ho fampianarana, ho fandresen-dahatra, ho fanitsiana izay diso, ho fitaizana amin’ny fahamarinana.” Ny hafatra madion’ny fahamarinana ao amin’ny Baiboly no mahatonga ny kristiana ho “tanteraka (...) ho vonona tsara ho amin’ny asa tsara rehetra.” — II Timoty 3:16, 17.

Kanefa ireo kristiana sasany tany Efesosy dia tsy nanaraka intsony izay nantsoin’i Paoly hoe “ny mariky ny teny tsy misy kilema”. (II Timoty 1:8.) Izy ireny kosa aza dia ‘adala tamin’ny fiadian-kevitra sy ny fiadian-teny’. Ny hafa dia nanao ‘fifandirana lalandava’, (I Timoty 6:4, 5.) Noho izany, i Paoly dia nanome an’i Timoty an’ity torohevitra manaraka ity: “Mandava ny fanontaniana adaladala tsy misy antony, satria fantatrao fa mahatonga ady izany.” (II Timoty 2:23). Toy izany koa ankehitriny, ireo loholona dia tokony hampifantoka ny fitandremany amin’ireo zavatra tena lehibe, dia izay hanampy tokoa ireo rahalahiny ‘hihazona ny fiainana mandrakizay’. Inona àry izany ireo zavatra mitana ny saina lehibe indrindra ireo? Izany dia ny Fanjakana naorin’Andriamanitra, ny asa fitoriana ary ny fomba fiaina kristiana. — I Timoty 6:11, 12.

Tamin’ny andron’i Timoty, Hymeneo, Fileto, ary angamba ny hafa ihany koa dia nampiely fampianarana namitaka ary ‘namadika ny finoan’ny sasany’. Koa satria nivily niala tamin’ny fahamarinana izy ireny, Paoly dia nanambara hoe: “Natolotro ho an’i Satana” izy ireny. Ireny olona ireny dia miharihary fa voaroaka tsy ho ao amin’ny kongregasiona (II Timoty 2:17, 18; I Timoty 1:20). Araka ny rariny, dia tsy azo atao loatra ny hanantena fa hafa ny tarehin-javatra ankehitriny. Nanambara tokoa i Paoly fa “amin’ny andro aoriana dia hihemotra amin’ny finoana ny sasany, manaiky fanahy mamitaka sy fampianaran’ny demonia”. (I Timoty 4:1.) Marina fa ny loholona tsy ampy fanandraman-javatra dia mety hitebiteby loatra noho izany, nefa tsy misy tokony hisehoana ho izany. Marina tokoa fa na dia nivadi-pinoana aza ny sasany, ny fahamarinana dia mitoetra ho izany hatrany. Amin’ny fihetsiny, ireo mpivadika dia tsy manao afa-tsy ny miseho mazava ho toy ny olona izay ‘hangidihidy sofina, dia hamory mpampianatra ho azy araka ny filany’. — II Timoty 4:3, 4.

Ny hoe “mitana ny mariky ny teny tsy misy kilema” na ‘mizaka ny fampianarana mahasoa’ dia midika, ankoatra ny zavatra hafa, hoe manana fiainana mahitsy ara-pitondrantena (II Timoty 1:13; 4:3). Noho ny fiahiana ny ho “araka ny toetr’andro”, ny loholona sasany soamry tanora dia mety hanana fiainana hafa haka toerana malaladalaka kokoa momba ny “ota” na momba ny raharaha lazaina fa mahakasika ny fieritreretana. Kanefa ny fiheverana tanan’izao tontolo izao, araka ny fahendreny manokana, mba hanamarinana ny fitondrantena ratsy dia tsy zavatra hafa akory fa “fibedibedena foana [kabary tsinontsinona manohitra izay masina, MN]. Nananatra an’i Timoty àry i Paoly handositra ireo filozofian’izao tontolo izao, “fanoherana avy amin’izay atao hoe fahalalana, kanjo tsy izy.” — I Timoty 6:20, 21.

Ny fahalalana mendrika io anarana io dia azo avy amin’ny fianarana manokana ny Soratra Masina eo ambany fitarihan’ny fanahy sy ny fandaminan’Andriamanitra. Io fahalalana io no ahafahan’ny loholona iray, toy ny kristiana hafa rehetra, ho tonga “mpiasa tsy mahazo henatra, mizara tsara ny teny fahamarinana”. Ny loholona mifanitsy amin’io filazalazana io dia tsy hanahaka an’ireo filohan’ny fivavahan-diso izay “mianatra mandrakariva, nefa tsy mahatratra ny fahalalana ny marina”. — II Timoty 2:15; 3:7.

‘Mitondrà tsara’

Mba ‘hitondrana tsara’, ny loholona anankiray dia “ho malemy fanahy amin’ny olona rehetra, mahay mampianatra (...) amin’ny fahamoram-panahy”. (I Timoty 5:17; II Timoty 2:24, 25.) Mety ny handraisana ny mpikambana tsirairay avy ao amin’ny kongregasiona ho toy ny olona manokana tanteraka. Noho ireo taona maro nahazoana fanandraman-javatra, Paoly dia nahalala fa fahendrena ny hiangaviana ireo lehilahy, ny vehivavy anti-panahy toy ny reny, ny tanora fanahy toy ny anabavy, amin’ny fahadiovana rehetra.” — I Timoty 5:1, 2.

Arakaraka ny ahazoana fanandraman-javatra, dia manjary mora mahatsapa kokoa ireo zava-manahirana sy izay ilain’ny mpiara-belona ny tena. Timoty dia tokony hahatsapa tarehin-javatra sasantsasany izay tsy maintsy nokarakarainy angamba. Ohatra, moa ve tao amin’ny kongregasiona nisy mpitondratena tsy nanana-havana akaiky izay nety ho sahirana? Ireo mpanompo sy tompo kristiana (toy ny mpiasa sy mpampiasa kristiana ankehitriny) ve indraindray namelona fifandraisana tamin’ny fomba fijery ratsy izay mendrika ny hahitsy? Koa satria ilay kongregasiona naorina tany Efesosy, foibe ara-barotra nanefohefo, nilaina ve ny nampahatsiahy tamin’ny sasany tamin’ireo mpikambana tao aminy fa “izay ta-hanan-karena dia latsaka amin’ny fakam-panahy sy ny fandrika ary ny filana maro tsy misy antony sady madratra”? Nilaina ve ny nanoro hevitra an’ireo kristiana nanana ny ampy “mba tsy hiavonavona, na hatoky ny harena miovaova, fa Andriamanitra”? — I Timoty 5:3-16; 6:1, 2, 9, 17-19.

Moa ve ireo mpikambana sasany tao amin’ny kongregasiona nahafantatra na vavolombelon’ny ota mihitsy aza nataon’ireo nanda ny hanaraka ireo fitsipi-pitondrantena araka an’Andriamanitra? “Izay manota, hoy ny nambaran’i Paoly, dia anaro eo anatrehan’ny olona rehetra [izany hoe eo anatrehan’izay rehetra vavolombelon’ny fitondrantenany ratsy] mba hatahotra koa ny sasany [izay nahafantatra].” Ahoana ny amin’ireo vehivavy tao amin’ny kongregasiona? Moa ve izy ireny “maotona, tsy mpanendrikendrika, mahonon-tena, mahatoky amin’ny zavatra rehetra”? Sa kosa ny sasany tamin’izy ireny nanao tsirambina ny didin’Andriamanitra izay tsy namela ny vehivavy “hampianatra na hanapaka ny lehilahy” ao amin’ny faritry ny kongregasiona? — I Timoty 5:20; 3:11; 2:11, 12.

Ireo olona voatendry mba hanompo ho toy ny loholona na mpikarakara momba ny asa ve voafidy tamin’ny fitandremana sy fahamalinana rehetra nilaina? “Aza malaky mametra-tànana amin’olona na iza na iza”, hoy ny torohevitry ny apostoly Paoly. Ny fanendrena loholona sy mpikarakara momba ny asa dia tsy tokony hatao araka ny fihetseham-po manokana, fa araka ny fanazavan’ireo fitakian’Andriamanitra. Rehefa mandinika ny amin’ireny fanendrena ireny izy ireo, ny loholona mbola tanora dia tokony hieritreritra amim-pahamalinana ny fanamarihan’ireo loholona be taona kokoa sy nanana fanandraman-javatra kokoa noho izy ireo. — I Timoty 5:22; 3:1-10.

“Aoka ho tonga fianarana ho an’ny mino hianao”

Ny zavatra rehetra dia mahatonga hino fa Timoty dia saro-kenatra sy tsy be teny. Angamba izy niahotra tsy an-drariny ny hampihatra ny fahefany. Nilaza taminy Paoly hoe: “Aoka tsy hisy olona hanao tsinontsinona anao noho ny hatanoranao; fa aoka ho tonga fianarana ho an’ny mino hianao”. Amin’ny inona?” Amin’ny fiteny, amin’ny fitondrantena, amin’ny fitiavana, amin’ny finoana, amin’ny fahadiovana.” —I Timoty 4:12.

Ankehitriny ihany koa dia mety hisy loholona saro-kenatra sy tsy matoky tena satria somary mbola tanora. Mety hisalasala izy ny hiteny ao amin’ny fivorian’ny loholona. Mifanohitra amin’izany, ny hafa dia mety hanana fironana hisehoseho loatra ka izany dia hampiharihary avy amin’izy ireo tsy fananana fanetren-tena. Endrey ny maha-zava-dehibe ny hitadidiana fa ireo tombontsoa kristiana rehetra izay andraisantsika soa dia nomena antsika, “tsy araka ny asantsika, fa araka ny fikasany [ny an’Andriamanitra] sy ny fahasoavany”! — II Timoty 1:9.

Noho ny fahasalamanyara-batana, ny loholona somary tanora dia matetika tsara toerana kokoa noho ny hafa mba hampiseho ohatra amin’ny fanaovana ny “asan’ny evanjelista”. (II Timoty 4:5.) Raha izany no izy, dia tokony hanao araka izany izy. Marina tokoa fa TSY MAINTSY tanteraka ny asa fitoriana ny filazantsara, satria Jehovah “tia ny olona rehetra hovonjena ka ho tonga amin’ny fahalalana ny marina”. Ny fialam-boly, ny fandaniana andro, ny fialan-tsasatra sy ny fanatanjahan-tena dia tsy tokony hanembantsembana ny fotoana izay tokony hatokana ho an’ny asa fanompoana kristiana. — I Timoty 2:4; 4:8.

Mba hanarahana ny torohevitra nomen’i Paoly an’i Timoty, ireo loholona, na dia tanora aza, dia tsy tokony hamela ihany koa ny tahotra olona ho tonga vato misakana ho azy. Nampahatsiahy an’i Timoty i Paoly fa “tsy nomen’Andriamanitra fanahy osa isika, fa fanahy mahery sy fitiavana ary fahononan-tena.” Tsy misy loholona na dia iray aza, tokony ho “menatra ny ho vavolombelon’ny Tompontsika”. Eny, ny mpianatr’i Kristy rehetra dia tokony ho vonona ny “ho mpiombona ny fahoriana noho ny filazantsara.” — II Timoty 1:7, 8.

Tamin’ny fiarovana tamim-pahasahiana ny fanompoam-pivavahana marina, ireo loholona roa ireo Timoty sy Paoly, dia samy nahazo ny fitiavana sy fanajan’ireo rahalahiny kristiana. Raha manahaka ny ohatr’ireo mpiandraikitra tamin’ny taonjato voalohany ireo loholona amin’ny taonjato faha-20 dia handray soa koa, amin’ny firaiketam-po sy fiheveran’ireo rahalahiny sy anabaviny. Marina tokoa àry fa na tanora izy ireo na antitra, “izay efa nahavatra tsara ny asan’ny diakona [fanompoana, MN] dia mahazo toerana tsara.” — I Timoty 3:13.

[Sary, pejy 10]

Ireo loholona dia tokony ho vonona ny handray soa amin’ny fanandraman-javatra azon’ireo be taona kokoa noho izy ireo.

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2026)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2026 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara