FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • w83 1/8 p. 12
  • ‘Reraka ny fony noho ny fahatahorany’

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • ‘Reraka ny fony noho ny fahatahorany’
  • Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1983
  • Mitovitovy Aminy
  • Inona no Lazain’ny Baiboly Momba ny Ady Niokleary?
    Foto-kevitra Hafa
  • Tahotra
    Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 2
  • Nahoana no Andriamanitra no atahorana fa tsy ny olona?
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1989
  • Nahoana moa isika no tokony hatahotra an’Andriamanitra?
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1989
Hijery Hafa
Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1983
w83 1/8 p. 12

‘Reraka ny fony noho ny fahatahorany’

Araka ny fitsapan-kevitra natao ho an’ny gazety kanadiana Toronto Star, ny ampahatelon’ny mponina any Toronto latsaka ny dimy amby telopolo taona dia mino fa hisy ady noklehera hipoaka amin’ny andro ahavelomany ary, amin’izany zavatra mety hitranga izany, dia olona 74 isan-jato nanontaniana no mihevitra fa tsy ho tafita velona amin’izany. Raha ny amin’ny vokatry ny tahotra ny ady noklehera iray eo amin’ny vahoaka, dia izao no nambaran’ny olona iray fito amby roapolo taona: “Malemin’ny fanahiana ny tena, malemin’ny fandriana andriran’antsy mampahory avy amin’izay tsy fantatra raha hitranga, nefa koa noho ny tahotra mampirintondrintona avy amin’ny tsy fahafahana manao na inona na inona amin’izany.”

“Ny vokatr’izany rehetra izany ratsy indrindra, mampangitakitaka indrindra, hoy ny vehivavy iray nadinadinina, dia ny fisian’ny olona be dia be miaina toy ny hoe tsy manana ho avy izy ireny. Amin’izao fotoana izao, ny filozofiantsika manontolo, ny hiainana amim-pitiavan-tena ho an’ny andro diavina, dia velomin’ny fahatsapan-javatra tsy nahy indraindray izay azo lazaina toy izao: tsy fantatsika intsony akory raha mbola ho eo ny taranak’olombelona ao anatin’ny taranaka iray. Hatramin’izay ny olona dia nihevitra foana fa hisy ho avy . Ankehitriny kosa anefa dia miha-tsy azony antoka izany ka mampirintona azy.”

Nanambara Jesosy Kristy fa “ho reraka ny fon’ny olona noho ny fahatahorany sy ny fiandrasany izay zavatra ho tonga ambonin’ny tany”. Nefa moa ve ny kristiana koa tokony halemin’izany tahotra ny ho avy izany? Izao no navalin’i Jesosy: “Ary raha vao miandoha izany zavatra izany dia miandrandrà, ka asandrato ny lohanareo; fa manakaiky ny fanavotana anareo.” — Lioka 21:25-28.

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2026)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2026 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara