Tena manimba tokoa ve ny teny ratsy?
TAMIN’IREO teny rehetra notononina tany amin’ny tanàn-dehibe sasantsasany tany Etazonia, ny iray amin’ny teny dimy dia toa hoe ompa. Arak any fanisan’ny Fikambanam-pirenena manohitra ny fitenenan-dratsy dia misy fitenenan-dratsy an’Andriamanitra sy ny Eglizy maherin’ny iray lavitrisa (na arivo tapitrisa) isan’andro any Italia. Miharihary saika hatraiza àry fa ny teny ratsy dia mahaforona fialam-boly ankafizin’ireo .mpiara-belona amintsika fatratra.
Raha inoana i Reinhold Aman, mpanoratra gazety filohan’ny Maledicta, revio an-tsary natokana ho amin’ny fanambaniana, dia tokony hiarahaba tena noho izany. Araka ny nolazainy, ny fanafihana am-bava dia mahasoa satria izany tsaratsara kokoa noho ny fanafihana ara-batana. Aleoko atao hoe [****] toy izay voan’ny bala na tsatok’antsy eo amin’ny tratra”, hoy ny nambarany.
Amin’ny fanaovana rere teny ratsy dia nanamafy koa i Chaytor Mason hoe: “Ny teny ratsy, ny ompa, na inona na inona anarana omena azy dia mahaforona fomba anankiray voasedra sy mandaitra mba hamoahana ireo fientanam-po miavona noho ny fahadisoam-panantenana.”
Raha ny tena izy, dia mihamaro hatrany ny olona manakimpy ny masony amin’ny fahambaniana, satria heveriny ho tsy mampaninona izany. Mihevitra izy ireo fa tsy misy maharatsy ny fandefasana teny ratsy amin’ny tarehin-javatra sasantsasany. Araka izany, izao no novakina tao amin’ny Seventeen, boky natokana ho an’ny zatovovavy: “Indraindray dia tsy hoe ratsy raha mifamory ny ankizivavy samy ankizivavy na ny ankizilahy samy ankizilahy (na miaraka koa aza, maninona moa izany?), mba hingoso araka izay azo atao. Mieritreritra indray ny fifaninanana nanao vazivazy maloto indray mandeha tao amin’ny rihana faharoa ao amin’ny trano fatorian’ny kilasimandrin-jazavavy izay nisy ahy aho.Ny teny ratsy nifanakalozana tamin’ny alina iny dia nety ho nahaboramena ny pôlisy ao amin’ny mpiandraikitra fitondrantena.”
Ary ianao, mihevitra ve ianao fa azo hamarinina ny teny ratsy? Tena manimba marina tokoa ve ny teny ratsy?
Fanalana andro tsy mampaninona tokoa ve izany?
Inona moa ny “fifaninanana manao vazivazy maloto (concours scatologique)”? Ny “Dictionnaire alphabétique et analogique de la langue française” nataon’i P. Robert dia mamaritra ny teny hoe “scatologie” (momba ny maloto) toy izao: “Soratra, teny ratsy, izay iresahana maloto; ny faharatsian’ny soratra toy izany.” Heverinao ve fa tsara ny manandrana mihoatra ny hafa amin’ny fampiasana fitenenana ambany?
Mandritra ny fifaninanana manao teny vetaveta toy izany, izay fanao amin’izao androntsika izao, ireo tanora dia mitady matetika hanambany ireo mifaninana aminy, indraindray amin’ny fanompana ny reniny mandritra ny ady am-bava mampitolagaga mitohitohy. Ireo mpifaninana izay roa amin’ny ankapobeny dia voahodidin’ny antokona mpinamana mikakakaka mihomehy isaky ny mandre izay marani-tsaina indrindra amin’izy roa ka afaka manala baraka bebe kokoa ny renin’ny rafiny. Indraindray, ny fanalam-baraka dia atao koa ho filazalazana ny fisehoana ivelan’ny olona anankiray amin’ny fanomezana azy anaram-bositra mahasosotra, na amin’ny fampitoviana azy amin’ny kisoa, ombivavy, alika na amin’ny biby hafa tsy maninona loatra.
Manjary fahita ny fomba fanao toy izany; azo atao koa ny milaza toy izany raha ny amin’ny vosoboso-dratsy izay tantarain’ny sasany mba hampihomehezana ny fitambaran’olona mijery. Ireo mandray anjara amin’izay dia toa milaza fa ireo zavatra tsy mendrika dia tsy dia ratsy loatra akory satria afaka mihomehy ny amin’izany izy ireo. Ankoatr’izany dia izy ireo mihitsy no hilaza aminao hoe: “Jereo ange ny isan’ny olona mihomehy amin’izany e!” Tsy isalasalana fa ireny fanao ireny dia nandray anjara tamin’ny fanaovana ny teny ratsy ho ampahany raikitra amin’n fiteny isan’andro, hany ka na dia ireo olona “miaingitra” sy mpanao asa ara-tsaina aza dia mampiasa izany. Kanefa ny fampiasana teny ratsy ve mety hampidi-doza lavitra tsy araka ny iheveran’ny maro azy?
Ny vokatry ny teny ratsy
Ny teny ratsy dia izay avoakan’ny vava tahaka ny anehoan’ny literatiora maloto izany amin’ny maso. Marina tokoa fa izany literatiora maloto am-bava izany dia mampahatsiahy sary mifandray amin’ny maha-lahy sy maha-vavy. Inona àry no mety hitranga amin’ny olona anankiray manao tsy tapaka teny “masira” toy izany? Moa ve izy tsy hirona bebe kokoa amin’ny fampiharana izay lazainy? Raha ny marina dia tsy kisendrasendra velively akory raha narahin’ny fitaran’ny fijangajangana, ny fanitsakitsaham-bady sy fandrian’ny lehilahy amin’ny lehilahy, ny fipoahan’ny teny ratsy.
Raha heverina izay voalaza teo aloha dia tsy isalasalana fa ho takatrao fa feno fahendrena ity torohevitra araka ny Baiboly ity: “Fa ny fijangajangana sy ny fahalotoana rehetra, na ny fieremana, dia aza avela hotononina eo aminareo akory aza, fa tsy mahamendrika ny olona masina, na fahavetavetana, na resaka fahadalana, na vosodratsy; izay tsy tokony hatao”. — Efesiana 5:3, 4.
Ny tena izy dia hoe izay mandefa teny ratsy dia manimba ny tenany ary mampita ny fikororosiany amin’ny hafa isaky ny mamerina ireo teny ratsiny. Ara-drariny tokoa àry raha mananatra antsika amin’izao teny izao ny Baiboly: “Fa ankehitriny, esory koa izao rehetra izao, dia fahatezerana, fiafonafonana, lolompo, fitenenan-dratsy, teny mahamenatra avy amin’ny vavanareo.” Ary koa: “Aoka tsy haloaky ny vavanareo izay teny maloto”. (Kolosiana 3:8; Efesiana 4:29). Ambonin’izany dia milaza mazava tsara izao fameperena izao izy: “Ario ny fahalotoana (...) rehetra”. (Jakoba 1:21). Na iza na iza tsy miraharaha io torohevitra io dia hiharan’ny tsy fankasitrahan’Andriamanitra.
Ankoatr’izany dia eritrereto izao: Raha misy olona roa mifanompa, moa ve hihatsara noho izany ny fifandraisany? Na dia misakana azy ireo tsy hifampikasi-tanana aza ny ompan’izy ireo, ho azo atao ve ny hilaza fa nandamina tokoa ny tsy fifanarahany izy ireo? Tsy izany mihitsy. Raha ny tena izy, ireo fifanalam-baraka ifanaovan’izy ireo aza ve tsy mampitombo ny mety hisian’ny ady ara-batana fa tsy hampihena izany?
Nefa inona no azo atao mba hanatsarana ny fitiavana sy ny fifankahazoana? Ilaintsika ny mandà ny “hamaly ratsy ny ratsy”. Ny Tenin’Andriamanitra dia mibaiko antsika hoe: “Aza mamaly ratsy na amin’iza na amin’iza.” Tsia, fa “omeo làlana ny fahatezerana” ary miantehera amin’ny famalian’i Jehovah. Amin’ny fitenenana amim-pahalemem-panahy amin’izay manala baraka anao sy amin’ny fanaovan-javatra sahala amin’izany ihany koa dia hanambatra “vainafo ho eo an-dohany” ianao ary angamba hitarika azy hanalefaka ny fihetsiny aminao. Manehoa fahendrena àry amin’ny fanarahana amin’ny fotoana rehetra ity torohevitra tena mazava notsoahina avy ao amin’ny Soratra Masina ity: “Misaora, fa aza manozona.” — Romana 12:17-20, 14.
Aza mety ho voan’ny fandrika
Miseho indray ambonin’izany fa tokony hitandrina mandrakariva isika mba tsy hanaiky hoentin’ireo fironan’izao tontolo izao ratsy ankehitriny. Marina tokoa fa tsy misy amintsika na dia iray aza tsy andairan’ny fanafihany. Burges Johnson, mpanoratra boky iray natokana ho amin’ny fanambaniana dia nanambara izao manaraka izao: “Raha toa ny teny ratsy raha lazaina amin’ny ankapobeny ka aretin’ny voambolana (na vokabolary), ahoana no fifindrany ary iza no voany? Mazava ho azy ny valiny. Tsy hoe mifindra fotsiny ny teny ratsy. Manimba ihany koa izy satria ny sasany amin’ireo tsimony dia lalim-paka ao amin’ny tsirairay avy amintsika.” Ny Baiboly dia manamarina fa isika olombelona tsy tanteraka dia manana fironana hanaiky ho voasinton’ny ratsy sy ny fahalotoam-pitondrantena. Izany no antony tokony hiadiantsika mba tsy hampiasa sary vetaveta. — Genesisy 8:21; Salamo 51:5.
Raha tsy te-hiteny ratsy isika dia tokony hanomboka hianatra hifehy ny fientanam-po sy ny fanaovan-javatra mety hitarika antsika ho amin’izany. Inona avy izy ireo? Mamaly ny Baiboly hoe: “Esory aminareo ny fo-lentika rehetra sy ny fahavinirana sy ny fahatezerana sy ny fitabatabana sy ny fitenenan-dratsy”. (Efesiana 4:31). Noho izany, alohan’ny hitezeranao olona ka hahatonga anao ho ta-hanompa azy dia miatoa aloha ary manere tena hieritreritra izay fantatrao fa tsara momba azy. Aza avela hanosika anao hampiasa fitenenana ratsy ny fahatezerana. Miezaha manaraka ity didy ao amin’ny Baiboly ity: “Aoka tsy haloaky ny vavanareo ny fireharehana!” — I Samoela 2:3.
Ny Tenin’Andriamanitra, ny Baiboly, no hany loharano azonao anovozana hevitra mahitsy maro be. Amin’ny famenoana ny sainao amin’ny hevitra toy izany, dia hanao izay hambolena faniriana tsara ao am-ponao ianao. Inona no ho vokatr’izany eo amin’ny fomba fiteninao? Manome antsika ny valiny Jesosy amin’ny filazana hoe: “Avy amin’ny haben’ny ao am-po no itenenan’ny vava.” — Matio 12:34.
Aza misalasala mivavaka amin’Andriamanitra mba hanomezany anao ny fanampiany sy ny fanahiny. Ny mpanao salamo iray dia nanambara izao fangatahana izao: “Jehovah ô, asio fiambenana eo anoloan’ny vavako; ambeno ny varavaran’ny molotro.” (Salamo 141:3). Amin’ny fitandremantsika tena mba hifehy ny lelantsika sy noho ny fanohanan’i Jehovah, dia ho tratrantsika ny fisorohana ny fandriky ny fahambaniana.
[Sary, pejy 6]
Raha misy manompa anao, hamaly ve ianao?