FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • w83 1/8 p. 3-4
  • Ny andron’ny teny ratsy

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Ny andron’ny teny ratsy
  • Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1983
  • Lohatenikely
  • Mitovitovy Aminy
  • Ny fandrosoan’ny teny mahamenatra
  • Inona no anton’izany?
  • Tena manimba tokoa ve ny teny ratsy?
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1983
  • Tsy Natao ho An’ny Kristiana ny Teny Ratsy
    Mifohaza!—1993
  • “Tsy Misy Teny Ratsy Mihitsy ny Fiteninay”
    Mifohaza!—2005
  • Tena Tsy Mety ve ny Miteny Ratsy?
    Manontany ny Tanora
Hijery Hafa
Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1983
w83 1/8 p. 3-4

Ny andron’ny teny ratsy

AO AMIN’NY trano fanaovan-taozavatra ao Cleveland izay niasany dia Inez no mpanjakavavy tsy azo lavina raha ny momba ny ‘karazana ompa’. Indray andro dia voatosik’i Alice tsy nahy izy. Tamin’ny fifandirana vokatr’izany, Alice izay tsy nanana ahiahy dia sahy mihitsy niozonozona tamin’i Inez. Sanganehana ireo mpandinika teo anatrehan’ny fidaodaom-bava toy izany.

Namaly tamin’ny ompa vary raraka nahamenatra i Inez. Teo amin’ny manodidina, ny rindrina dia nampita ireo ompa nahatsiravina nanakoako nihamafy aoka izany ka nitaona ireo mpiasa hafa izay nihazakazaka namporisika izay tiany indrindra. Teo am-boalohany ireo ompa dia nodimbiasan’ny ompa, hany ka toa tsy nisy hivoahana intsony ilay ady.

Kanefa noho ny maha-za-draharaha azy amin’ny fahaiza-mamorona teny ratsy dia Inez no nandresy tamin’ny farany. Rehefa nanovo tao amin’ny voambolany nahamenatra sy tsy nety ritra izy dia nahakepoka an’i Alice izay boramena ka lasa nandeha niondrikondrika tsy nahateny. Nipoaka ny horakora-pandresena ary niverina tany amin’ny miliny avy ireo mpiasa. Fa raha i Inez kosa izay nahita fa ara-dalàna ny tarehin-javatra toy io, dia nanohy nanao ny asany soa aman-tsara.

Tsy mahalana no ahitana fifandirana toy izany amin’izao androntsika izao. Marina tokoa fa ny fiteny izay anjaran’ireo fakofakon’olona tsy misy antenaina intsony fahiny, dia lasa mahazatra. Ankehitriny, any am-bavan’ny vehivavy ary na dia ny an’ny ankizy aza dia manjary heverina fa “mendrika” ny ompa. Ireo tanora dia mampiasa tsy miambakavaka voambolana izay ho nahazoany famaizana tsara tokoa fahiny. Raha naseho tamin’ny endriky ny marika kely toy ny kintana na teboka mifanarakaraka ireo fingosoana taloha tao anaty boky, ankehitriny izy ireny dia voasoratra tanteraka mba ho fitsipika ho an’ilay mpamaky.

Io fiovam-pihetsika momba ny zavatra vetaveta io dia miharihary koa ao amin’ireo sarimihetsika. Ankehitriny izy ireny amin’ny ankapobeny dia feno resaka tsinontsinona sy teny mahamenatra. Ankoatr’izany, ireo mpanao sarimihetsika dia mazàna mampiditra io karazam-pitenenana io mba hahavoalahatra ireo sarimihetsiny ho an’isan’ireo ‘natokana ho an’ny olon-dehibe’. Araka izany, ilay sarimihetsika hoe Annie dia natao ho an’ny mpijery rehetra, nefa natahotra ilay mpanao azy fandrao tsy manintona ny mpijery izany. Izany no antony nanapahany hevitra mba hampihaingoana ireo resaka ao amin’ny teny tsinontsinona.

Ny fandrosoan’ny teny mahamenatra

Ny teny ratsy dia nanjaka nandritra ny tantaran’olombelona. Ny antsoinay hoe teny ratsy dia izay rehetra endri-pitenenana fametavetana. Io karazam-pitenenana io tokoa dia manambara tsy fahampiam-panajana ny zavatra masina, indrindra fa an’Andriamanitra sy izay rehetra mifandraika amin’ny toetrany tsara sy ny lalany. Amin’ny fitenenan-dratsy, ny sasany dia manompa olona na mametaveta zavatra izay heverin’Andriamanitra fa masina. Kanefa ny Baiboly dia manambara hoe: Ny TOMPO tsy manafa-keloka izay manonona tsy an-drariny ny anarany.” — Eksodosy 20:7, “Fandikan-teny eokimenikan’ny Baiboly”.

Kanefa tao anatin’ireo taona faramparany, ny “teny maitso” dia niharan’ny fiovana lehibe. Lasa vetaveta tanteraka izany. Marina tokoa fa rakotry ny fampahatsiarovana ny amin’ny maha-lahy sy ny maha-vavy izy io ary mametraka ao an-tsaina sary mahamenatra mifandraika amin’ireo faritra maha-lahy sy maha-vavy sy ny fampiasana azy. Io fiteny io matetika dia mampiharihary ny tsy fanajana, eny, ny fanamavoan’ireo izay mampiasa azy ny fanambadiana, ny maha-ray na maha-reny, fandaharana masina eo imason’Andriamanitra. Araka ny revio U.S. News & World Report, “saika amin’ny laharana rehetra, ireo fihobiana nanodidina fahiny ireo fihaonana ara-panatanjahan-tena dia nosoloana ompa mifono hevi-dratsy sy tafahoatra natao ho an’ireo mpifaninana ankilany.”

Raha ny marina, ireny teny ratsy ireny dia mahaforona literatiora fahavetavetana am-bava. Kanefa ankehitriny io fandotoana ara-pitenenana io dia tsy tsapa amin’ny toerana rehetra. Raha inoana ny revio Times, i Tommy Lasorda, mpanazatra amin’ny “base-ball”, dia nanonona “teny ratsy 144 nandritra ny lahateny fohy famporisihana nataony ho an’ny antokony”. Etsy andanin’izany dia mpitondra ara-politika maro koa no mampiasa teny ratsy. Araka izany, rehefa navoaka ho ren’ny vahoaka ireo fandraisam-peo natao tany amin’ny “Maison-Blanche”, Richard Nixon dia nampanaisotra fitenenana mahazatra iray noho izy io vetaveta. Jimmy Carter, prezidan’i Etazonia taloha, izay fantatra noho ny finoany ara-pivavahana anefa, dia nampiasa teny izay nolavin’ny New York Times ny nanonta azy noho ny hevitra valavala ratsy nofonosiny. Io gazety io dia nianina tamin’ny firesahana izany ho toy ny “zavatra tsinontsinona amin’ny voambolana amerikana”.

Ny sasany angamba dia hahatsiaro ny fotoana izay nandravahan’ireo olona somary mivatravatra ny fanambarany tamin’ny hoe “loza izany!”, “marina mafy e”, ô ray olona e!”, “andriakakiko ô!”, “ntsy?”, “tokotrany e!”.

Kanefa ho solon’ireo fiozonana ireo dia teny ratsy ankehitriny no fanao. Amin’ny teny na an-tsoratra izy ireny dia manafika antsika hatraiza hatraiza. Taona maro lasa izay, dia nampitomboina ny fampiasana mahazatra ny teny hoe: “mahatsiravina!”, nefa amin’izao androntsika izao dia olona maro no mamarana ny fehezanteny amin’ny teny tsinontsinona mampahatsiahy ny maha-lahy sy maha-vavy, amin’ny fampiharana izany amin’ny foto-kevitra mety hisy sy azo saintsainina rehetra. Ary raha miteny toy izany izy ireo dia aoka isika tsy hanatsoaka hevitra noho izany fa tezitra izy ireo na voadona. Tsia, mingoso izy ireo noho ny fahafinaretana mingoso fotsiny.

Hatramin’ireo taratasy firariantsoa ka hatramin’ny soratsoratra eny amin’ny rindrina, dia manjary mampiharihary fa mihanaka ny teny maitso. Saika hatraiza hatraiza ny olona dia mamelatra teny ratsy eny amin’ny akanjo ambony, ny petadrindriny, ireo sary mipetaka amin’ny fiarakodiany sy ireo marika ahafantarana azy. Ambonin’izany, dia maro no mihevitra ankehitriny fa tsy maintsy miteny amin’izany fomba izany mba ho “araka ny toetr’andro”. Araka ny revio U.S. News & World Report, ‘ny teny ratsy fanaom-bahoaka dia nekena tamin-kalalahana aoka izany, hany ka sarotra ankehitriny, eny, tsy azo atao aza, ny mandraraka etona”. Tsy misy mahagaga mihitsy raha nomena anarana hoe “ny andron’ny teny ratsy” ny androntsika.

Inona no anton’izany?

Ny fitomboan’ny teny ratsy dia mifamatotra mivantana amin’ny firodanan’ny fandaminana sy fitsipi-pitondrantena araka ny tokony ho izy taloha. “Famantarana ny fotoana izany”, hoy ny nambaran’ny mpandinika ara-pivavahana iray. Ny fahapotehan’ny fianakaviana, ny fahaverezan’ny fanajana ny fahefana sy ny fitsipi-pitondrantena vaovao izay milaza fa “azo atao ny zavatra rehetra” dia nandray anjara tamin’io onja tsy azo folahin’ny fiteny vetaveta io. Raha ny tena izy, io fomba fiteny io dia mampiseho taratry ny fomba fiaina mikororosy narahin’ny ankamaroan’ireo mpiara-belona amintsika.

Thomas Cottle, lehiben’ny mpandahateny ao amin’ny fitsaboana aretin-tsaina any Harvard dia nanao izao fanamarihana manaraka izao: “Mahatsapa ny olona fa foana ny fiainany, tsy mahafa-po azy, ary izany dia mahasosotra azy ireo (...). Ny filan’izy ireo ady dia mamitsaka ao ambadiky ny fahatezerany.” Porofoina indraindray fa ny fahambaniana dia mahaforona fomba iray famoahana ny fahatezerana sy ny fahadisoam-panantenana miavosa ao amin’ny tena. “Raha misy olona milahatra amiko eny amin’ny arabe midadasika ka miova lalana tampoka ary manompa azy aho, hoy ny nolazain’i Chaytor Mason, manam-pahaizana momba ny toe-tsaina, dia fomba iray hilazako amin’ny tenako izany fa tsara noho izy aho, ary izany dia manampy ahy hatoky tena indray.”

Ny ompa izay ifanaovan’ny olona dia mampiharihary zavatra. Araka ny Baiboly, izany dia porofo manamarina fa akaiky ny faran’ny fandehan-javatra ratsy. Ny Soratra Masina tokoa dia nanome izao fampiomanana manaraka izao: “Fa aoka ho fantatrao izao: fa any am-parany any dia hisy andro mahory. Fa ny olona ho tia tena (...), miteny ratsy (...), mpanendrikendrika, tsy mahonòm-po”. — II Timoty 3:1-5.

[Efajoro, pejy 4]

Kilalao “vidéo” nalahatra “X”

Tao amin’ny fanontany tamin’ny 30 aogositra 1982, ny gazety “Advertising Age” dia nanazava fa ankehitriny dia misy famoahana kilalao “vidéo” vetaveta. Izao no novakina tao: “Mihantsy, izany no hany fomba azo ilazana ny fandaharan’ireo kilalao vaovao toy ny ‘Bachelor Party’ [Kilalaon’ny mpitovo] (...) sy ‘Custer, miboridana tanteraka, dia lasa mihazakazaka misetra vato misakana any amin’ny efitra ary miezaka manenjika tovovavy indiana iray mba hisavika azy (...).

“Raha inoana ny lazain’i M. Koples, talen’ny fanaovan-dokam-barotra, na dia mifantoka amin’ny lahy sy ny vavy aza ireny kilalao ireny, ny vokany eo amin’ny lafiny maha-lahy sy maha-vavy dia hihena noho ny tsy ahitana tsara ireo faritra isan-karazany amin’ny tena eo amin’ny fisehoan-tsary amin’ny televiziona.

Araka ny vinavinan’i M. Koples, ireo kitapo nalahatra “X” amin’ny farany dia hahita ny toerany eo amin’ireo talantalan’ny ankamaroan’ny mpivarotra antsinjarany fandaharana “vidéo”.

“Raha nanisy fitenenana ny amin’ireo mpanatsinjara “vidéo” horonam-peo izay nanda aloha ny hanana horonam-peo nalahatra “X” i M. Kopels dia nanamafy fa voatery niova fanapahan-kevitra izy ireo satria ireo mpividy tao amin’izy ireo dia nanomboka nirohotra ho ao amin’ny magazay ery ampita izay nivarotra ireo entana ireo. Heveriko, hoy izy, fa hitranga koa io toe-javatra io ho an’ireo kitapo kilalao’.”

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2026)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2026 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara