Inona no toerana tananao momba ny raharahan’ilay Fanjakana?
NY RAHARAHAN’ILAY Fanjakana dia raharaha iadian-kevitra. Tsy maintsy tapahina àry izy io na alamina Raharaha tena zava-dehibe loatra izy io satria mikasika ny Fanjakana tarihin’Andriamanitra amin’ny alalan’ny Filoha voatendriny, dia Jesosy Kristy. Hatramin’ny 1919, taona nanaraka ny Ady Lehibe Voalohany, dia efa ho efatra amby enimpolo taona izao, ny Vavolombelon’i Jehovah dia nanatanteraka tany amin’ny tany 205 ny faminaniana nambaran’io Mpanjaka io tamin’izao teny izao: “Ary hotorina amin’izao tontolo izao ity filazantsaran’ny [vaovao tsaran’ny, MN] fanjakana ity ho vavolombelona amin’ny firenena rehetra, dia vao ho tonga ny farany.”—Matio 24:14.
Inona no vokatr’izany? Ireo herim-panjakana rehetra teto an-tany dia niatrika io raharaha io na tian’izy ireo izany na tsia. Ankehitriny dia miharihary fa tsy nankasitraka izany izy ireo. Tonga, tahaka ny hoe eo amin’ny maizim-bava-vilanin’ireo fanjakana eto an-tany isika. Tamin’ny fiafaran’ireo ady lehibe roa maneran-tany, dia fanjakana maro no naongana sy nosoloana tamin’ny fomba fanapahana hafa: repoblika, fanjakana tsy refesi-mandidy sy fitondram-panjakana hafa tsy refesi-mandidy sy fitondram-panjakana hafa nanampatra fahefana. Ankehitriny dia mbola misy fanjakana dimy ambin’ny folo fara fahakeliny, toy ny Fanjakana Mitambatr’i Grande-Bretagne sy Irlande Avaratra, ny Fanjakan’i Jordanie, ny Fanjakan’i Népal any Azia, ny Fanjakan’i Tonga any Pasifika Atsimo, ny Fanjakan’i Swaziland any Afrika, etsetra.
Fanjavonan’ireo fanjakan’olombelona
Ny fanjakan’olombelona rehetra dia voantso hanjavona tanteraka, ary izany, tsy hoe lasa vitsy an’isa fotsiny io karazam-pitondrana io, fa satria ny fitondram-panjakan’olombelona rehetra indrindra tsy maintsy manome toerana ho an’ny fitondram-panjakana anankiray maneran-tany izay tsy ho novolavolain’ny olombelona. Mihoatra ny 2580 taona izay, ny faminaniana voarakitra ao amin’ny Daniela 2:44 dia nanambara toy izao: “Amin’ny andron’ireo mpanjaka ireo Andriamanitry ny lanitra dia hanorina fanjakana izay tsy ho rava mandrakizay; ary izany fanjakana izany tsy havela ho an’olon-kafa, fa ireo fanjakana rehetra ireo dia hotorotoroiny sy holevoniny, fa izy kosa hitoetra mandrakizay.” Ny Ady Lehibe Voalohany izay nipoaka tamin’ny 1914 dia tsy nanamarika ny fahatanterahana manontolon’io faminaniana mampahery io, nefa io ady io dia manondro na izany aza fa ilay Andriamanitry ny lanitra dia nametraka teo amin’ny seza fiandrianana any an-danitra ny mpanjaka nofidin’ny tenany ary nanome azy ny hery ilaina mba hanatanterahana io faminaniana io.
Ankehitriny, ireo fitondram-panjakana rehetra eto an-tany dia tandindomin’ny fandravana, na dia hoe fotsiny amin’ny alalan’ireo fiadiana ara-tsiansa àry fomba tokoa aza. Ireo mpivaofy teny izay mahalala tsara ny zava-miseho maneran-tany mihitsy no mampiomana antsika ny amin’io ho avy mampanahy io. Mahatsapa izy ireo fa mamakivaky izay antsoin’ny Baiboly hoe “andro farany” na “am-parany” isika. (Daniela 12:4; II Timoty 3:1.) Miahotra mafy ireo firenena hanapoaka ady lehibe fahatelo satria izany hidika ho azy rehetra ny fanafoanana miaraka. Haniry hanorina tarehin-javatra izay nahafahan’izy ireo hihiaka amin-toky hoe “Miadana sy mandry fahizay!” izy ireo (I Tesaloniana 5:3). Rehefa afaka fotoana kely foana ka hanao fanambarana marina ampahibemaso toy izany ireo firenena, dia tsy hihavana amin’ilay Andriamanitry ny lanitra anefa izy ireo na dia izany aza. Marina tokoa fa hatramin’ny 1914 dia nanao ady taminy izy ireo tamin’ny fanaovan-javatra mifanohitra amin’ny fikasany momba ny taranak’olombelona. Koa satria navelan’Andriamanitra hanao izany izy, ireo firenena dia nampiseho nandritra ireo arivo taonan’ny tantaran’olombelona fa tsy afaka nanapaka ny tany mba hitondrana soa maharitra ho an’ny taranak’olombelona izy ireo tamin’ny tsy firesahana akory ny hanome voninahitra an’Andriamanitra.
Ilay Andriamanitra Tsitoha dia mahafantatra hoe rahoviana no mety ny hamaranana tanteraka an’ity fandehan-javatra mandiso fanantenana ity. Amin’ny fotoana marina voatondrony dia handevona ity fandehan-javatra ity izy. Amin’ny alalan’ireo Vavolombelon’i Jehovah dia ho efa nampiomanina ireo firenena; noho izany dia tsy azo alan-tsiny izy ireo.
Ny fanapahan’olombelona sa ny fanapahan’Andriamanitra?
Ireo firenena, na ny marimarina kokoa ireo mpitondra eo aminy dia mampiseho mazava ny toerana tanany momba raharahan’ny Fanjakan’Andriamanitra sy Jesosy Kristy. Raha ny amin’ny fifanolanana mifandray amin’ny fanapahana ny tany sy ny olombelona mitoetra eo aminy dia nanambara ankarihary izy ireo fa tia ny fanapahan’olombelona lalandava ary manohitra ny fanapahan’Andriamanitra. Amin’ny fanohizana manao izany, dia nanohitra ny fitondram-panjakan’i Jehovah Andriamanitra sy ny Kristiny izy ireo. Raha ny tena izy, dia niandany tanteraka tamin’i Satana Devoly, ilay “andrianan’izao tontolo izao” tsy hita maso izy ireo, araka izay nambaran’i Jesosy tamin’ireo apostoliny hoe: “Avy ny andrianan’izao tontolo izao, nefa tsy manana na inona na inona ato amiko izy.”—Jaona 14:30; jereo koa Matio 4:8-11; II Korintiana 4:4.
Koa satria efa nanao ny safidiny sy mifikitra amin’izany ireo firenena rehetra, ny tsirairay avy dia tsy maintsy mamaly manokana ity fanontaniana fanapahan-kevitra ity: Manao ahoana ny toerako eo anatrehan’ilay Fanjakana? Tsy azontsika atao ny mandositra ny safidy ataontsika amin’io raharaha iankinan’ny aina sy mahaliana izao tontolo izao io. Raha tsy miraharaha izany isika, dia tsy hanafaka antsika velively amin’ny filanjana ny vokany akory izany. Tsy hety ny hialanalanana amin’io raharaha io. Voatery isika na hiandany na hanohitra ny Fanjakan’Andriamanitra.
Ny ankabetsahan’ny olona velona ankehitriny dia tsy nahafantatra ny 1914, taona voamariky ny ady raha izany. Izany no antony tsy mety hahatadidiany ny zava-niseho rehetra nisesy hatramin’io daty io, noho ny tsy nahafantarana sy nandinihana azy. Na dia izany aza anefa, ny “famantarana” izay, araka ny faminanian’i Jesosy, dia tsy maintsy nanamarika ny “fifaranan’ny fandehan-javatra” dia tonga hita maso ary ny vahoaka sy ny firenena rehetra dia mbola afaka mahita azy. Raha ny marina dia mahatsapa ny vokany rehetra izy ireo. Ampy ho antsika ny mamaky ireo tenin’i Jesosy Kristy araka ny fitantarana ao amin’ny Matio, toko faha-24 sy 25, ao amin’ny Marka, toko faha-13, sy ao amin’ny Lioka, toko faha-21, mba hahatsapana fa nambarany ny ady, mosary, areti-mandringana, ny horohorontany, ny fanenjehana ireo mpianany, ny fitebiteben’ireo firenena very hevitra sy ny fitoriana amin-kerim-po ny ‘vaovao tsaran’ilay’ Fanjakana “amin’ny tany onenana manontolo, ho vavolombelona amin’ny firenena rehetra”, mandra-pahatongan’ny faran’ity fandehan-javatra madiva ho faty ity.
Marina fa tamin’ny taonjato voalohany, ireo kristiana marina dia nanao fiezahana lehibe mba hitoriana ny vaovao tsaran’ilay Fanjakana, tany Azia, tany Afrika sy tany Eoropa. Izany dia nitranga taloha elan’ny nahitan’ny Eoropeana, hatramin’ny taonjato faha-15 an’i Amerika Avaratra, Amerika Atsimo sy Aostralia, ary koa ireo nosy maro be any amin’ny oseana Atlantika sy oseana Pasifika. Nisy misioneran’ny fivavahana lazaina fa kristiana nalefa tany amin’ireny faritra vao hita ireny. Vao haingana kokoa, dia noforonina ny fikambanana ara-Baiboly izay nampiely ny Baiboly tamin’ny toerana rehetra sy tamin’ny fiteny maro. Kanefa ireo misionera sy mpitondra fivavahana tao amin’ny finoana lazaina fa kristiana dia tsy nitory ny hafatr’ilay Fanjakana, na fara faharatsiny, tsy nanao ny fanjakan’i Jehovah sy Jesosy Kristy ho raharaha lehibe teo amin’izao tontolo izao. Tsy izany no karazana fitoriana mety hahaforona ny anankiray amin’ireo “famantarana” izay tsy maintsy hampiavaka “ny fifaranan’ny fandehan-javatra”.