Mety ho sambatra ao an-tokantrano ve ny vehivavy tsy tia fiankinana iray?
Io fanontaniana io dia nahavery hevitra ny vehivavy tanora iray izay nanoratra ho an’ny Fikambanana Watchtower. Nanazava toy izao izy:’
“Tsy manambady sy tsy manana zanaka aho amin’izao fotoana izao, nefa anisan’ny fikasako foana izany. Toetoetrako mihitsy anefa ny tsy fitiavana fiankinana. Koa matetika aho no manontany tena raha ho afaka hizatra amin’ny fanambadiana rehefa avy namelon-tena irery nandritra ny enintaona. Indro anefa fa io boky o dia nampiseho tamiko ny lafiny isan-karazany amin’ny fanambadiana sy ny fianam-pianakaviana, hany ka takatro marina tokoa fa zavatra naorin’Andriamanitra izy io.”
Raha maniry ny ho sambatra ao an-tokantrano ianao, dia matoky izahay fa ny famakiana ilay boky hoe Comment s’assurer une vie de famille heurese dia hahasoa anao tokoa. Raha irinao ny hahazo io boky io, dia avereno amin’ny anankiray amin’ireo adiresy voalaza ao amin’ny pejy faharoa amin’ity gazety ity ny tapakila famaliana eto ambany.
Aza fady mba ampahafantaro ahy ny fomba mety hahazoako ilay boky hoe Comment s’assurer une vie de famille heurese.