Mandray refy vaovao ny famakiana ny Baiboly
Moa ve ianao efa nahita fahafinaretana nihaino mpamaky teny mahay iray namaky tapany ao amin’ny Baiboly? Ny olona toy izany tokoa dia manana talenta manao izay hahavelona ny fitantarana misy loko, ny resaka ifamaliana mampihetsi-po, ny fanjohian-kevitra mahery, ny torohevitra mavesa-danja sy antsipiriany be dia be tsy hisongadina amin’ny famakian-teny tsy voatandrina kokoa. Noho izany antony izany no nanontan’ny Fikambanana Watchtower feo noraisina amin’ny “cassettes” amin’ny Soratra grika kristiana manontolo amin’ny teny frantsay sy amin’ny teny anglisy ary koa boky isan-karazany ao amin’ny Baiboly anisany, amin’ny fiteny hafa eo amin’ny folo.
Ahoana no hevitr’ireo izay nahazo ireny “cassettes” ireny? “Noheveriko fa tsy handray soa firy aminy aho rehefa avy nihaino izany indray mandeha, hoy ny fiaiken’ny mpihaino iray. Diso hevitra aoka izany aho! Tsy manasatra ahy mihitsy ny mihaino azy ireny sy mamerina mihaino azy, satria hatrany hatrany aho dia manovo zava-baovao avy aminy.”
Olona maro no mahatsapa fa ireny feo noraisina ireny dia nanampy azy hankamamy kokoa ny hasarobidin’ireo andinin-teny ao amin’ny Baiboly izay fantany tsara anefa. Nilaza ny heviny toy izao ny mpihaino iray: “Rehefa henoina imbetsaka dia imbetsaka ny “cassette”, dia voamarika ny antsipiriany mahaliana be dia be izay tsy ho voamaritsika amin’ny famakian-teny tsotra izao na raha mianina amin’ny fihainoana an’ilay “cassette” indraindray isika.”
Nisy hafa koa nanamarika fa ny feo noraisina dia nanampy azy ireny haka sary an-tsaina an’ireo zava-niseho sy hahatsapa amin’ny fomba feno ny maha-zava-dehibe azy. Ny olona iray niseho mora nahatsapa izany dia nanambara hoe: “Toy ny niara-nandry ilika teo amin’ny latabatra tamin’i Jesosy Kristy tamin’ny sakafo harivany aho (...) ka nahita an’i Maria nanosotra menaka manitra azy ho amin’ny fandevenana azy.” Ny vehivavy iray 81 taona izay Vavolombelon’i Jehovah hatramin’ny 50 taona dia namboraka taminay fa rehefa nihaino ny feo isan’andro izy dia nahatakatra marina tokoa voalohany fa Jesosy sy ireo apostoliny dia tena olombelona nanana ny anjara fisedrana azy sy ny zava-nanahirana azy sahala amintsika. Raha raisina ny teniny mihitsy, izany dia nitarika azy hahatsiaro tena ho “akaiky azy ireo kokoa”.
Izao no nambaran’ny olon-kafa iray ny amin’ny mpitsidika iray izay tsy nianatra ny Baiboly raha tsy vao hatramin’ny telo volana teo ho eo: “Talanjona aho noho ny fahalalany ny Baiboly sy ny fahaizany mora foana nanonona na nanao tsianjery andinin-teny ao amin’ny Baiboly. Tsy nahagaga ahy anefa izany rehefa fantatro fa nihaino “cassettes” foana izy teny am-pamiliana fiarakodia, alohan’ny hatoriana ny hariva, ary vao maraina be koa aza.” Nisy hafa koa nanao izay hanamarihana fa raha ferana ho “cassette” iray isan-kerinandro, dia moramora kokoa ny mahafantatra ny toerana misy ireo andininy ao amin’ny boky ao amin’ny Baiboly ahitana azy.
Be dia be koa no nahatsikaritra fa nampiasa ny fotoanan’izy ireo tamin’ny fomba tsara kokoa izy noho ireo tenin’ny Baiboly nandraisam-peo. Ny vehivavy mpikarakara tokantrano indrindra no matetika milaza fa ny “cassettes” dia manampy azy ireny hitana ny sainy hifantoka amin’ny zavatra ara-panahy rehefa mikarakara tokantrano izy na mahandro sakafo. Ireo izay tsy maintsy mandeha isan’andro koa mba hankanesana any amin’ny toeram-piasany dia afaka ‘manararaotra’ ny fotoana lany eny an-dalana amin’ny fihainoana ireo “cassettes” ao anaty fiarakodiany. Ny vehivavy iray nijanona ela tany amin’ny hopitaly dia naneho ny fankasitrahany lalina noho ny “cassettes” nohenoiny tsy tapaka niaraka tamin’ny Vavolombelona hafa iray efitrano taminy nandritra ny nitoerany tany amin’ny hopitaly.
Nanambara toy izao ny apostoly Paoly: “Ny finoana dia teraka avy amin’ny zavatra re. Ary ny zavatra re dia avy amin’ny teny momba an’i Kristy.” (Romana 10:17, MN). Tena mety ho fomba tsara dia tsara hanatanjahana ny finoanao àry ny tenin’ny Baiboly andraisam-peo.