FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • w83 15/6 p. 11
  • Indray mitopy maso amin’ny vaovao

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Indray mitopy maso amin’ny vaovao
  • Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1983
  • Lohatenikely
  • Mitovitovy Aminy
  • Tabataba mandrahona ny fivavahana
  • “Zavatra” iray mihamihena
  • “Kristiana” mampidi-doza
  • Tokony hiova finoana ve hianao?
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1965
  • Fanarahana ny Fivavahana Madio mba Hahatafita Velona
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1992
  • Fanafahan-tena avy Amin’ny Fivavahan-diso
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1992
  • Hazavain’ny Baiboly Izay Hitranga Amin’ny Fivavahana
    Foto-kevitra Hafa
Hijery Hafa
Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1983
w83 15/6 p. 11

Indray mitopy maso amin’ny vaovao

Tabataba mandrahona ny fivavahana

Ny fandrosoana ara-tafika nataon’Isiraely niditra tao Liban dia niteraka resaka maro momba izay ao ambadiky ny fankahalana izay toa nanjaka eran’ny Atsinanana Afovoany. Hoy ny nambaran’i Dennis Braithwaite, ao amin’i The Toronto Sun: “Ny maha-tena ratsy azy dia ny hiadian’ny Isiraeliana sy ny Palestiniana, izay samy firenena Semitika, ny amin’ny faritany iray izay samy azy avy ary azony ikambanana amim-pilaminana”. Araka ny fihevitr’i Braithwaite, ny hany tena mampisaraka azy ireo dia ny fivavahana; ny hafa rehetra dia resadresaka, fampielezan-kevitra sy lainga fotsiny (...) Esory ny fitompoan-teny fantatra ara-pivavahana dia inona sisa antony ho hitan’ny Arabo sy Jiosy mba hiadiana?

Nefa nahamarika ilay mpanoratra amin’ny gazety io fa tsy voafetra ho an’ny Atsinanana Afovoany ihany ny fankahalana ara-pivavahana: “Diniho ny hadalana any Irlande Avaratra: fiheverana roa samy hafa ny amin’ny fivavahana kristiana no mitarika olona izay mitovy manana fiteny mitovy, ary nivoaka avy tamin’ny tany iray ihany, mba hihidy ao anatin’ny ady sy ny famonoana izay tsy takatry ny olona aty ivelany. Inona raha tsy ny fivavahana ihany no mihazona ny I.R.A. sy ny “Ulster Defense League” (fikambanana ho fiarovana an’i Ulster) ao anatin’ny teti-dratsy hamono olona sy hamaly faty tsy an-kijanona? Rehefa miresaka ao amin’ny televiziona izy ireo, dia tsy misy azo anavahana azy”.

Nanohy nilaza i Braithwaite fa “tsy inona ny fivavahana fa endrika iray amin’ny fanindrahindram-pirenena ihany, ny fiheverana ny amin’ny “ry zareo” sy “isika”, (...) izay fandrahonana lehibe indrindra ho an’ny ho avin’ny olombelona.” Tsy azo ampoizina avy amin’izany ve fa io fahatsapana ny fivavahana ho toy ny “fandrahonana” io,dia hitombo ary hitondra ny fahatezeran’ireo firenena aminy amin’ny farany? Ny faminanian’ny Baiboly dia manamafy fa tsy ho ela ireo firenena sy ny tafiny dia hivadika amin’ny fivavahana ary handringana azy toy ny vehivavy janga ankahalaina izay nanararaotra azy ireo ela loatra. — Apokalypsy 17:1, 2, 5, 15, 16.

“Zavatra” iray mihamihena

Ny fikarohana iray navoaka vao haingana tany amin’ny foiben’ny Filan-kevi-pirenen’ireo Fiangonana, tany New York, dia nampahafantatra ny valin’ny fikarohana lehibe iray momba ny fivavahana amerikana. Ny iray amin’ireo nitarika ilay fikarohana, William Newman, Profesora ao amin’ny Oniversiten’i Connecticut, dia nilaza fa “ny taranaka ankehitriny, izay olon-dehibe eo amin’ireo taona maha-matotra azy, amin’ny ankapobeny dia mampiasa io zavatra io (ny fivavahana) amin’ny fomba kely kokoa.” Nanamarika koa izy fa ny Amerikana amin’ny ankapobeny dia “miha-tsy tia fivavahana”. Ary ny fitantaran’ny New York Times ny amin’io fivavahana io dia nanampy toy izao: “Ny isan’n ympikambana ao amin’ireo Fiangonana teo anelanelan’ny 1971 sy 1980 dia tsy naharaka ny fitomboan’ny isan’ny mponin’ny firenena, ka nifamadika tamin’ny lalana narahin’ny firoboroan’ireo Fiangonana nandritra ireo roapolo taona teo aloha.” Latsaka ny antsasaky ny olon-dehibe rehetra amin’izao fotoana izao no anisan’ny Fiangonana na synagoga iray.

Mifanaraka amin’izany ny Baiboly dia naminany fa mitohy miharitra ny fanohanana ny fivavahana, toy ny ranon’ny ony Eofrata izay niharitra fahiny mba hanomanana ny lalana ho amin’ny fandringanana an’i Babylona Lehibe”, empira maneran-tanin’ny fivavahan-diso, ka izany dia famantarana fa hitovy amin’ny an’i Babylona fahiny ny hiafarany. — Apokalypsy 16:12; 17:1, 2, 5, 15, 16.

“Kristiana” mampidi-doza

“Na dia mpitondra fivavahana sy mpandinika ny Baiboly mafana fo aza aho, dia tsy nahita mihitsy tao amin’ny Soratra Masina fanambarana na dia kely akory aza ny amin’ny fampihenana ny fitaovam-piadiana sy ny fandriampahalemana maneran-tany hoy ny nosoratan’i Michel Viot, mpikambana ao amin’ny klerjy loteriana Frantsay, tao amin’ny Le Monde, gazety mivoaka isan’andro ao Paris.” Toy izany koa, tsy namaky mihitsy aho fa ny fiadiana dia melohina foana (...) ary satria ara-dalàna ny fitondrana fitaovam-piadiana, ny kristiana iray dia tsy afaka ny hanilika avy hatrany ny fandaminan-javatra ara-tafika mba hitandroana ny filaminana.”

Io karazam-pitarihana ara-pivavahana io dia anisan’ny nanosika ireo kristiana anarana ho vonona handray fiadiana hanohitra ireo namany mpiray finoana aminy na ny hafa arakaraka ny faniriana miovaovan’ireo mpanao politika. Azo antoka fa io “mpandinika Baiboly” io dia hahita vokatra tsara amin’ny fandinihana indray ny Baiboly mba hahitana ao ny habetsahan’ireo “fanambarana” momba ny fampihenana ny fitaovam-piadiana sy ny fandriampahalemana maneran-tany. Hoy ny samy nolazain’ny mpaminany Isaia sy Mika: “Hanefy ny sabany ho fangady ireny, ary ny lefony ho fanetezam-boaloboka. Ny firenena tsy hanainga sabatra hifamely na hianatra ady intsony.” — Isaia 2:4; Mika 4:3.

Raha ny amin’ny maha-ara-dalàna sy araka ny Baiboly ny “fiadiana”, Jesosy Kristy dia nilaza fa “izay rehetra mandray sabatra no hovonoina amin’ny sabatra.” (Matio 26:52) Amin’ny lafiny hafa kosa, ny kristiana dia manana sy mampiasa fiadiana ara-panahy iza eken’Andriamanitra. — II Korintiana 10:4, 5.

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2026)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2026 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara