FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • w83 15/6 p. 4-7
  • Avy amin’Andriamanitra tokoa ve ny Baiboly?

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Avy amin’Andriamanitra tokoa ve ny Baiboly?
  • Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1983
  • Lohatenikely
  • Mitovitovy Aminy
  • Fifanarahana anaty
  • Fahamarinana ara-tsiansa
  • Fahatsorana
  • Fiarovana
  • Faminaniana
  • Loharanom-pahendrena Ambony Tsy Manam-paharoa
    Inona no Zava-kendren’ny Fiainana? Ahoana no Mety Hahitanao Azy Io?
  • Boky avy Amin’Andriamanitra ny Baiboly
    Inona Marina no Ampianarin’ny Baiboly?
  • Boky avy Amin’Andriamanitra ny Baiboly
    Inona no Azonao Ianarana ao Amin’ny Baiboly?
  • Bokim-pahendren’olombelona ve ny Baiboly?
    Valin’ireo Fanontaniana Ara-baiboly
Hijery Hafa
Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1983
w83 15/6 p. 4-7

Avy amin’Andriamanitra tokoa ve ny Baiboly?

ZAVATRA iray no azo antoka. Mba hanekenao ny Baiboly ho boky avy amin’Andriamanitra, dia tokony ho marina tsara izy amin’ny zavatra rehetra lazainy. Ireo olona sy toerana resahiny dia tokony ho nisy toko. Tsy manaiky izany ve ianao? Amin’ny ahoana no ifanarahan’ny Baiboly amin’io fepetra io?

Makà ohatra iray fotsiny. Ny Baiboly dia mampahafantatra an’i Pontio Pilato ho ny governoran’i Jodia nandritra ny fanompoan’i Jesosy Kristy teto an-tany (Lioka 3:1, 2). Nefa moa ve tena niaina tokoa i Pilato, ary, raha izany no izy, moa ve tena nanapaka an’i Jodia tokoa izy?

Tsy nisy fanamarihana izany nandritra ny fotoana ela. Kanjo, tamin’ny 1961, nisy zavatra hita nanan-danja tany Kaisaria. Nisy vato misy soratra hita izay anisan’ny tempoly iray nankalaza ny Emperora Tiberio, tany am-boalohany. Milaza toy izao ilay soratra amin’ny teny latina: “Pontio, Pilato, Mpanapaka an’i Jodia, dia nanolotra tempoly iray ho fankalazana an’i Tiberio ho an’ny mponin’i Kaisaria”. Voaporofo ny fahamarinan’ny Baiboly ara-tantara! Ary maro dia maro ny ohatra hafa izay mampiseho fa ny Baiboly dia marina sy azo itokisana eo amin’ny lafiny ara-tantara sy ara0-jeografia.

“Andraso kely”, hoy angamba ianao. “Ny maha-marina ny boky iray dia tsy manaporofo fa avy amin’Andriamanitra izy io!” Marina izany. Ny maha-marina ny Baiboly fotsiny ihany dia tsy manaporofo fa avy amin’ny tsindrimandrin’Andriamanitra izy. Kanefa, ny Baiboly dia mirakitra porofo mampiharihary fa lehibe lavitra noho ny boky marina ara-tantara izy io. Noho izany, mpianatra ny Baiboly tso-po maro be no niaiky fa tena avy amin’Andriamanitra tokoa ny Baiboly. Mendrika ny hijery izay nitarika azy ireo ho amin’izany fiaikena izany ianao. Aoka isika handinika fanamarinana dimy samy hafa.

Fifanarahana anaty

Hevero hoe olona efapolo izay nangatahina mba hanoratra tapany avy amin’ny boky iray. Samy hafa ny niaviany. Ny sasany dia nanam-pahaizana, ny hafa kosa dia tantsaha na mpiandry ondry kely. Fanampin’izay, tsy nifankahalala daholo izy rehetra. Raha ny tena izy, ny ankamaroany dia niaina tamin’ny fotoana samy hafa tamin’ny tantara ary tamin’ny toerana samy hafa. Fahafahana inona no heverinao fa mety hampifanaraka ny zavatra nosoratan’izy ireo, na dia amin’ny antsipiriany madinika indrindra aza? “Tsy misy mihitsy”, hoy ianao? Nefa, ireo indrindra no toe-javatra nanodidina ny fanoratana ny Baiboly.

Diniho àry izao ny fanazavana tsy niova ataon’ireo mpanoratra ireo ny amin’i Jehovah Andriamanitra, ho ohatra iray fotsiny ny amin’ny fifanarahana misy eo amin’izy ireo. Araka ny vakinao ao amin’ny Baiboly, ny tapany samy hafa dia manome fanazavana mifanaraka tsara momba ny tenan’i Jehovah Andriamanitra sy ny maha-izy azy. Izy dia mandrakizay, tsy manam-piandohana na fiafarana. (Salamo 90:2; Habakoka 1:12; Apokalypsy 10:6; 15:3.) Izy dia tsy hitan’ny mason’olombelona. (Eksodosy 33:20; Jaona 1:18; I Timoty 1:17).

Ireo mpianatra ny Baiboly, rehefa mahazo fahitana ny amin’ny fanatrehany, dia manazava ny amin’ny voninahitra lehibe sy fahalehibeazana ary koa ny fahatoniana, sy ny filaminana ary ny hatsaran-tarehy. (Eksodosy 24:9-11; Ezekiela 1:26-28; Apokalypsy 4:1-3). Ao anatin’ny Baiboly iray manontolo, dia aseho amin’ny fomba miverimberina fa ny toetran’Andriamanitra lehibe indrindra dia ny fitiavana, ny fahendrena, ny fahamarinana ary ny hery.

Azo antoka fa ny fifanarahana anatin’ny Baiboly — na dia maro aza ny mpanoratra azy, dia mampiseho fa avy amin’ny loharano ambony lavitra noho ny olombelona izy io.

Fahamarinana ara-tsiansa

Andao àry hojerentsika izao ny iray na roa amin’ireo filazan’ny Baiboly eo amin’ny lafiny ara-tsiansa. Nahoana izy ireo no zava-dehibe? Noho ny antony maromaro: 1) Mifanaraka amin’ny zavatra tena misy ara-tsiansa izy ireo; 2) Mampiseho taratry ny fahendrena izay ambony lavitra noho ny fahaizan’ny olombelona tamin’ny fotoana nanoratana azy izy ireo; ary 3) Afaka tanteraka amin’ireo hevi-diso nanjaka tamin’ny fotoana nanoratana azy izy ireo.

Angamba efa renao fa ny Baiboly dia nilaza fa mihantona amin’ny tsy misy ny tany sady boribory. (Jaoba 26:7; Isaia 40:22, MN). “Inona no maha-zava-dehibe an’izany?”, hoy angamba ianao. Tadidio ao an-tsaina fa ireo filazan’ny Baiboly ireo dia mifanaraka amin’ny zava-misy ara-tsiansa voamarina ary mifanipaka amin’ireo angano fahiny momba ny toetry ny tany sy ny fomba nitoerany. Eny, hatramin’ny taonjato vitsivitsy lasa izay ny ankamaroan’ny olona, na dia ireo mpanao siansa aza, dia nino fa fisaka ny tany! Noho izany, tena zavatra mahagaga ny nahafantaran’ny mpanoratra ny Baiboly ireo zavatra momba ny tany ireo an’arivo taonany maro izay ary izany dia tsy tamin’ny alalan’ny fitaovana ara-tsiansa ary fomba!

Ity misy ohatra iray hafa. Tamin’ny andron’i Mosesy, dia fanaon’ny olona tany Egypta ny nampiasa ny maloton’ny olona na ny biby mba hanasitranana aretina sasany. Fanampin’izay, Mosesy dia notezaina tany Egypta ary “nampianarina ny fahendrena rehetra nananan’ny Egyptiana.” (Asa. 7:22). Nefa ireo filazana nosoratany tao amin’ny Deoteronomia 23:12, 13 dia afaka tanteraka amin’ireo fombafomba ara-pitsaboan’ny Egyptiana izay diso — raha ny tena izy, manimba. Araka ireo teny ireo, tany Isiraely fahiny, ny maloton’ny olombelona dia tokony ho noheverina ho tsy madio, ary nalevina lavitra ny toerana nonenana sy ny rano nosotroina. Toy ny ahafantaranao azy, ny siansa ara-pitsaboana amin’ny andro ankehitriny dia mifanaraka amin’izany. Moa ve ireo ohatra ireo tsy porofo fanampiny mampiseho fa ny fanazavana voarakitry ny mpanoratra ny Baiboly dia tsy maintsy avy amin’ny loharano iray ambony kokoa noho ny tenan’izy ireo?

Fahatsorana

Ny zavatra hafa izay manoro ny Baiboly ho avy amin’Andriamanitra dia ny fahatsoran’ireo mpanoratra azy. Nahoana? Voalohany aloha, mifanohitra amin’ny toetran’ny olona tsy tanteraka ny miaiky ny fahadisoan’ny tenany, indrindra raha soratana izany. Amin’io lafiny io, ny Baiboly dia miavaka amin’ireo boky tranainy hafa. Nefa, mihoatra noho izany, ny fahatsoran’ireo mpanoratra azy dia manome antoka antsika ny amin’ny fahatsoram-pony tanteraka. Raha ny tena izy, tsy handeha hamboraka ny fahalemeny izy, ary avy eo dia hanao fanambarana diso momba ny zavatra hafa, sa tsy izany? Raha ohatra izy ka nitady ny hanova ny zavatra, moa ve tsy ho nitondra fanambarana diso ny amin’ny tenany izany? Noho izany àry, ny fahatsoran’ny mpanoratra ny Baiboly dia manome lanjany fanampiny ny filazany fa Andriamanitra no nitarika azy tamin’ireo zavatra nosoratany. — II Timoty 3:16.

Ho ohatra ny amin’izany fahatsorana izany, aoka hodinihintsika i Mosesy. Na dia mpitarika ny firenen’Israely, mpanelanelana tamin’ny faneken’ny Lalàna, mpaminany ary mpitsara aza izy, dia tsy nitondra ny Isiraely niditra tany amin’ny Tany nampanantenaina. Fa nahoana? Araka ny Nomery 20:1-13, Mosesy dia nanao fahadisoana lehibe. Vakio ho anao manokana tamin’ny fomba ahoana izy no “nivadika” tamin’i Jehovah ary “nihoa-bava”, ka nanadino ny nankalaza ny anaran’Andriamanitra. Iza no nanoratra ny fitantarana ao amin’ny bokin’i Nomery ao amin’ny Baiboly? Mosesy, izay, tamim-pahatsorana, dia nitantara ny fahalemen’ny tenany ka nampiraikitra izany ho mandrakizay! — Deoteronomia 32:50-52; Salamo 106:32, 33.

Manaraka izany, diniho ireo fahalemen’ny apostolin’i Jesosy. Indraindray izy ireo dia ela vao nahataka-javatra (Matio 16:5-12), niseho ho kely finoana (Matio 17;18-20), ary nampiseho fironana ho amin’ny fitadiavana fahamboniana (Matio 18:1-16; 20:20-28). Eny, nandao an’i Jesosy mihitsy aza izy ireo tamin’ny alina nisamborana azy! (Matio 26:56). Voamarikao ve fa ireo fahalemena rehetra ireo dia notantarain’i Matio, iray amin’ireo apostoly 12?

Tsy manaiky ve ianao fa ny fahatsoran’ireo mpanoratra ny Baiboly dia porofo fanampiny mampiharihary fa ny Baiboly dia mihoatra noho ny boky iray nataon’olona fotsiny ary mirakitra mazava ‘tsy ny tenin’ny olona, fa ny tenin’Andriamanitra’? — I Tesaloniana 2:13.

Fiarovana

Ny fiarovana ny Baiboly koa dia mampiseho fa tena avy amin’Andriamanitra izy io. Diniho ireto antony roa ireto:

1)Koa satria ireo mpanoratra ny Baiboly tany am-boalohany nanoratra tamin’ny zavatra mora simba, ireo Soratra dia voatery nadika tamin’ny tanana imbetsaka nandritra ireo taonjato maro mba hahafahana miaro azy ho an’ireo taranaka ho avy. Inona no maha-zava-dehibe an’izany? Tsy hoe satria fotsiny nety hisy fahadisoan’olombelona fa satria koa nisy fiezahana niniana natao hanovana ny soratra. Kanefa ny fahamarinana mahagagan’ny Baiboly dia tonga aty amintsika amin’izao andro izao, araka ny hamafisin’ny fahitana an’ireo soratry ny Baiboly tranainya.

2)Vao mainka koa mahagaga ny fiarovana ny Baiboly raha dinihinao fa nahatohitra fanoherana mahery vaika izy. Nisy fotoana maro izay nandraran’ny “papa” sy konsily maro ny famakiana Baiboly ka fandroahana no sazin’izay tratra. Maro ireo olona tia ny Baiboly izay nodorana tamin’ny hazo. Kanefa nahatohitra izany fanoherana rehetra izany ny Baiboly ka totany.

Tsy misy boky hafa teo amin’ny tantanga ny boky fatra-piely indrindra maneran-rann’y olombelona, iza nitana ny fahamarinany na dia teo aza ny fandikana niverimberina nataon’olona tsy tanteraka, ary naharitra ihany na dia teo aza ireo taonjato maro feno fanenjehana mafy avy amin’ny fahavalo. Tsy porofo mampiaiky ve izany fa ny Baiboly dia mirakitra “ ny tenin’i Jehovah”, izay “maharitra mandrakizay”? — I Petera 1:24, 25.

Faminaniana

Angamba ny porofo mafy orina indrindra fa avy amin’Andriamanitra ny Baiboly dia ny fahatanterahan’ireo faminaniana maro be. Olona iza no afaka milaza mialoha ny ho avy amim-pahamarinana tanteraka, an-jato taonany, an’arivo taonany maro mialoha? Ny olombelona dia sahirana raha hilaza ny toetry ny andro mihoatra ny ora vitsivitsy mialoha!

‘Kanefa ahoana no ahafantarantsika fa ny faminanian’ny Baiboly dia nosoratana mialoha?’, hoy angamba ny fanontanianao. Mba hamaliana izany, avadiho ny Baibolinao ho ao amin’ny Isaia 13:19, 20 ary vako ny faminanian’Isaia mikasika ny nandravana an’i Babylona fahiny. Mariho fa tsy ny amin’ny fandringanana an’i Babylona fotsiny ihany no nolazain’i Isaia mialoha. Nilaza izao koa izy: “Tsy honenana mandrakizay izy (Babylona)”. Foana mandraka androany i Babylona. Ahoana no nety nahafahan’i Isaia nanoratra izany faminaniana izany taorian’ny fahatanterahany?

Fanampin’izany, na dia resin’ny Mediana sy Persiana aza i Babylona tamin’ny 539 talohan’ny fanisan-taona iraisana, ny faminanian’Isaia dia tsy tanteraka tamin’ny fomba feno tamin’izany fotoana izany. Raha ny marina, mbola nisy olona niaina ihany tany Babylona hatramin’ny taonjato voalohany amin’ny fanisan-taona iraisana. (I Petera 5:13). Raha jerena tokoa, taty aorian’ny taonjato fahefatra amin’ny fanisan-taona iraisana. (I Petera 5:13). Raha jerena tokoa, taty aorian’ny taonjato fahefatra amin’ny fanisan-taona iraisana i Babylona vao tonga foana, ho fanatanterahana amin’ny fomba feno ny tenin’i Isaia. Tsy nisy isalasalana fa talohan’izay no nanoratan’Isaia ny bokiny, satria na dia ireo horonan’ny Ranamasina Maty aza (soratanana amin’ny Baiboly hita voalohany tamin’ny 1947) dia mirakitra kopian’ny bokin’Isaia izay mitondra daty tamin’ny taonjato voalohany na faharoa talohan’ny fanisan-taona iraisana.

Ny Baiboly dia mirakitra faminaniana am-polony maro hafa izay nosoratana fotoana ela be mialoha ary tanteraka. Mihoatra noho izany, ny fianarana ny Baiboly dia mampiharihary fa izy dia mirakitra faminaniana izay hitantsika fa tanteraka amin’izao andro izao. (Diniho ilay faritra voahodidina miaraka amin’ity lahatsoratra ity.) Mety hisy fisalasalana ve ny amin’ny maha-avy amin’Andriamanitra ny nitenenan’ireo mpanoratra ny Baiboly?

Aorian’ny nijerenao indray ny porofo, inona no tsoahinao? Fara faharatsiny, tsy mendrika ny fikarohanao ve ny Baiboly? Misy antony manosika anao hanao fikarohana momba azy. Toy ny nanamarihanay azy tao amin’ny lahatsoratra teo aloha, tsy mbola nisy mihitsy teo amin’ny tantara fotoana nilàna mpitari-dalana azo antoka eo amin’ny raharahan’ny olombelona, mihoatra noho ny amin’izao andro izao. Ny Baiboly dia mirakitra fotopoto-pitsipika, izay raha ampiharina, dia afaka ny hanampy anao hisetra ireo fahasahiranana ara-bola, hiaina amim-pilaminana miaraka amin’ireo mpiara-belona aminao ary hanorina fiainam-pianakaviana sambatra. Ahoana, ny amin’ireo zava-manahirana amin’ny ankapobeny izay tsy hain’ny olombelona alamina? Ny Baiboly dia mampiseho fanafodiny maharitra izay hampiharin’ny Fanjakan’Andriamanitra eo ambany fitarihan’i Kristy amin’ny ho avy tsy ho ela.

Ho tianao ve ny hahafantatra be kokoa ny amin’ireo zavatra ireo? Nahoana raha mifandray amin’ny Vavolombelon’i Jehovah eo an-toerana na manoratra any amin’ny mpanonta ity gazety ity? Zavatra tsara sy mendrika avokoa no horaisinao amin’izany.

[Fanamarihana ambany pejy]

a Jereo ilay boky hoe Aid to Bible Understanding, pejy 1106-1110, natontan’ny Watchtower Bible and Tract Society of New York, Inc.

[Efajoro, pejy 7]

Ireo faminaniana ao amin’ny Baiboly hitantsika tanteraka

1. Ady lehibe (Apokalypsy 6:3, 4).

2. Mosary amin’ny toerana maro sy fisondrotry ny vidin-java-pihinana aoka izany (Apokalypsy 6:5, 6; Matio 24:7).

3. Fitomboan’ny ditra sy ny fanaovana heloka bevava (Matio 24:12; 2 Timoty 3:1-5).

4. Horohoron-tany mihamatetika (Lioka 21:11).

5. Fanimbana ny tany, indrindra fa amin’ny alalan’ny fandotoana mitera-doza (Apokalypsy 11:18)

6. Fitorian’ny Vavolombelon’i Jehovah maneran-tany ny vaovao tsara (Matio 24:14).

[Sary, pejy 5]

Ireo olona mandeha teny amin’ny volana na nanodidina ny tany dia afaka manaporofo ny fahamarinan’ny Baiboly ara-tsiansa.

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2026)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2026 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara