Ny Baiboly —Mila azy ve isika?
“TSY azo atao ny manapaka amim-pahamarinana izao tontolo izao raha tsy misy an’Andriamanitra sy ny Baiboly”. Izany no nambaran’i George Washington, prezidà voalohan’i Etazonia. Manaiky izany ve ianao? Diniho izay mitranga manodidina anao.
Fisondrotam-bidin-javatra: Hatramin’ny niantombohan’ny Ady Lehibe Faharoa dia nihanihena ny sandam-bolan’ny tany maro, toy ny mety ho nahatsapanao azy tamim-pitebitebena. Araka ny “US. News & World Report”, “ny voka-dratsin’ny fisondrotan-bidin-javatra teo amin’ny dôlara dia nitarika fitomboana 579 isan-jato teo amin’ny vidim-piainana hatramin’ny 1939”.
Ady: Ain’olona am-polo tapitrisa maro — miaramila sy sivily — no nafoy tamin’ireo ady lehibe roa natao tamin’ity taonjato ity. Nanomboka tamin’ny 1945 ka hatramin’ny 1978 dia miaramila dimy amby roapolo tapitrisa no voavono tamin’ny ady teo amin’ny dimampolo amby zato teo. Amin’izao fotoana izao ireo firenena dia mandany maherin’ny 500 arivo tapitrisa dôlara isan-taona amin’ny asa mifandray amin’ny ady, izany hoe eo amin’ny iray tapitrisa dôlara isa-minitra.
Fisaraham-panambadiana: Any Japon dia misy fisaraham-panambadiana iray isaky ny efatra minitra. Any Etazonia dia iray isaky ny fanambadiana roa no miafara amin’ny fisarahana. Any amin’ny Firaisana Sovietika dia 30 isaky ny 100 izany. Ireo dia tarehi-marika taratry ny zava-mitranga maneran-tany fotsiny.
Heloka bevava: Mitombo haingana dia haingana amin’ny tany samy hafa ny heloka bevava mahery vaika. Ohatra iray fotsiny, any Etazonia dia misy heloka bevava mahery vaika iray isaky ny 24 segondra. Misy vonoan’olona iray isaky ny 23 minitra, fisavihana iray isaky ny 9 minitra, ary halatra iray isaky ny 58 segondra. Ary toa ahazoam-bokatra ny heloka bevava fa 19 isan-jato monja amin’ireo heloka ireo no fantatra sy nosamborina ny mpanao azy.
Tsy fahampian-tsakafo: Na dia nitombo miandalana aza ny famokarana sakafo maneran-tany tato anatin’ny telopolo taona farany, amin’izao fotoana izao dia maro kokoa ny isan’ny voan’ny hanoanana noho ny taloha. Olona eo amin’ny dimanjato tapitrisa eo — izany hoe iray isaky ny olona sivy — no mijaly noho ny tsy fahampian-tsakafo; misy an’io zava-manahirana io koa na dia any amin’ireo firenena “mandroso” aza.
Ireo zava-manahirana rehetra ireo dia misy sady mitombo na dia eo aza ny fiezahana ataon’ireo mpikarakara ny toe-karena, mpanao politika, mpanome torohevitra momba ny fanambadiana, ireo mpitsabo aretin-tsaina ary ireo manam-pahaizana maro hafa koa. Tsy miseho mazava ve fa ny tenantsika manokana sy izao tontolo izao amin’ny ankapobeny, dia mila fitarihan-dalana avy amin’ny loharano avo kokoa noho ny olombelona?
Ny Baiboly dia milaza ho manolotra izany fitarihan-dalana izany. “Ny Fanahin’i Jehovah no mampiteny ahy, ary ny teniny no eo amin’ny lelako”, hoy Davida mpanoratra ny Baiboly (II Samoela 23:2). ‘Avy tamin’Andriamanitra no nitenenan’ireo mpaminanin’ny Baiboly araka izay nitondran’ny Fanahy Masina azy’, hoy ny nanampin’ny Apostoly Petera.—II Petera 1:20, 21.
Mazava ho azy fa mety ho mahatsapa ianao fa ny filazan’ny boky iray fa avy amin’Andriamanitra izy dia tsy manaporofo fa izany tokoa no izy. Tokony hodinihinao ary izao: Misy porofo ve, porofo mahafa-po, fa ny Baiboly dia tena avy amin’Andriamanitra tokoa?