Mahatsapa firaiketam-po amin’i Jehovah ve ianao?
MANANA endrika maro karazana ny fitiavana. Araka izany, ny zazalahy mafana fo iray dia mety ho raiki-pitia amin’ny zazavavy tsara tarehy iray. Ao koa ny fitiavana tsapan’ny vehivavy iray amin’ny zanany. Tsy tokony hohadinoina ny fitiavana mampiray ny kristiana toy ny mpirahalahy maneran-tany.
Izany fihetseham-po rehetra izany dia azo antsoina amin’ny teny hoe “fitiavana”. Ny Grika kosa anefa dia mampiasa teny tsy mitovy arakaraka ny karazam-pitiavana resahiny. Aoka horaisintsika voalohany indrindra ny hoe érôs, fitiavana mifamatotra amin’ny fanintonana eo amin’ny lahy sy ny vavy. Ny teny hoe storgé, izy io dia mihatra amin’ny fitiavana voamariky ny fandavan-tena sy mifototra amin’ny fotopoto-pitsipika ifanehoan’ireo kristiana marina maneran-tany. — Jaona 13:34, 35.
Fitiavana amim-piraiketam-po
Nefa, rehefa tian’izy ireo ny hilazalaza ny fitiavana amin’ny fomba mafana sy misy firaiketam-po manokana, ireo mpanoratra ny Soratra grika kristiana dia nampiasa ny teny hoe philia. Io dia milaza fifikirana manokana mahery sy lalina, sahala amin’izay mampiray tena mpisakaiza. Mahatsiaro izany firaiketam-po manokana dia manokana izany ho an’ny Zanany lahitokana Jehovah. Noho izany antony izany, raha niresaka ny amin’ny tenany Jesosy dia afaka nilaza toy izao: “Ny Zanaka tsy mahazo manao na inona na inona ho Azy, afa-tsy izay hitany ataon’ny Ray; fa na inona na inona no ataon’ny Ray dia toy izany koa no ataon’ny Zanaka. Fa ny Ray tia ny Zanaka ka maneho Azy ny zavatra rehetra izay ataon’ny tenany.” Toy izany koa, ny amin’ny tena mpianany, dia izao no nambaran’i Jesosy: “Fa ny Ray dia tia anareo [manana firaiketam-po aminareo, MN] satria hianareo efa tia Ahy, ary efa nino fa nivoaka avy tamin’ny Ray Aho.” — Jaona 5:19, 20; 16:27.
Ao amin’ny Soratra grika kristiana, ny teny hoe “firaiketam-po” dia manondro fitiavana lalina sy manokana. Ao amin’ireo fandikan-teny frantsay tokoa dia matetika izy no arahin’ny mpamaritra anarana hoe “tia”. Araka izany, ny apostoly Paoly dia manome izao fananarana manaraka izao ho an’ny kristiana: “Mifankatiava [aoka ianareo ho tia amim-piraiketam-po, MN] araka ny fifankatiavan’ny mpirahalahy.” (Romana 12:10). Etsy andaniny koa, dia hitan’i Jakoba tamin’ny fiaretan’i Joba sy ny nataon’i Jehovah taminy nony farany fa “Jehovah dia tia amim-piraiketam-po sy mamindra fo”. — Jakoba 5:11, MN.
Azo atao ve ny mahatsiaro firaiketam-po amin’i Jehovah?
Jehovah àry dia afaka mahatsapa firaiketam-po ho an’olona tsy mivadika, na dia tsy tanteraka aza izy. Nefa noho ny firaiketam-po fitiavana lalina milaza fisakaizana, ny olombelona tsy tanteraka ve dia afaka mba hanana firaiketam-po koa ho an’i Jehovah Tompom-piandrianana eo amin’izao rehetra izao?
Izany tokoa. Namela ohatra mahagaga ho antsika Davida tamin’ny firaiketam-pony mafy tamin’i Jehovah, dia firaiketam-po miseho ao amin’ireo salamo maro nataony. Velom-pankasitrahana an’i Jehovah Mpiandry azy aoka izany izy noho ny fikarakarany voamariky ny fitiavana. — Salamo 18:1; 23:1-6.
Mety ho toa akaiky dia akaiky antsika aoka izany Jehovah, tena misy aoka izany, hany ka manjary mahatsapa firaiketam-po na fitiavana azy manokana isika. Raha ny marina, dia tokony hananantsika ho an’ny Mpamorona antsika izany firaiketam-po mafy izany izay mampifanatona antsika aminy, araka ny miharihary amin’ny didy voalohany, ny lehibe indrindra. Araka an’io didy io tokoa, isika dia tokony ‘ho tia an’i Jehovah amin’ny fontsika rehetra, ny fanahintsika rehetra, ny saintsika rehetra sy ny herintsika rehetra’. — Marka 12:29, 30.
Aoka isika hamboly firaiketam-po mafy amin’i Jehovah
Ahoana àry no azontsika ambolena izany firaiketam-po amin’i Jehovah izany? Amin’ny fampitomboana fankasitrahana lalina kokoa ihany ho an’io Ray tia sy manana firaiketam-po io. Ho afaka hanao izany isika amin’ny fanokanana fotoana tsy tapaka amin’ny famakiana ny Teniny, ny Baiboly. Tsy isalasalana fa ho hitantsika fa hahasoa indrindra ireo boky ao amin’ny Baiboly toy ny Salamo, ireo Filazantsara sy ny taratasy nosoratan’ireo apostoly.
Raha mampitombo ny fankasitrahantsika isika noho ny soa rehetra omen’i Jehovah be dia be antsika sy ny fahamailahantsika hisaotra azy noho izany, izany dia hanampy antsika be dia be hampitombo firaiketam-po ho azy. Hevero ho toy ny avy aminy ny zavatra tsara rehetra satria hita tokoa fa “ny fanomezan-tsoa rehetra sy ny fanomezana tanteraka rehetra dia (...) midina avy amin’ny Rain’ny fahazavana”. Eny, ny Baiboly dia mananatra antsika matetika tokoa hisaotra an’Andriamanitra, indrindra fa ao amin’ny bokin’ny Salamo sy ao amin’ireo taratasin’i Paoly. Aoka hotononintsika ireto teny miavaka nataon’ilay apostoly ireto: “[Misaora] an’Andriamanitra Ray mandrakariva noho ny zavatra rehetra”. — Jakoba 1:17; Efesiana 5:20.
Ny vavaka koa dia hanampy be dia be amin’ny fampitomboana ny firaiketam-pontsika ho an’i Jehovah Andriamanitra. Hanampy antsika indrindra ny hataka sy ny fitalahoana amim-pahatsorana, amim-panetren-tena sy tsapa. Ao amin’ny vavaka isika dia misaintsaina ny amin’ny hatsaran’i Jehovah, ny hatsaram-po asehony amintsika, ary takatsika fa mila azy tokoa isika. Rehefa mivavaka aminy isika, dia mitalaho aminy koa mba hamela ny fahotantsika, toy ny nataon’i Davida ao amin’ny Salamo faha-51. Tsy misy mahagaga mihitsy àry amin’ny hoe ny vavaka dia mampanatona antsika an’i Jehovah sy manamafy ny firaiketam-pontsika aminy.
Amin’ny ahoana ny firaiketam-pon’i Jehovah no mety hahasoa antsika?
Raha mampitombo izany firaiketam-po mafy sy manokana ho an’i Jehovah izany isika mba hitiavana azy tokoa amin’ny fontsika rehetra, ny fanahintsika rehetra, ny saintsika rehetra sy ny herintsika rehetra, inona no ho vokatr’izany? Izany dia hanampy antsika handeha eo amin’ny lalana ankasitrahan’Andriamanitra ka hitsimbina antsika amin’ny fanaintainana sy alahelo maro. Ny kristiana izay manao dingana ratsy amin’ny fandikana mafy ny lalàn’Andriamanitra dia azo inoana tokoa fa nanadino ny nitana izany fifandraisana amin-kafanam-po izany tamin’ny Rainy any an-danitra.
Aoka horaisintsika ny ohatra ny amin’ny tanora kristiana iray izay zara raha vao tafavoaka avy amin’ny fotoana naha-zatovo, dia efa nanana tombontsoa nanao ny fanompoana manontolo andro. Nanjary tsy nitandrina anefa izy, resin’ny “asan’ny nofo” ary voatery nofaizina (Galatiana 5:19-21). Rehefa nampahafantarina azy ny haratsin’ny nataony, dia nibebaka tamim-pahatsorana izy. Navelany anefa izay tokony ho zavatra nimasoany voalohany indrindra,dia ny ho fanalany baraka ny anaran’i Jehovah. Raha nitana fifandraisana manokana sy mafana tamin’ny Rainy any an-danitra io zazalahy io, izany dia tsy isalasalana mihitsy fa ho nisakana azy tsy hanao toy ny nataony.
Nanontany an’i Petera i Jesosy raha tsy fitiavana ihany fa firaiketam-po koa tamin’ny Tompony no nananany. Rehefa namaly nanaiky azy i Petera, dia hoy Jesosy taminy: “Fahano àry ny ondriko.” (Jaona 21:15-17). Toy izany ny firaiketam-pontsika amin’i Jehovah. Izany fihetseham-po izany dia hanampy antsika hiahy ny amin’ny hahazoana sitraka amin’Andriamanitra amin’ny fitandremana ny didiny. Noho izany firaiketam-po izany, dia hataontsika am-po ny tsy hampalahelo azy, ny tsy hanafintohina azy. Araka ny nampahatsiarovin’i Paoly apostoly, dia tsy ho faly amintsika Jehovah raha mihemotra isika fa tsy manao ny sitrapony. Azo antoka anefa fa tsy irintsika ny hahatongavan’izany amintsika (Hebreo 10:38, 39). Aleo lavitra dia lavitra àry maneho finoana an’ilay Andriamanitsika feno fitiavana sy manana firaiketam-po feno fahatsorana sy mafy aminy.
Aoka àry isika hampitombo firaiketam-po lalina ho an’i Jehovah. Ho vitantsika izany raha mamaky ny Teniny isika, raha mieritreritra amim-pankasitrahana ny hatsaram-pony, raha maharitra amin’ny vavaka ka miezaka hahazo sitraka aminy amin’ny alalan’ny fitondrantenantsika sy ny fanompoantsika amin-jotom-po, amin’ny fanambarana ny anarany sy ny Fanjakany.