“Indray tolakandro nahafinaritra tokoa” tany Abidjan
“TOLAKANDRO mahafinaritra tokoa ity ho an’i Côte-d’Ivoire.” Tamin’ireo teny ireo no nanombohan’i A. Schroeder, anisan’ny Kolejy foiben’ny Vavolombelon’i Jehovah, ny fandaharam-pitokanana ny trano vaovaon’ny sampan any Abidjan. Ny 27 febroary 1982, dia rariny raha hitovy fihetseham-po amin’izany ireo nasaina 500 tonga tao amin’ilay fisehoan-javatra. Tsy vitan’ny hoe efa antom-pifaliana io trano vaovao tanteraka io mihitsy, fa nasehony koa fa nitahy ny asa misionera tany Côte-d’Ivoire sy tany Haute-Volta i Jehovah.
Tamin’ny 1971, ny Fikambanana Watch Tower dia namorona sampana tao Abidjan mba hanara-maso ny asa fitoriana tao amin’ireo tany roa ireo. Tamin’izay ireo tranony dia birao iray sy fonenana ho an’olona efatra, tao amin’ny fitambarana efitrano kely iray tany amin’ny rihana fahatelo. Nandroso haingana aoka izany ny asa, hany ka tsy ela io birao kely io dia tery loatra ho an’ny asa tokony hatao tao. Izany no antony nividianana tamin’ny 1979, tany iray tany amin’ny Lembalemba Roa, faritra fanitarana ny tanàna tokony ho roa ambin’ny folo kilaometatra avy eo afovoan’ny tanàna, mba hanorenana ny sampana tany.
Nanomboka tamin’ny 1 jona 1980 ny fanorenana. Nisy mpiasa an-tsitrapo avy any amin’ireo kongregasiona enina ambin’ny folo tany Abidjan nanao saika ny asa rehetra. Isaky ny alahady, ny kongregasiona efatra dia naniraka mpiasa an-tsitrapo dimy amby roapolo avy, anisan’izany ny reny nibaby zaza, mba hiasa teny amin’ny toerana nanorenana. Rehefa notontalina, dia 30 000 ora no natokan’ny mpiasa ho amin’ilay raharaha, izany hoe mitovy amin’ny taom-piasana iray ho an’olona efatra ka efapolo ora isan-kerinandro no iasana. Vavolombelona za-draharaha roa amin’ny trano tonga avy any Frantsa mba hiasa mandritra ny herintaona ho amin’ny fanatanterahana an’io volavolan-kevitra io. Noho ireny mpilatsaka an-tsitrapo ireny sy ireo fitaovana nomena maimaimpoana na tamin’ny vidiny masonkarena avy amin’ireo rahalahy sy olona tsara fikasa, dia nihena antsasany ny lany tamin’ny fanorenana tsy araka ny faminavinana antonony indrindra nataon’ireo fiantohan-draharaha manokana.
Aoka hotsidihintsika haingana izao ilay trano (jereo ny sary eo ambony). Rehefa avy niditra tamin’ny fidirana lehibe indrindra, niakatra tamin’ny andalan-tohatra roa sy nandalo tamin’ny zaridaina roa lehibe feno zavamaniry sy voninkazo tropikaly, dia miditra mivantana ao amin’ny lalantsara voarakotra marbra. Mivoha eo ankavanana ny Efitrano Fanjakana malalaka iray misy toerana roanjato. Birao telo sy efitrano efatra no eo ankavia. Ao amin’ny rihana ambony dia ahitana efitrano dimy hafa, ny fanasan-damba, ny lakozia, ny efitrano fisakafoana sy toerana fitehirizam-boky manoloana ny tafontrano marin-tampona eo ambonin’ny Efitrano Fanjakana. Ny efitrano ambany tany no misy ny sampan-draharaha momba ny fandefasana entana, ny fandrafetana sy garazy iray.
Izany rehetra izany dia hita ho nanaitra ny sain’ireo izay nasaina ho amin’ny fandaharam-pitokanana. Be dia be tamin’izy ireo no nihaingo nanao ny fitafiany nentim-paharazana miloko. Feno fifaliana sy fankasitrahana ny rehetra, tsy noho io trano kanto io fotsiny fa indrindra noho ny fiderana sy ny voninahitra ampiakariny ho any amin’i Jehovah, ilay Andriamanitra sambatra, ilay manome ny fanitarana. Eny, tena “tolakandro nahafinaritra tokoa” io.