FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • w83 15/4 p. 18
  • Indray mitopy maso amin’ny vaovao

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Indray mitopy maso amin’ny vaovao
  • Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1983
  • Lohatenikely
  • Mitovitovy Aminy
  • Ny hirika maintin’ny evaolisiona
  • Ny “fahadisoan’i” Jesosy
  • Mihozongozona ny fahefana
  • Fanontanian’ny mpamaky
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1986
  • Tokony Hiditra Amin’ny Politika ve ny Fivavahana?
    Foto-kevitra Hafa
  • Indray mitopy maso amin’ny vaovao
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1983
  • Tokony Hanao Politika ve ny Kristianina?
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2012
Hijery Hafa
Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1983
w83 15/4 p. 18

Indray mitopy maso amin’ny vaovao

Ny hirika maintin’ny evaolisiona

“Tena tsy misy na inona na inona mahagaga raha nofaizin’ny tsorakazo marin’ny siansa ilay bibilavan’ny famoronana”, hoy ny nosoratan’i D. Doyle, talen’ny fikarohana momba ny fampianaran’ny American Enterprise Institute. Nanohy ny lahatsorany izy ao amin’ny Los Angeles Times tamin’izao fanamarihana manaraka izao: “Marina tokoa, (...) fa hatraiza hatraiza dia manjaka amin’ny maha-tompom-piandrianana ny siansa. Ny fanambinana antsika ara-nofo, ny milina fitaovam-piadiantsika, ny kilalaontsika elektronika, ireo onja izay manetsiketsika sary tandindona ao amin’ny televiziona sy ny rano voaloto, izany rehetra izany dia manome porofo tsy miteny ny amin’ny anjara asa sy toeran’ny siansa.”

Kanefa, momba ireo fototra ara-tsiansin’ny evaolisiona, i Doyle dia mametraka izao fanontaniana manaraka izao: “Amin’ny ahoana ireo porofo ara-tsiansa no mandresy?” “Marina aloha, hoy ny famaliny, fa mandresy tanteraka ny famoronana ny siansa raha ny momba ny filazalazana ny “dinosaures”, ny tainkintana, ireo taolam-biby nanjary vato sy ireo “big bangs”. Kanefa, eo anivon’ny fiantohan-draharaha ara-tsiansa mihitsy dia misy fisalasalana manelingelina mihelohelo, karazana hirika mainty ara-panahy.”

Araka ny filazan’ilay mpanao fikarohana, matoa misy ilay “hirika mainty ara-panahy” dia satria eo “anoloan’ny zava-misy fizika, rehefa olona manan-tsaina rehetra dia tokony hanontany tena raha tsy manana zava-kendrena lehibe kokoa ny fiainana”. Na dia ‘afaka manazava ny fiasan’izao tontolo izao aza ny siansa’, dia manoratra izao fampitandremana izao i Doyle: “Ny raharaha lehibe dia mifandraika amin’ny anjara asan’ny olombelona eo amin’izao rehetra izao, amin’ny fahalalany ny fiafaran-javatra, ny fomba fiheverany ny firindrana ara-pitondrantena, ary na dia izay mbola tena lehibe indrindra aza, dia ny mety hisian’ny firindrana ara-pitondrantena. Ireo mpanaraka ny evaolisiona ara-tsiansa izay manaraby ireo mpitana ny hevitra ny amin’ny famoronana amin’ny firehidrehitra sy ny hakingan-tsain’i Goliata, dia misetra loza mahafaty amin’ny tsy fahatakarana io zava-misy fototra io.”

Ny “fahadisoan’i” Jesosy

Ny gazety mivoaka ara-potoana Fraternité Matin any Abidjan, any Côte-d’Ivoire, dia namoaka filazana momba ilay boky vaovao hoe “Ny kristiana sy ny politika” nosoratan’i Fritz Fontius, teolojiana avy any Haïti. Nanambara ilay lahatsoratra hoe:

“Miaiky ilay pastora fa izay azo tanana avy amin’ny tenan’i Jesosy Kristy dia ny sary nomeny fa ‘nihataka tamim-pitandremana fatratra tamin’ny politika izy’ (...). Ary taorianany, ny apostoliny, Paoly sy Petera indrindra, dia nilaza ny hatsaran’ny fihetsika sahala amin’izany an’ny kristiana tsy manao politika. Azo atao ny milaza eto fa ny fihetsik’i Jesosy dia avy amin’ny fahadisoana nataony noho ny finoana loatrqa ny fahantomoran’ny faran’izao tontolo izao iray. Ny fiezahany rehetra àry dia nitodika ho amin’ny lanitra. Fahadisoan-kevitra mbola tohizan’ny Vavolombelon’i Jehovah tazonina ankehitriny.”

Faly tokoa ireo Vavolombelon’i Jehovah apetraka miaraka amin’ny olona tsara toy izany ao amin’izay lazaina fa fahadisoany. Marina tokoa fa ny finoan’i Jesosy sy ny mpianany ny amin’ny faran’ireo fandehan-javatra ara-politika eo amin’izao tontolo izao dia nisy fifandraisana tamin’ny fihetsika narahin’izy ireo teo anatrehan’ny politika. Izao zava-mitranga manaraka izao anefa dia toa tsy fantatr’ilay mpandinika lahatsoratry ny Fraternité Matin: Mato Jesosy “nihataka tamim-pitandremana fatratra tamin’ny politika” dia satria indrindra ny ‘fanjakany tsy avy amin’izao tontolo izao’, izao tontolo izao izay tsy iza fa Satana no filohany.​—Jaona 18:36; 14:30; Matio 4:8-10.

Ny antony lehibe indrindra nitandreman’ireo kristiana marina sy itazonany hatrany ny fialanalanany ara-politika, dia satria izy ireo koa ‘tsy anisan’izao tontolo izaon’i Satana’. Atokany ho an’ny Fanjakan’Andriamanitra, ny hany fitondram-panjakana afaka tokoa handamina ireo zava-manahirana ny olombelona, kosa ny tsy fivadihany.​—Jaona 17:16; Matio 6:33.

Mihozongozona ny fahefana

Eo ambanin’ny lohateny hoe “mihozongozona ny ‘vatolampin’ny fahefana eo amin’izao tontolo izao manontolo”, ny lahatsoratra iray tao amin’ny Washington Post dia nanao fanamarihana fa ireo ady ara-tafika vao haingana eo amin’izao tontolo izao dia “manamafy ny hevitra fa tsy maharaka ny fisehoan-javatra isika”. Nisarika ny saina avy eo ho amin’ny famakafakana ara-politikan’i Horace Busby, mpiara-miasa fahiny sy mpanolo-tsain’ny prezidan’i Etazonia ilay gazety. Nanao izay hanamarihana i Busby fa “hatramin’ireo taona enimpolo, ireo fitondram-panjakana eo amin’izao tontolo izao, ny an’ny Tandrefana tahaka ny an’ny Atsinanana, dia nanomboka ho tsy nisy vokany”. Amin’ny fandraisana ho ohatra ireo zava-manahiran’i Etazonia, dia nanamafy izy fa “ireo fikambanana mahaforona ny fandehan-javatra dia mila halemy, amin’ny tsy fahafahana mandray amim-pahombiazana fanapahan-kevitra mitombo isa tsy maintsy ilaina anefa amin’ny politika voarindra.”

Io zava-misy io dia manazava ny hoe nahoana ireo mahalala fa Andriamanitra dia mikasa hanolo atao ho ato ireo fitondram-panjakana “mihozongozona” ireo amin’ny fanjakana manerana izao rehetra izao izay hiasa tokoa, no tsy manohy manao fiezahana very maina foana mba hanohanana azy ireny.​—Daniela 2:44.

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2026)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2026 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara