FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • w83 15/7 p. 11
  • Indray mitopy maso amin’ny vaovao

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Indray mitopy maso amin’ny vaovao
  • Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1983
  • Lohatenikely
  • Mitovitovy Aminy
  • Ny Baiboly​—Ilaina hatrany
  • Mivembena ireo fitondram-panjakana
  • Ambony lavitra ny atidoha
  • Miresaka ny Finoany Ilay Mpikaroka Momba ny Atidoha
    Mifohaza!—2017
  • “Izao zavatra ary rehetra izao ao anatin’ny karandoha”
    Mifohaza!—1990
  • Ny Fomba Ahafahantsika Mahafantatra fa Misy Andriamanitra
    Tena Miahy Antsika ve Andriamanitra?
  • Iza no Afaka Milaza Amintsika?
    Inona no Zava-kendren’ny Fiainana? Ahoana no Mety Hahitanao Azy Io?
Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1983
w83 15/7 p. 11

Indray mitopy maso amin’ny vaovao

Ny Baiboly​—Ilaina hatrany

“Inona ireo boky dimy izay tokony ho voavakin’ny olona manam-pahalalana rehetra?” Izany no fanontaniana napetraky ny gazety Time vao haingana tamin’ny antokon’olona manam-pahaizana manokana nisy mpanabe, mpanoratra sy mpampianatra ary mpandinika ny tantara malaza, ary navoakany nony avy eo ny torohevitr’izy ireo.

Araka ny azo nampoizina, dia tsy nisy fifanarahana ny amin’ireo boky izay tokony hovakina. Tamin’ireo boky maherin’ny 50 natolotra dia telo ihany no voatonona tamin’ny fomba hentitra tamin’ny anarany maherin’ny indray mandeha. Ny Baiboly masina ihany no naningana. Mihoatra lavitra noho ireo boky hafa rehetra, izy io dia voatonon’ny ankamaroan’ireo manam-pahaizana manokana ireo.

Nandritra ireo taona lasa, ny fahalalana ny Baiboly dia noheverina ho toy ny ampahany ilaina indrindra tamin’ny fahalalàna feno nananan’ny olona iray, ary tsy latsaka izany izy ankehitriny, araka ny anamafisan’ilay fanadihadian’ny Time azy. Na dia mety mahatsapa aza ny olona sasany fa lany andro ny Baiboly, io fomba fiheverana io dia nampiharihary fotsiny fomba fijery voafetra ihany ny amin’ny fiainana. “Ny olona manam-pahalalana iray dia tokony hanana fahalalana kely ny amin’ny ‘métaphysique’ (ny amin’ny zavatra tsy hita maso). Izany hoe, misy inona any ivelan’ity izao tontolo izao ity, ary inona no fetrany?” hoy ny iray tamin’ireo nadinadinina, ny profesora iray any Harvard.

Tsy manam-piafarana ny Baiboly, tsy hoe fotsiny satria izy afaka “mahahendry ny kely saina”, araka ny filazan’ny mpanao salamo, fa satria koa izy no hany boky manome izay notadiavin’ny olona nandritra ny taona maro​—ny fahamarinana. “Ny teninao no fahamarinana”, hoy Jesosy Kristy tao amin’ny vavaka iray nataony tamin’ny Rainy an-danitra, dia Jehovah Andriamanitra. Ny fahalalana ny fahamarinana izay hita ao amin’ny Tenin’Andriamanitra, ny Baiboly, dia mitondra fiainana mandrakizay.​—Salamo 19:7; Jaona 17:3, 17.

Mivembena ireo fitondram-panjakana

“Nandritra ireo taona rehetra niainako dia mbola tsy nahita ny tany tao anatin’ny fikorontanana be toy izao aho”, hoy i Alf Landon, 95 taona, izay tao amin’ny raharaha ara-politika amerikana nandritra ny 70 taona. “Tsy misy firenena iray maneran-tany izay tena manana fitondram-panjakana mafy orina ankehitriny”, hoy ny nanampiny.

Mifanaraka amin’izay hevitra izay, i Horace Busby, mpanome torohevitra eo amin’ny ara-politika ary mpanampy tao amin’ny “Maison Blanche” teo aloha, dia nanoratra toy izao ao amin’ny nomerao faramparany iray ao amin’ny Public Affairs Review: “Hatramin’ireo taona 1960, ny fitondram-panjakana hatraiza hatraiza, na any Andrefana na any Atsinanana, dia nanomboka tsy niasa. (...) Izy ireo dia miharihary ho tsy mahay manorina na mitana fifanekena ny amin’ny fanohanana azy eo amin’ireo olona tapahiny.” Na koa, araka ny tenin’i Haynes Johnson, mpanoratra ao amin’ny The Washington Post, “Izy ireo dia nanamafy ilay fiheverana fa tsy azo fehezina ny zava-mitranga.”

Nahoana no tsy mahomby ireo fitondram-panjakana? “Tsy an’ny olombelona ny làlan-kalehany”, hoy Jeremia mpaminany, “na an’ny mpandeha ny hahalavorary ny diany.” (Jeremia 10:23.) Ny tany izay ao anatin’ny fikorontanana be toy izao” dia ny vokatra mampalahelon’ny tsy fahaizan’olombelona hanapaka ny tenany. “Misy andro anapahan’ny olona ny namany ka ampidirany loza aminy”, hoy ny Baiboly ao amin’ny Mpitoriteny 8:9.

Raha tsy mahomby ireo fitondram-panjakana, aiza no ahafahan’ireo olona tso-po hitady fanantenana? “Misaotra Anao izahay, Tompo ô, Andriamanitra Tsitoha, Ilay ankehitriny sy taloha, satria nasehonao ny herinao lehibe, ka efa manjaka Hianao.” Eny tokoa, ny Fanjakan’Andriamanitra dia ho avy hamonjy ny olona. “Ireo fanjakana rehetra ireo dia hotorotoroiny sy holevoniny, fa izy kosa hitoetra mandrakizay.”​—Apokalypsy 11:17; Daniela 2:44.

Ambony lavitra ny atidoha

Aorian’ny 37 taona nampandrosoana azy, ny “ordinateur” dia nitondra fiovana lehibe teo amin’ny siansa,ny raharaham-barotra sy ny indostria. Amin’izao fotoana izao dia amporisihina ny “Saina tsy voajanahary” (na AI: “artificial intelligence”). Ireo mpanao fikarohana dia miandry sy manantena ny fotoana izay hanombohan’ireo “ordinateurs”, ireo “puces” misy kojakoja “électronique” ana hetsiny maro na an-tapitrisany maro mihitsy aza, “hanakaiky ny haben’ireo ‘neurones’ mihitsy”, “amin’ny alalan’ny fanakambanana amin’ny ambaratonga lehibe” (VLSI), araka ny fihevitr’i Tom Alexander hita tao amin’ny fitohitohizan-dahatsoratra iray tao amin’ny gazety Fortune, nitondra ny lohateny hoe “Milina misaina”.

Kanefa, alohan’ny hitsambikinan’ny olona hanatsoaka hevitra fa tsy ho ela intsony ny atidohan’ny olombelona dia ho tonga lany andro, dia manamarika i Alexander fa ao amin’ny atidoha dia misy “neurones” 100 000 tapitrisa, izay ny tsirairay avy aminy dia ambony lavitra noho ny VLSI iray, ary afaka mikarakara sy mitahiry fahalalana maro dia maro. Tsy misy hatahorana ny hanoloan’ny “ordinateurs” toerana ny atidoha mihitsy amin’ny ho avy takatry ny sain’ny olona.

Mazava ho azy fa ny voninahitra ny amin’ny maha-ambony lavitra ny firafitry ny atidoha dia an’ilay namorona sady nanao ny atidoha, dia Jehovah Andriamanitra, izay namorona antsika tamin’ny fomba “mahatahotra sy mahatalanjona”.​—Salamo 139:14.

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2026)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2026 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara