Aoka ianao ho olona izay miandry ny Hara-Magedona tsy amin-tahotra
1. Inona no fahadisoana nataon’i Theodore Roosevelt raha ny amin’ny Hara-Magedona?
NANDRITRA ny fanaovany fampielezan-kevitra ho amin’ny fifidianana ho prezidàn’i Etazonian’i Amerika, dia toa hoe nihiaka toy izao i Theodore Roosevelt: “Eto Hara-Magedona isika izao ary miady ho an’ny Tompo!” Fantatr’i Roosevelt, noho ny namakiany izany tao amin’ny Baiboly, fa hisy ady farany “ao amin’ny toerana antsoina amin’ny teny hebreo hoe Hara-Magedona”. (Apokalypsy 16:6, MN). Lasa aloha loatra anefa izy satria maty ny 6 janoary 1919, roa volana taorian’ny fahataperan’ny Ady Lehibe Voalohany izay tsy niafara tamin’ny “adin’ilay andro lehiben’Andriamanitra Tsitoha” ao Hara-Magedona.
2. Hiankina amin’inona moa ny hahatafita velona antsika amin’ilay ady lehibe indrindra?
2 Nefa, taorian’ny taona 1982 be tabataba, ny zavatra rehetra dia mampino fa manatona an’io ady io, ny lehibe indrindra amin’ny rehetra, isika. Hanao ahoana amin’izay fotoana izay ny fifandraisantsika amin’ilay Andriamanitra Tsitoha? Miankina amin’izany indrindra ny hahatafita velona antsika.
3, 4. Noho ny fihetsika harahin’ny kristiana amin’io ady io, inona toetra tokony hasehony mba ‘hitombanan-dahy’?
3 Tena “teny [tsy hita maso] ara-tsindrimandrin’ny demonia” tokoa no manosika ireo filohan’izao tontolo izao hiangona hanohitra an’i Jehovah Andriamanitra Tsitoha amin’io adin’i Hara-Magedona io.—Apokalypsy 16:14-6, MN.
4 Ny dikan’io teny hebreo hoe Hara-Magedona io dia hoe “tendrombohitra fiangonan’ny andiany”, ka milaza tsy mivantana ady izany. Ny “andiany” dia ny an’ireo “mpanjaka amin’ny tany onenana manontolo”, anisan’izany ireo filoha ara-politika ao amin’ny fivavahana lazaina fa kristiana. Tsy ao anatin’izany ireo vavolombelona nanolo-tena sy vita batisa. Tsy hilain’izy ireo àry ny hiady amin’ny fiadiana ara-nofo, fa ho mpitazana ny ady fotsiny izy ireo. Koa satria ireo vavolombelona mahatokin’i Jehovah no ho hita maso hianjadian’izany famelezana izany indrindra noho izy hanohana tsy ho azo hozongozonina ny Fanjakan’i Jehovah sy Kristy, dia hila herim-po sahala amin’ny an’i Jesosy izy ireo mba ‘hitombanan-dahy’.—I Korintiana 16:13; jereo II Tantara 20:17.
5, 6. Aorian’ny Ady Lehibe Voalohany, rehefa tsy maintsy hiady fo hanao ny asa lehibe aorian’ny ady izy ireo, nitovy tamin’ny mpaminany iza izay niandry ny fandravana an’i Jerosalema tamin’ny andro nahavelomany moa ny sisa amin’ny vahoakan’i Jehovah?
5 Taorian’ny fahataperan’ny Ady Lehibe Voalohany tamin’ny 1918, ny tarehin-javatra hitan’ny sisa amin’ny Isiraelita ara-panahy sy ny asa tsy maintsy hotontosainy dia azo nampitahaina tamin’ny an’ny zazalahy iray velona tany Atsinanana Afovoany tamin’ny fotoana nikorontana be koa. Izany dia pretra jiosy iray natao hoe Jeremia, zanak’i Hilkia. Ny tanànan’i Jerosalema izay tao amin’ny tempoliny no nanompoany tamin’ny naha-mpisorona dia voaheloka horavana tamin’ny andro niainan’io lehilahy io. Toy izany koa, ny fivavahana lazaina fa kristiana izay mihambo ho Isiraely ara-panahy, ilay naka ny toeran’ny Isiraely fahiny tao amin’ny fankasitrahan’Andriamanitra, dia manatona fandringanana ho avy, alohan’ny “adin’ilay andro lehiben’Andriamanitra Tsitoha” ao Hara-Magedona indrindra. Noho izy tafita velona tamin’ny fandravana an’i Jerosalema tamin’ny taonjato fahafito talohan’ny fanisan-taona iraisana, dia azon’i Jeremia natao ny nanoratra, ara-tsindrimandrin’Andriamanitra, ny bokin’ny Fitomaniana, dia fitomaniana teo amin’ny sisan-javatra rava avy amin’i Jerosalema.
6 Rehefa notolorana asan’ny mpaminany Jeremia tanora, dia nanambara hoe: “Indrisy, Jehovah Tompo ô! Indro, tsy mahay mandaha-teny aho, fa mbola zaza.” Nahazo izao valinteny izao anefa izy: “Aza manao hoe: Mbola zaza aho; fa handeha amin’izay rehetra hanirahako anao hianao, ary izay rehetra handidiako anao no hambaranao. Aza matahotra azy hianao; fa momba anao hamonjy anao Aho, hoy Jehovah.”—Jeremia 1:4-8.
7. a) Hanao ny asan’ny mpaminany ho an’ny olona firy moa Jeremia ary ho an’olona firy mao no tokony hiasan’ny “mpaminany” iray amin’izao andro izao? b) Milaza ve izany fa ho hainy ny hampiala an’ireo firenena amin’ny lalany, ary mbola mihevitra an’iza moa Andriamanitra?
7 Tsy maintsy hitana ny anjara asan’ny lehilahy lehibe, matotra, iray i Jeremia, satria iza hosoratany ara-tsindrimandrin’Andriamanitra dia tokony ho zava-dehibe tokoa ho an’ny olombelona rehetra, na dia amin’izao androntsika izao aza. Nataon’i Jehovah “mpaminany ho an’ny firenena” izy. Amin’izao andro izao, raha misy zavatra ilaina, dia tena “mpaminany ho an’ny firenena”, satria ireo firenena ireo, mafy hatoka sy velomin’ny fitiavan-tanindrazana, amin’izao fotoana izao aza dia voangona tsy azo sakanana ho amin’ny fitsapan-kery farany ao Hara-Magedona. Tsy hoe satria ny hafatra avy amin’Andriamanitra sy nampitaina amin’ny alalan’ny “mpaminany ho an’ny firenena” iray dia ho afaka hampiala azy ireny amin’ny lalana mitarika azy ho amin’ny fandringanana azo antoka, fa voakasika ny isam-batan’olona, ny olona. Raha ampiomanina izy ireny, dia tsy hita isa aminy no haniry ho afa-mandositra amin’ny fandringanana ireo firenena manana azy ho vahoakany. Raha misy zavatra azo atao amin’izany lafiny izany, dia tsy ho tiany ny ho tratra eo am-piadiana amin’ilay Andriamanitra Tsitoha mba hanohana fitondram-panjakan’olombelona tsy miankina. Ho fiheverana ny olona mahitsy fo toy ireny no niantsoan’i Jehovah ny ‘mpaminaniny ho an’ireo firenena’. Nanao izany izy amin’izao “andro farany” izao, hatramin’ny fahataperan’ny Ady Lehibe Voalohany ny 11 novambra 1918.—Daniela 12:4.
8. Iza moa no “mpaminany” notendren’i Jehovah izay ny asany dia tokony ho vita alohan’ny Hara-Magedona?
8 Ny “mpaminany” nirahin’i Jehovah ho an’ireny olona ireny izay mikatsaka amin’ny fo rehetra ny fanapahan’Andriamanitra fa tsy ny an’ny olona dia tsy olona iray toy ny hita tamin’i Jeremia, fa kilasin’olona. Sahala amin’i Jeremia mpaminany sady mpisorona, ireo anisan’io kilasy io dia nanolo-tena tanteraka ho an’i Jehovah Andriamanitra tamin’ny alalan’i Jesosy Kristy. Noho izy nateraky ny fanahin’i Jehovah, izy ireny koa dia anisan’ny “’fanjakà-mpisorona, firenena masina’, olona nalain’Andriamanitra ho an’ny tenany”. (I Petera 2:9.) Amin’izao andro izao eto an-tany dia tsy misy afa-tsy sisa amin’izany kilasin’ny “mpaminany” izany intsony. Tsy ho afaka hanomboka alohan’ny hahavitan’izany “mpaminany” izany ny asany ny “adin’ilay andro lehiben’Andriamanitra Tsitoha”.
9. a) Ny fandresen’ny herim-panjakana iza ny renivohitry ny vahoakan’i Jehovah taloha moa no hitan’ny mason’i Jeremia? b) Tanàna taloha iza moa no tandindon’ny fivavahana lazaina fa kristiana? d) Tonga anisan’ny inona moa ny fivavahana lazaina fa kristiana? e) Inona no hitranga amin’ny fivavahana lazaina fa kristiana amin’ny fandravana an’i Babylona Lehibe, ary nahoana?
9 Zavatra iray no azo antoka: raha miandry an’i Hara-Magedona ny kilasin’ny “mpaminany”, ny kilasin’i Jeremia, dia andrasany koa ny fianjeran’i Babylona Lehibe. Marina fa ilay Jeremia mpaminany taloha dia tsy nahita maso ny nianjeran’ilay Babylona fahiny, nefa kosa izy dia nanonona teny ara-paminaniana maro manambara ny firodanan’ny Herim-panjakana Fahatelo eo amin’ny tantara araka ny Baiboly. Io empira maneran-tany io, izay niandoha tany Babela na Babylona naorin’i Nimroda, “mpihaza mahery nanohitra an’i Jehovah’, dia nanimba tamin’ny fivavahan-disony ny izao tontolo izaon’ny olona fahizay (Genesisy 10:8-12). Jeremia dia vavolombelon’ny fandresen’ilay Babylona fahiny an’i Jerosalema tamin’ny 607 talohan’ny fanisan-taona iraisana, noho izany dia nahita maso ny nandresen’ny renivohitry ny fivavahan-diso ny renivohitra nisy ny tempolin’i Jehovah, saingy nanana mponina nanimba ny fivavahana madio nankininy tamin’izy ireo. Noho izany antony izany, Jerosalema taloha dia mampiseho ny fivavahana lazaina fa kristiana amin’izao androntsika izao. Mifanohitra amin’ny fihamboany ho toeran’ny kristianisma marina, izy io dia nanaiky ho voafandriky ny fivavahana babyloniana ka raha ny marina dia tonga tapany lehibe amin’i Babylona Lehibe, empira maneran-tanin’ny fivavahan-diso. Araka ny teny ara-paminaniana voasoratra ao amin’ny Apokalypsy toko 17 sy 18, rehefa horavan’ny mpitondra ara-politika eo amin’izao tontolo izao ankehitriny tofoka Babylona Lehibe, dia hiara-hanjavona aminy ny fivavahana lazaina fa kristiana.
10. Tandindon’ny inona moa ny tsy nahafatesan’i Jeremia tamin’ny fandravana an’i Jerosalema, ary, fotoana fohy aorian’ny hanjavonan’ny fivavahana lazaina fa kristiana, fanandraman’ireo firenena inoan no tsy hahomby?
10 Tsy maty Jeremia tamin’ny fianjeran’i Jerosalema sy ny fanjakany tamin’ny 607, ka izany dia nanaporofo fa tena mpitondra tenin’i Jehovah tokoa izy. Mifanaraka amin’io sary ara-paminaniana io, ny kilasin’i Jeremia amin’izao andro izao dia ho tafita velona amin’ny fandringanana hahery vaika sy efa antomotra izao, hihatra amin’ny fivavahana lazaina fa kristiana. Fotoana fohy aorian’izany, ireo mpitondra tsy tia fivavahana eo amin’ny fandehan-javatra ankehitriny dia hitady amim-pankahalana izay hanafoanana ny kilasin’i Jeremia, nefa ho foana ny fiezahan’izy ireo ao Hara-Magedona.—Apokalypsy 16:16; 19:19-21.
11. Iza no nasehon’ilay tsy Jiosy nanampy an’i Jeremia fony izy notandindomin’ny fahafatesana, ary mifanitsy amin’iza ireny olona ireny ao amin’ny fanoharan’i Jesosy voasoratra ao amin’ny Matio 25:31-46?
11 Ny tsy Jiosy iray, Ebeda-Meleka Etiopiana, dia tafita velona koa tamin’ny fandravana an’i Jerosalema tamin’ny 607. Hita ny fitantarana ny aminy ao amin’ny Jeremia toko 38 sy 39. Noho izy io namonjy an’i Jeremia fony Jeremia nisetra loza lehibe, dia nanana antony tsara natahorana an’ireo Jiosy be fahefana izay nitady hampamono an’i Jeremia mba hampanginana azy izy. Nefa, tamin’ny alalan’i Jeremia mpaminany izay nanonona teny ara-paminaniana manokana ho an’i Ebeda-Meleka nampiseho fahasahiana mba hamonjena ny ainy, dia nampanantena an’ilay Etiopiana Jehovah fa ny fanahiny no ho babony, izany hoe tsy ho ringana izy amin’ny fandravana hamely tsy ho ela ny tanin’ny Joda sy ny renivohiny, dia Jerosalema. Amin’izany, Ebeda-Meleka dia nampiseho an’ireo ondry ara-panoharana voalazan’ny fanoharana ny amin’ny ondry sy ny osy voatantara ao amin’ny Matio 25:31-46. Noho izy ireo manampy ny sisa amin’ny “rahalahy” ara-panahin’i Jesosy Kristy sy manao soa amin’izy ireo amin’izao “andro farany” izao, ireny ondry ara-panoharana ireny dia tsy hofoanana miaraka amin’ny “osy” ao Hara-Magedona. Noho ny fiarovan’i Jehovah amin’ny alalan’i Jesosy Kristy Mpanjaka miasa, dia hiditra velona ao amin’ny fandaharan-javatra vaovao izy ireo ka hotolorana fahafahana hahazo ny fiainana mandrakizay ao amin’ny paradisa an-tany.
Izay ilain’ireo olona fananan’Andriamanitra
12. Mifanitsy amin’ny faminanian’i Jesosy Kristy inona ny amin’ny “andro farany” moa ny lafiny maharaiki-tahotra amin’ny androntsika?
12 Mihamaharaiki-tahotra hatrany ny androntsika, ka tanteraka amin’izany indrindra ny faminanian’i Jesosy Kristy ilazana fa izany dia ho porofo fa ho ao anatin’ny “andro farany” isika, dia ao anatin’ny fotoana tokony hitrangan’ny fahatanterahan’ny nanana ho tandindona ny fandravana an’i Jerosalema tamin’ny taona 70 amin’ny fanisan-taona iraisana (Lioka 21:5-7). Mba hahasoa antsika, mbola be lavitra noho ny tamin’ireo apostoly sy mpianatra tamin’ny taonjato voalohany, dia izao koa no nambaran’i Jesosy: “Ary hisy famantarana eo amin’ny masoandro sy ny volana ary ny kintana, ary ety ambonin’ny tany dia hisy fahorian’ny firenena amin’ny fahaverezan-kevitra noho ny firohondrohon’ny ranomasina sy ny fanonjany, ka ho reraka ny fon’ny olona [anthrôpoï amin’ny teny grika] noho ny fahatahorany sy ny fiandrasany izay zavatra h tonga ambonin’ny tany; fa ny herin’ny lanitra dia hohozongozonina. Ary amin’izany andro izany dia hahita ny Zanak’olona avy eo amin’ny rahona amin-kery sy voninahitra lehibe izy.”—Lioka 21:25-27.
13. Ahoana moa no nampisehoan’i Jesosy fa ny toe-po sy toe-tsain’ireo mpianany voazava dia ho ho hafa noho ny an’ny olona eo amin’izao tontolo izao ankehitriny.
13 Teo Jesosy dia nanisy fanavahana tamin’ny “olona” (anthrôpoï), ny olona anisan’izao tontolo izao na fandehan-javatra ankehitriny, sy ireo mpianany voazava izay nomeny indrindra an’io faminaniana misy antsipiriany betsaka io. Noho izy ireo mahalala tsara sy mahatakatra ireo zava-miseho, dia tsy mba ho azon’ny “fahorian’ny firenena amin’ny fahaverezan-kevitra” ireo mpianany ary tsy ho reraka ny fony “noho fahatahorany sy ny fiandrasany izay zavatra ho tonga ambonin’ny tany”. Tsy hitanondrika izy ireny, noho ny fahakiviana sy ny famoizampo. Hanao ahoana àry ny fihetsiny, ny toe-po aman-tsainy? Nanampy teny toy izao indrindra Jesosy: “Ary raha vao miandoha izany zavatra izany dia miandrandrà, ka asandrato ny lohanareo; fa manakaiky ny fanavotana [fanafahana, MN] anareo.”—Lioka 21:28.
14. Ho fanomezam-boninahitra ny sisa ho any an-danitra ve ny “fanafahana” efa antomotra izao, ary iza eto an-tany no hotolorana fahatsinjovan-javatra kanto aorian’izany “fanafahana” izany?
14 Ho an’ireo olona anisan’izao tontolo izao ankehitriny, ny loza mihamaro izay hahatratra ny fara heriny ao Hara-Magedona, dia porofon’ny fandringanana ho avy (Filipiana 1:28). Ny tena kristiana àry dia tokony ho lehilahy na vehivavy manana finoana mafy orina an’ilay Andriamanitra Tsitoha sy ny fampanantenana nomeny an’ireo olony mahatoky. Ny “fanafahana” efa akaiky izao ho an’ny olona maneho finoana toy izany dia tsy milaza eo am-boalohany ny fanomezam-boninahitra any an-danitra ny sisa amin’ny mpianatr’i Kristy nahazo fanosoran’ny fanahy sy ny fanesorana azy ireny tsy ho amin’ny tany, eo amin’izay misy ny fahoriana, na dia ho izany aza ny anjarany amin’ny farany. Ny tiana holazaina amin’ny hoe “fanafahana” kosa dia ny faran’ny ady, mosary, areti-mandringana, horohorontany sy fanenjehana mahery vaika an’ireo tena mpianatr’i Jesosy Kristy mpanjaka eo amin’ny raharahany, ary izany dia amin’ny alalan’ny fandringanana ny fahavalon’ny Fanjakan’i Jehovah sy Kristy amin’ny “adin’ilay andro lehiben’Andriamanitra Tsitoha”, amin’izay antsoina hoe Hara-Magedona. Fahatsinjovan-javatra mahatalanjona izany ho an’ny sisa amin’ireo mpandova ny Fanjakana any an-danitra sy ireo namany mahatoky nanana an’i Ebeda-Meleka ho tandindona, izay namonjy tamin-kerim-po an’i Jeremia mpaminany.
15. Mila inona moa ny kristiana mba ‘hitombanan-dahy’ sy hahaizana hanao ny asa kristiana?
15 Mba hahatonga an’ireo “hitomban-dahy” na hitondra tena toy ny lehilahy, dia tokony hahatratra ny fahamasahana kristiana izy ireo ka ho ampy fahaizana hanaovana ny asa fanaovana fanambarana farany ny amin’ny Fanjakana mesianika maneran-tany (I Korintiana 16:13, Fandikan-tenin’izao tontolo izao vaovao; Baibolin’ny mpanjaka Jacque; Teefficient Testamenta Vaovao amin’ny teny frantsay mahazatra; Matio 24:14). Noho izany antony izany no nahazoantsika ny Baiboly izay mirakitra ny Soratra masina. Araka izany, dia nanoratra toy izao ho an’i Timoty zatovo ny apostoly Paoly: “Izay soratra rehetra nomen’ny tsindrimandrin’Andriamanitra dia mahasoa koa ho fampianarana, ho fandresen-dahatra, ho fanitsiana izay diso, ho fitaizana amin’ny fahamarinana, mba ho tanteraka ny olon’Andriamanitra, ho vonona tsara ho amin’ny asa tsara rehetra.” (II Timoty 3:16, 17). Ny Baibolin’i Kuen dia mandika ny andininy faha-17 toy izao: “Araka izany, ny olona izay an’Andriamanitra dia manjary ampy fitaovana tanteraka; vonona izy hanatontosa ny asa tsara rehetra.” Izao no lazain’ny Baibolin’i Jerosalema (amin’ny teny anglisy): “Amin’izany no mahatonga ny olona nanolo-tena ho an’Andriamanitra ho ampy fitaovana tanteraka sy ho vonona ho amin’ny asa tsara rehetra.” Milaza izany fa “ny olon’Andriamanitra” dia tokony hianatra tsy tapaka ny Soratra masina ara-tsindrimandrin’Andriamanitra ka hiaina mifanaraka amin’izany, sady hanao ny asa manjary hainy tontosaina amin’ny fomba mandaitra noho ny fianarana toy izany.
16. Nahoana moa no fahendrena amin’izao andro izao, mbola mihoatra noho ny tamin’ny andron’i Noa, ny handosirana ny filana mampiavaka ny tanora izay mitombo ho tonga olon-dehibe?
16 Ankehitriny isika dia miaina amin’ny fotoana sarotra indrindra teo amin’ny tantaran’olombelona rehetra ary andrasantsika ny fanjavonan’ny izao tontolo izao iray, dia izao tontolo izao lehibe lavitra noho ny tamin’ny andron’i Noa. Noho izany, isika dia niditra ao amin’ny asa lehibe indrindra sy malaza indrindra nisy hatramin’izao. Tsy izao àry no fotoana tokony hisian’ny vavolombelona nanolo-tena ho an’Andriamanitra sy vita batisa, resin’ny filan’ny nofo mampiavaka ny tanora ka mampaniasia azy ireny. Izao no nosoratan’i Paoly ho an’i Timoty zatovo: “Fa mandosira ny filan’ny tanora fanahy”. “Fa hianao kosa, ry lehilahin’Andriamanitra [anthrôpos amin’ny teny grika], mandositra izany zavatra izany.” (II Timoty 2:22; I Timoty 6:11). Amin’izao andro izao, mihoatra noho ny fony ny apostoly Jaona nanoratra ara-tsindrimandrin’Andriamanitra, dia “mandalo izao fiainana izao sy ny filany; fa izay manao ny sitrapon’Andriamanitra no maharitra mandrakizay.”—I Jaona2:17.
17. Lehilahin’Andriamanitra tamin’ny andro talohan’ny kristianisma iza avy moa no tsy tokony hambaniana, nefa any amin’iza indrindra moa no tokony hampitodihantsika ny masontsika mba hanananohatra ny amin’ny lehilahin’Andriamanitra tanteraka?
17 Amin’izao andro manokana izao izay mitaky ny hahatongavan’ny kristiana ho lehilahy lehibe, dia tokony hampitodika ny masontsika isika ho amin’ny ohatra tanteraka navelan’ilay nasehon’i Pontio Pilato governora romana tamin’ny vahoaka jiosy nitabataba tamin’ny filazana hoe: “Indro ny Lehilahy! “Indro ny Mpanjakanareo!” (Jaona 19:5, 14). Taloha elan’i Kristy, dia efa nisy lehilahin’Andriamanitra”, Elia sy Elisa namany, ets. (Deoteronomia 33:1; I Mpanjaka 17:18, 24; 20:28; II Mpanjaka 1:9-12; 4:7, 9, 16.) Nefa, na dia tsy hoe tsy mahalala na tsy manambany ireny “lehilahin’Andriamanitra” talohan’ny andro kristiana ireny aza isika, dia tokony hijery an’ilay “lehilahin’Andriamanitra” nalaza indrindra tamin’izay rehetra nisy teto an-tany, dia Jesosy Kristy izay manjaka ankehitriny any an-danitra hatramin’ny nahataperan’ny andron’ireo firenena tamin’ny 1914 (Hebreo 11:1 ka hatramin’ny 12:3; Lioka 21:24). Raha toa, sahala aminy, ka mitondra tena toy ny lehilahy isika, dia ho afaka hiandry tsy amin-tahotra ny fandringanana ao Hara-Magedona, ny fandehan-javatra voaheloka ankehitriny.
18. Ahoana no azontsika iantsorohana ny andraikitra lehibe ananantsika eo amin’ny fanamarinana ny fanapahan’i Jehovah Andriamanitra eo amin’izao rehetra izao?
18 Amin’izao andro fitsarana izao, madiva hirodanan’izao tontolo izao, dia manao laza tsy azo kosehina, tsy mety rava, ho an’ny tenantsika isika. Ho voninahitra sy fiderana antsika ve izany sa kosa hampalahelo fa hitondra fanamelohana tsy misy fanafodiny miaraka amin’izao tontolo izao? Raha mitomban-dahy isika amin’ny fanarahana tsy misy diso ny ohatra nomen’i Jesosy Kristy, dia hoporofointsika fa tsy tompontsika ara-panahy “Ilay andriamanitr’izao tontolo izao, dia Satana Devoly (II Korintiana 4:4). Mifanohitra lavitra amin’izany, fa isika dia ho hita eo am-panohanana ny fanapahan’i Jehovah Andriamanitra eo amin’izao rehetra izao, ka noho izany dia handray anjara amin’ny fanamarinana azy eo anoloan’ny zava-boary velona rehetra. Amin’izany lafiny izany, dia lehibe tokoa ny andraikitsika, ary be voninahitra ny tombontsoantsika.
19. Afa-tsy ny tokony hifohazantsika hatrany sy hiorenantsika mafy amin’ny finoana, toetra hafa inona moa no tokony hambolentsika amin’ny maha-“lehilahy”, ary iza no loharanon’izany?
19 Tokony hifoha hatrany isika, raha ny amin’ny andraikitsika ka “hitoetra tsara amin’ny finoana’. Enga anie Jehovah hanampy antsika mba tsy hihaosa, dia isika izay olona nanolo-tena sy an’Andriamanitra! Amin’izany isika dia mila ny hanaraka ny fananarana mety tanteraka nomen’ny apostoly Paoly manao hoe: “Mahereza.” (I Korintiana 16:13). Tiantsika izany ary ho afaka hanao izany isika raha mitodika foana any amin’Andriamanitra mba hivavaka aminy amin’ny alalan’ilay Mpanjakantsika, dia Jesosy Kristy. Izao no vakintsika ao amin’ny Isaia 40:29: “Mampahatanjaka ny reraka Izy, ary izay kely hery dia omeny hery be.” Enga anie isika mba ho vavolombelon’ny fandresen’Andriamanitra ao Hara-Magedona ka hanana andraikitra hiventy an’ilay fihirana nohirain’i Mosesy taorian’ny fandravana ny tafik’i Farao tao amin’ny ranomasina Mena, manao hoe: “Jehovah dia mpiady mahery [hebreo ‘ish]. (...) Jehovah no heriko sy fiderako, fa efa famonjena ahy Izy”.—Eksodosy 15:2, 3.
Afaka mamaly ve ianao?
◻ Inona no hametra na ho tafita velona amin’ny adin’i Hara-Magedona isika na tsia?
◻ Inona no tarehin-javatra hitan’ireo mpanompon’i Jehovah voahosotra, azo ampitahaina amin’ny an’i Jeremia, anankiray tamin’ireo mpanompony taloha?
◻ Tamin’ny lafiny inona avy moa ny nataon’i Ebeda-Meleka no tandindon’ny asan’ny “ondry” voalazan’ny fanoharan’i Kristy voasoratra ao amin’ny Matio 25:31-46?
◻ Araka ny faminanian’i Kristy voalaza ao amin’ny Lioka toko 21, amin’ny ahoana moa ny fihetsik’ireo mpianatr’i Jesosy no hafa noho ny an’ny olona eo amin’ireo firenena?
◻ Inona moa ny “fanafahana” resahina ao amin’ny Lioka 21:28?
◻ Vokatra tsara dia tsara inona moa no ho azontsika raha arahintsika ny ohatra navelan’ilay fantatra ho “ny Lehilahy”?