FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • w83 1/4 p. 32
  • “Boky tsara tokoa”

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • “Boky tsara tokoa”
  • Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1983
Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1983
w83 1/4 p. 32

“Boky tsara tokoa”

Toy izany no nilazan’ilay gazety hoe “Journal de l’ile de la Réunion Dimanche” ny boky “Recueil d’histoires bibliques” ao amin’ny fanontany niraisam-pirenena tamin’ny 23 ka hatramin’ny 29 jolay 1981. Ankoatra ny zavatra hafa, dia izao no novakina tao:

“Misy filazana mazava tsy maintsy ambara avy hatrany: na dia ny “Vavolombelona” aza no mivarotra azy, io boky io akory tsy novelabelarina araka ny fahitana ara-pivavahana mampiavaka an’io Kongregasiona io. Araka ny asehon’ny anarany, izy io dia tsy inona fa fitambaran-tantara araka ny Baiboly fotsiny. Tsy mihoatra an’izay!

“Izy io dia novidin’ny pretra katolika maromaro izay maniry hampiasa azy amin’ny fampianarany Tantara Masina. Izany dia ampy hanapahana izay rehetra mety ho ady hevitra an-tsoratra.

Io boky io dia mikendry ny hampianatra ny tantara hita amin’ny alalan’ny Baiboly, ary natao ho an’ny tanora. Ireo fomba nofidina dia mifanaraka amin’ny fomba mahagaga amin’ny hevitra: soratra fohy, ao amin’ny toko voafaritra tsara sy antonona ny tanora manomboka eo amin’ny 8 taona sahady. Ny sary tsotra nefa tsara, manaraka amin’izany ny teknika amin’ny andro ankehitriny momba ny fampianarana dia manampy hitadidy tsara tokoa sy hahazo ny teny.

“Lahatsoratra nakambana ho boky mifono baoritra mahafinaritra (saika mirenty), tsy matevina loatra ka hanidy ny fon’ny tanora, ny fitambarany dia mahasodoka. Nanao fanandramana tamin’ny zanako mihitsy aho. Mandeha ilay izy ... ary mametraka fanontaniana izy aorian’izany. Na dia mba hahafantarana ny tantaran’ny andro taloha fotsiny aza, ivelan’izay rehetra mety ho resaka ara-pivavahana, dia mendrika ny hovakina izany.

Ny vidin’ilay boky dia 15 francs (frantsay) fotsiny, ka izany dia efa mahagaga sy mahafinaritra. Koa rehefa atolotra anao izy io, dia afaka ny hatoky tsy hisalasala ianao. Raha ny marina, dia tsy hoe tsy misy farany akory ny famoahana an’io asa mahagaga io, ary vetivety dia vidin’ny olona ireo boky ...”

Mba hahazoana ny boky “Recueil d’histoires bibliques”, dia avereno amin’ny anankiray amin’ireo adiresy voalaza ao amin’ny pejy faharoa amin’ity gazety ity ny tapakila famaliana eto ambany.

Aza fady mba ampahafantaro ahy ny fomba mety hahazoako an’ilay boky hoe “Recueil d’histoires bibliques”.

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2026)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2026 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara