FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • w83 15/3 p. 25-27
  • Trano vaovao ho an’ny sampana any Korea

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Trano vaovao ho an’ny sampana any Korea
  • Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1983
  • Lohatenikely
  • Nahoana no mila trano vaovao?
  • Ny fanorenana trano vaovao
Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1983
w83 15/3 p. 25-27

Trano vaovao ho an’ny sampana any Korea

TAMIN’NY TAONA 1952 Ny Tilikambo Fiambenana sy Réveillez-vous! no natonta voalohany tamin’ny teny koreana. Hatramin’izay, ireo gazety ireo dia nataon’ireo fanontam-pirinty ara-barotra tao amin’ilay tany. Amin’izao andro izao, dia Vavolombelon’i Jehovah 30 000 no mitory ilay Fanjakana any Korea. Raha ny amin’ny famoahana an’ireo gazety ireo, dia eo amin’ny 100 000 eo ny indray mivoaka, izany hoe efa ho dimy tapitrisa isan-taona. Moa ve ireo Vavolombelona any Korea ho afaka hiantsoroka irery asa fanontam-pirinty, toy ny ataon’ireo rahalahiny any amin’ny tany maro hafa?

Tokony ho azo atao tsy ho ela izany araka ny porofoin’ny fitokanana fitambaran-trano vaovao iray ho an’ny sampana any Korea, tamin’ny 8 may 1982. Jereo izany eo amin’ny sary ao amin’ny pejy manaraka. Mitsangana eo amin’ny tany 3,6 hektara izy io, ao anatin’ny faritra mahafinaritr’i Kongdo, tanàna ao amin’ny “comté” an’i Ansung miorina any amin’ny enimpolo kilaometatra any atsimon’i Séoul.

Koa satria tsy ampy ny isan’ny toerana mba handraisana izay rehetra ho naniry hanatrika ny fitokanana, dia olona 1 882 monja no tonga tao araka ny fanasana manokana. Toy inona moa ny fifalian’izy ireo nandre an’ireo ela nihetezana nitantara ny fomba nitahian’i Jehovah ny fanitarana ny asan’ilay Fanjakana tany Korea! Anisan’izany Don sy Earlene Steele, ireo misionera roa voalohany tonga tao amin’io tany io. Rehefa tonga izy ireo tamin’ny aogositra 1949, telo amby telopolo taona izao, dia tsy nahita Vavolombelona koreana roapolo akory. Ny ankamaroany dia tsy maty tamin’ny fampidirana an-tranomaizina sy ny fampijaliana tamin’ny fitanan’ny tafika japone.

Nahoana no mila trano vaovao?

Ireo misionera dia nanorim-ponenana tao amin’ny toerana nahafinaritra iray tany Sodaemun, teo amin’ny havoana kelin’i Séoul. Na dia nanery azy ireo handao vetivety an’ilay tany aza ny adin’i Korea izay nipoaka tamin’ny 1950, tsy ela i Don sy Earlene dia tafaverina ka nanorim-ponenana indray tao amin’ny tranony izay naradratran’ny fipoahan’ny baomba kely maro. Taty aoriana, ny asan’ilay Fanjakana dia voamariky ny fitomboana isa haingana dia haingana Tamin’ny 1953, dia 417 ny isan’ny mpitory. Naorina ny sampana iray tao amin’ilay tany tamin’io taona io.

Tonga nanaraka ny fianakaviana Steele ny misionera hafa, ary, tao anatin’io taona nanaraka, ny fitomboana isa nahatalanjona dia nampiakatra ny isan’ny mpitory ho 5 538, tarehi-marika tratra tamin’ny 1964. Tamin’io taona io, dia natomboka ny fandaharam-panorenana voalohany tany Séoul. Nitarina ny trano nisy tamin’ny fanampiana birao nalalaka ho an’ny sampana sy fonenana.

Araka ny fandehan’ireo taona, dia noraisin’ny Koreana tamin-kafanam-po foana ny fitoriana ilay Fanjakana. Noho izany, tamin’ny 1972 dia nitombo efa ho avy telo heny ny isan’ny mpitory; nihoatra ny dimy arivo sy iray alina izany. Izany firohotan’ny olona ho ao anatin’ny fandaminana izany dia nahatonga hila fanitarana indray an’ireo tranonay. Noho izany, dia nampiana paosiny hafa iray vita teo amin’ny fiandohan’ny 1975 indray ny tranoben’ny sampana any Séoul.

Tsy ela anefa dia voatery nanitatra indray izahay, indrindra fa raha tsy maintsy hanonta pirinty ny bokinay fianarana ny Baiboly eto Korea. Koa satria tsy azo natao tao amin’ny sampana tany Séoul izany, dia nisy fanapahan-kevitra ny hamindra ny fanaovan-draharaha manontolo sy hanorina trano vaovao. Tokony ho telo taona teo ho eo, rehefa neken’ny Kolejy foiben’ny Vavolombelon’i Jehovah, dia nanomboka nitady toerana mety amin’ny sampana izahay.

Noho ny lalàna momba ny fizarana ny zaona, vetivety dia nanjary niharihary fa mba hanangonana ho fitambaran-trano iray monja ny fanontam-pirinty iray sy ny trano fonenana maromaro, dia tsy maintsy mivoaka ny tanàna izahay. Tamin’ny farany, dia nahita fananana izahay tany amin’ny enimpolo kilaometatra any atsimon’i Séoul. Araka ny fiheveran’ny fitondram-panjakana azy dia zaona ala io sombin-tany io.

Nisy hazo “pins” tsara tarehy sy “abricots” tao amin’ilay tany. Voahodidin’ny saha voavoly tsy azo anorenan-trano mihitsy izy io. Tamin’izany dia nahazo toky izahay fa tsy hisy zavatra haorina hafa eo akaiky eo. Raha mbola tsy azo tanteraka akory ny tany dia efa nanao fangatahana fahazoan-dalana hanorina izahay, ho an’ny fanontam-pirinty ka nahazo izany. Avy eo dia nangata-dalana hikapa ny ampahatelon’ny hazo, izany ho fitonjato eo ho eo, izahay, mba hahafahana manorina trano vaovao natao ho an’ny fianakavian’ny Betela, ny birao sy ny fanontam-pirinty, fanomezan-dalana nekena.

Nisy fasana fito amby enimpolo koa tao amin’ilay taninay. Fanaon’ny olona tokoa ny nandevina ny maty tao aminy tao amin’ny toerana nanirian’ny “pins”. Noho ny filazana nataonay tao amin’ny gazety, dia fasana iraika ambin’ny folo no narahin’ny fianakavian’ny maty, ary ny hafa dia nafindra tao amin’ny toeram-pandevenam-bahoaka. Tamin’izay vao natao ny fifampivarotana. An’ny Watch Tower Bible and Tract Society any Korea izao ilay tany.

Ny fanorenana trano vaovao

Mba hanarahana ny fepetra takina amin’ny fizarana ho zaona sy hampiasana ny tany araka ny voalazan’ny fanomezan-dalana anay, dia tsy manana afa-tsy roa taona izahay mba hamitana ny fitambaran-trano sy hanombohana ny asa. Koa avy hatrany dia naravona ny tany, naorina ny herim-baratra sy ny tadin-telefaonina. Vantany vao voarainay ny fahazoan-dalana hanorina, tamin’ny martsa 1981, dia nanomboka ny tena fanorenana.

Araka ny mety ho tsapanao eo amin’ny pejy eo aloha, ny trano misy rihana tokana natao ho an’ireo birao dia mifampiankina amin’ny trano hafa iray mitovy rihana be velarana kokoa izay hatao fanontam-pirinty. Ny trano voalohany dia misy an’ireo biraon’ny fandikan-teny, ny fanitsiana, ny fanoratana vola, ny fanaraha-maso ny asa fitoriana, ary koa ny an’ireo mpiandraikitra ny trano sy ny fanontam-pirinty. Ao ambany rihana dia ahitana ny Efitrano Fanjakana mahafinaritra, natao ho an’ny mpianakavin’ny Betela sy ny kongregasionan’i Kongdo. Manantena izahay fa havoakan’ny fanontam-pirinty alohan’ny faran’ny taona Ny Tilikambo Fiambenana sy Réveillez-vous!.

Fa raha ny amin’ny efitranon’ny fianakavian’ny Betela, izany dia ao amin’ny trano hafa iray misy rihana iray sy efitrano ambany tany izay mifandray amin’ny fanontam-pirinty sy ireo birao amin’ny alalan’ny lalana fandehanana an-tongotra ivelany. Olona fitopolo no afaka monina miadana ao; manana ny trano fandroany avy ny efitrano tsirairay avy. Hita tao koa ny fanasan-damba, ny fipasohana sy fanjairana ary ny efitrano fihinanana sy lakozia malalaka iray. Andro vitsivitsy talohan’ny fitokanana, tamin’ny fe-potoana ‘varavarana mivoha’ ho an’ny olona teo an-toerana, dia nanontany toy izao ny prezidan’ny foiben’ny fampiofanana amin’ny banky: “Iza no monina ao amin’io hotely tsara tarehy io?” Nanaitra ny sainy aoka izany ny zavatra naorinay.

Ahoana no nanatanterahana an’io fanorenana kanto io? Saika ny mpiasa nandray anjara tamin’izany rehetra dia Vavolombelon’i Jehovah. Noho ny andraikiny ao amin’ny fianakaviana, dia tsy afaka niasa maimaimpoana daholo ny rehetra. Niasa tamin’ny karama kely anefa ireo raim-pianakaviana. Ambonin’izany, dia nantsoina ny mpitory maharitra tanora (mpitory mandavantaona) eo amin’ny telopolo. Tsy nanana fahazarana tamin’ny lafin’ny fanorenana ireo, nefa nampiofanina teo am-piasana izy ireny ary nitondra fanampiana sarobidy. Afa-tsy izany koa, dia Vavolombelon’i Jehovah an’arivony maro hafa no nanaiky hilatsaka hiasa an-tsitrapo tao anatin’ny andro vitsivitsy.

Noho izany mpiasa an-tsitrapo rehetra izany, dia azo natao ny nampihena ny fandaniana ho kely araka izay farany azo natao. Saika ny lany rehetra dia avy amin’ny Vavolombelon’i Jehovah teto Korea, nefa nisy kongregasiona sy olona liana tamin’ny volavolan-kevitray ka nandefa fanomezana avy any an-tany hafa koa. Nahazo fanampiana avy amin’ny olona samy hafa toerana ara-tsosialy, samy hafa taona, hatramin’ny zazakely dia kely ka hatramin’ny antitra, izahay. Tsy ampy enina herinandro monja no nilainay mba hamindrana ny sampana. Notaterina tamin’izany, tsy ny fananana manokan’ireo mpianakavin’ny Betela tao Séoul ihany, fa ny fitaovana sy ny tahiry rehetra nilaina mba hampandeha tsara ny sampana koa. Raha vantany vao vita ny famindrana azy, ny sampan-draharaha tsirairay avy dia nandray indray ny asany tao amin’ireo trano vaovaony, raha mbola natao ny famitana ny asa. Tian’ny rehetra ny hifindra fonenana sy ho tafapetraka alohan’ny datin’ny fitokanana. Tianareo ve ny hahafantatra hoe nahoana izahay no niandry an’io zavatra hiseho io tamim-pahadodonana toy izany?

Satria ny sampana korean’ny Fikambanana Watch Tower dia tokony hahazo ny fitsidihan’i Robert Wallen, mpiandraikitra ny zaona avy any amin’ny foiben’ny Fikambanana any Brooklyn, mbamin’ny mpikambana roa ao amin’ny kolejy foibe, Fred Franz sy Lloyd Barry, izay handray anjara amin’ny fandaharam-pitokanana. Tamin’izany, ny 8 may 1982, no niarahan’ny solontena 1 800 mahery Vavolombelona koreana tamin’ny fony rehetra tamin’ny rahalahy Franz mba hanokana an’ireo trano ireo ho an’i Jehovah sy ny asany.

Faly ny Vavolombelon’i Jehovah eto Korea afaka mampiasa an’ireo trano vaovao ireo. Irin’izy ireo ny hampiasa izany amin’ny fomba tsara indrindra araka izay azo atao mba hanatontosana ny asa fitoriana sy fampianarana mbola tsy maintsy tanterahiny ao amin’io tany io.

[Sary, pejy 25]

Ireo trano fonenana vaovao ao amin’ny Betela hita eo ambony ankavia dia mifandray amin’ireo birao sy amin’ny fanontam-pirinty amin’ny alalan’ny lalana fandehanana an-tongotra.

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2026)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2026 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara