Anisan’ny fanompoam-pivavahana marina ve ny Noely?
HOY JESOSY KRISTY: “Ny marina hahafaka anareo tsy ho andevo.” (Jaona 8:32). Miorina amin’ny fahamarinana ve ny fetin’ny Noely? Raha izany no izy, ny fankalazana azy dia mety hitondra soa ho antsika. Raha tsy izany, dia loharanom-pahasahiranana izy. Mahatsiaro ho afaka ve ianao rehefa tonga ny Noely, sa mandefa sentom-pahatsiarovana fanamaivanana ianao rehefa lasa io fety io?
Miorina amin’ny fotopoto-pitsipika hoe ny voany no ahafantarana ny hazo ny olona sasany ka misalasala raha ny amin’ny fahamasinan’ny Noely. Mimenomenona mafy izy ireo noho ny fampiasana an’io fety io ara-barotra. Momba izany “fitsofohan’ny tsy ara-pivavahana ao amin’izay masina” izany, dia izao no nolazain’i Stevan Davies, avy any amin’ny Oniversite Temple (Etazonia), fizarana momba ny fivavahana: “Tsy tokony hohadinointsika fa ny ‘fampiasana amin’ny varotra’ ny Noely dia fiheverana ny varotra ho masina koa. (...) Harovana sy hotanana foana ny angano ny amin’i Dadabe Noely.” Nampiany koa fa i Dadabe Noely dia “hotanana satria tena ilain’ireo mpivarotra mba hamporisihana ny fivarotana mandritra ny fety”.
Hitanao hoe mifanaraka amin’ny fivavahana marina ve ny ‘fiheverana ho masina’ ny varotra? Toa tsy mieritreritra izany i Daphne Ponchin Mould, izay nanoratra tao amin’ny revio katolika amerikana iray. Voakosoka daholo izay rehetra mety ho soritry ny fivavahana, hoy izy. tsy vitan’ny hoe namoy ny heviny kristiana ny Noely, fa toy izany koa ny heviny misy fanompoan-tsampy taloha.”
Tsy isalasalana mihitsy fa manana ny hevitra manokana ny amin’ny Noely ianao. Ny fahazarana mifanolotra fanomezana dia tsy isalasalana fa mametraka olona maro ao anatin’ny tarehin-javatra ara-bola tsy mahafinaritra. Ary ireo fanomezana raisiny ao anatin’izany rivo-piainana feno faneriterena izany dia tsy tena manosika azy hahatsiaro fankasitrahana sy fankatelemana heverina fa amporisihina hatao amin’io vanim-potoana io.
Ny niandohan’ny Noely
Na dia avela aza ny fanambakana ara-barotra amin’ny fetin’ny Noely ka heverina ny lafiny ara-pivavahana, moa ve miorina amin’ny fahamarinana io lafiny io? Zava-dehibe tokoa ny hahafantarana izany mba hahafahana manolotra fanompoam-pivavahana ankasitrahan’Andriamanitra “amin’ny fanahy sy ny fahamarinana”. — Jaona 4:23, 24.
Nanao izay hinoan’ny zanakao angamba ianao fa nisy ny Dadabe Noely. Nefa raha nilaza ny marina tamin’izy ireo ianao, dia tsy ho nanao na oviana na oviana ny fisafidianana mampalahelo setrain’ny ray aman-dreny maro amin’ny fotoan’ny Noely: fandrotidrotehina ny fon’ireo zanany na fanosehana ny fianakaviana ho eo amoron’ny fatiantoka. Raha tianao haneho fankasitrahana sy fitiavana anao ny zanakao, dia aleo milaza aminy ny marina sy manome fanomezana azy, an-tsitrapo, rehefa manana ny atao ianao. Amin’izay, dia tsy ny Dadabe Noelin’ny angano ho hisaoran’izy ireo, fa ianareo ray aman-dreniny, izay ho hainy hianteherana mba hahazoana fanazavana marina. Afa-tsy izany koa, dia hohalavirinareo amin’izany ny fahatsapana hadisoan-kevitra izay hahatonga azy ireo tsy hahalala henatra, araka ny mitranga amin’ny zanaka maro nanaporofoana fa angano fotsiny ny Noely.
Amin’izao androntsika izao, ireo manam-pahaizana manokana dia miaiky mandrakariva fa TSY teraka ny 25 desambra akory Jesosy. Hatreo amin’ny taonjato fahefatra amin’ny fanisan-taona iraisana, dia tsy misy tahirin-kevitra mihitsy manisy fitenenana ny amin’ny fetin’ny Noely. Tamin’izany fotoana izany ny Eglizy dia nahazo fahefana tsy ara-pivavahana lehibe tokoa teo ambany fitondran’ny emperora Constantin. Nahery indrindra ny fanompoam-pivavahana tamin’ny masoandro tany Roma. Ireo mpivavaka tamin’i Mithra, andriamanitra masoandro, nanam-piandohana persiana, dia nankalaza “ny fahaterahan’ny masoandro tsy mety resy” ny 25 desambra. Nifidy an’io daty io ho an’ny fetin’ny Noely àry ny Eglizy romana, tsy hoe mba hanandratana ny fanompoam-pivavahana “amin’ny fanahy sy ny fahamarinana”, fa mba hampidirana fety lazaina fa kristiana izay harahin’ny mponina mora foana. Raha ny marina, ny Eglizy dia nandray fombafomban’ny mpanompo sampy izay nataony fety lazaina fa ho fanomezam-boninahitra an’Andriamanitra sy Kristy.
Ny kintan’ny Noely sy ny fanomezana
Ny sasany dia mety hanintona ny saina ho amin’ireo fanomezana natolotra an’i Jesosy “zazakely” (Matio 2:11, MN; Segond) ka hilaza hoe: “Moa ve tsy nanao izany ireo “olon-kendry”? Moa ve izy ireo tsy nanaraka kintana iray izay nitarika azy ho amin’i Jesosy?’ Rehefa dinihina anefa izay lazain’ny Baiboly, dia hita fa ireo “olon-kendry” dia tsy nampiseho ny kristianisma fa ny fanompoan-tsampy. Ambonin’izany, izy ireo dia nandray anjara tsy nahy tamin’ny tetika nampiasain’i Satana Devoly mba hamonoana an’i Jesosy.
Jereo izay nolazain’ny fitantarana araka ny Baiboly: Talohan’ny nahaterahan’i Jesosy indrindra, ireo ray aman-dreniny dia tonga tany Betlehema mba hisoratra anarana ny amin’ny hetra. Koa satria feno daholo ny trano fandraisam-bahiny tao an-tanàna, rehefa niteraka an’i Jesosy Maria dia nampandry azy nifono lamban-jaza tao am-pihinanam-bilona. Tamin’io alina io ihany, tamin’ny alalan’ny anjely maro be fa tsy tamin’ny alalan’ny kintana iray, Andriamanitra dia nitarika mpiandry ondry jiosy nanetry tena, mpivavaka tamin’ilay Andriamanitra marina, ho amin’ilay zaza vao teraka. Nambara tamin’izy ireo fa nisy zaza teraka ary izy io dia ho Mpamonjy, Kristy (Mesia) Tompo. — Lioka 2:1-17.
Moa ve mpivavaka tamin’ilay Andriamanitra marina ireo lazaina fa “olon-kendry”? Tsia, ny Soratra grika kristiana dia manondro azy ireny amin’ny anarana hoe magoï, magy, mpisoron’i Zoroastra. (Azo atao ny mampifamatotra an’io teny io amin’ny fitenenana amin’ny teny malagasy hoe mpanao majika.) Izy ireny dia mpanandro avy any Mesopotamia, lavitra dia lavitra any atsinanana. Tsy nihevitra an’i Jesosy ho Mpamonjy azy ireo na Mesiany izy ireo fa ho “Mpanjakan’ny Jiosy”. — Matio 2:1, 2.
Diniho ny porofo hafa omen’ny Baiboly. Raha ny marina, ireo mpanandro ireo dia tsy tonga tao amin’i Heroda mpanjaka raha tsy rehefa afaka volana maromaro taorian’ny nahaterahan’i Jesosy. Nilaza tamin’ny mpanjaka izy ireo fa nanaraka kintana iray niseho taminy fony izy ireo ‘tany atsinanana’ ka tiany ny haneho mari-panajana an’ilay zazakely, dia ny “Mpanjakan’ny Jiosy”. Fa raha ny amin’ny “kintana”, dia tsy tena kintana izy io na fifanandrifian’ny planeta, satria ireo mpanandro ihany no nilaza fa nahita azy. Nitodika nankany amin’ireo filoha ara-pivavahana jiosy àry Heroda mba hanontany azy ireo hoe aiza no tokony hahaterahan’ny Mesia. Notononin’izy ireo taminy ny faminaniana ao amin’ny Mika 5:1 izay nanondro an’i Betlehema ho tokony ho toerana hahaterahana. — Matio 2:3-6.
Tamin’izay Heroda dia nampiantso mangingina an’ireo mpanandro ka naniraka azy ireo ho any Betlehema mba hitondran’izy ireo fanazavana ho azy. Nitohy ny fitantaran’ny Baiboly tamin’ny filazana hoe: “Ary rehefa notoroan’Andriamanitra hevitra tamin’ny nofy izy tsy hiverina any amin’i Heroda, dia làlana hafa no nalehany nody ho any amin’ny fonenany.” — Matio 2:7, 8, 12.
Nisafoaka aoka izany i Heroda. Mba hahazoana antoka fa tsy ho voatsimbina ny ain’i Jesosy, dia nasainy novonoina ny zazalahy rehetra tao amin’ny faritr’i Betlehema “hatramin’ny roa taona no ho midina, (...) araka ny andro izay nofotorany fatratra tamin’ny Magy”. (Matio 2:16.) Voavonjy anefa Jesosy satria Josefa ray nitaiza azy dia nitondra azy nankany Egypta taorian’ny fampitandreman’Andriamanitra, ka nisakana tamin’izany ireo drafitra natao mba hamonoana an’ilay zaza tamin’izay fotoana izay. — Matio 2:13, 14.
Tsy zaza vao teraka àry Jesosy tamin’ny fotoana nitsidihan’ireo mpanandro; teo amin’ny roa taona teo izy. Ireo “olon-kendry” ireo dia nahita voalohany “ny kintana” tany Mesopotamia, lalana maharitra volana maro avy eo Betlehema. Koa rehefa nahita an’i Jesosy izy ireo, dia tsy teo am-pihinanam-bilona intsony i Jesosy, fa tao an-trano iray (Matio 2:11). Mazava ho azy àry fa ireo fanomezana natolony azy dia tsy nisy fifandraisana mihitsy tamin’ny datin’ny nahaterahan’i Jesosy.
Noho izany, moa ve tsy miharihary fa ny fety ara-barotra sy ny fifanomezan-javatra, ‘ny kintan’ny’ mpanandro, ny 25 desambra mbamin’ny zavatra hafa mampiavaka ny Noely dia tsy avy amin’Andriamanitra? Ambonin’izany, ny fanolorana mari-panajana an’i Jesosy zaza amin’izao androntsika izao dia mamitaka, satria Jesosy tsy zazakely intsony ary tsy tokony hotolorana fankalazana amin’ny maha-izany azy. Amin’izao fotoana izao Jesosy Kristy tafatsangana amin’ny maty dia fanahy (esprit) mahery eo ankavanan’Andriamanitra any an-danitra sady mpiaro lehibe indrindra ny fanompoam-pivavahana amin’Andriamanitra “amin’ny fanahy sy ny fahamarinana” izay tsy misy ifandraisana mihitsy amin’ny Noely sy ny anganon’ny Dadabe Noely. — Jaona 4:24; Asa. 2:33; Apokalypsy 3:21; Matio 28:18.