Niditra tany amin’ny “Tendrombohitry ny Liona” ny vaovao tsara
Tantara mahavarianan’ny fandrosoan’ny asan’ilay Fanjakana any Sierra Leone
“GAGA aoka izany aho nahita tanàn-dehibe araka ny toetr’andro madio lavitra noho ny ankamaroan’ireo fitambarana tanàn-dehibe eran’izao tontolo izao, lalana voaisy akoravato, trano fivarotana maresaka, fiarakodia vaovao ary andiana mpandeha maro be sesilany. Mbola hita eo ihany ilay foto-dandihazo namatorana ireo andevo, tamin’ny fotoana nivarotan’ireo filoha an’ireo babony, na dia ireo mpikambana amin’ny fokon’izy ireo koa aza izay nankahalainy.” Toy izany ny fihevitry ny mpizaha tany iray mitsidika an’i Freetown, renivohitr’i Sierra Leone.
Ny anarana hoe Sierra Leone, izay midika hoe “tendrombohitry ny Liona”, dia niandoha tamin’ny 1462, daty nahatongavan’i Pedro de Sintra, mpandehandeha anjoanjo portiogay tao amin’io faritra io. Io tany io, izay eo a min’ny moron-tsiraka atsimo andrefan’i Afrika andrefana, dia misy mponina telo tapitrisa mahery.
Tsy vahiny vao tonga vao haingana akory ireo Vavolombelon’i Jehovah ao Sierra Leone. Marina tokoa fa raha diso aoriana indrindra dia tamin’ny 1915 no efa nisy olona namaky sahady ireo zavatra vita an-tsoratry ny Fikambanana Watch Tower tany. Ireny zavatra vita an-tsoratra ireny dia nentin’ny mponina any Antilles izay nifindra fonenana tany Sierra Leone mba hitady asa tany. Ny anankiray amin’izy ireny, avy any Barbade, dia nantsoina hoe Alfred Joseph. Nanomboka niresaka ny fahamarinana araka ny Baiboly tamin’ireo namany izy. Rehefa hitany ny fahalianana naterak’izany teo amin’ireo tompon-tany, dia nanoratra tany amin’ny Fikambanana Watch Tower izy mba hangataka fanampiana hahazoany manohy ny asa. Volana vitsivitsy taty aoriana, dia tonga i W. Brown (nantsoina tamin’ny anaram-bositra hoe Brown Baiboly) niaraka tamin’ny vadiny avy any Trinité, nosy any Antilles.
Ny lahateny voalohany nataon’i Brown dia natokana ho amin’ny fanontaniana mety hamelona fisalasalana hoe: “Aiza moa ireo maty?” Nasaina am-bava ireo olona hanatrika izany. Namaly an’io fanasana io ve ireo mponina tao Freetown? Aoka havelantsika hamaly i Alfred Joseph: “Afa-po izahay: ny ankamaroan’ireo mpitondra fivavahana tao Freetown, izany hoe eo amin’ny roapolo eo ho eo, dia tonga nanatrika ny lahateny, nefa maro tamin’izy ireo no nitandrina tsy nanao ireo fitafiany mahazatra, mba tsy dia ho fantatra araka izay farany azo atao. Tamin’ireo olona 500 nifanesika tao amin’ny Wilberforce Memorial Hall dia nisy zatovo mpianatra teolojia nantsoina hoe M. Garber. Tahaka ireo mpanatrika rehetra, dia nihaino tamim-pitandremana ilay lahateny adiny iray feno teny nalaina avy tao amin’ny Baiboly izy, teny izay azon’ny rehetra novakina satria nalefa an-tsary. Taty aoriana, ny lahateny nahery toy izany dia nanintona olona aoka izany hany ka araka ny nolazain’ny mponina anankiray ela be tao Freetown, “ireo Fiangonana tao an-tanàna dia voatery nanafoana ireo fotoam-pivavahany amin’ny hariva, satria ireo mpiangony dia nanatrika daholo ireo lahatenin’i “Brown Baiboly”’.”
Tamin’ny faran’ny 1923, dia olona efatra ambin’ny folo no natao batisa, anisan’izany Garber. Nandany hery tamim-paharisihana tokoa tamin’ny asa fitoriana ny filazantsara io antokon’olom-bitsy io. Hatreo amin’ny 1927, ireo mpitory dia toa nianina indrindra tamin’ny fitsidihana ireo mponina tao an-drenivohitra. Avy eo, nanomboka tamin’ny 1928, ireny mpianatra ny Baiboly ireny dia nandamina fitetezana tany amin’ny provansa. Ireo kristiana tao Freetown izay tsy afaka nandeha tany afovoan-tany niaraka tamin’ireo hafa dia nandray anjara tamin’ny fanampiana ara-bola tamin’ireo diany. Isan-tanàna, alohan’ny fotoan’ny orana dia nisy fitoriana isan-trano ary fanaovana lahateny tany amin’ireo vohitra nitokana. Ny alahady voalohany amin’ny volana dia natokana mba hiverenana mitsidika ireo mponina mba hanairana ny fahalianany. Rehefa nipoaka ny Ady Lehibe Faharoa, dia norarana ireo zavatra vita an-tsoratry ny Fikambanana Watch Tower, ary ny sasany aza dia nodorana tany amin’ny toerana fandraisana entan’ny seranana. Na izany aza anefa dia tsy nampijanona ny asa fanambarana izany.
Nandritra ireo taona ireo, dia tsy nahitana fitomboana nampitolagaga ny isan’ireo olona izay nanaiky ny hafatry ny Baiboly. Na izany aza, tamin’ireo izay nandray izy, ny sasany dia nanana finoana sy herim-po tsy fahita firy. Ny anankiray tamin’izy ireo dia nantsoina hoe Zachaeus Martyn. Talohan’ny nahafatesany teo amin’ny fahafito amby sivifolo taonany, dia nitantara izy hoe: “Tsy nisy mihitsy olona tonga nampianatra Baiboly ahy. Nefa tamin’ny 1941, dia tapa-kevitra aho ny hanatrika fivorian’ny vavolombelon’i Jehovah. Taorian’ny fivoriana fahatelon’ny alahady dia takatro hoe aiza ny toerako. Rehefa nody tany amiko, tany Gloucester, tany an-tendrombohitra aho, dia nangataka ny hanesorana ny anarako amin’ny rejisitry ny Fiangonana anglikana teo an-toerana. Ny anankiray tamin’ireo namako akaiky izay mpikambana tamin’io Fiangonana io ihany dia ta-hananatranatra ahy hoe: “O ry ingahy rainy a, hoy izy tamiko, raha manohy mandeha an-tongotra am-polo kilaometatra hidinana any amin’ny efitranony ary torak’izany koa mba hiakarana avy any ianao, dia heveriko fa tsy ho velona herintaona!’ Afaka nahita ahy niakatra sy nidina ny tendrombohitra indroa isan-kerinandro nandritra ny dimy taona izy, ary avy eo dia izy no maty. Telopolo taona izay no lasa, ary mbola salama tsara foana aho.”
Mahatratra ny foko “Kissi” ny vaovao tsara
Hatramin’ny 1957, dia olona maro avy amin’ny foko miteny “kissi” no nanaiky ireo fampianaran’ny Baiboly. Io foko io dia hita any amin’ny faritra telozoro amin’ny sisin’i Sierra Leone, Libéria, ary Guinée. Ny anisan’io foko io dia ‘animistés’ [mpivavaka amin’ny fanahy (esprits)] tokoa ary nanohitra ela ny hery fitaomana miozilimana. Na dia latsa-paka lalina teo amin’izy ireo aza ny famporafesana ary maro taminy no tsy nianatra, dia “Kissi” betsaka no namela ireo fomba fiainany taloha mba hanarahana ireo fotopoto-pitsipika ao amin’ny Baiboly. Tamin’ny alalan’ireo “Kissi” tany Sierra Leone sy Libéria, ny vaovao tsara dia nahatratra koa ireo mpikambana amin’io foko io ihany izay mipetraka any Guinée. Vokatr’izany dia miisa mihoatra ny 150 ny Vavolombelona avy amin’io foko io any Guinée ankehitriny.
Raha ny tena izy, manao ahoana no fandraisan’ireo “Kissi” any Sierra Leone ny vaovao tsara? Tonga any Koindu ny mpiandraikitra mpitety faritany iray eo amin’ny efatra ora tolakandro. Nampahafantatra azy ilay Vavolombelona nanasa azy fa hisy lahateny amin’ny enina ora hariva. Aoka havelantsika ilay mpiandraikitra mpitety faritany hitantara amintsika ny tohiny: “Nanda mafy aho, satria tsy nisy nahalala fa hisy lahateny. Kanefa dia nikiry izy tamin’ny filazana fa ny mpiantsoantso ampahibemaso iray dia hanao fampahafantarana amin’ny vahoaka ho anay. Nisakafo izahay ary nandro. Tsy mbola vonona akory hanao ilay lahateny aho nefa dia indreo ireo mponina tao an-tanàna fa efa tonga. Nisy olona sivifolo vetivety teo, lehilahy ny ankamaroany. Rehefa avy niteny nandritra ny adiny iray aho dia nijanona tamin’ny filazana fa vita ilay lahateny. Nefa tsy nisy na dia iray aza nandeha: nanana fanontaniana hapetraka izy ireo. Nijanona daholo àry izy rehetra hatramin’ny sivy ora alina, rehefa nanery ny ankamaroan’izy ireo hody any aminy ny oram-baratra. Na dia izany az, dia lehilahy roapolo teo ho eo no nijanona teo hatramin’ny roa maraina.”
Nanao zavatra haingana nifanaraka tamin’ny vaovao tsara ireo olona ireo. Tsy ela dia olona dimy no nanomboka nampiely ny hafatry ny Baiboly, avy eo dia folo, dia dimy ambin’ny folo, dia roapolo. Rehefa fantatr’ilay mpiandraikitra mpitety faritany izany dia nanontany tena izy raha nanana marina tokoa ny karazam-pinoan’ny tena kristiana izy ireo. Soa ihany fa izany no niseho. Tamin’ireo voalohany nanaiky ny fahamarinana, ny sasantsasany dia mbola mpitory marisika ny vaovao tsara foana.
Ireo “Kissi” nanetry tena izay nandray tsara ny vaovao tsara dia tsy maintsy nisetra zava-nanahirana lehibe sy fanoherana betsaka. Mitantara izao manaraka izao ny mpiandraikitra mpitety faritany anankiray: “Maro be no nenjehina tamim-pahasiahana satria nitazona ny fialanalanana tanteraka teo amin’ny lafiny ara-politika ary tsy nandray anjara intsony tamin’ireo fankalazana fotoan-dehibe sy fombafombam-pivavahan’ny mpanompo sampy. Ny sasany dia voaheloky ny mpikambana tao amin’ny fokony ho faty. Raha jerena ny tarehin-javatra dia toa nandray anjara ireo anjely mba hanakanana ny famonoana azy ireo. Vavolombelona maro no nandositra tany ambanivohitra mba hamonjena ny ainy mandra-pandrosoan’ny fahefana sivily hanao ny famotopotorana. Soa ihany fa tamin’ny ankamaroan’ny tarehin-javatra dia niaro ireo rahalahy ny polisy. Araka izany, rehefa nahita ny tranony nodorana ireto Vavolombelona roa ary efa nafatotra sy nokapohina koa ny tenan’izy ireo, dia nahazo rariny izy ireo. Nalan’ny fitsarana tamin’ilay filoha tampony ny fahefany nandritra ny herintaona teo ho eo. Taty aoriana io filoha io dia naneho fahalianana lehibe tamin’ny Vavolombelon’i Jehovah. Tamin’ny 1968, rehefa nanao fivoriamben’ny fizaran-tany tao amin’ny tanànany izy ireo, dia nanolotra trano ho an’ireo mpamonjy fivoriambe izy ary nanome ombivavy iray lehibe.
Mitohy ny asa
Hatramin’ny 1959, dia olona mihabetsaka hatrany no nampiely ny vaovao tsara any Sierra Leone. Ny 19 aogositra 1967, andro tokony hotsarovana amin’ny rehetra, dia notokanana ny sampana vaovaon’ny Fikambanana Watch Tower tany Freetown. Io trano voahodidin’ny zaridaina tropikaly io dia miorina any amin’ny anankiray amin’ireo faritanàna kanto ary misy Efitrano Fanjakana mahafinaritra. Io trano lehibe io dia nanampy tamin’ny fampitomboana ny famirapiratry ny asan’ny Vavolombelon’i Jehovah teo imason’ny olona maro. Ankoatr’izany, izy io dia nampangina ireo mpanaratsy ara-pivavahana sasantsasany izay nanamafy teo aloha fa tsy nanan-kevitra ny hijanona ela tao Sierra Leona ireo Vavolombelona.
Ankehitriny, dia Vavolombelona mihoatra ny 550 no mitsidika tsy tapaka ireo mpifanila trano aminy mba hanampy azy ireo hahafantatra ny fikasan’Andriamanitra. Anisan’izy ireo dia misy mpamporafy fahiny, ary koa vehivavy anankiray izay pretra sy mpaminany tao amin’ny Eglizy spirita taloha.
Nefa ireo Vavolombelon’i Jehovah any Sierra Leone dia maniry ihany hanampy olona betsaka kokoa hahafantatra izay atao hoe fanompoam-pivavahana marina. Tapa-kevitra izy ireo ny ‘hahafa be mandrakariva amin’ny asan’ny Tompo’. — I Korintiana 15:58.
[Map/Picture on page 24]
(For fully formatted text, see publication)
SIERRA LEONE