AROVY NY BOLOKY
Mitantara ilay gazety frantsay mivoaka isan’andro hoe “La Montagne” fa ny “mpivarotra boloky iray any amin’ny comet de Nottingham [any Angletera] dia nangataka tamin’ny mpitsara mba handrara ny fisokafan’ny trano filalaovana ‘disco’ iray teo akaikin’ny magazainy. Ireo vorona, hoy ny fanazavany, dia mila torimaso roa ambin’ny folo ora isan’alina, raha tsy izany dia manjary mora mirintondrintona sy tsy mihinan-kanina intsony izy ireny”.
Raha nanome rariny azy ireo mpitsara, moa ve io mpivarotra vorona io hamorona mpanahaka ary moa ve ireo mpiaro ny biby ho afaka hitandrin-tena amin’ny arabe migodana, ny seranam-piaramanidina na ny loharanom-pandotoana amin’ny feo hafa koa?