FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • w83 15/2 p. 8-9
  • Ho avy azo antoka efa tsinjo!

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Ho avy azo antoka efa tsinjo!
  • Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1983
  • Lohatenikely
  • Mitovitovy Aminy
  • Efa nisy zavatra nialoha ve?
  • Aorian’ny Haramagedona, paradisa an-tany
    Azonao Atao ny Hiaina Mandrakizay ao Amin’ny Paradisa eto An-Tany
  • Ny fomba nanombohan’ny “lanitra vaovao sy tany vaovao”
    Ny Fomba Hahavelomanao ao Amin’ny Tany Vaovao Iray
  • Hoavy Azo Antoka — Afaka ny Hahita Izany Ianao
    Ho Avy Azo Antoka—Afaka ny Hahita Izany Ianao
  • “Miravoravoa Mandrakizay, Satria Mahary Izany Aho”
    Ny Faminanian’i Isaia—Fahazavana ho An’ny Olombelona Rehetra II
Hijery Hafa
Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1983
w83 15/2 p. 8-9

Tsy manana ahiahy ve ianao?

Ho avy azo antoka efa tsinjo!

“AZA miantehitra amin’ireo olona manam-pahefana: olona ihany ireny, tsy manan-kery hamonjy izy ireny.” (Salamo 146:3, Ny Salamo amin’ny teny frantsay mahazatra). Io torohevitra tena mazava io, nomena efa ho roa arivo taona mahery izao, dia mbola mety foana amin’izao androntsika izao, izay anomezan’ireo mpanao politika, mpahay siansa, mpitondra fivavahana sy filoha ara-tafika ny fanafody rehetra azo saintsainina mba handaminana ireo zava-manahirana ny olombelona.

Nahoana no tsy hiantehitra amin’ireo “olona manam-pahefana? Ny antony tsotra dia satria ny anjaran’ny tany sy ny olombelona dia tsy eo am-pelatanan’izy ireo, na inona na inona heveriny ny amin’izany. “An’i Jehovah ny tany sy izay rehetra eo aminy. Izao rehetra izao sy ny mponina eo aminy.” (Salamo 24:1). Marina tokoa fa ny tany dia fananana sy fitoeran-tongotr’i Jehovah, fananana izay navelany ho an’ny olombelona mba hifaliany amim-pankasitrahana. — Genesisy 1:28; Isaia 66:1.

Moa ve ny olombelona nanokana ny fikojakojana sy fitandremana mety tamin’ny fananan’Andriamanitra nampiandraiketiny azy? Niseho ho mendrika ny hitoetra ho mpanofa io vatosoan’izao rehetra izao io ve izy? Ny hatevin’ny loto nandrakofany ny planetantsika dia mahaforona porofo miteny ho azy ny amin’ny tsy fahombiazany. Ireo loto sy fako natsipy teny amin’ny arabe, nalefa teny amin’ny ony sy naely teny amin’ny moron-tsiraka dia mampiseho miharihary fa mponin’ny tany maro no tsy mpanofa tsara. Amin’ny asan’izy ireo, ireny olona tia tena ireny kosa aza dia mampidi-doza ny ho avy sy ny filaminan’ireo izay haniry hiaina amin’ny tany madio.

Kanefa inona no fepetra raisin’ireo fahefan’olombelona rehefa misy olona sasantsasany tsy manaja ny fananan’ny hafa ary tsy mandoa ny hofan-tranony? Ametrahana fitoriana ireo mpandika lalàna mba handroahana azy ireo, toy izany koa, ilay Mpanjaka Tompo Jehovah ve tsy manana fahefana hanaisotra ireo mahatandindomin-doza ny filaminan’ny tany amin’ny ho avy? Azony atao tokoa izany, satria izy no “namorona ny tany sy nahavita azy (...); tsy ho tany tsy misy endrika akory no namoronany azy”. — Isaia 45:18.

Efa nisy zavatra nialoha ve?

Rehefa nanome fahefana ny Isiraelita hitoetra tao amin’ny Tany nampanantenaina Jehovah, 3500 taona lasa izay, dia nofaritany mazava tsara aoka izany ireo fitsipi-pitondrantena tokony harahin’izy ireo tamin’izao teny izao: “Aza mametaveta ny tany izay onenanareo, fa ny ra dia fametavetana ny tany (...). Ary aza lotoinareo ny tany onenanareo.” (Nomery 35:33, 34). Raha jerena ankoatra ny Isiraely fahiny dia tsapa fa ny tantaran’ny olombelona dia mahatsiravina indrindra amin’io lafiny io. Nandritra ireo taonjato ny tany dia voaloton’ny ran’olona an-tapitrisany maro, maty tamin’ny ady ary koa tamin’ny fanadiovana ara-politika sy ara-pivavahana. Ho famaranana, amin’izao taonjato faharoapolo misy antsika izao, ny tarehin-javatra dia mbola vesaran’ny heloka bevava sy ny fanalana zaza.

Ireo Isiraelita fahiny dia lasa tsy niraharaha ireo lalàn’i Jehovah ary tsy maintsy nandoa ny vidiny: voaroaka avy tao amin’ny faritaniny izy ireo. Ny firenen’i Joda, ny an’ireo foko roa tetsy andaniny dia nanaraka koa io lalana io ihany ka izany dia nahazoany izao fitenenana manaraka izao: “Ny tany dia efa voavetavetan’ny mponina ao aminy, satria nandika ny lalàna sy nanota ny didy izy ary nivadika ny fanekena mandrakizay.” (Isaia 24:5). Noho izany, ireo Jodiana dia lasa babo nandritra ny fitopolo taona. Toy izany koa, Jehovah Andriamanitra dia hisalovana mandritra ity taranaka manatona haingana ny fiafarany ity. — Lioka 21:25-36.

Inona no hataony? Manambara ny Baiboly fa Andriamanitra dia hamoaka didy tsy ho ela ny amin’ny fanadiovana. Izany dia ho ny adin’i Haramagedona izay efa nambara hatramin’ny taonjato maro. Io ady io dia tsy hampifanohitra ny kapitalisma amin’ny kaominisma. Marina tokoa fa araka ny fomba fijerin’Andriamanitra, ny raharaha tampony dia mihoatra lavitra ny faritra ara-politika tsinontsinon’ny olombelona: mifandraika amin’ny fanapahan’i Jehovah ara-drariny ny tany izany. Fa raha ny amin’ireo fahavalon’Andriamanitra, ireo “fanahy ratsy” sy ireo mpiara-miasa aminy olombelona, izy ireo dia mihevitra ny ho afaka hanohy hanapaka ny tany tsy misy fiheverana ny fisalovanan’Andriamanitra (Efesiana 6:12; Salamo 14:1-3). Amin’ny famoahana ny didy fandroahana ao Haramagedona, Jehovah dia hanaisotra amin’ity planeta sarobidy ity ny olona rehetra mametaveta na mandoto azy. Amin’io asa fanadiovany io, Andriamanitra dia handroaka sy hamatotra koa ireo “fanahy ratsy” izay mampisy fitaomana hatry ny ela eo amin’ireo olona tia tena sy liampahefana. — Apokalypsy 16:14, 16; 20:1-3.

Inona no hanaraka ny fanadiovana ao Haramagedona? Nanome izao fampanantenana izao Jehovah: “Fa, indro, Izaho mahary lanitra vaovao sy tany vaovao.” Na dia tanteraka tamin’ny ambaratonga kely aza ireo rehefa niverina avy tany amin’ny fahababoany tany Babylona ireo Jiosy tamin’ny 537 talohan’ny fanisan-taona iraisana, ireo teny ireo dia tsy maintsy mbola hanana fahatanterahana feno sy tena izy. Tamin’ny fiheverana ny ho avy, Petera apostoly kristiana dia nanome fanazavana ny amin’io fanantenana marim-pototra io tamin’izao teny izao: “Isika, araka ny teny fikasany, dia manantena lanitra vaovao sy tany vaovao, izay itoeran’ny fahamarinana.”—Isaia 65:17; II Petera 3:13; Titosy 1:2.

Raha maniry hahazo fanazavana amboniny momba io ho avy azo antoka atolotr’Andriamanitra anao eo ambanin’ny Fanjakana natolony an’i Kristy io ianao, dia aoka ianao hahatsiaro ho afaka hifandray amin’ireo manodidina anao izay Vavolombelon’i Jehovah na hanoratra amin’ireo mpampanonta ity gazety ity.

[Sary, pejy 9]

“Ary ny amboadia hiara-mitoetra amin’ny zanak’ondry; Ny leoparda hiara-mandry amin’ny zanak’osy; Ary ny zanak’omby sy ny liona tanora sy ny ombikely mifahy hiray toerana, ary ny zazakely no hiroaka azy. Ary ny ombivavy sy ny bera hiara-komana; ny zanany hiara-mandry; ary ny liona hihina-mololo tahaka ny omby; ny zaza minono hilalao amin’ny lavaky ny vipera, ary ny zaza mitsaha-nono haninjitra ny tanany ao amin’ny lavaky ny menarana. Ary tsy handratra na hanimba eran’ny tendrombohitro masina izy; Fa ny tany ho henika ny fahalalana an’i Jehovah, tahaka ny anaronan’ny rano ny fanambanin’ny ranomasina”—Isaia 11:6-9

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2026)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2026 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara