Tsy manana ahiahy ve ianao
Fanamaivanana inona no mety ho hita ankehitriny?
HATRAIZA no hahatsiarovanao ho tsy manana ahiahy eo anatrehan’ireo zava-manahirana voalaza ao amin’ny pejy fahatelo? Davida mpanjaka izay poeta koa dia nanolotra ho antsika teny natao hampitony antsika kokoa dieny ankehitriny. Nanoratra izy hoe: “Ataoko eo anatrehako mandrakariva Jehovah, fa eo an-kavanako Izy, ka dia tsy hangozohozo aho. (...) Ny nofoko aza hitoetra tsy manana ahiahy.”—Salamo 16:8, 9.
Raha ‘mametraka an’i Jehovah eo anatrehanao’ ianao, inona no vokatra haterak’izany eo amin’ny zava-manahirana sy tahotra manafika anao? Aoka hojerentsika indray fohifohy ireo fanontaniana napetraka teo aloha mba hahatakarantsika hoe amin’ny ahoana no mety hahavonjy antsika ny torohevitr’i Jehovah.
Ny fampiharana isan’andro ireo fotopotopitsika ao amin’ny Baiboly dia manana fahefana lehibe hanolotra anao lalana hahitana asa. Ny fampiharana azy ireny dia mety hahatonga olona iray ho mpiasa tsy manao tsirambina, marina, mendrika ary be herim-po. Marina tokoa fa mirakitra izao fananarana izao ny Tenin’Andriamanitra: “Aoka izay nangalatra tsy hangalatra intsony; fa aleo hikely aina ka hiasa izay tsara amin’ny tànany”. (Efesiana 4:28). Amin’ny fotoana mahazatra, ny mpampiasa manan-tsaina rehetra dia hitady izay hahazoana ny fitondran-draharahan’ny mpiasa iray mendri-pitokisana. Araka izany, na dia tena misy tokoa aza izany, ny zava-manahirana momba ny asa dia tsy tokony ho lehibe aoka izany ho an’ny kristiana marina.
Ny fomba fiaina kristiana aza dia mety hanalefaka ireo vokatry ny fisondrotam-bidim-piainana. Fa nahoana no izany? Satria ny kristiana mampiasa ny fananana voafetra amin’ny fomba mety. Tsy mandanilany foana ny volany amin’ny loka, paraky sy sigara, ny fanaranam-po amin’ny fisotro misy alkaola na ny zavatra mahankona izy. Misoroka koa ny fireharehana izay karazana fizahozahoana lafo vidy tokoa izy, dia ny filan’ny nofo sy ny filan’ny maso ary ny rehaka momba izao fiainana izao, dia tsy avy amin’ny Ray [Andriamanitra], fa avy amin’izao tontolo izao”. — I Jaona 2:16, 17.
Amin’ny ahoana ny fomba fijerin’ny kristiana marina no hanampy azy amin’ny fisetrana ny zava-manahirana iraisam-pirenena momba ny heloka bevava. Manambara ny Baiboly hoe: “Aza mankany amin’ny alehan’ny ratsy fanahy, ary aza mizotra amin’ny làlan’ny ratsy. Manalavira azy; aza mandalo eo akory.” (Ohabolana 4:14, 15). Mba hanarahana io torohevitra io, ny kristiana dia maneho fitandremana feno fahendrena eny amin’ny faritany na amin’ny tarehin-javatra mety hisian’ny heloka bevava. Ambonin’izany, dia misoroka ny fifaneraserana amin’ireo mirona ho amin’ny ditra izy.
Na dia kristiana maro aza no voaterin’ny toerany ara-toe-karena hipetraka amin’ny trano tean faran’izay tsotra, ny fotopotopitsipik’izy ireo miorina amin’ny Baiboly dia manosika azy ireo hitana ny tranony ho madio sy hanao izay hahafinaritra izany kokoa noho ny an’ireo mpifanolobodirindrina aminy amin’ny ankapobeny. Fantatr’izy ireo fa ny fahadiovana dia anisan’ny fanompoam-pivavahana marina amin’i Jehovah, ilay Andriamanitra masina. Nanome izao baiko izao tokoa Isaia mpaminany: “Madiova, hianareo”. — Isaia 52:11.
Nianatra nanao ity vavaka ity ireo kristiana: “Omeo anay anio izay hanina sahaza ho anay.” (Matio 6:11). Io fangatahana io dia milaza fihetsika manokana eo anatrehan’ny sakafo isan’andro. Faly izy ireo mahazo izay hahafapo amin’ny zavatra ilainy isan’andro amin’ny tsy fiahiana tafahoatra ny amin’ny ampitso. Marina tokoa fa raha miantsoroka tsara ny andraikiny ilay mpino dia fantany fa tsy ho diso zavatra ilaina eo amin’ny fiainana izy, mifanaraka amin’ireto teny nosoratan’i Davida mpanao salamo ireto: “Efa mba tanora ihany aho, ary efa antitra ankehitriny; fa tsy mbola hitako izay marina nafoy, na ny zanany mangataka hanina.” — Salamo 37:25.
Azo atao ve ny misoroka na mampihena ho kely indrindra ireo fifandirana ao an-tokantrano? Manao izao fanamarihana izao ny Baiboly: “Izay mahatsindry fo mampitsahatra fifandirana.” (Ohabolana 15:18). Milaza koa izy hoe: “Esory aminareo ny fo-lentika rehetra sy ny fahavinirana sy ny fahatezerana sy ny fitabatabana sy ny fitenenan-dratsy ary ny lolompo rehetra; ary aoka samy halemy fanahy amin’ny namany avy hianareo (...) hifamela heloka”. (Efesiana 4:31, 32). Tsy heverinareo ve fa ho sambatra kokoa ireo fanambadiana rehetra raha voamarik’io toe-tsaina kristiana io?
Ray aman-dreny maro no manahy lalina ny amin’ireo zanany, indrindra noho ny fitaomana ratsy ampiharin’ireo namany any an-tsekoly amin’izy ireo. Na izany aza, ao amin’ireo tokantrano kristiana, ny tsy fivadihana amin’ireo fotopotopitsipika sy amin’ny fianakaviana dia tokony ho latsa-paka lalina mba hanampiana ireo tanora hanohitra ireo fakam-panahy eo amin’izao tontolo izao ankehitriny. Manasa ireo ray aman-dreny ny Baiboly ho tonga naman’ireo zanany akaiky, amin’ny fitadiavana fandanjalanjana tsara eo amin’ny fitiavana sy ny fifehezana. Tafiditra amin’ny fifehezana tokoa ny fifaneraserana, ny fanabeazana, ny fifanazavana sy ny fanitsiana. — Efesiana 6:4; Ohabolana 1:8.
Ny kristiana izay manana fanantenana mafy orina dia tsy ho voakasika loatra noho ny hafa amin’ireo tarehin-javatra miteraka faharerahan-tsaina sy alahelo. Tsy ho tonga andevon’ny zavatra mahankona izy mba handosirana ny zavatra tena misy, ary tsy hanao izany ho tehina mba hitondrany ny fiainany isan’andro. Mamaky toy izao isika, araka ny diam-penin’ny mpanao salamo: “Handry amin’ny fiadanana aho, ka hatory satria Ianao irery ihany, Jehovah ô, no mampitoetra ahy tsy manana ahiahy.” — Salamo 4:8, MN.
Raha fantatr’ireo kristiana fa mety hisy ady vaovao hipoaka amin’ireo firenena, dia tsy hoe tsy tsapan’izy ireo akory fa tsy ny olombelona no tompon’ny tany fa Andriamanitra. Fantatr’izy ireo fa tsy havelan’Andriamanitra hanapotika ny tany ny olombelona na hamongotra ny fianakavian’olombelona amin’ny ady noklehera iray, satria izy no “namorona ny tany sy nahavita azy (...) nataony honenana”. (Isaia 45:18.) Izany no antony nampanantenany marimarina ireo olombelona mankato, “lanitra vaovao” sy “tany vaovao”. Tsy nihevitra ny amin’ny planeta vaovao iray sy lanitra hafa izy tamin’izany fa fandehan-javatra vaovao tanteraka eto an-tany, mifototra amin’ny fampianarana mitodika ho amin’ny ara-panahy. Izany no mifanaraka amin’ny faminanian’Isaia ara-tsindrimandry hoe: “Fa ny tany ho henika ny fahalalana an’i Jehovah, tahaka ny anaronan’ny rano ny fanambanin’ny ranomasina.” — Isaia 65:17; 11:9.
Nahoana ary amin’ny fomba ahoana no hetezan’io fiovana io? Hampisy fandriampahalemana amin’ny alalan’ireo mpitondra eo amin’izao tontolo izao ve Andriamanitra? Handray soa manokana amin’ny ho avy azo antoka ve ianao? Ny lahatsoratra farany amin’ity fitohitohizana ity no hamaly ireo fanontaniana ireo.
[Sary, pejy 7]
Amin’ny fanarahana ireo torohevitra ao amin’ny Baiboly, dia azo atao ny mahatonga ny tokantranon’ny tena hadio kokoa, na manao ahoana na manao ahoana toetr’ireo trano manodidina.