Tsy manana ahiahy ve ianao?
Azonao atao ve ny hanana toky?
Nanao ilay fanadinana fitsapana toe-tsaina tao amin’ny pejy fahatelo ve ianao? Impiry ianao no namaly hoe eny? Raha namaly “eny” tamin’ny anankiray na ny maromaro tamin’ireo fanontaniana ireo ianao dia fantaro fa tsy ianao irery no be ahiahy, tsy izany velively. Ny ankamaroan’ny mponina eto amin’ny gilaoby dia miaina ao anatin’ny ahiahy ary tsy azo antoka mihitsy ny ho aviny.
Angamba hanampy anao hahazo an-tsaina tsara kokoa ny halehiben’ireo zava-manahirana isan-karazany ireo maneran-tany ny fandinihana fohy ny toe-draharaha manaraka eto.
NY ASA: Ny tapany lehibe amin’i Eoropa dia tratry ny tsy fahitana asa izay mahatratra ara-keviny manaitra ka mandentika fianakaviana an-tapitrisany maro ao anatin’ny fandriana andriran’antsy. Tsy tsara noho izany ny tarehin-javatra any Etazonia izay misy olona maherin’ny sivy tapitrisa tsy manana asa. Raha ny momba ny fitomboan’isan’ireo tsy manana asa tsy ankiato, ny kaomisera eoropean’ny raharaha ara-tsosialy, Ivor Richard, dia nandefa ity fampitandremana ity: “Tsy azo sorohina ny hahatonga ny rafitra ara-tsosialin’ny fitambaran’olona eo amintsika ho amin’ny fihenjanana mahery vaika (...) [Io tarehin-javatra io] dia mety hahatandindomin-doza ny fototry ny fitambaran’olona demokratika sy afaka mihitsy.” Mahatsiaro ny tenanao ho tsy manana ahiahy ve ianao raha tsy an’asa?
NY FISONDROTAN’NY VIDIM-PIAINANA: Zavatra kely lavitra noho ny tamin’ny folo taona lasa ve no azon’ny volanao vidina? Ny fahasahiranana mafy momba ny solitany tao anatin’ireo folo taona farany dia manery saika ny tontalin’ny tany rehetra hiaritra ny fisondrotan’ny vidim-piainana. Ohatra, any Grande-Bretagne dia enina livatra “sterling” no ilaina ankehitriny mba hividianana izay azon’ny iray livatra tamin’ny 1961. Ankoatr’izany dia tany maro no manana amin’ny ara-keviny fisondrotan’ny vidim-piainana mbola ambony lavitra kokoa. Angamba izany no misy eo aminao. Rehefa mihen-danja ny volanao, azonao atao ve ny mibanjina ny ho avy amin-toky?
NY HELOKA BEVAVA: Iza no tsy matahotra ny hotafihina eny amin’ny arabe? Mbola loza iray iraisam-pirenena koa io. Any Japana dia nisy lohatenin-gazety vao haingana nanoritra ny zava-manahirana misy ao amin’io tany io: izao no novakina tao: “Manahirana ny fitondram-panjakana ny fitomboan’ny ditran’ny ankizy” ary: “Tampon’isan’ny ditran’ny ankizy tsy ampy taona”. Any amin’ny tany maro, ireo mpitsara moramorainy sy ireo tribonaly karazana vonjy tavan’andro dia manilika haingana ireo mpamono olona ho eny amin’ny arabe. Tao amin’ny gazety espaniola, ny lahatsoratra iray dia nametraka tamin’ahiahy ity fanontaniana ity; “Tsy misy intsony ve ny lalàna fanamelohana?”
IREO FONENANA TSY MAHASALAMA: Fianakaviana an-tapitrisany maro eo amin’izao tontolo izao manontolo no mbola miaina ao amin’ny fonenana feno voalavo, rakotry ny kalalao, nefa tsy misy rano. Eto izahay dia tsy miresaka fotsiny ihany ny amin’ny toerana mahazatra toy ireo araben’i Bombay, any India, na ireo fasan’i Caïre, any Egypta. Fa inona tokoa no holazaina raha ny amin’ireo trano vifotsy manaratsy endrika ny maro amin’ireo tanàn-dehiben’ny firenena tandrefana lazaina fa “mandroso”? Ny rapaoro momba ny volavolan-kevitra ny amin’ny trano fonenana Cabrini-Green any Chicago, any Etazonia, dia nanambara hoe: “Raha vao tafiditra ao amin’ny tranony ireo izay hitoetra ao dia tsy maintsy mifanandrina amin’ny mponina maro be, dia voalavo sy kalalao izay mameno ny ankamaroan’ireo fitambaran-trano Cabrini-Green.” Ny ankamaroan’ireo mahantra dia tapi-dalan-kaleha. Toa manjombona ny ho avy.
NY HANOHANANA: Araka ny loharanom-baovao iray, ny androantokon’ny mosarena eto amin’izao tontolo izao dia miely any amin’ny tany sivy izay mampiseho ny 27 isan-jaton’ny mponina maneran-tany. Eo ambanin’ny lohateny hoe: “Mihamahantra hatrany ihany ireo tena mahantra”, ny gazety iray any Londres (“Financial Times”) dia nanao izao famoaboasana izao: “Ny tarehin-javatra faran’izay mampahatahotra angamba dia ity: Ny fahafahan’i Afrika mamokatra sakafo dia tsy maharaka intsony efa hatramin’ny ela ny lanin’ny mponina ao aminy eo an-tampon’ny fitomboana ary dia mihalalina tsy tapaka ny hantsana.” Na dia any amin’ireo tany mandroso aza, ny tsy fitovian’ny vola miditra sy ny fahantrana dia miteraka hanoanana, any amin’izay toa anjakan’ny fahatondrahana indrindra. Manahy ny amin’ny hohaninao isan’andro ve ianao?
IREO FIFANDIRANA AO AMIN’NY FIANAKAVIANA: Voalaza fa maherin’ny 40 isan-jaton’ireo fanambadiana any Etazonia no eo an-dalam-paharavana. Ao amin’io tany io ihany dia eo amin’ny ankizy roa ambin’ny folo tapitrisa eo ho eo latsaka ny valo ambin’ny folo taona no manan-dray aman-dreny misaraka. Any amin’ny faritra maro eo amin’izao tontolo izao, dia olon-dehibe maro no miara-mipetraka nefa tsy vita fanambadiana mihitsy hatrizay. Raha ny momba azy ireo, ny porofon’ny fahapotehan’ny fianakaviana dia ao amin’ny isan’ny vehivavy azo vadina araka ny fomban-tany sy ireo zazasary nilaozana. Ahoana moa no hahafahan’ny olon-dehibe sy ny ankizy hahatsiaro tsy fananana ahiahy nefa ny firafitry ny fianakaviana mihitsy no eo an-dalam-pisamatsamahana?
NY FANAHIANA NY AMIN’NY ANKIZY: Niteraka fahadisadisana mitatra haingana ny herisetra any an-tsekoly. Tamin’ny 1981, dia vao voalohany ny tanànan’i New York no nampiasa mpiambina 420 mba hampihenana ny isan’ny fanaovana an-keriny amin’ny mpampianatra sy mpianatra any amin’ny sekoly ambaratonga voalohany. Any Grande-Bretagne sy any Japana dia nandia firehetan’ny herisetra koa ireo trano fianarana. Eo anoloan’ny firodanan’ny lalàm-pifehezana toy izany, mety tsy hanana ahiahy ny amin’ny fanabeazana ny zanakao ve ianao?
NY FAHARERAHAN-TSAINA: Izao no novakina tao amin’ny gazety anankiray any Kanada (Ny “Star” any Toronto): “Amerikana Tavaratra an-tapitrisany maro no mijaly mangina noho ny fahoriana novidiny lafo teo amin’ny fanambadiana, teo amin’ny asa ary na dia teo amin’ny aina aza (...). Ny faharerahan-tsaina dia aretina mahazo ny besinimaro misy vidiny ara-tsosialy faran’izay lafo tokoa.” Nanonona ireto tenin’i Emmanuel Persad, mpitsabo aretin-tsaina ireto io gazety io ihany: “Mpanao fikarohana maro no mino fa ny faharerahan-tsaina dia niely tao anatin’ireo taona faramparany noho ny fitambotsorana ara-toe-karena, ny fahapotehan’ny fianakaviana ary ny fitokanana ara-tsosialy.” Ny fitaran’ny zava-manahirana momba ny faharerahan-tsaina ve tsy famantarana ny tsy fisian’ny fitokisana?
NY ZAVATRA MAHANKONA: Olona an-tapitrisany maro no nanao ny zavatra mahankona ho tehin’izy ireo. Isan’andro dia vola tsy toko tsy forohana no lany amin’ny fanaranam-po amin’ny alkaola, paraky na sigara sy zavatra mahankona. Manome taratry ny tsy fananana ahiahy ve io tarehin-javatra io?
METY HISY VE NY ADY VAOVAO HANERANA IZAO TONTOLO IZAO, AZO AMPOIZINA NA TSY AZO SOROHINA? Ny mpitondra sasantsasany dia miombon-kevitra fa azo atao ny mitarika sy mandresy amin’ny ady noklehera iray ary mino amin’izany fa ho tafavoaka amin’ny fahasahiranana tsy azo ihodivirana mifamatotra amin’ny tsangan-kevitra ny amin’ny sorona itambarana. Mino mafy ve ianao fa tsy hisy intsony ny ady iraisam-pirenena?
Inona no marihin’io fahatsinjovana manjombona io? Azonao atao marina ve ny miatrika ny ho avinao sy ny an’ny fianakavianao amin-toky? Misy zavatra hafa azo atao ve ankoatra ny fitokisana ireo filoha ara-politika sy ara-tafika na ireo mpampionona ara-pivavahana? Misy lalana mitondra tokoa ho amin’ny tsy fananana ahiahy ve? Ny lahatsoratra manaraka dia hanome anao ny valiny entin’ny Baiboly ho an’ireo fanontaniana ireo.
[Sary, pejy 5]
Mihevitra tsy amin’ahiahy ny ho avin’ireo zanakao ve ianao, ny sakafony, isan’andro, ny fanabeazana azy, sa fotsiny ny hahazara raha velona azy?